Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89


Fizarana 89

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirtland, Ohio, ny 27 febroary 1833. Ho setrin’ny fampiasan’ireo rahalahy tamin’izany fotoana izany ny paraky sy ny sigara tamin’ny fivoriana, dia voatarika ny Mpaminany mba hisaintsaina ny amin’ilay toe-draharaha; koa nanontany ny Tompo ny momba izany izy. Ity fanambarana fantatra amin’ny hoe ny Tenin’ny Fahendrena ity no valiny.

1–9, Voarara ny fampiasana divay, ny zavapisotro mahery, ny paraky sy ny sigara ary ny zavapisotro mahamay; 10–17, Voatendry hampiasain’ny olona sy ny biby ny zavamaniry, ny voankazo sy ny hena ary voan-javamaniry; 18–21, Ny fankatoavana ny lalàn’ny filazantsara, anisan’izany ny Tenin’ny Fahendrena, dia mitondra fitahiana ara-nofo sy ara-panahy.

1 Ny aTenin’ny Fahendrena, ho tombontsoan’ny filankevitry ny mpisorona avo nivory tao Kirtland sy ny fiangonana ary koa ny olomasina ao Ziona—

2 Halefa ho fiarahabana; tsy amin’ny fandidiana na ny fanerena, fa amin’ny alalan’ny fanambarana sy ny tenin’ny fahendrena izay maneho ny lamina sy ny asitrapon’ Andriamanitra amin’ny famonjena ny vatan’ny olomasina rehetra amin’ny andro farany—

3 Nomena ho fitsipika omban’ny afampanantenana, sahaza ny fahafaha-manaon’ny osa sy ny osa indrindra amin’ny bolomasina rehetra, izay olomasina na azo atao hoe olomasina.

4 Indro, toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo aminareo: Noho ny asain-dratsy sy ny fikasana izay misy sy hisy ao am-pon’ny bmpiaramioko amin’ny andro farany no efa dnampitandremako anareo sy efa ilazako mialoha aminareo amin’ny fanomezana anareo ity tenin’ny fahendrena ity amin’ny alalan’ny fanambarana—

5 Fa raha misy olona any anivonareo misotro adivay na zavapisotro mahery, dia indro tsy tsara sady tsy mety eo imason’ny Rainareo izany afa-tsy amin’ny fiarahanareo mivory mba hanatitra ny fanati-pisaoranareo eo anoloany.

6 Ary indro, izany dia tokony ho divay, eny, divay atsy misy fangarony avy amin’ny voan’ny voaloboka sady namboarinareo.

7 Ary ankoatra izany, ny zavapisotro amahery dia tsy natao ho an’ny kibo fa ho fanasana ny vatanareo.

8 Ary ankoatra izany, ny paraky sy ny sigara dia tsy natao ho an’ny avatana na ho an’ny kibo ary tsy tsara ho an’ny olona, fa raokandro kosa natao ho an’ny fahamanganana sy ny biby marary rehetra ka hampiasaina amin’ny fandanjalanjana sy ny fahaiza-manao.

9 Ary ankoatra izany, ny zavapisotro mahamay dia tsy natao ho an’ny vatana na ny kibo.

10 Ary ankoatra izany dia lazaiko aminareo marina tokoa, ny araokandro mahasalama rehetra dia efa voatendrin’ Andriamanitra ho an’ny rafi-batana, ny toetra ary ho fampiasan’ny olona—

11 Ny raokandro tsirairay amin’ny vanim-potoany avy, ary ny voankazo tsirairay amin’ny fotoany avy; ireo rehetra ireo dia hampiasaina amin’ny fahamalinana sy ny afankasitrahana.

12 Eny, Izaho Tompo dia efa nanendry ny anofon’ny bbiby koa sy ny an’ny voromanidin’ny habakabaka ho fampiasan’ny olona miaraka amin’ny fankasitrahana; kanefa tokony hampiasaina amin’ny dfitsitsiana izany;

13 Ary Ankasitrahako ny tsy tokony hampiasana izany raha tsy amin’ny fotoan’ny ririnina, na ny hatsiaka, na ny mosary.

14 Ny avoa rehetra dia efa voatendry ho fampiasan’ny olona sy ny biby, ho fanohanana ny aina, tsy ho an’ny olona ihany fa ho an’ny biby eny an-tsaha sy ny voromanidin’ny lanitra ary ny bibidia rehetra izay mihazakazaka na mandady amin’ny tany;

15 Ary ireny dia tsy nataon’ Andriamanitra ho fampiasan’ny olona raha tsy amin’ny fotoan’ny mosary sy ny hanoanana mihoa-pampana.

16 Ny voa rehetra dia tsara ho sakafon’ny olona; tahaka izany koa ny vokatry ny zava-maniry izay mamoa voa, na ao anaty tany na eo ambonin’ny tany—

17 Na dia izany aza, ny varimbazaha dia ho an’ny olona, ary ny katsaka ho an’ny omby, ary ny lavoanina ho an’ny soavaly, ny segla ho an’ny voromanidina sy ny kisoa ary ny biby rehetra any an-tsaha, ary ny ôrza ho an’ny biby ilaina sy ny zavapisotro maivamaivana, torak’izany koa ireo voa hafa.

18 Ary ny olomasina rehetra izay mahatsiaro ny hitandrina sy ny hampihatra ireo teny ireo sady mandeha amin’ny fankatoavana ny didy dia hahazo afahasalamana eo amin’ny foitrany ary tsoka ho an’ny taolany;

19 Ary hahita afahendrena sy rakitsoa lehiben’ny bfahalalana izy ireo, dia rakitsoa miafina;

20 Ary ahihazakazaka izy ireo fa tsy ho sasatra ary handeha fa tsy ho reraka.

21 Ary Izaho Tompo dia manome azy ireo afampanantenana fa bhandalo azy ireo, tahaka ny tamin’ny zanak’i Isiraely, ny anjely mpandringana fa tsy hamely azy ireo. Amena.