Fanampiana amin’ny fandalinana
Fanitsakitsaham-bady


Fanitsakitsaham-bady

Firaisana ara-nofo tsy ara-dalàna eo amin’ny lahy sy vavy. Na dia manondro ny firaisana ara-nofo eo amin’ny olona iray efa manambady sy ny olona iray hafa ankoatra ny vadiny aza amin’ny akapobeny ny hoe fanitsakitsaham-bady, dia mety hanondro koa ny olona tsy manambady izany ao amin’ny Soratra Masina.

Indraindray dia ampiasaina ny hoe fanitsakitsaham-bady ho toy ny teny an’ohatra ilazana ny fialan’ny firenena iray na ny vahoaka iray manontolo amin’ny lalan’ny Tompo (Nom. 25:1–3; Jer. 3:6–10; Ezek. 16:15–59; Hosea 4).