Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny Kolosiana


Fampahafantarana ny Kolosiana

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Nanoratra ny epistiliny ho an’ny Kolosiana i Paoly noho ny tatitra iray fa tafalatsaka tao anatin’ny fahadisoana goavana izy ireo (jereo ny Bible Dictionary, “Pauline Epistles”). Nisy fiantraikany tamin’ireo Olomasina tany ireo fampianarana sy fombafomba diso tany Kolosia ka nampihorohoro ny finoan’izy ireo. Miteraka olana ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana ankehitriny ny fanerena ara-kolontsaina mitovy amin’izany. Ny ampahany amin’ny lanjan’ity epistily ity dia mitoetra eo amin’ny fomba hamantaran’izany sy hanehoan’izany ireo fahadisoana sady manamafy ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy sy ny asa famonjena nataony. Amin’ny alalan’ny fandalinana ny bokin’ny Kolosiana dia afaka mahatonga ny fiovamponao ho an’ny Mpamonjy ho lalim-paka kokoa ianao ka hahazo fiarovana amin’ny famitahana sy ny fahotana.

Iza no nanoratra ity boky ity?

Ny epistily ho an’ny Kolosiana dia nalefan’i Paoly sy i Timoty (jereo ny Kolosiana 1:1, 23; 4:18). Hita fa nataon’i Paoly sora-tanana ny velomany manokana tany amin’ny fiafaran’ilay epistily (jereo ny Kolosiana 4:18), izay maneho fa mpanoratra izy, ary nanampy azy tamin’ny fanoratana ny vataben’ilay taratasy angamba i Timoty.

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Nosoratan’i Paoly ity epistily ity fony izy nigadra voalohany tany Roma, manodidina ny 60-62 taorian’i J.K. (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Epistilin’i Paoly,” scriptures.lds.org). Mety ho nanoratra ilay epistily ho an’ny Kolosiana i Paoly manodidina ny fotoana nanoratany ny Filipiana sy ny Efesiana ary ny Filemona.

Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?

Ity epistily ity dia nosoratana ho an’ireo Olomasina mahatoky tany Kolosia, izay toerana iray any Turquie amin’izao fotoana izao. Nampianatra ireo Olomasina Kolosiana i Paoly mba hizara ilay taratasy tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao akaikin’i Laokidia (jereo ny Kolosiana 4:16).

Nanoratra ity epistily ity i Paoly “rehefa avy namangy azy i Epafrà, ilay evanjelistry ny Fiangonana tao [Kolosia] [jereo ny Kolosiana 1:7–8]. Nilazan’i Epafrà i Paoly fa latsaka ao amin’ny hadisoana bevava ny Kolosiana— nihevitra izy ireo fa tsaratsara kokoa noho ny vahoaka hafa, noho izy ireo nitandrina fatratra ireo ôrdônansy ivelany sasantsasany [jereo ny Kolosiana 2:16], nandà ireo filana ara-nofo sasantsasany ary nitsaoka anjely [jereo ny Kolosiana 2:18]. Ireny fombafomba ireny dia nahatonga ny Kolosiana nahatsapa fa nohamasinina izy ireo. Nahatsapa koa izy ireo fa nahatakatra ireo misterin’ny tontolo tsaratsara kokoa noho ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana. Nanitsy azy ireo i Paoly tao amin’ny taratasiny tamin’ny nampianarany fa ny fanavotana dia tonga amin’ny alalan’i Kristy ihany, ary tokony ho hendry sy hanompo Azy isika” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Kolosiana, Epistily ho an’ny,” scriptures.lds.org).

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Nanohitra ireo fampianaran-diso tany Kolosia i Paoly tao amin’ny epistily ho an’ny Kolosiana tamin’ny fanamafisana ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy sy ny asa famonjena nanirahana Azy ary ny toetra ambony indrindra ananany (jereo ny Kolosiana 1:15–23). Nampianatra izy fa i Kristy dia amin’ny endrik’ Andriamanitra Ray, ilay Mpahary, ilay Lohan’ny Fiangonana, ilay nitsangana tamin’ny maty voalohany, ary ilay Mpanavotra. Izy no “lohan’ny fanapahana sy ny fahefana rehetra” (Kolosiana 2:10), ary manatanteraka ny asa masina nanirahana Azy eo ambany fitarihan’ny Ray Izy (jereo ny Kolosiana 1:19; 3:1).

Nampitandrina i Paoly ny amin’ireo izay mampianatra fa ny tena fahamasinana dia azo amin’ny alalan’ny fombafomba na fankalazana na sakafo miavaka (jereo ny Kolosiana 2:16–18, 20, 23). Nampianariny kosa fa ny fahamatorana ara-panahy sy ny fahalalana an’ Andriamanitra dia miseho amin’ny alalan’ny fametrahana ny “[fitiavantsika] ny zavatra any ambony” (Kolosiana 3:2), ka hanafoana ireo asa tsy araka ny fahamarinana (jereo ny Kolosiana 3:5–9), ary hikolokolo toetra tahaka ny an’i Kristy (jereo ny Kolosiana 3:12–17). Nanoro hevitra ireo mpamaky ny teniny i Paoly mba ho “tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala” ao amin’ny filazantsara (Kolosiana 1:23) ary koa “[h]amaka tsara sy miorina mafy ao amin’i [Jesoa Kristy] ary tafatoetra amin’ny finoana” (Kolosiana 2:7).

Topimaso

Kolosiana 1:1–23. Niarahaba ireo Olomasina tany Kolosia i Paoly ary nanambara fa i Jesoa Kristy no ilay Mpanavotra, ilay voalohan-teraka amin’ny zava-boahary rehetra, ary ny Tompon’ny fahatanterahana masina rehetra, izay ao Aminy no nanorenana izao tontolo izao. Nandrisika ny Olomasina mba hanorina ny finoan’izy ireo amin’i Jesoa Kristy i Paoly.

Kolosiana 1:24–2:23. Nampitandrina ny amin’ny finoana izay mety ho fihevitra na fombafomban’olombelona i Paoly, ka anisan’izany ny fiderana ireo anjely ary ny fandavana fatratra ireo zavatra fototra ilaina eo amin’ny ara-nofo ho endrika fitsipi-pifehezana ara-panahy.

Kolosiana 3:1–4:18. Nandrisika ireo Olomasina i Paoly mba hanorina ny fon’izy ireo amin’ny zavatra izay eny ambony, mba hanary ny fahotana teo amin’ny fiainan’izy ireo teo aloha, ary hifanome famindram-po. Nanome torolalana momba ny fomba tokony hitsaohan’ny Olomasina izy ary nanome torohevitra ho an’ny vehivavy sy lehilahy manambady, ny zanaka, ny ray aman-dreny ary ny tompo. Nofaranany ny epistily ho an’ny Kolosiana tamin’ny fiderana sy fiarahabana ary ireo toromarika faramparany mbamin’ireo fitahiana.