Tahirim-pitaovana
Fizarana 15, Andro 1: Jaona 11


Fizarana 15: Andro 1

Jaona 11

Fampidirana

Nandefa hafatra ho an’i Jesoa i Maria sy i Marta hoe narary i Lazarosy anadahin’izy ireo. Nahemotr’i Jesoa ny diany ka tonga efatra andro taorian’ny nahafatesan’i Lazarosy Izy. Nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty tamim-pitiavana sy fangorahana i Jesoa. Ity fanehoana tamin’ny fomba mahagaga ny herin’ Andriamanitra ity dia nanantitrantitra fa i Jesoa no ilay Mesia voafidy ary nanana fahefana handresy ny fahafatesana Izy. Rehefa naheno momba io fahagagana io ny mpisoronabe sy ny Fariseo dia niray tetika hamono an’i Jesoa sy i Lazarosy izy ireo.

Jaona 11:1–46

Manangana an’i Lazarosy amin’ny maty i Jesoa

  1. journal iconMieritrereta fitsapana na olana iray izay nolalovanao na lalovanao (na ny olona iray izay fantatrao) amin’izao fotoana izao. Avy eo dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Amin’ny fomba ahoana avy no mety hahavoakasika ny finoan’ny olona an’ Andriamanitra rehefa miatrika fitsapana na olana eo amin’ny fiainany izy ireo?

    2. Nahoana no misafidy ny hanary ny finoany an’ Andriamanitra ny olona sasany noho ireo fisedrana sy olana izay atrehin’izy ireo?

Rehefa mandalina ny Jaona 11 ianao dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka manampy anao hampitombo ny finoanao an’ Andriamanitra rehefa miatrika fitsapana sy olana ianao eo amin’ny fiainanao.

Vakio ny Jaona 11:1-3, ka tadiavo ny fitsapana iray izay nolalovan’ny sasany tamin’ireo naman’i Jesoa.

Nahoana araka ny eritreritrao no nandefa hafatra ho an’i Jesoa momba ny aretin’i Lazarosy ireo anabaviny?

tany Betabara tao Perea i Jesoa (jereo ny Jaona 1:28; 10:40), izay tokotokony ho dia iray andro avy ao atsinanan’i Betania. Noho izany dia nila tokony ho iray andro farafahakeliny ny olona iray mba hitondra io hafatra io tany amin’i Jesoa ary andro iray hafa ho an’i Jesoa mba hankanesana tany Betania.

Vakio ny Jaona 11:4-7, ka tadiavo ny fihetsika nasehon’i Jesoa rehefa nahare mikasika ny aretina nahazo an’i Lazarosy.

Noho izy ireo nahafantatra fa tian’i Jesoa i Marta sy i Maria ary i Lazarosy, dia mety nantenain’ireo mpianatra handeha avy hatrany any Betania i Jesoa ka hanasitrana an’i Lazarosy. Na angamba hiteny sy hanasitrana azy avy lavitra i Jesoa, tahaka ny nataony ho an’ny zanakalahin’ny tandapa iray (jereo ny Jaona 4:46–53). Nijanona tany Perea roa andro fanampiany anefa i Jesoa.

Araka ny Jaona 11:4, dia inona no nolazain’i Jesoa fa hotanterahina amin’ny alalan’ny aretina nahazo an’i Lazarosy?

Mianatra isika ao amin’ny Jaona 11:8–10 fa ny sasany tamin’ireo mpianatra dia nanoro hevitra an’i Jesoa tsy hiverina tany Jodia satria nikatsaka ny hamono Azy ireo mpitarika Jiosy tao amin’izany faritra izany.

Loholona Bruce R. McConkie

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome izao fanazavana manaraka izao mikasika ny valintenin’ny Mpamonjy izay voarakitra ao amin’ny Jaona 11:9–10: “Azo antoka fa ho nandeha tany Jodia i Jesoa na teo aza ireo fandrahonana ho faty izay natrehiny tany. [Nampianatra i Jesoa ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo hoe:] ‘Na ity aza no ora faha-iraika ambin’ny folo eo amin’ny fiainako, dia mbola misy roa ambin’ny folo ora ao anatin’ny iray andro, ary amin’izany vanim-potoana voatondro izany dia hanao ny asa nanendrena Ahy Aho ka tsy hitolefika na hianjera. Ity no fotoana nomena Ahy mba hanaovako ny asako. Tsy afaka hiandry ny alina Aho, izay mety hampihenana ny fanoherana angamba. Izay mitsoaka ny andraikiny sy manemotra ny asany ambara-pahatongan’ny alina dia ho voafingana ao amin’ny maizina ka tsy hahomby ao amin’ny asany’” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 1:531).

Vakio ny Jaona 11:11-15, ka tadiavo ny toe-javatra izay nolazain’i Jesoa fa nisy teo amin’i Lazarosy.

Asio marika ny tenin’ny Mpamonjy mikasika ny antony nahafaly Azy fa tsy teo Izy mba hanasitrana an’i Lazarosy tamin’ny aretina nahazo azy—“mba hinoanareo” (Jaona 11:15). Nilaza Izy fa ny zavatra ho ataony tao Betania dia hanampy ny mpianany hampitombo ny finoan’izy ireo Azy.

Ao amin’ny Jaona 11:16 ny Apôstôly Tomasy dia namporisika ireo mpianatra namany mba hiara-dia aminy miaraka amin’i Jesoa hankany Jodia na dia midika aza izany hoe hiara-maty Aminy.

Vakio ny Jaona 11:17, ka tadiavo hoe efa hafiriana no nahafatesan’i Lazarosy tamin’ny fotoana nahatongavan’i Jesoa tao Betania.

Ny Loholona McConkie dia nanazava ny maha-manan-danja ny hoe efa hefarana no nahafatesan’i Lazarosy: “Efa nanomboka ny fahalovan’ilay razana. Efa voamarina tanteraka efa ela ny fahafatesana. … Ny teny hoe efatra andro dia nanana dikany manokana ho an’ny Jiosy; zavatra ninoan’ny maro teo anivon’izy ireo ny hoe ny fanahy dia efa niala tanteraka ny vatana rehefa tonga ny andro fahefatra ary tsy azo ovana intsony izany” (Doctrinal New Testament Commentary, 1:533).

Raha i Marta ianao na i Maria dia inona no mety ho neritreretinao na tsapanao rehefa tsy tonga i Jesoa raha tsy efa maty efatra andro i Lazarosy?

Vakio ny Jaona 11:18–27, mba hahalalana ny fihetsika nasehon’i Marta nandritra io fitsapana io. Mariho ireo teny izay mampiseho ny safidin’i Marta mba hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy nandritra io fitsapana io. Mieritrereta momba ny tsirairay amin’ireo teny izay hitanao sy izay nanaitra anao indrindra mikasika azy ireny.

Mianatra isika avy amin’ny ohatra nasehon’i Marta fa afaka misafidy ny hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika mandritra ireo fitsapana lalovantsika.

Tadiavo ato anatin’ity teny manaraka izay nolazain’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ny zavatra takina amintsika rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika:

Loholona Dallin H. Oaks

“Ny fitsipika voalohan’ny filazantsara dia ny finoana ny Tompo Jesoa Kristy. Ny finoana dia midika hoe fahatokiana—fahatokiana ny sitrapon’ Andriamanitra, fahatokiana ny fomba fanaovany zavatra, ary fahatokiana ny fandaharam-potoany. Tsy tokony hiezaka ny hanery ny fandaharam-potoany hanaraka ny fandaharam-potoantsika isika. …

“Mazava ho azy fa tsy afaka ny hanana finoana marina ny Tompo isika raha tsy manana fahatokiana tanteraka koa ny sitrapon’ny Tompo sy ny fotoany” (“Timing,” Ensign, ôkt. 2003, 12).

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ho antsika ny mampihatra ny finoana ny sitrapon’ny Tompo sy ny fandaharam-potoany rehefa miatrika fitsapana isika?

    2. Ahoana no fomba isafidiananao hampihatra finoana ao anatin’ireo fitsapana mahazo anao amin’izao fotoana izao? (Na, ahoana no hisafidiananao hampihatra finoana rehefa tonga eo amin’ny fiainanao ireo fitsapana?

Avereno jerena ny Jaona 11:25–26, ka tadiavo ireo fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy an’i Marta. Mety hanampy ny mahafantatra fa ny andian-teny hoe “tsy ho faty mandrakizay” ao amin’ny andininy 26 dia milaza ny tsy fandalovana ny fahafatesana faharoa na oviana na oviana, na koa ny hoe voaroaka tsy ho ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra sy ho eo anatrehany.

Ireto manaraka ireto dia fahamarinana roa ianarantsika avy amin’ny tenin’ny Mpamonjy: I Jesoa Kristy no fitsanganana amin’ny maty sy fiainana. Raha mino an’i Jesoa Kristy isika dia afaka mahazo fiainana mandrakizay.

Vakio ny Jaona 11:28-37, ka tadiavo ny zavatra nolazain’i Maria tamin’i Jesoa sy ny zavatra navalin’i Jesoa azy. Mariho fa ny teny hoe nitomany,araka ny nampiasaina ao amin’ny andininy 33 sy 38, dia midika hoe malahelo na ory.

Nahoana ilay tenin’i Maria ao amin’ny amin’ny andininy 32 no maneho ny finoany ny Mpamonjy?

Saintsaino ny Jaona 11:35: Nahoana i Jesoa no nitomany, araka ny eritreritrao?

Vakio ny Jaona 11:38-46, ka tadiavo ny zavatra nataon’ny Mpamonjy rehefa avy nitomany niaraka tamin’i Maria sy i Marta Izy.

Marihina fa tsy natsangana tamin’ny maty mba ho lasa tsy mety maty intsony i Lazarosy. Naverina tao amin’ny vatany ny fanahiny, saingy mbola tao amin’ny vatany mety maty ihany izy ary mety ho faty indray.

Loholona Bruce R. McConkie

Nampianatra momba ny tanjona manan-danja iray notanterahin’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fananganana an’i Lazarosy tamin’ny maty ny Loholona McConkie: “Nanomana ny toe-javatra hiseho Izy, mba hanehoany mandrakizay, ny iray amin’ireo fampianarany lehibe indrindra: Fa Izy no fananganana amin’ny maty sy fiainana, fa azo notanterahina noho Izy ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay, ary ireo rehetra izay nino sy nankatò ny teniny dia tsy ho faty ara-panahy na oviana na oviana” (Doctrinal New Testament Commentary, 1:531).

Tamin’ny fomba ahoana no nanambaran’io fahagagana io mialoha ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty sy nampisehoan’izany ny heriny handresy ny fahafatesana? Amin’ny fomba ahoana no hitahiana antsika amin’ny fahatakarana ny herin’ny Mpamonjy mba hanome ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay?

Jereo ao amin’ny Jaona 11:40 fa nampahatsiahy an’i Marta i Jesoa fa raha toa izy ka mino dia hahita ny voninahitr’ Andriamanitra. Eritrereto ny fomba nampisehoan’i Marta sy i Maria ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy nandritra izany fitsapana izany. Tadidio fa izy ireo dia naneho finoana an’i Jesoa Kristy tany am-boalohany tamin’ny alalan’ny fanirahana olona ho any Aminy rehefa narary i Lazarosy ary nanohy nino sy nahatoky Azy na dia taorian’ny nahafatesan’i Lazarosy aza.

Mianatra isika avy amin’ny Jaona 11 fa raha misafidy ny hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika mandritra ireo fitsapana lalovantsika dia hohamafisina sy hohalalinina ny finoantsika Azy. Manan-danja ny mahatsiaro fa, tahaka izay nitranga tamin’ny zavatra niainan’i Marta sy i Maria, ny fanamafisana ny finoantsika tahaka izany dia tonga araka ny fahendrena sy ny fotoan’ny Tompo.

Mety ho tamin’ny fomba ahoana no nanamafisana sy nampatanjahana miaraka ny finoan’i Marta sy i Maria ny Mpamonjy sy ny finoan’ireo mpianany tamin’ny alalan’ny famelomana indray an’i Lazarosy rehefa maty nandritra ny efatra andro izy?

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana ireto na izy roa:

    1. Oviana ianao no nisafidy ny hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy nandritra ny fitsapana iray ka nohamafisina sy nohalalinina ny finoanao Azy vokatr’izay?

    2. Inona no hataonao mba hanampiana anao hisafidy ny hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy mandritra ireo fitsapana izay lalovanao na mety holalovanao?

Jaona 11:47–57

Nikaon-doha ireo mpisoronabe sy Fariseo mba hamono an’i Jesoa

Ny fananganana an’i Lazarosy tamin’ny maty dia porofo fa nanana fahefana handresy ny fahafatesana i Jesoa. Vakio ny Jaona 11:47-48, ka tadiavo ny fihetsika nasetrin’ireo mpisoronabe sy Fariseo ny tatitra azony mikasika an’i Jesoa nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Jaona 11:49–57, i Kaiafa, ilay mpisoronabe, dia nanohana ny hamonoana an’i Jesoa mba tsy hakan’ny Romana ny “fonena[ny] sy ny firene[ny]” (Jaona 11:48). “Noho ny komiberaky ny mpisorona sy ny helony” (2 Nefia 10:5) dia tsy te hanary ny toeran’izy ireo teo amin’ny fireneny ireo mpitarika Jiosy. Nanapa-kevitra ny hamono an’i Jesoa izy ireo ka namoaka didy fa ireo izay mahalala ny toerana misy Azy dia tokony hilaza mba hahafahana misambotra Azy.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny Jaona 11 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: