Fanampiana amin’ny fandalinana
Zanak’Olona


Zanak’Olona

Anaram-boninahitra ampiasain’i Jesoa Kristy rehefa milaza ny tenany Izy (Lio. 9:22; 21:36). Ny Zanakalahin’ilay Lehilahin’ny Fahamasinana no dikany. Ny Lehilahin’ny Fahamasinana dia iray amin’ireo anaran’ Andriamanitra Ray. Ny fiantsoan’i Jesoa ny tenany hoe Zanak’Olona dia fanambarana ampahibemaso ny fifandraisany amin’ny Ray amin’ny maha-Andriamanitra Azy. Io anarana io dia hita matetika ao amin’ireo Filazantsara. Manamafy ny hevitra manokana sy ny fahamasinana entin’io anaran’ny Mpamonjy io ny fanambaran’ny andro farany (F&F 45:39; 49:6, 22; 58:65; Mos. 6:57).