Fanampiana amin’ny fandalinana
Sorompanavotana


Sorompanavotana

Mampihavana ny olona amin’ Andriamanitra.

Araka ny hita ao amin’ny soratra masina, ny hoe manonitra dia miaritra famaizana noho ny fahotana natao, ka amin’izany no anesorana amin’ny mpanota mibebaka ny vokatry ny fahotana ary amelana azy hihavana amin’ Andriamanitra. Jesoa Kristy ihany no hany nahavita ny Sorompanavotana fanaperana ho an’ny olombelona rehetra. Nahavita izany Izy noho ny fifantenana sy ny fanokanana Azy mialoha tao amin’ny Filankevitra Lehibe, talohan’ny namoronana izao tontolo izao (Ete. 3:14; Mos. 4:1–2; Abr. 3:27), noho ny maha-zanak’ Andriamanitra Azy sy ny fiainany tsisy fahotana. Ny Sorompanavotany dia nahitana ny fijaliany noho ny fahotan’ny olombelona, ny fandatsahana ny rany ary ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ny maty taorian’izay (Isa. 53:3–12; Lio. 22:44; Môzià 3:5–11; Almà 7:10–13; F&F 19:16–19). Noho ny Sorompanavotana, ny olona rehetra dia hitsangana amin’ny maty, miaraka amin’ny vatana tsy mety maty (1 Kor. 15:22). Ny Sorompanavotana koa dia manokatra ho antsika ny lalana ahazoana mamela ny fahotantsika ary miaina mandrakizay miaraka amin’ Andriamanitra. Fa ny olona izay efa tonga eo amin’ny taona maha-tompon’andraikitra azy ka nandray ny lalàna dia tsy afaka mandray ireo fitahiana ireo raha tsy manam-pinoana an’i Jesoa Kristy, mibebaka amin’ny fahotany, mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena ary mankatò an’ireo didin’ Andriamanitra. Ireo izay tsy tonga eo amin’ny taona maha-tompon’andraikitra, mbamin’ireo izay tsy manana ny lalàna dia voavonjy amin’ny alalan’ny Sorompanavotana (Môzià 15:24–25; Môrô. 8:22). Mampianatra mazava tsara ny soratra masina fa raha tsy nanonitra ny fahotantsika i Kristy, dia tsy misy lalàna, ôrdônansy na sorona ho afaka nanefa ny fitakian’ny fahamarinana, ary tsy ho afaka niverina na oviana na oviana teo anatrehan’ Andriamanitra ny olona (2 Ne. 2; 9).