Fizarana 17: Andro 4
Asan’ny Apostoly 3–5
Fampidirana
Nanasitrana lehilahy iray nalemy tongotra hatry ny vao teraka teo anoloan’ny vavahadin’ny tempoly i Petera sy i Jaona. Avy eo i Petera dia nampianatra ny vahoaka izay nahita ny fanasitranana io lehilahy io. Vokatr’izany dia nosamborina i Petera sy i Jaona ka nodidian’ny Synedriona mba tsy hampianatra tamin’ny anaran’i Jesoa intsony. Niaina ny lalàn’ny fanokanana ireo mpikamban’ny Fiangonana saingy maty ny roa tamin’izy ireo noho ny fandaingany tamin’i Petera sy Andriamanitra. Nanatanteraka fahagagana hatrany i Petera sy i Jaona, izay nahatezitra an’ireo lehiben’ny mpisorona. Nosamborina indray izy ireo ka naiditra am-ponja, saingy navoakan’ny anjely iray izy ireo. Niteny azy ireo ilay anjely mba handeha tao amin’ny tempoly ka hitory ny filazantsara.
Asan’ny Apostoly 3:1–11
Manasitrana lehilahy nalemy tongotra hatry ny vao teraka i Petera
Eritrereto ny fotoana iray izay nangatahanao zavatra iray voafaritra tsara (mety ho fanomezana iray noho ny tsingerin-taona nahaterahana na ny krismasy angamba izany) kanefa zavatra hafa no azonao fa tsy izany. Inona no mety hitovizan’izany tranga izany amin’ny fikatsahana fitahiana avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka?
Rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 3 ianao dia mitadiava fitsipika iray izay afaka manampy anao rehefa tsy mahazo ireo valim-bavaka na fitahiana izay nandrasanao avy amin’ny Tompo ianao.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 3:1–3 hitadiavana ny hoe iza no hitan’i Petera sy i Jaona teo amin’ny vavahadin’ny tempoly.
Saintsaino ny mety ho fahatsapana anananao raha toa ka tamin’ny toeran’ilay lehilahy nalemy tongotra ianao. Raha sintonina avy amin’ny zavatra efa niananao, dia inona avy ireo fomba mahazatra sasany izay mety hasetrin’ny olona ny fangatahan’ity lehilahy ity fiantrana na fanampiana toy ny vola na sakafo?
Vakio ny Asan’ny Apostoly 3:4–7 hitadiavana ny zavatra nataon’i Petera ho an’io lehilahy io.
Inona no manaitra anao amin’ny zavatra nolazain’i Petera sy nataony?
Nanasitrana lehilahy iray nalemy tongotra teo ivelan’ny tempoly i Petera.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 3:8, hitadiavana ny zavatra nataon’ilay lehilahy rehefa avy “[natsangan’]” i Petera izy (Asan’ny Apostoly 3:7).
Amin’ny fomba ahoana no maha-lehibe kokoa ny fitahiana azon’ity lehilahy ity noho ireo fiantrana (vola) izay nangatahiny tany am-boalohany?
Azontsika ampitahaina amin’ny fianantsika io tantara io. Mety tsy hamaly ny vavaka ataontsika amin’ny fomba izay tiantsika na nandrasantsika ho nataony ny Ray any An-danitra, saingy ny valim-bavaka izay omeny dia ho tombontsoa lehibe kokoa ho antsika hatrany.
Ao amin’ny tantara voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 3:1–8, dia mazava tsara fa ny zavatra azon’ity lehilahy ity dia lehibe kokoa noho ny zavatra izay nangatahiny. Kanefa amin’ny lafiny hafa dia mety tsy hazava toy izany ny hoe ny zavatra azontsika dia lehibe kokoa noho ny zavatra izay nangatahintsika.
-
Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra iray niainanao izay nahitana fa hafa noho ny valiny nirianao ny valim-bavaka nomen’ny Tompo anao kanefa nivadika ho tombontsoa lehibe kokoa ho anao izany.
Alaivo sary an-tsaina hoe anisan’ireo vahoaka tao amin’ny tempoly izay nanatri-maso ny fanasitranana an’ilay nalemy tongotra ianao. Mety ho efa nahita matetika ilay lehilahy nalemy nangataka ianao rehefa niditra izany vavahadin’ny tempoly izany. Ary indray andro dia ho hitanao niantsambotra sy nihazakazaka izy rehefa avy nositranina. Mety ho niova toy ny ahoana araka ny eritreritrao ny fomba fijerinao an’i Petera sy i Jaona rehefa avy nahita io fahagagana io?
Vakio ny Asan’ny Apostoly 3:9–11 hitadiavana ny fomba nandraisan’ny vahoaka ny fanasitranana an’io lehilahy io.
Asan’ny Apostoly 3:12–26
Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy i Petera ary mitory ny fibebahana
Vakio ny Asan’ny Apostoly 3:12–18 hitadiavana ny fomba nanazavan’i Petera tamin’ny vahoaka ny fanasitranana an’ilay lehilahy nalemy tongotra. Jereo hoe iza no nomen’i Petera voninahitra tamin’ny fanasitranana ilay lehilahy.
Mianatra isika avy amin’ny tantaran’i Petera sy ny teniny fa afaka manatanteraka fahagagana amin’ny alalan’ny finoana ny anarany ireo mpanompon’i Jesoa Kristy.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 3:19 hitadiavana ny fanasana nataon’i Petera ho an’ireo olona. (Soratra masina fehezina ny Asan’ny Apostoly 3:19–21. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba hanampiana anao hahita ny misy izany amin’ny hoavy.)
Nanome fanantenana ho an’ny olona izay niresahany i Petera tamin’ny alalan’ny fampianarana azy ireo fa afaka ny ho vaodio amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny Sorompanavotany ihany koa izy ireo amin’ny farany.
Jereo ilay andian-teny hoe “andro famelombelomana” ao amin’ny Asan’ny Apostoly 3:19. Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
“Ity vanim-potoana voatendry ity, ity andro famelombelomana ity dia hitranga amin’ny fiavian’ny Zanak’Olona fanindroany, amin’ny fotoana izay handefasan’ny Tompo an’i Kristy indray eto an-tany.
“… Io ilay andro izay ‘[hanavaozana] ny tany ka handray ny voninahitry ny paradisany.’ (Fanekam-pinoana fahafolo.) Io ilay andron’ilay ‘tany vaovao’ izay hitan’i Isaia (Isa. 65:17), ilay tany izay ho tafajanona eo rehefa mitsahatra ny faharatsiana, rehefa ho avy ny fotoan’ny Arivotaona’” (ao amin’ny Conference Report, ôkt. 1967, 43).
Vakio ny Asan’ny Apostoly 3:20–21 hitadiavana ny zavatra hafa izay hiseho mandritra io vanim-potoana io.
Ilay andian-teny hoe “andro fampodiana ny zavatra rehetra” ao amin’ny Asan’ny Apostoly 3:21 dia entina ilazana ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’ny andro farany. Mianatra isika avy amin’ny Asan’ny Apostoly 3:20–21 fa efa nilaza mialoha ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’ny andro farany ireo mpaminany tamin’ny vanim-potoana rehetra.
Araka ny voasoratra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 3:22–26 dia nijoro ho vavolombelona i Petera fa i Mosesy “ary ny mpaminany rehetra koa hatramin’i Samoela sy izay nanarakaraka” (Asan’ny Apostoly 3:24) dia efa nanambara ny amin’i Jesoa Kristy ary nampitandrina ny amin’ny vokatry ny fandavana Azy (jereo ny Asan’ny Apostoly 3:23). Ao amin’ny fanambarana maoderina ny anjely Môrônia dia namerina an’io andinin-tsoratra masina io tamin’i Joseph Smith, sady nanamafy ny vokatry ny fandavana an’i Jesoa Kristy (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:41).
Soratra Masina Fehezina—Asan’ny Apostoly 3:19–21
-
Alaivo sary an-tsaina hoe misiônera ianao ary misy naman’ny Fiangonana iray manontany hoe: “Aiza ao amin’ny Baiboly no milaza fa haverina amin’ny laoniny ny filazantsara amin’ny andro farany?” Valio ao amin’ny diary fandalinanao io fanontaniana io amin’ny fampiasana ny Asan’ny Apostoly 3:19–21 sy farahakeliny andinin-tsoratra masina iray hafa ao amin’ny Baiboly. Jereo ny “Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soaratra Masina.
Asan’ny Apostoly 4–5
Nosamborina i Petera sy i Jaona dia nafahana; nandainga tamin’i Petera i Ananiasy sy i Safira
Nosamborina i Petera sy i Jaona ary nentina teo anoloan’ny Synedriona.
Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 4:1–31 sy ny Asan’ny Apostoly 5:12–42 isika dia mianatra izao manaraka izao: Nosamborina i Petera sy i Jaona noho ny fanasitranany sy ny fitoriany tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Nanambara tamim-pahasahiana ny filazantsara tamin’ilay Synedriona, izay “antenimieran-doholona Jiosy sady fitsarana avo indrindra teo amin’ ny Jiosy misahana ny lafin-javatra ara-piarahamonina sy ara-pivavahana” (Torolalana momba ny Soratra Masina, “Synedriona,” scriptures.lds.org) i Petera. Taorian’ny namotsorana azy ireo dia nanohy nitory ny filazantsara tamin’ny anaran’i Jesoa i Petera sy i Jaona ka dia nosamborina indray. Nokapohina izy ireo ka notenenina indray mba tsy hiteny amin’ny anaran’i Jesoa Kristy intsony, ary avy eo dia navotsotra. Na izany aza dia tsy nitsahatra nampianatra tamin’ny anaran’i Jesoa izy ireo.
Eritrereto izao tantara manaraka izao: Misy zatovolahy iray miomana hanao asa fitoriana. Fantany fa hanontany azy momba ny fahamendrehany hanao asa fitoriana ny evekany, ary mieritreritra izy na hilaza na tsia amin’ilay eveka mikasika ny fahotana lehibe iray izay nataony teo taloha.
Rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 4:32–5:11 ianao dia mitadiava fitsipika iray izay mety hanampy anao hahatakatra ny antony ilàna ny fahamarinan-toetra amin’ny mpanompon’Andriamanitra.
Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 4:32 isika dia mianatra fa ny Olomasina (ireo mpikamban’ny Fiangonana) tamin’ny andron’i Petera dia niaina ny lalàn’ny fanokanana, izay midika hoe nanao fanekempihavanana tamin’Andriamanitra izy ireo mba hizara an-tsitrapo ny fananany ara-nofo ka hahafahana manome izay ilain’ny tsirairay.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 4:34–35 hitadiavana ny fomba nanokanany ny fananany ho an’ny Tompo.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 5:1–2 ka tadiavo ny zavatra nataon’ny mpivady iray atao hoe Ananiasy sy Safira tamin’ny vola azony tamin’ny nivarotany ny taniny.
Inona no zavatra nataon’i Ananiasy sy i Safira, izay tena fahotana lehibe tokoa?
Vakio ny Asan’ny Apostoly 5:3–4 hitadiavana ny zavatra nolazain’i Petera tamin’i Ananiasy.
Araka ny andininy 4, dia iza no tena nandaingan’i Ananiasy?
Mianatra isika avy amin’ny valintenin’i Petera fa raha mandainga amin’ireo mpanompon’Andriamanitra isika dia mitovy amin’ny hoe mandainga Aminy.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 5:5–11 hitadiavana ny zavatra nitranga tamin’i Ananiasy sy i Safira, vokatry ny fandikany ny fanekempihavanany sy ny nandaingany tamin’i Petera sy tamin’Andriamanitra.
Nampianatra momba ireo vokatra sasany mety hitranga amintsika rehefa mandainga amin’ny Tompo sy ireo mpanompony ny Filoha Gordon B. Hinckley: “Amin’izao androntsika izao dia tsy maty toa an’i Ananiasy sy i Safira ireo izay hita fa tsy marin-toetra, fa misy zavatra maty kosa ao anatin’izy ireo. Tsy misy intsony ny feon’ny fieritreretana, lasa malemy ny toetra amam-panahy, tsisy intsony ny fanajan-tena, maty ny fahamarinan-toetra” (“We Believe in Being Honest,” Ensign, ôkt. 1990, 4).
-
Jereo indray ilay tantara mikasika ilay zatovolahy iray izay miomana amin’ny dinidinika momba ny asa fitoriana izay hataony. Manorata taratasy ho an’io zatovolahy io ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, izay manazava ny zavatra tokony ho fantany momba ny fandaingana amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana.
Saintsaino ireo fitahiana azo rehefa marin-toetra tanteraka amin’ireo mpanompon’ny Tompo.
Mianatra isika avy amin’ny tantaran’i Ananiasy sy i Safira fa ilaina ny marin-toetra tanteraka amin’ireo mpitarika ao amin’ny fosoronana. Ankoatra izany dia tokony ho marin-toetra isika amin’ny zavatra rehetra hifanaovantsika amin’ny hafa. Inona aminao no dikan’ny hoe marin-toetra amin’ny zavatra hifanaovana amin’ny hafa?
Nampianatra bebe kokoa ny Filoha Hinckley hoe: “Ireo izay miaina ny fitsipiky ny fahamarinan-toetra dia mahafantatra fa mitahy azy ireo ny Tompo. Manana ny zo sarobidy hiaina amim-pahasahiana ny fahamarinana izy ireo, sady tsy menatra an’iza na iza. Etsy andanin’izany, raha toa ka ilàna fanavaozana ny amin’ny mpikambana iray ato amin’ity Fiangonana ity, dia aoka izany hanomboka dieny izao” (“We Believe in Being Honest,” 5).
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Asan’ny Apostoly 4–5 ka nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: