Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8


Fizarana 8

Fanambarana nomena an’i Oliver Cowdery tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Harmony, Pennsylvania, ny volana aprily 1829. Nandritra ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna, i Oliver izay nanohy ny asan’ny mpitantsoratra ka nanoratra ny teny notononin’ny Mpaminany dia naniry ny hotafiana amin’ny fanomezam-pahasoavan’ny fandikan-teny. Namaly ny fitalahoany tamin’ny fanomezana ity fanambarana ity ny Tompo.

1–5, Tonga amin’ny herin’ny Fanahy Masina ny fanambarana; 6–12, Ny fahalalana ny amin’ny misterin’ Andriamanitra sy ny fahefana handika ireo rakitsoratra tranainy dia tonga amin’ny alalan’ny finoana.

1 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa ry aOliver Cowdery, fa tahaka ny maha-velona marina tokoa ny Tompo izay Andriamanitrao sy Mpanavotra anao no handraisanao marina tokoa ny bfahalalana ny amin’izay zavatra rehetra dhangatahinao amin’ny finoana, amin-kitsim-po, rehefa mino fa horaisinao ny fahalalana momba ireo soratra voasokitra eo amin’ireo erakitsoratra fahiny, izay tranainy, izay mirakitra ireo ampahany amin’ny soratra masina izay efa notenenina tamin’ny ffanehoan’ny Fanahiko ireo.

2 Eny indro, ahiteny anao ao an-tsainao sy ao bam-ponao Aho, amin’ny alalan’ny dFanahy Masina izay ho tonga ao aminao sy hitoetra ao am-ponao.

3 Ankehitriny indro, io no fanahin’ny fanambarana; indro, io ilay fanahy izay nitondran’i Mosesy ny zanak’Isiraely namakivaky ny aRanomasina Mena, nandia tany maina.

4 Koa io no fanomezam-pahasoavana anananao; ampiasao izany, dia ho sambatra ianao, fa hanafaka anao eo an-tanan’ny fahavalonao izany, fa raha tsy izay no izy, dia hovonoiny ianao ka hoentiny any amin’ny famongorana ny fanahinao.

5 Ô, tadidio ireto ateny ireto, ary tandremo ny didiko. Tadidio, io no fanomezam-pahasoavana anananao.

6 Ankehitriny tsy izay ihany no fanomezam-pahasoavana anananao; fa anananao ny fanomezam-pahasoavana iray hafa, dia ny fanomezam-pahasoavan’i Aharôna; indro, efa nilaza zavatra betsaka taminao izany;

7 Indro, tsy misy hery hafa afa-tsy ny herin’ Andriamanitra no mahatonga io fanomezam-pahasoavan’i Aharôna io ho ao aminao.

8 Koa aza miroanahana, satria fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra izany; ary hohazoninao eo an-tananao izany, ary hanao asa mahatalanjona ianao; ary tsy misy hery afaka manaisotra izany eo an-tananao, satria asan’ Andriamanitra izany.

9 Koa na inona na inona hangatahinao Amiko holazaina anao amin’izany fomba izany, dia hotoviko aminao izany, ary hanana ny fahalalana momba izany ianao.

10 Tsarovy fa raha tsy misy ny afinoana, dia tsy mahavita na inona na inona ianao; koa mangataha amin’ny finoana. Aza hamaivanina ireto zavatra ireto; aza bmangataka izay tsy tokony hangatahinao.

11 Mangataha mba hahafantaranao ireo misterin’ Andriamanitra ary mba hahazoanao amandika teny sy manovo fahalalana avy amin’ireo rakitsoratra tranainy rehetra izay efa nafenina ireo, izay masina; ary dia hotovina aminao araka ny finoanao izany.

12 Indro, Izaho no efa niteny izany; ary Izaho ihany ilay efa niteny taminao hatrany am-piandohana. Amena.