Mampanan-kery any an-danitra ireo ôrdônansy tanterahina amin’ny fahefan’ny fisoronana eto an-tany. Voafehy ny ôrdônansy rehefa mahazo ny fankatoavan’ny Fanahy Masin’ny fampanantenana, dia ny Fanahy Masina izany.
Ireo no omena fahefana hifehy na eto an-tany, na any an-danitra, F&F 1:8 .
Ireo izay ao amin’ny voninahitra selestialy dia fehezin’ny Fanahy Masin’ny fampanantenana, F&F 76:50–70 .
Natolotr’i Elia ho eo an-tanan’i Joseph Smith ny fanalahidin’ny fahefan’ny famehezana, F&F 110:13–16 .
Koa izany no hery mamehy sy mamatotra, F&F 128:14 .
Ny tenin’ny faminaniana mafy orina kokoa dia midika ho fahalalan’ny olona fa izy dia fehezina ho amin’ny fiainana mandrakizay, F&F 131:5 .
Ireo fanekempihavanana rehetra ka tsy fehezin’ny Fanahy Masin’ny fampanantenana dia tsy mifarana rehefa maty ny olona, F&F 132:7 .
Ny asa lehibe tokony hatao any amin’ireo tempolin’ny Tompo dia ahitana ny famehezana ny zanaka amin’ny ray aman-dreniny, F&F 138:47–48 .