Fanampiana amin’ny fandalinana
Fametrahan-tanana


Fametrahan-tanana

Ny fametrahana ny tanana eo amin’ny lohan’ny olona dia anisan’ny ôrdônansin’ny fisoronana. Maro amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana no tanterahina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana, toy ny fanokanana, ny tsodrano, ny fitsofan-drano ny marary, ny fandraisana ho mpikambana ao amin’ny Fiangonana ary ny fanomezana ny Fanahy Masina.