Fanampiana amin’ny fandalinana
Fanekempihavanana Vaovao sy Maharitra Mandrakizay


Fanekempihavanana Vaovao sy Maharitra Mandrakizay

Ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (F&F 66:2). Vaovao izy isaky ny ampahafantarina indray aorian’ny fotoana iray nisian’ny apôstazia. Maharitra mandrakizay izy noho izy fanekempihavanan’ Andriamanitra sady nisy tamin’ny fotoampitantanan’ny filazantsara rehetra isaky ny nanaiky handray azy ny olona. Nambaran’i Jesoa Kristy indray tamin’ny olona eto an-tany tamin’ny alalalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay. Mirakitra ôrdônansy masina izay tanterahin’ny fahefan’ny fisoronana izy, ka isan’izany ny batisa sy ny fanambadiana any amin’ny tempoly, izay manome ny olona famonjena, tsy fahafatesana ary fiainana mandrakizay. Rehefa manaiky ny filazantsara sy mampanantena ny hitandrina ny didin’ Andriamanitra ny olona, dia manao fanekena aminy ny hanome azy ny fitahian’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay Andriamanitra.