Fizarana 29: Andro 4
1 Petera 3–5
Fampidirana
I Petera Apôstôly dia namporisika ireo Olomasina mba ho vonona mandrakariva ny hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy hiaina amim-pahamarinana mba hanoherana ireo fanendrikendrehana azy ireo. Nampianatra izy fa nitory ny filazantsara tany amin’ny tontolon’ny fanahy i Jesoa Kristy taorian’ny nahafatesany. Nampitandrina ireo loholona tao amin’ny Fiangonana ihany koa i Petera mba hiandry ny ondrin’ Andriamanitra tahaka ny nanaovan’i Jesoa Kristy, ilay Lohan’ny mpiandry, izany.
1 Petera 3:1–17
Nanoro hevitra ny Olomasina mba hiray hina amim-pahamarinana sy ho vonona mandrakariva ny hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy i Petera
Vakio ity tantara manaraka izay notantarain’ny Filoha Thomas S. Monson ity:
“Hahazo fahafahana isika mandritra ny androm-piainantsika hizarana ny finoantsika, na dia tsy fantatsika loatra aza hoe rahoviana no voantso hanao izany isika. Niseho tamiko izany tamin’ ny 1957 fony aho niasa teo amin’ ny sehatry ny fanontana boky ary nangatahina handeha ho any Dallas, Texas [Etazonia], izay antsoina indraindray hoe: ‘ilay tananan be fiangonana,’ mba handaha-teny mandritra ny fivoriana iray mahakasika ny fandraharahana. Taorian’ ny fiafaran’ ilay fivoriana dia nitsangatsangana nijery ny tanàna tamin’ ny alalan’ ny fiara fitateram-bahoaka aho. Rehefa mandalo ireo fiangonana maro isan-karazany izahay dia miteny ny mpamilinay hoe: ‘Eo ankavia no hahitanareo ny fiangonana Metôdista,’ na hoe ‘Io ankavanan-dalana io ny katedraly Katôlika.’
“Rehefa nandalo trano fiangonana tsara tarehy vita tamin’ ny biriky miloko mena teo an-tampon’ ny havoana iray izay izahay dia nilaza ilay mpamily hoe: ‘Io trano fiangonana io no toerana hivavahan’ ireo Môrmôna.’ Nisy vehivavy iray tany amin’ ny seza farany aoriana tao amin’ ilay fiara nihikiaka hoe: ‘Afaka milazalaza bebe kokoa momba ireo Môrmôna ve ianao ry mpamily?’
“Najanon’ ilay mpamily teo amin’ ny sisin-dalana ilay fiara fitaterana, ary nitodika izy ka namaly hoe: ‘Madama a, ny hany fantatro mikasika ireo Môrmôna dia hoe ao amin’ io trano fiangonana vita tamin’ ny biriky miloko mena io izy ireo no mivavaka. Misy mahafantatra bebe kokoa mahakasika ireo Môrmôna ve ato amin’ ity fiara ity?’” (“Sahia mijoro irery,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 67).
Raha ohatra ka tao anatin’izay fiara fitaterana izany ianao dia inona no ho nataonao na nolazainao?
Mety ho nampientanentana anao toy ny ahoana izany karazana fahafahana izany? Mety ho sarotra taminao toy ny ahoana izany?
Rehefa mandalina ny 1 Petera 3:1–17, ianao dia mitadiava fitsipika iray izay afaka manampy anao rehefa manana fahafahana hizara ny filazantsara amin’ny hafa ianao.
Novakintsika tao amin’ny 1 Petera 3:1–11 fa i Petera Apôstôly dia nanentana ny vehivavy hitondra ireo lehilahy vadiny izay tsy mino hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fitondrantena tsaran’izy ireo. Nanoro hevitra ny lehilahy izy ireo mba hanaja ny vadiny. Nanoro hevitra ireo mpikambana ihany koa izy mba “[hiray] saina” (1 Petera 3:8) sy hiaina araka ny fenitry ny filazantsara.
Vakio ny 1 Petera 3:14–16, mba hitadiavana ny zavatra nasain’i Petera nataon’ny Olomasina rehefa nifanena tamin’ireo olona nametra-panontaniana mikasika ny zavatra inoan’izy ireo izy ireo na nanenjika azy ireo noho ireo zavatra inoana ireo.
Ny teny hoe hamaly ao amin’ny andininy 15 dia azo adika ihany koa hoe “hiaro”. Nampitandrina ny Olomasina i Petera mba hizara sy hiaro ny zavatra inoan’izy ireo. Marihina ihany koa fa i Petera dia nandroso soso-kevitra ny hanaovan’izy ireo izany amin’ny halemem-panahy sy fanajana. Ny halemem-panahy dia midika hoe hatsaram-panahy, fanetren-tena, ary faharetana (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Halemem-panahy,” scriptures.lds.org).
Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny 1 Petera 3:15 ny hoe Amin’ny maha-mpanaradia an’i Jesoa Kristy antsika dia tokony hiezaka ny ho vonona mandrakariva isika ny hizara sy hiaro izay inoantsika amin’ny halemem-panahy sy ny fanajana. Soraty ao amin’ny soratra masinao, eo akaikin’ny 1 Petera 3:15 io fahamarinana io.
Vakio ny ambin’ny tantara notantarain’ny Filoha Monson mikasika ny zavatra niainany tao anatin’ilay fiara fitateram-bahoaka:
“Niandry olona hamaly aho. Nodinihiko ny endrik’ ireo olona tsirairay sao mba ahitana famantarana hoe misy mahafantatra na faniriana hilaza zavatra momba izay. Tsy nisy. Tonga saina aho fa anjarako ny manao ilay nolazain’ i Petera Apôstôly hoe: ‘aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ ny anton’ ny fanantenana ao anatinareo.’ Tsapako koa fa marina ilay fomba fitenenana hoe: ‘Rehefa mipaika ny fotoana hanapahana hevitra dia efa dify izay ny fotoam-piomanana.’
“Nandritra ny 15 minitra teo ho eo taorian’io fotoana io, dia nanana fahafahana aho nizara tamin’ ireo olona tao anaty fiara fitaterana ny fijoroako ho vavolombelona mahakasika ny Fiangonana sy ny zavatra inoantsika. Feno fankasitrahana aho noho ny fijoroana ho vavolombelona nananako ary feno fankasitrahana fa vonona ny hizara izany” (“Sahia mijoro irery,” 67).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny roa na izy rehetra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona avy ireo zavatra vitsivitsy azonao atao mba ho vonona hatrany hizara ny zavatra inoanao?
-
Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mizara ny zavatra inoanao amin’ny halemem-panahy sy amim-panajana?
-
Oviana ianao no nizara ny zavatra inoanao na ny fijoroana ho vavolombelona anananao tamin’ny hafa?
-
Eritrereto ny fomba hiomananao hizara sy hiaro ny zavatra inoanao. Mandraisa andraikitra amin’izay fahatsapana voarainao.
1 Petera 3:18–4:19
Nitory ny filazantsara tany amin’ny tontolon’ny fanahy i Jesoa Kristy taorian’ny nahafatesany
Alaivo sary an-tsaina hoe misiônera manompo amin’ny fotoana feno ianao. Eritrereto ny fomba hamalianao ny olona iray izay milaza izao manaraka izao: “Mino aho fa marina ny zavatra ampianarinao, saingy manontany tena mikasika ireo olona maty tsy nanana fahafahana hahare ny fahamarinana aho. Toa tsy rariry raha faizin’ Andriamanitra izy ireo na tsy avelany hiaina miaraka Aminy indray raha tsy mbola nanana fahafahana ny hianatra momba ny drafitry ny famonjeny mihitsy izy ireo.”
Vakio ny 1 Petera 3:18–20, ka anisan’izany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny 1 Petera 3:20 ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina. Dia vakio avy eo ny 1 Petera 4:5–6, ka anisan’izany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny 1 Petera 4:6 ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina. Eo am-pamakinao dia tadiavo ireo fahamarinana nampianarin’i Petera fa azonao zaraina amin’ilay olona ao anatin’ilay tantara namboarina etsy ambony. Ny hoe “fanahy tao an-trano-maizina” ao amin’ny 1 Petera 3:19 dia entina ilazana ireo izay ao amin’ny tontolon’ny fanahy izay tsy nanaiky ny filazantsara na tsy nanana fahafahana handre izany teto amin’ny fiainana an-tany.
Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo mikasika ireo izay ao amin’ny tontolon’ny fanahy izay tsy nanaiky ny filazantsara na tsy nanana fahafahana handre izany teto amin’ity fiainana ity?
Filoha Joseph F. Smith
Ny Filoha Joseph F. Smith dia nisaintsaina ny dikan’ny 1 Petera 3:18–20 sy ny 1 Petera 4:6 rehefa nahazo fanambarana sy nahita fahitana momba ny famangian’ny Mpamonjy ny tontolon’ny fanahy izy. Io fanambarana io dia voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138. Nahita ny Filoha Smith fa i Jesoa Kristy, teo anelanelan’ny fotoana nahafatesany sy nitsanganany tamin’ny maty, dia nitory ny filazantsara ary nanompo mivantana an’ireo fanahin’ny olo-marina tao amin’ny tontolon’ny fanahy. Tamin’izay i Jesoa Kristy dia nandrindra sy nanome fahefana ireo mpanompo marina mba hampianatra ny filazantsara tamin’ireo fanahy tao amin’ny tontolon’ny fanahy (jereo ny F&F 138:1–12, 18–19, 27–30).
