Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 55


Fizarana 55

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany ho an’i William W. Phelps tao Kirtland, Ohio, ny 14 jona 1831. Vao tonga tao Kirtland i William W. Phelps mpanonta printy mbamin’ny fianakaviany ary nanontany ny Tompo ny momba azy ny Mpaminany.

1–3, Voantso sy voafidy mba hatao batisa, hatokana ho loholona ary hitory ny filazantsara i William W. Phelps; 4, tokony hanoratra boky ho an’ireo ankizy ao amin’ny sekolin’ny Fiangonana izy; 5–6, Izy dia tokony handeha ho any Missouri izay ho toeram-piasany.

1 Indro, izao no lazain’ny Tompo aminao ry William mpanompoko, eny, dia ny Tompon’ny atany manontolo, ianao dia voantso sy voafidy; ary rehefa bvita batisa amin’ny rano ianao, izay raha ataonao amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitro, dia ho azonao ny famelana ny fahotanao sy ny fandraisana ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny dfametrahan-tanana;

2 Ary amin’izany dia hatokana ho loholona amin’ity fiangonana ity ianao, amin’ny alalan’ny fametrahan-tanan’i Joseph Smith zanany mpanompoko, mba hitory ny fibebahana sy ny afamelana ny fahotana amin’ny alalan’ny batisa, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, ny zanak’Ilay Andriamanitra velona.

3 Ary hanan-kery ianao hanome ny Fanahy Masina amin’izay rehetra hamatrehanao tanana, raha manenina eo anoloako izy ireo.

4 Ary ankoatra izany, dia hatokana ianao mba hanampy an’i Oliver Cowdery mpanompoko, hanao ny asa printy sy amin’ny fifantenana ary ny fanoratana aboky ho an’ireo sekoly ao amin’ity fiangonana ity, mba hahazoan’ny ankizy madinika mandray fampianarana eo anoloako koa, araka izay ankasitrahako.

5 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminao marina tokoa, noho izao antony izao dia handeha hiaraka amin’i Joseph Smith zanany mpanompoko sy i Sidney Rigdon ianao, mba ho azo aambolena eo amin’ny tany lovanao ianao, hanao io asa io.

6 Ary ankoatra izany, dia aoka koa i Joseph Coe mpanompoko hiaraka amin’izy ireo. Hampahafantarina any aoriana ny ambiny, dia araka izay sitrako. Amena.