Fanampiana amin’ny fandalinana
Fanahy


Fanahy

Ny ampahany ao amin’ny olombelona izay efa nisy talohan’ny nahaterahana, izay mitoetra ao amin’ny vatana mandritra ny fiainana mety maty, izay mbola misy miavaka tsara aorian’ny fahafatesana mandra-pahatongan’ny Fitsanganana amin’ny maty. Ny zavamanan’aina rehetra—ny olombelona, ny biby, ary ny zavamaniry—dia fanahy talohan’ny nisian’ny karazana aina teto an-tany (Gen. 2:4–5; Mos. 3:4–7). Mitovy endrika amin’ny vatana ny fanahy (1 Ne. 11:11; Ete. 3:15–16; F&F 77:2; 129). Singan-javatra ny fanahy, saingy manify na madio kokoa noho ny zaka mety maty na ny singa (F&F 131:7).

Ny olona tsirairay dia zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra ara-bakiteny, nateraky ny Ray aman-dreny any an-danitra tamin’ny endrika fanahy talohan’ny niterahan’ny ray aman-dreny mety maty azy ety an-tany (Heb. 12:9). Manana vatana fanahy izay tsy mety maty ny olona tsirairay, ankoatra ny vatana nofo sy taolana. Araka izay amaritana azy indraindray ao amin’ny soratra masina, ny fitambaran’ny fanahy sy ny vatana no manome ny olona (Gen. 2:7; F&F 88:15; Mos. 3:7, 9, 19; Abr. 5:7). Afaka miaina tsy misy vatana ny fanahy, saingy ny vatana kosa dia tsy afaka miaina tsy misy ny fanahy (Jak. 2:26). Ny fahafatesan’ny vatana dia ny fisarahan’ny fanahy amin’ny vatana. Amin’ny Fitsanganana amin’ny maty, ny fanahy dia mitambatra indray amin’ilay vatana nofo sy taolana izay nananany tamin’ny mety maty, miaraka amin’ny fahasamihafana roa lehibe: tsy hisaraka intsony izy ireo, ary ho tsy mety maty sy tonga lafatra ny vatana (Almà 11:45; F&F 138:16–17).

Fanahy ratsy