Araka ny voalazan’ny 1 Petera 4:6, dia nahoana ny filazantsara no toriana amin’ireo efa nodimandry?
Fahamarinana azontsika ianarana avy amin’io andininy io ny hoe toriana amin’ireo efa nodimandry ny filazantsara mba hahafahan’izy ireo mahazo ilay tombontsoa izay ananan’ireo izay mandre ny filazantsara eto amin’ny fiainana an-tany. (Marihina fa ny 1 Petera 4:6 dia soratra masina fehezina. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba ho mora aminao ny hahita izany amin’ny manaraka.)
-
Ivereno ilay tantara namboarina novakinao tany am-piandohan’ity fizarana ity. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hampiasanao ny 1 Petera 4:6 mba hamalianao ilay olana novakinao. Ampidiro ao ny zavatra tsapanao mikasika ny maha-porofon’ny famindram-po sy ny fangorahan’ Andriamanitra ireo zanany ny fotopampianaran’ny famonjena ny maty.
Vakintsika ao amin’ny 1 Petera 4:7–19 fa nanentana ny Olomasina i Petera mba hanana fiantrana tena mivaivay satria ny fiantrana dia miaro amin’ny fahotana marobe, na misoroka izany. Niresaka “fizahan-toetra mahamay” (1 Petera 4:12) amin’ny ho avy izay mety mbola hiaretan’ny Olomasina koa izy, ary nampianatra ny Olomasina izy mba hifaly rehefa miaritra fitsapana sy fanenjehana izy ireo noho ny finoany an’i Jesoa Kristy.
Soratra masina fehezina—1 Petera 4:6
-
Soraty amin’ny karatra kely na taratasy iray ireo teny avy ao amin’ny 1 Petera 4:6. Soraty ao ambadika ny zavatra azonao atao mba hanampiana ireo razambenao izay nandray ny filazantsara tao amin’ny tontolon’ny fanahy ka miandry ny hohafahana ao amin’ny tranomaizin’ny fanahy. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina fa nahavita ity ampahan’ny asa nampanaovina ity ianao. Mandritra ny herinandro ho avy dia miezaha mifehy ny 1 Petera 4:6 amin’ny fanaovana tsianjery izany isa-maraina sy isan-kariva mialoha ny hanaovanao ny vavakao manokana. Ivereno ihany koa ny zavatra nosoratanao mikasika ireo fomba handraisana anjara amin’ny asa famonjena ho an’ireo razambenao.
1 Petera 5
Nanoro hevitra an’ireo loholona i Petera mba hiandry ny ondrin’ Andriamanitra ary namporisika ny Olomasina izy mba hiorina tsara amin’ny finoana
Mba hanomanana ny Olomasina amin’ireo fitsapana holalovan’izy ireo dia nampianarin’i Petera an’ireo loholona tao amin’ny Fiangonana ny andraikitr’izy ireo amin’ny maha-mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Vakio ny 1 Petera 5–3, mba hitadiavana ny torohevitra nomen’i Petera an’ireo loholona tao amin’ny Fiangonana.
Ny hoe “[miandry] ny ondrin’ Andriamanitra” (andininy 2) dia midika hoe mikarakara sy miahy ny mpikamban’ny Fiangonana. Nampianatra i Petera fa ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia tokony hanompo an-tsitrapo sy amim-pitiavana fa tsy an-tery na amin’ny fanirina hahazo tambiny. Tokony ho ohatra ho an’ny mpikambana izy ireo fa tsy ho “mpanjakazaka” (andininy 3) eo amin’izy ireo.
Fahamarinana iray ampianarin’ireo andininy ireo ny hoe Manana andraikitra hikarakara sy hiahy ny ondrin’ Andriamanitra amim-pitiavana sy amin’ny alalan’ny fanehoana ohatra ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana.
Vakio ny 1 Petera 5:4, mba hitadiavana ny fomba niantsoan’i Petera ny Mpamonjy.
Inona avy ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay afaka manampy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana hiahy sy hikarakara ireo mpikamban’ny Fiangonana?
Oviana ianao no notahiana noho ny toetra tahaka ny an’i Kristy na ny ohatra nasehon’ny mpitarika iray tao amin’ny Fiangonana?
Rehefa manaja, mahatoky, ary manaraka ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay nantsoin’ny Tompo ianao dia hitarika sy hikarakara anao ara-panahy izy ireo.
Ao amin’ny 1 Petera 5:5–14, i Petera dia nampianatra ny Olomasina hanaja ireo zokiolona sy hametraka ny fanahian’izy ireo amin’i Jesoa Kristy ary hiorina tsara amin’ny finoan’izy ireo na dia eo aza ny fahoriana. Nanome antoka azy ireo i Petera fa raha manao izany izy ireo dia hanatanteraka sy hampatanjaka azy ireo Andriamanitra.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny 1 Petera 3–5 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: