Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 116


Fizarana 116

Fanambarana nomena an’i Joseph Smith Mpaminany teo akaikin’i Wight’s Ferry, teo amin’ny toerana atao hoe Spring Hill, Fivondronan’i Daviess, Missouri, ny 19 mey 1838.

1 Spring Hill no ataon’ny Tompo hoe Adama-ondia-Amàna, satria, hoy Izy, izany no toerana izay hahatongavan’i Adama hamangy ny vahoakany, na hitoeran’ilay Fahagolan’ny Andro, araka ny tenenin’i Daniela mpaminany.