Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129


Fizarana 129

Torolalana nomen’i Joseph Smith Mpaminany, tao Nauvoo, Illinois, ny 9 febroary 1843, izay mampahafantatra ireo fanalahidy lehibe telo izay ahazoana manavaka ny toetra marin’ireo anjely manompo sy fanahy.

1–3, Samy misy any an-danitra na ireo vatana natsangana tamin’ny maty na ireo vatan’ny fanahy; 4–9, Nomena ireo fanalahidy izay ahazoana mamantatra ireo iraka avy any ankoatra ny voaly.

1 Misy karazan’olona roa any aan-danitra, dia ireo bAnjely izay olona dnatsangana tamin’ny maty sady manana vatana nofo sy taolana—

2 Ohatra, i Jesoa dia niteny hoe: Tsapao Aho ka jereo fa ny matoatoa tsy mba manana anofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.

3 Faharoa, ny afanahin’ny bolona marina natao fanaperana, izay tsy natsangana tamin’ny maty saingy mandova izany voninahitra izany ihany.

4 Rehefa misy iraka tonga ka milaza ho manana hafatra avy amin’ Andriamanitra, dia atolory azy ny tananao ary angataho izy hifandray tanana aminao.

5 Raha anjely izy dia hanao izany ary ho tsapanao ny tanany.

6 Raha fanahin’olona marina natao fanaperana izy dia ho tonga amin’ny voninahiny; satria izay ihany no fomba ahafahany miseho—

7 Angataho hifandray tanana aminao izy fa tsy hihetsika, satria mifanohitra amin’ny didin’ny lanitra ny hamitahan’ny olona marina; fa hampita ny hafany ihany izy.

8 Raha adevoly miseho amin’ny endriky ny anjelin’ny hazavana izany, rehefa angatahinareo hifandray tanana aminareo izy dia hanolotra ny tanany ary tsy hahatsapa na inona na inona ianareo; koa ho hainareo ny mamantatra azy.

9 Ireo no fanalahidy lehibe telo izay ahaizanareo mamantatra izay mety ho fisehoana avy amin’ Andriamanitra.