Fizarana 20: Andro 3
Romana 1–3
Fampidirana
Nanoratra epistily na taratasy ho an’ireo Olomasina tany Roma i Paoly Apôstôly. Ambarany ao fa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no herin’ Andriamanitra ho amin’ny famonjena. Nohazavainy fa satria manota avokoa ny olona rehetra, dia tsy misy afaka ny ho voavonjy amin’ny asan’ny tenany. Tsy maintsy amin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra izay azo avy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no hahavoavonjy azy ireo.
Ity lisitra manaraka ity dia mety hanampy anao hahatakatra ny sasany amin’ireo teny izay ampiasain’i Paoly ao amin’ireo epistiliny (taratasiny):
Filazantsara: “Drafitry ny famonjen’ Andriamanitra, azo tanterahina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Tafiditra ao amin’ny filazantsara ny fahamarinana na ny lalàna mandrakizay, ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy ilaina ho an’ny olombelona mba hiverenana eo anatrehan’ Andriamanitra” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Filazantsara,” scriptures.lds.org).
Famonjena: “Voavonjy amin’ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Famonjena,” scriptures.lds.org).
Fanamarinana: “Afahana amin’ny famaizana noho ny ota ka ambara ho tsy manan-tsiny. Hamarinin’ny fahasoavan’ny Mpamonjy ny olona, amin’ny alalan’ny finoana Azy. Aseho amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara izany finoana izany. Ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia mamela ny olombelona hibebaka sy hohamarinina na ho voavela heloka ka tsy hiharan’ny famaizana izay tokony ho nihatra taminy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanamarinana, Manamarina,” scriptures.lds.org).
Finoana: “Araka ny ampiasaina azy matetika tokoa ao amin’ny soratra masina, ny finoana dia ny fahazoana antoka sy ny fitokiana an’i Jesoa Kristy, izay mitarika ny olona hankatò Azy. Tsy maintsy miompana amin’i Jesoa Kristy ny finoana mba hitarihan’izany ny olona ho amin’ny famonjena” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Finoana,” scriptures.lds.org).
Fampihavanana: Fampodiana (mamerina amin’ny laoniny na manamarina); sorompanavotana (“Araka ny hita ao amin’ny soratra masina, ny hoe manonitra dia miaritra famaizana noho ny fahotana, ka manaisotra amin’ilay mpanota mibebaka ny vokatry ny fahotana ary mamela azy hihavana indray amin’ Andriamanitra. I Jesoa Kristy irery no hany afaka manatanteraka sorompanavotana tonga lafatra ho an’ny zanak’olombelona rehetra” [Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Manavotra, Fanavotana,” scriptures.lds.org].)
Fahasoavana: “Hery mampahatanjaka avy amin’ Andriamanitra, izay mamela ny lehilahy sy ny vehivavy hahazo fitahiana eo amin’ity fiainana ity ary hahazo ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana rehefa avy nampihatra finoana, nibebaka ary nanao ny ezaka tsara indrindra mba hitandrina ny didy. Ny fanampiana sy ny tanjaka avy amin’ Andriamanitra toy izany dia omena amin’ny alalan’ny famindram-po sy ny fitiavan’ Andriamanitra. Ny olona rehetra mety maty dia mila ny fahasoavan’ Andriamanitra noho ny fahalavoan’i Adama, ary koa noho ny fahalemen’ny olona” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahasoavana,” scriptures.lds.org).
Asa: “Ny ataon’ny olona, na tsara na ratsy. Hotsaraina araka ny asany avy ny olona tsirairay” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Asa,” scriptures.lds.org).
Lalàna: “Ireo didy na fitsipik’ Andriamanitra izay ifotoran’ny fitahiana sy ny famaizana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. Ireo izay mankatò ny lalàn’ Andriamanitra dia mandray ireo fitahiana nampanantenaina. …
“Ny lalàn’i Mosesy [na ny hoe ‘ny lalàna,’ araka ny teny ampiasain’i Paoly] dia lalàna fiomanana hitondra ny olona na lahy na vavy mankany amin’i Kristy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Lalàna,” scriptures.lds.org).
Romana 1:1–17
Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no herin’ Andriamanitra ho amin’ny famonjena
Ny Loholona Larry Echo Hawk ao amin’ny Fitopololahy dia nizara ny zavatra niainany fony izy zatovolahy taorian’ny nisoratany anarana hiditra ao amin’ny Tafika An-dranomasin’ny Etazonia:
“Ny fotoana voalohany nihaonako tamin’ilay mpanofana ahy, izay miaramila menavazana zatra ady, dia tamin’izy nandaka ny varavaran’ilay toby mba hanokafana izany, ary niditra izy sady nivazavaza nampiasa teny ratsy vary raraka.
“Taorian’izany fampahafantarana mampitahotra izany, dia natombony avy tany amin’ny faritra ilany amin’ilay toby ny fifanatrehana tamin’ireo miaramila izay voaray, niaraka tamin’ny fametrahana fanontaniana maromaro. Tsy nisy an-kanavaka fa dia nahitan’ilay mpanofana soa aman-tsara zavatra hanesoana hanalana baraka ny tsirairay tamin’ireo miaramila voaray niaraka tamin’ny vazavaza sy fiteny mirefarefa amin’ny tany. Nasainy namaly mafy tao anatin’ny filaharana tao araka ny nandidiany azy ny miaramila tantsambo tsirairay hoe: ‘Eny’ na ‘Tsia, ry Sergent Mpampianatra.’ Tsy hitako tsara izay zavatra nataony satria nodidiana izahay hanao jery atrika ka mijery mahitsy eny aloha ny masonay. Rehefa tonga ny anjarako, dia azoko lazaina fa naka ny kitapoko izy ary navoakany tao aoriako teo ambony kidoroko ny zavatra rehetra tao anatiny. Nosavainy ireo entako, ary dia niverina nanatrika ahy izy. Niomana tamin’ny vava izay ho ataony aho. Teny an-tanany ny Bokin’i Môrmônako” (“Tongava aty Amiko ianareo ry Mpianakavin’i Isiraely,” Ensign na Liahona, Nôv. 2012, 32).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no mety ho fahatsapana anananao raha teo amin’ny toeran’ny Loholona Echo Hawk ianao?
-
Inona araka ny eritretreritrao no hataon’ilay mpanazatra?
-
Efa nandalo toe-javatra iray ve ianao izay nampiahiahy anao hoe hihomehezan’ny olona ny finoanao? Raha izay no izy, inona no zava-nitranga?
-
Rehefa mandalina ny Romana 1 ianao, dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka hanampy anao rehefa miatrika fanarabiana sy fanenjehana ianao noho ny finoanao sy ny fenitra arahinao.
Ny bokin’ny Romana dia epistily, na taratasy, izay nosoratan’i Paoly Apôstôly ho an’ireo Olomasina tany Roma taloha kelin’ny fiafaran’ny asa fitoriana nataony. Nosoratany izany mba hanomanana azy ireo amin’ny fahatongavany, sy mba hanazavany sy hiarovany ireo fampianarany, ary mba hamporisihany ireo mpikamban’ny Fiangonana Jiosy sy Jentilisa mba hiray hina. I Roma, izay renivohitry ny Fanjakana Romana, dia feno filozofian’izao tontolo izao ary tokony ho toerana sarotra hitoriana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy io.
Vakiantsika ao amin’ny Romana 1:1–14 ny fomba nanombohan’i Paoly ny epistiliny tamin’ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy sy ny fanehoany ny fanantenany sy ny faniriany mba hitsidika ireo Olomasina any Roma.
Vakio ny Romana 1:15–17, mba hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Paoly an’ireo Olomasina Romana momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Mampianatra ity fahamarinana manaraka ity ireo andininy ireo: Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no herin’ Andriamanitra ho famonjena ireo rehetra izay mino an’i Jesoa Kristy. Asio marika ireo andian-teny izay mampianatra io fahamarinana io ao amin’ny Romana 1:15–17.
Ny filazantsara dia mampianatra antsika ny fomba ahafahantsika ho voavonjy amin’ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy ka hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra. Mila mino an’i Jesoa Kristy isika mba handraisantsika ireo fitahian’ny famonjena satria Izy no nanome ny Sorompanavotana, izay mahatonga ny famonjena ho azo tanterahina.
“Ho an’i Paoly, ny finoana [sy ny mino] an’i Jesoa Kristy dia tsy vitan’ny hoe faneken’ny saina ilay fieritreretana hoe Zanak’ Andriamanitra i Jesoa, fa fanekena kosa amin’ny fo manontolo an’i Jesoa Kristy sy fahatokisana Azy ho ilay Iray izay nanolotra ny Tenany tamin’ny Sorompanavotana ho an’ny otantsika. Izany fahatokisana lalina izany dia mitondra amin’ny fiainana mahatoky, izay miseho amin’ny fibebahana amin’ireo fahotana, amin’ny fanaovana batisa ary amin’ny fiezahana miaina araka ny nampianarin’i Jesoa Kristy (jereo ny Asan’ny Apostoly 16:30–33; Romana 6:1–11; 1 Korintiana 6:9–11). ‘Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia … aseho amin’ny alalan’ny fiainana feno fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara ary ny fanompoana an’i Kristy’ (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Famonjena”; scriptures.lds.org)” (Testamenta Vaovao Boky Torolalan’ny Mpianatra [Boky torolalan’ny Departemanta Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 334).
Ny fitsipika iray azontsika tsoahina avy ao amin’ny Romana 1:16 dia ny hoe: Rehefa mahazo fijoroana ho vavolombelona isika fa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manana hery hanavotra antsika tsirairay, dia tsy ho menatra ny hizara izany amin’ny hafa isika.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana araka ny eritreritrao ny fananana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no afaka hanampy antsika hanana ny herim-po ilaina mba hizarana izany amin’ny hafa?
Vakio ny tohin’ny zavatra niainan’ny Loholona Echo Hawk niaraka tamin’ilay sergent mpanazatra:
“Efa niandry aho hoe hivazavaza amiko izy; saingy nanatona ahy akaiky izy ary nibitsibitsika hoe: ‘Môrmôna angaha ianao?’
“Nihiakiaka araka ny baiko aho hoe: ‘Eny, ry Sergent Mpampianatra.’
“Dia efa niandry zava-doza indray aho. Saingy nijanona kely izy ary nampiakatra ilay tanany nitazona ilay Bokin’i Môrmônako, dia nilaza tamin’ny feo tena tony hoe: ‘Moa ve mino ity boky ity ianao?’
“Nihiaka mafy indray aho hoe: ‘Eny, ry Sergent Mpampianatra.’
“Natoky aho tamin’izay fotoana izay fa hitabataba hamoaka teny manorisory mikasika ny Môrmôna sy ny Bokin’i Môrmôna izy, kanefa dia nijoro tamim-pahanginana teo fotsiny izy. Fotoana kely taorian’izay dia niverina teo amin’ny fandriako izy ary napetrany tsara ilay Bokin’ny Môrmônako. Ary avy eo izy dia nandalo teo amiko fa tsy nijanona ary nanohy nanala-baraka sy nanome alahelo an’ireo miaramila voaray rehetra ambiny tamin’ny fampiasana teny mirefarefa amin’ny tany” (“Avia aty Amiko ianareo ry Mpianakavin’i Isiraely,” 32).
Eritrereto hoe nahoana ny fihetsiky ny Loholona Echo Hawk no ohatra tsara maneho ny fitsipika ampianarina ao amin’ny Romana 1:16.
Vakio ny ambin’ny teny nolazain’ny Loholona Echo Hawk: “Matetika aho no nanontany tena hoe nahoana no notsimbinin’io sergent tao amin’ny tafika an-dranomasina io aho tamin’io andro io. Saingy feno fankasitrahana aho fa afaka niteny tsy am-pihambahambana hoe: ‘Eny, mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho’ ary ‘Eny, fantatro fa marina ny Bokin’i Môrmôna.’ Fanomezana sarobidy nomena ahy tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina izany fijoroana ho vavolombelona izany” (“Avia aty Amiko ianareo ry Mpianakavin’i Isiraely,” 32).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Oviana ianao na ny olona iray fantatrao no nampiseho herim-po ka tsy menatra ny hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?
-
Inona no fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?
-
Inona ireo fomba vitsivitsy entinao mampahatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny filazantsara? Inona koa no azonareo atao mba hahatonga ny fijoroana ho vavolombelona anananao ho matanjaka kokoa? Manorata tanjona iray izay azonao iezahana amin’ity herinandro ity ka hanampy anao hampahatanjaka ny fijoroanao ho vavolombelona.
-
Romana 1:18–3:23
Manota avokoa ny olona rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra
Tamin’ny vanin’andro niainan’i Paoly, dia nisy Kristiana Jentilisa sasany nitady hanamarina ny fitondran-tena feno fahalotoana sy feno fahotana amin’ny alalan’ny fanindrahindrana ny famindrampon’ Andriamanitra sy amin’ny tsy firaharahiana ny fahamarinany tanteraka. Ambonin’izany, dia nisy Kristiana Jiosy sasany izay mbola nino fa ny fanarahana ny lalàn’i Mosesy dia nilaina mba hahazoana ny famonjena. Nitady izay hanitsiana ireo hevi-diso roa ireo i Paoly Apôstôly.
Vakio ny Romana 1:22–31, mba hitadiavana ireo fahotana izay nataon’ny Jentilisa.
Ao amin’ny Romana 1:25, inona araka ny eritreritrao ny dikan’ny hoe manaja sy manompo “ny zavatra atao […] fa tsy ny Mpanao”?
Ny andian-teny toy ny hoe: “nanova ny fanaony ho amin’izay tsy fanaony” ao amin’ny Romana 1:26 sy ny hoe: “namela amin’ny fanao amin’ny vehivavy” ao amin’ny Romana 1:27 dia milaza ny fitondrantena maneho fiarahan’ny samy vavy na samy lahy. Mba hahatakarana bebe kokoa ny hevitra ijoroan’ny ny Fiangonana momba ny fitondran-tena maneho fiarahan’ny samy vavy na samy lahy dia vakio ireto teny nambara manaraka ireto:
“Ny fitondran-tena maneho fiarahan’ny lahy sy ny lahy ary ny vavy sy ny vavy dia fahotana lehibe. Mikatsaha torohevitra avy amin’ny ray aman-dreninao na ny evekanao raha toa ka hitanao fa manana olana amin’ny fifanintonan’ny samy lahy na samy vavy ianao na resy lahatra ny handray anjara amin’ny fitondrantena tsy mendrika. Hanampy anao izy ireo” (Jeunes Soyez Forts [kiboky, 2011], 36).
“Ny fiarahan’ny samy lahy … dia mifanohitra amin’ireo tanjon’ny fananahana eo amin’ny olombelona (jereo ny Romana 1:24–32). Manimba ny fifandraisana feno fitiavana izany ary manakana ny olona tsy handray ny fitahiana izay hita eo amin’ny fiainan’ny fianakaviana sy ao amin’ireo ôrdônansin’ny famonjena ao amin’ny filazantsara izany” (Miorim-paka amin’ny Finoana: Fanovozan-kevitra momba ny Filazantsra [2004], 30).
“Ny hevitra ijoroan’ny Fiangonana eo amin’ny lafin’ny fotopampianarana dia mazava: Ny firaisana ara-nofo dia tsy tokony hisy afa-tsy eo amin’ny lehilahy sy vehivavy mpivady ihany. Kanefa izany dia tsy tokony ho ampiasaina velively hanamarinana ny fanehoana haratsiam-panahy. I Jesoa Kristy izay arahintsika dia nazava tsara tamin’ny nanamelohany ny tsy fahadiovam-pitondrantena, kanefa tsy nasiaka velively Izy. Ny faniriany dia ny hanarina hatrany ny tsirairay fa tsy ny handavo azy ireo velively. …
“Ny Fiangonana dia manavaka tsara ny fitondran-tena sy ny fifanintonana amin’ny samy lahy na samy vavy. Rehefa tànana fa ireo fahatsapana sy fitongilanana eo amin’ny samy lahy na samy vavy dia tsy tena hoe fahotana raiki-tampisaka, ny firaisana ara-nofo na ny fitondrantena tsy madio eo amin’ny samy lahy na samy vavy kosa dia mifanohitra amin’ny ‘fotopampianaran’ny filazantsara izay mifototra amin’ny soratra masina … fa ny fanambadian’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia ilaina eo amin’ny drafitry ny Mpamorona ho an’ny hoavy mandrakizain’ny zanany’ [‘First Presidency Statement on Same-Gender Marriage’]” (“Same-Sex Attraction,” topics.lds.org).
Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny mahatakatra ireo fampianaran’ny mpaminany sy apôstôlin’ny Tompo momba ny fitondran-tena tsy madio sy ny firaisana ara-nofo eo amin’ny samy vavy na samy lahy?
Ao amin’ny Romana 2:1–3:8 i Paoly dia mampianatra fa ny olona rehetra dia hotsaraina araka ny asany ary nasehony fa ny tsy fahamarinan’ny Jiosy dia avy amin’ny fiainan’izy ireo ny lalàn’i Mosesy mankany ivelany fa tsy mankany anatiny.
Vakio ny Romana 3:9–12, 23 dia tadiavo hoe iza no nolazain’i Paoly fa tratran’ny fahotana.
Asio marika ao amin’ny andininy 23 ny vokatra entin’ny fahotantsika eo amintsika.
Ny fahamarinana iray izay ampianarin’ireo andininy ireo dia hoe: ny olona rehetra tompon’andraikitra dia manota ka mila ny famelan-kelok’ Andriamanitra. Ahoana no hanampian’io fahamarinana io antsika hahatakatra bebe kokoa ny antony hilantsika an’i Jesoa Kristy?
Rehefa manohy ny fandalinana ny Romana 3 ianao, dia tadiavo ireo fahamarinana nampianarin’i Paoly izay manome fanantenana antsika amin’ny toetra feno fahotana misy antsika.
Romana 3:24–31
Ny olona rehetra dia afaka ny hohamarinina amin’ny alalan’ny fanekena amim-pahatokiana ny Sorompanavotan’i Kristy
Rehefa avy nanazava i Paoly Apôstôly fa manota avokoa isika rehetra ka noho izany dia mijoro ho meloka manoloana an’ Andriamanitra satria tsy afaka manaiky ny fahotana Izy, ao amin’ny Romana 3:24–31 dia nampianariny ny fomba hihoarana izany fepetra izany amin’ny alalan’ny finoana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Mba hahatakarana ireo andininy ireo, dia mila mahatakatra ny dikan’ireto teny manaraka ireto ianao: Ny hoe nohamarinina dia midika hoe voavela tamin’ny fanamelohana noho ny fahotana ka nambara ho tsisy tsiny, ny fahasoavana dia ilay fomba entin’ Andriamanitra hanampiana na hampahatanjahana izay omena amin’ny alalan’ny famindrampo sy fitiavan’ Andriamanitra, ary ny fanavotana dia midika hoe sorompanavotana.
Vakio ny Romana 3:24–26, ka soloy ireo famaritana nomena tetsy ambony. Azonao atao ny manisy marika ao amin’ny Romana 3:24 ny fomba hanamarinana antsika, na hanambarana antsika ho mendrika ny ho eo anatrehan’ Andriamanitra.
Ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Romana 3:24 dia nanova ny teny hoe maimaimpoana ho lasa irery ihany (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Romana 3:24 ). Na dia manampy antsika haneho ny finoantsika an’i Jesoa Kristy aza ireo asa tsara ataontsika, dia tsy afaka mahazo na mendrika hahazo ny famonjena amin’ny alalan’ireo asa ireo isika satria, araka ny nampianarin’i Paoly ao amin’ny Romana 3:23, dia efa nanota isika rehetra ka noho izany, dia tsy manana ny famonjena. Amin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra irery ihany—ilay hery masina sy hery mampahatanjaka ananany—no hamonjena antsika.
Diniho ao amin’ny Romana 3:25–26 fa ireo izay mino sy manana finoana an’i Jesoa Kristy dia hamarinina amin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra. Tsarovy fa ny teny hoe zavatra inoana sy ny hoe finoana dia midika hoe fanekena eram-po an’i Jesoa Kristy izay mitondra ny olona iray ho lasa mpikamban’ny Fiangonany ary vonona ny hitandrina ireo didiny sy hankatò ireo ôrdônansin’ny filazantsara. Mianatra ity fotopampianarana manaraka ity isika avy amin’ireo andininy ireo: Amin’ny alalan’ny fanekena amim-pahatokiana ny Sorompanavotana nataon’i Jesoa Kristy, ny olombelona rehetra dia azo hamarinina sy afaka handray ny famonjena.
Saintsaino hoe mila an’i Jesoa Kristy Mpamonjy ianao, mba hahazoanao ny famonjena. Manorata fomba vitsivitsy ahafahanao mampiseho ny fanekenao amim-pahatokiana ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.
Zarao amin’ny olona iray izay mety hahita soa avy amin’ny fandrenesana momba ny Mpamonjy ny fahatsapanao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.
Ao amin’ny Romana 3:27–31 dia nanantitrantitra indray i Paoly fa na ny Jiosy na ny Jentilisa dia samy hamarinina amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Rehefa mitodika any amin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny finoana izy ireo dia manatanteraka, na “mampiorina ny lalà[n’i]”, Mosesy (Romana 3:31), izay manondro an’i Kristy.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Romana 1–3 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty)
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: