Tahirim-pitaovana
Fizarana 12, Andro 4: Jaona 1


Fizarana 12: Andro 4

Jaona 1

Fampidirana

Ny Apôstôly Jaona, izay fantatra ihany koa amin’ny hoe i Jaona ilay Lalaina, dia nirakitra an-tsoratra ireo fotopampianarana manan-danja mifandray amin’ny anjara asan’i Jesoa Kristy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ihany koa i Jaona Mpanao Batisa ary nanao batisa Azy. Nanasa ny hafa hianatra Aminy i Jesoa Kristy.

Jaona 1:1–18; Dikantenin’ i Joseph Smith, Jaona 1:1–19

Nijoro ho vavolombelona i Jaona fa Zanak’ Andriamanitra i Jesoa Kristy.

Hanomboka ny fandalinanao ny bokin’i Jaona ianao ato anatin’ity lesona ity. Nirakitra ny zavatra tiany ho fantatry ny hafa momba an’i Jesoa Kristy ny Apôstôly Jaona. Nanatri-maso ny ankamaroan’ireo tantara izay nosoratany i Jaona. Ny ankamaroan’ireo zavatra voasoratra ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona dia tsy hita ao amin’ireo Filazantsaran’i Matio sy Marka ary Lioka, izay nosoratana mba hanampiana ny Jiosy sy ny Jentilisa hino fa i Jesoa no ilay Mesia sy Mpamonjy ny olombelona rehetra. Nanoratra ho an’ireo izay efa nahatakatra ny soratra masina sy nino fa i Jesoa no ilay Kristy, ilay Mesia nampanantenaina i Jaona.

  1. journal iconAlaivo sary an-tsaina hoe miresaka amin’ny olona iray izay zara raha mahafantatra momba an’i Jesoa Kristy ianao ka manontany anao ny zavatra fantatrao momba Azy izy. Ataovy lisitra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra telo izay hampianarinao izany olona izany momba an’i Jesoa Kristy.

Jesoa Kristy

Rehefa mandalina ny Jaona 1 ianao dia tadiavo ireo fahamarinana momba ny Mpamonjy izay afaka manampy anao hampatanjaka ny finoanao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy.

Vakio ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:1–2 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina), ka tadiavo ireo fahamarinana izay nampianarin’i Jaona momba an’i Jesoa Kristy. (Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia hamaky ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:1–34. Ireo teny misompirana dia ireo teny izay nampiana na novain’ny Mpaminany Joseph Smith.)

Fahamarinana iray hitantsika avy amin’ireo andininy ireo ny hoe niaraka tamin’ Andriamanitra i Jesoa Kristy tany am-piandohana. Ampidiro ao amin’ilay lisitra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izany fahamarinana izany.

Ny andian-teny hoe “tany am-piandohana” dia milaza ny fiainana talohan’ny fahaterahana. Rehefa notsipihan’ny soratra masina fa niaraka tamin’ Andriamanitra i Jesoa Kristy “tany am-piandohana,” dia mampianatra antsika izany fa i Jesoa no Lahimatoan’ny Ray tao amin’ny fanahy (jereo ny F&F 93:21), “tahaka an’ Andriamanitra” Izy teo anivon’ireo fanahy izay nivondrona “talohan’ny nisian’izao tontolo izao” (jereo ny Abrahama 3:22–24), ary nofinidin’ny Ray Izy hatrany am-piandohana (jereo ny Mosesy 4:2).

Vakio ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:3, ka tadiavo ireo fahamarinana fanampiny izay nampianarin’i Jaona momba an’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Mianatra isika avy amin’io andinin-tsoratra masina io fa noharian’i Jesoa Kristy ny zavatra rehetra. Ampidiro ao amin’ilay lisitr’ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy izay nosoratanao tao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izany.

Nahary ny lanitra sy ny tany ary “tontolo tsy hita isa” teo ambany fitarihan’ny Ray i Jesoa Kristy (Mosesy 1:33).

Loholona Bruce R. McConkie

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo anefa dia nanoratra fa nanokana “fotoam-pahariana roa” ho an’ny tenany ny Ray any An-danitra: “Voalohany dia izy no Rain’ny fanahy rehetra, ka anisan’izany i Kristy. … Faharoa dia izy no Mpahary ny [vatan’i Adama sy i Eva]” (A New Witness for the Articles of Faith [1985], 63; jereo ihany koa ny Mosesy 2:27).

“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” dia manazava bebe kokoa fa “ny olombelona rehetra—na lahy na vavy—dia nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra. Ny tsirairay dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra, ary araka izany, ny tsirairay dia samy manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra” (Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129).

Vakio ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:4–5, ka tadiavo ny fomba namariparitan’i Jaona an’i Jesoa sy ny filazantsarany.

Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe i Jesoa Kristy sy ny filazantsara no fahazavana izay “mamirapiratra eo amin’izao tontolo izao …, ary izao tontolo izao tsy nahatakatra azy”?

Dia nampianatra momba an’i Jaona Mpanao Batisa ny Apôstôly Jaona avy eo. Vakio ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:6-10, ka tadiavo ny fahamarinana fanampiny izay nijoroan’i Jaona Mpanao Batisa ho vavolombelona.

Ampidiro ao anatin’ilay lisitra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fahamarinana manaraka izao: I Jesoa Kristy no fahazavan’ izao tontolo izao. Saintsaino hoe amin’ny fomba ahoana no mahatonga an’i Jesoa Kristy ho ilay fahazavan’izao tontolo izao. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:5-13 mba hahazoana hevi-baovao fanampiny.

Ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:11–18 dia ahitana, ankoatra ireo fampianarana hafa, ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Jaona Mpanao Batisa fa ireo rehetra izay mino an’i Jesoa Kristy dia hahazo ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay. Diniho fa ao amin’ny andininy 14 sy 16, i Jaona dia milaza an’i Jesoa Kristy ho ilay “Teny.” Izany dia fiantsoana an’i Jesoa Kristy izay hita ao amin’ny toerana maro ao anatin’ny soratra masina (jereo ihany koa ny Jaona 1:1; 1 Jaona 1:1; Apokalypsy 19:13; F&F 93:8; Mosesy 1:32).

Satria mampiasa teny isika mba hampitana na hilazana zavatra amin’ny hafa dia amin’ny fomba ahoana no maha-anarana mety tsara hiantsoana an’i Jesoa Kristy ny hoe “Teny”?

Saintsaino ny sasany amin’ireto antony manaraka ireto izay maha-anarana mety tsara izany anarana fiantsoana izany: Izy no fanehoana ny Ray amin’izao tontolo izao; manambara ny tenin’ny Ray Izy; Izy no ilay iraky ny famonjena (jereo ny F&F 93:8); Izy no ohatra tonga lafatra amin’ny fomba fiainana ny tenin’ Andriamanitra; manome ny tenin’ny fiainana mandrakizay Izy; ary manome aina ny teniny.

Ampitahao amin’ny andininy mitovy aminy ao amin’ny Dikantenin’ny Joseph Smith, Jaona 1:19 ny Jaona 1:18. Raha tsy misy ny Dikantenin’i Joseph Smith, ny sasany amin’ireo mpamaky ny Jaona 1:18 dia mety ho diso hevitra sy hino fa tsy mbola nisy olona nahita an’ Andriamanitra Ray teto ambonin’ny tany. Ahoana no hanazavan’ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Jaona 1:19 ny Jaona 1:18 bebe kokoa noho ny ahitana izany araka ny mahazatra ao amin’ny Testamenta Vaovao?

  1. journal iconEritrereto indray ilay asa natao tany amin’ny fiandohan’ity lesona ity izay nangatahana anao mba haka sary an-tsaina hoe mampianatra olona iray izay zara raha mahalala momba an’i Jesoa Kristy ianao. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ho an’ny olona iray ny mahafantatra ireo fotopampianarana fanampiny momba an’i Jesoa Kristy izay hitanao tao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:1–19?

Jaona 1:19–34; Dikantenin’ i Joseph Smith, Jaona 1:20–34

Nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy i Jaona Mpanao Batisa dia nanao batisa Azy

Ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:20–28 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina), dia nandefa mpisorona nankany amin’i Jaona Mpanao Batisa ny Jiosy mba hanontany raha toa ka izy no ilay Mesia. Nanazava i Jaona fa ny anjara asany dia ny hijoro ho vavolombelona momba ny Mesia, izay hanao batisa amin’ny afo sy ny Fanahy Masina. Nahita an’i Jesoa, izay nataony batisa teo aloha, i Jaona Mpanao Batisa ny ampitso.

Vakio ny tenin’i Jaona Mpanao Batisa ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:29–33, ka tadiavo izay tian’i Jaona Mpanao Batisa ho fantatry ny hafa momba an’i Jesoa Kristy.

Ivereno ireo fahamarinana izay notanisainao tao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina momba an’i Jesoa Kristy. Inona ireo fahamarinana na famaritana hafa momba an’i Jesoa Kristy izay azonao ampiana avy ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:29–33? (Ataovy lisitra eo ambanin’ireo fahamarinana hafa izay notanisainao tao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra hitanao.)

Jereo fa niantso an’i Jesoa hoe “zanakondrin’ Andriamanitra” i Jaona. Tahaka ny namonjen’ny ràn’ny zanak’ondry tamin’ny Paska an’i Isiraely tamin’ny fahafatesana sy nitondran’izany fanafahana avy tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana no hanehoan’ny anarana hoe “zanakondrin’ Andriamanitra” fa handatsaka ny ràny mba hamonjy ny vahoakany i Jesoa ka hanafaka azy ireo amin’ny fahotana.

Jaona 1:35–51

Manasa ireo mpanaradia Azy mba hianatra bebe kokoa momba Azy i Jesoa

Alaivo sary an-tsaina hoe ny zatovo iray izay manatrika ny fivorian’ny fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona dia maheno ny namany marobe mijoro ho vavolombelona fa fantatr’izy ireo fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy azy ireo. Manontany tena izany zatovo izany ny amin’ny fomba “ahafantaran’”ireo namany ireo an’ireo zavatra ireo. Eritrereto ny fomba hamalianao ny fanontaniana tahaka izany.

Rehefa mandalina ny Jaona 1:35–51 ianao dia mifantoha amin’ireo zavatra ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny zavatra azonao atao mba hahazoana na hampiorenam-paka ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpamonjinao Azy.

Vakio ny Jaona 1:35–37, ka tadiavo izay nolazain’i Jaona tamin’ny roa tamin’ireo mpianany ny ampitson’ny nanaovana batisa an’i Jesoa.

Aorian’izay dia vakio ny Jaona 1:38–39, ka tadiavo izay nolazain’i Jesoa tamin’ireo mpianatra roa sy izay nasetrin’izy ireo izany.

Inona no fanasana nomen’i Jesoa an’ireo mpianatra roa?

Vakio ny Jaona 1:40–42. Rehefa mamaky izany ianao dia asio marika ny zavatra nianaran’ny iray tamin’ireo lehilahy ireo rehefa nanaiky ilay fanasan’ny Mpamonjy hoe “avia fa ho hitanareo” izy.

Mianatra isika ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:42 fa i Jesoa dia nilaza fa i Petera dia ho nantsoina hoe “Kefasy, izay atao hoe, raha adika, dia mpahita, na vato” (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina ), izay milaza fa i Petera dia ho lasa mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Vakio ny Jaona 1:43–46,ka tadiavo izay nasain’ny Mpamonjynataon’ny lehilahy iray hafa, dia i Filipo.

Asio marika ireo teny ao amin’ny andininy 45 izay maneho fa nandray tenivavolombelona momba an’i Jesoa Kristy i Filipo rehefa avy nanaiky ny fanasan’ny Tompo mba hanaraka Azy. Inona indray avy eo no fanasana nataon’i Filipo tamin’i Natanaela?

Hadihadio ny Jaona 1:47–51, ka tadiavo izay zavatra nitranga rehefa nanaiky ny fanasana hianatra momba an’i Jesoa i Natanaela.

Fenoy izao fitsipika manaraka izao araka ny zavatra izay nianaranao avy tamin’ireo tantara ireo: Rehefa manaiky ny fanasana mba hianatra momba an’i Jesoa Kristy sy hanaraka Azy isika dia handray .

Loholona Jeffrey R. Holland

Vakio izao teny manaraka izao izay nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ka tadiavo ny antony maha-manan-danja ho antsika ny manaiky ny fanasana mba hianatra momba ny Tompo sy hanaraka Azy: “Ny tanjona fototry ny fiainantsika eto an-tany sy ny valin’ireo fanontaniana manan-danja indrindra eo amin’ny fiainana dia toy ny hoe voafintin’ireto zavatra roa tena fohy tao anatin’ny fiantombohan’ny fanompoana nataon’ny Mpamonjy teto an-tany ireto. Ny zavatra iray dia ilay fanontaniana apetraka amin’ny tsirairay amintsika eto ambonin’ity tany ity hoe: ‘Inona no tadiavinareo? Inona no ilainareo?’ Ny faharoa dia ny valinteny asetriny ny valintenintsika, na inona na inona izany valinteny izany. Na iza isika na iza ary na inona no avalintsika na inona, ny valinteniny dia tsy miova na oviana na oviana: ‘Avia,’ hoy Izy amim-pitiavana. ‘Andeha hanaraka ahy.’ Na aiza na aiza no alehanareo dia avia aloha jereo ny zavatra ataoko, jereo hoe aiza sy amin’ny fomba ahoana no handaniako ny fotoako. Mianara Amiko, miaraha Amiko, miresaha Amiko, minoa. Mihainoa Ahy mivavaka. Dia hahazo valiny amin’ny vavaka ataonareo ianareo avy eo. Hitondra fiadanana ho an’ny fanahinareo Andriamanitra. Avia hanaraka ahy” (“He Hath Filled the Hungry with Good Things,” Ensign, nôv. 1997, 65).

Araka ny fiafaran’ny teny nolazain’ny Loholona Holland dia inona ireo zavatra roa izay ho azontsika rehefa manaiky ny fanasan’ny Tompo hoe “avia fa ho hitanareo” isika?

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Tamin’ny fomba ahoana no nitomboan’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy rehefa nahafantatra sy nanaraka Azy ianao?

Saintsaino ireo ezaka ataonao manokana mba hianatra momba an’i Jesoa Kristy sy hanaraka Azy. Eritrereto ny zavatra azonao atao mba hanekena feno kokoa ilay fanasana mba handeha hanaraka Azy mba hitomboan’ny finoanao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Jaona 1 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: