Enti-manambara ny olombelona rehetra na lahy na vavy. Ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra dia fanahy zanaky ny Ray any an-danitra ara-bakiteny. Mandray vatana nofo mety maty izy ireo rehefa teraka eto an-tany. Nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra ireo vatana ireo (Gen. 1:26–27 ). Ireo lehilahy sy vehivavy izay mahatoky amin’ny fandraisana ireo ôrdônansy tsy azo ialàna, mitandrina ireo fanekempihavanana nataony ary mankatò ny didin’ Andriamanitra dia hiditra ao amin’ny fisandratany sy ho tonga tahaka an’ Andriamanitra.
Misy ny olona mba hahazo fifaliana, 2 Ne. 2:25 .
Ny olona araka ny nofo dia fahavalon’ Andriamanitra, Môzià 3:19 .
Tokony ho karazana olona toa inona moa ianareo, 3 Ne. 27:27 .
Tsy ny asan’ Andriamanitra no voasakana, fa ny asan’ny olona, F&F 3:3 .
Tsy tokony ho natahotra ny olona mihoatra noho Andriamanitra ianao, F&F 3:7 (F&F 30:11 ; 122:9 ).
Ny zavatra rehetra dia natao ho tombontsoa sy hampiasain’ny olona, F&F 59:18 .
Fantatro fa tsinontsinona ny olona, Mos. 1:10 .
Ny asa sy voninahitr’ Andriamanitra dia ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona, Mos. 1:39 .
Olona, fanahy zanaky ny Ray any an-danitra
Dia niankohoka izy nanao hoe: Andriamanitra ô, Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, Nom. 16:22 (Nom. 27:16 ).
Zanak’i Jehovah Andriamanitrareo hianareo, Deot. 14:1 .
Andriamanitra hianareo ary zanaky ny Avo Indrindra hianareo rehetra, Sal. 82:6 .
Zanak’Ilay Andriamanitra velona hianareo, Hosea 1:10 .
Tsy mpiombon-dray va Isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray ihany va no nahary antsika, Mal. 2:10 .
Terak’ Andriamanitra isika, Asa 17:29 .
Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’ Andriamanitra isika, Roma. 8:16 .
Ekeo ny Rain’ny fanahy, Heb. 12:9 .
Ny mponin’ireo tany dia ateraka ho zanakalahy sy ho zanakavavy ho an’ Andriamanitra, F&F 76:24 .
Niaraka tamin’ny Ray ny olombelona tany am-piandohana, F&F 93:23, 29 .
Andriamanitra dia nahary ara-panahy ny olombelona rehetra, talohan’ny nisiany ara-batana teto ambonin’ny tany, Mos. 3:5–7 .
Izaho no Andriamanitra; Izaho no nanao izao tontolo izao sy ny olona talohan’ny nahatongavany ho nofo, Mos. 6:51 .
Olona, manan-kery ho tonga tahaka ny Ray any an-danitra
Aoka ho tanteraka hianareo, toy ny fahatanterahan’ny Rainareo izay any an-danitra, Mat. 5:48 (3 Ne. 12:48 ).
Tsy voasoratra ao amin’ny lalànareo va hoe: andriamanitra ianareo, Jao. 10:34 (F&F 76:58 ).
Sady mpandova an’ Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy isika, Roma. 8:17 .
Zanaka ianareo, ary raha zanaka dia mpandova an’ Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy, Gal. 4:7 .
Raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, 1 Jn. 3:2 .
Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin’ny seza fiandrianako, Apôk. 3:21 .
Andriamanitra ireo izay mandova ny fanjakana selestialy, eny zanakalahin’ Andriamanitra, F&F 76:50, 58 .
Dia ho andriamanitra izy ireo satria manana ny hery rehetra, F&F 132:20 .