Tahirim-pitaovana
Fizarana 14: Andro 2: Jaona 8


Fizarana 14: Andro 2

Jaona 8

Fampidirana

Raha mbola tany Jerosalema ny Mpamonjy mba hanatrika ny Andro firavoravoana Tabernakely dia nitondra teo Aminy vehivavy iray meloka tamin’ny fijangajangana ny mpanora-dalàna sy Fariseo sasantsasany, ka nanontany izy ireo raha toa ilay vehivavy ka tokony hotoraham-bato, araka ny lalàn’i Mosesy. Nahakepoka ireo mpiampanga Izy ary naneho famindram-po tamin’ilay vehivavy. Nanambara ihany koa i Jesoa fa mijoro ho vavolombelona ny Aminy ny Ray, ary nampianatra momba ny fanafahana amin’ny fahotana Izy. Rehefa nanambara i Jesoa Kristy fa Izy no ilay Jehovah lehibe, dia niezaka ny hitora-bato Azy ny Fariseo.

Jaona 8:1–11

Nentina teo anoloan’ny Mpamonjy ny vehivavy iray tratra nijangajanga

Te hanala baraka an’i Jesoa teo anoloan’ny vahoaka ireo mpanora-dalàna sy Fariseo ka hamorona antony iray hiampangana Azy satria nitady antony hisamborana Azy sy hamonoana Azy izy ireo (jereo ny Jaona 7:1, 32.)

Vakio ny Jaona 8:2-5, ka tadiavo izay nokasain’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo hatao raha nampianatra tao amin’ny tempoly tao Jerosalema i Jesoa.

Araka ny Jaona 8:6, dia nahoana no nitondra ilay vehivavy tratra nijangajanga teo amin’i Jesoa ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo?

Nohazavain’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny fomba nahafahan’ny mpanora-dalàna sy Fariseo nampiasa ity zava-nitranga ity ho antony hanamelohana an’i Jesoa:

Loholona Bruce R. McConkie

“Tamin’ny andron’i Jesoa … dia tsy fombafomba intsony ny famonoana ho faty noho ny fijangajangana. Tsy nisy sazy famonoana ho faty azo napetraka tokoa raha tsy nahazo lalana sy fankatoavana avy tamin’ny mpitarika Romana, ary raha ny amin’ny fijanganjangana dia tsy nampamono ho faty ny lalàn’i Roma.

“Namelatra ity fandrika ity ho an’ny Mpampianatra ireo mpanora-dalàna sy Fariseo rehefa nitondra ity mpijangajanga ity teo amin’i Jesoa: (1) Raha toa izy nanaiky ny voalazan’i Mosesy fa tokony hotoraham-bato ilay vehivavy, dia sady (a) hampifoha ny hatezeran’ny vahoaka amin’ny ankapobeny izy ka toy ny mamporisika ny famerenana ny sazy izay tsy notohanan’ny besinimaro, no (b)hanohitra ny lalàn’ny tany izay nanjaka teo tamin’ny fandrisihana hanao izay zavatra noraran’i Roma. (2) Raha toa izy ka tsy nanaiky ny voalazan’i Mosesy ka namporisika zavatra hafa latsaky ny famonoana amin’ny alalan’ny fitoraham-bato, dia ho nomelohina ho nanimbazimba ny lalàna izy, sy ho namporisika ny tsy fanajana na ny fialana tamin’ireo fombafomba nekena tany aloha” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 1:450–51).

Tsy namaly azy ireo ny Mpamonjy fa “niondrika [kosa] ka nanoratra teo amin’ny tany tamin’ny rantsan-tanany” (Jaona 8:6).

I Kristy nanoratra teo amin’ny tany

Vakio ny Jaona 8:7-8, ka tadiavo ny valintenin’ny Mpamonjy tamin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo.

Inona araka ny eritreritrao no mety ho neritreretin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo ireo na ny mety ho tsapany rehefa naheno ny valintenin’i Jesoa izy ireo?

Rehefa avy naheno ny valintenin’ny Mpamonjy ireo izay niampanga ilay vehivavy, dia nahatsapa ho meloka izy ireo ka nandeha tsy nanasazy ilay vehivavy (jereo ny Jaona 8:9).

Inona araka ny eritreritrao ireo fahatsapana mety ho nananan’ity vehivavy ity rehefa nabaribary tamin’i Jesoa sy ny vahoaka marobe ny fahotany? Vakio ny Jaona 8:10–11, ka tadiavo izay nolazain’ny Mpamonjy tamin’ilay vehivavy rehefa lasa ny olona rehetra.

Ny Dikantenin’ i Joseph Smith ho an’ny Jaona 8:11 dia manampy izao manaraka izao: “Dia nanome voninahitra an’ Andriamanitra ilay vehivavy nanomboka tamin’izay, ka nino ny anarany.” (Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 8:11 ]).

Tsy nanaiky ny fahotan’ilay vehivavy ny Mpamonjy fa nanome torolalana azy hoe “Mandehana, ary aza manota intsony” (Jaona 8:11). Mianatra izao fahamarinana manaraka izao isika avy amin’ny andininy 11: Maneho famindram-po amintsika ny Mpamonjy amin’ny fanomezana antsika fahafahana hibebaka. Saintsaino ny fomba ahafahan’izany tantara izany mampitombo ny fahatokianao fa mamindra fo sy tsara fanahy i Jesoa Kristy ary maniry ny hamela ireo izay mibebaka marina Izy.

Jaona 8:12–30

Nampianatra i Jesoa fa mijoro ho vavolombelona ny Aminy ny Rainy.

Alaivo sary an-tsaina ny haingon-trano iray. Dia akimpio ny masonao ka ezaho atao sary tsotsotra tsy ankijery ilay zavatra.

Manao ahoana ny sary nataonao raha oharina amin’izay nalainao sary an-tsaina?

Ankoatra ny fanaovana sary dia inona koa ireo zavatra hafa sasantsasany izay azonao atao tsara kokoa rehefa afaka mahita izay ataonao ianao?

Nandritra ny Andro firavoravoana Tabernakely dia nanazava ny tokontanin’ny tempoly nandritra ireo fandihizana sy lanonana hafa izay natao tamin’ny alina sy maraim-be ny fitoeran-jiro volamena (izay nantsoina ihany koa hoe menorahs na fanaovan-jiro) efatra lehibe. Tsy nanome hazavana nandritra ireo lanonana ihany ireo fitoeran-jiro volamena ireo fa naneho ihany koa fa ho fahazavana ho an’ireo izay nandeha tao amin’ny maizina i Isiraely.

Vakio ny Jaona 8:12, ka tadiavo izay nambaran’i Jesoa momba ny Tenany rehefa nampianatra tao amin’ny tempoly teo akaikin’ny toerana nijoroan’ireofitoeran-jiro Izy. Asio marika izay zavatra hitanao.

Mianatra isika avy amin’io andininy io fa i Jesoa Kristy no Fahazavan’izao tontolo izao.

fanaovan-jiro

Nanazava ny tokotanin’ny tempoly nandritra ireo Andro Firavoravoana Tabernakely ny fitoeran-jiro lehibe.

Fenoy avy amin’ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 8:12 izao fitsipika manaraka izao: Raha manaraka ny Mpamonjy isika dia

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Toy ny ahoana no ahatsapanao ny Mpamonjy manampy anao hiala amin’ny fandehanana ao anatin’ny haizina ara-panahy?

Faminaniana maro ao amin’ny Testamenta Taloha no maneho fa ho fahazavana ho an’ny firenena rehetra ny Mesia (jereo ohatra ny Isaia 49:6; 60:1–3). Noho izany, rehefa nanambara i Jesoa fa Izy no fahazavan’izao tontolo izao dia nanambara Izy fa Izy no Mesia.

Niampanga an’i Jesoa ho nijoro ho vavolombelona momba ny Tenany ireo Fariseo (jereo ny Jaona 8:13). Nambaran’i Jesoa fa na Izy na ny Rainy dia samy mijoro ho vavolombelona fa ny Mpamonjy no Zanakalahin’ Andriamanitra (jereo ny Jaona 8:14–18).

Vakio ny Jaona 8:19, ka tadiavo ny zavatra nolazain’i Jesoa momba ny fahalalan’ny Fariseo mikasika ny Ray any An-danitra.

Mianatra izao fitsipika manaraka izao isika araka ny andininy 19: Rehefa miezaka mamantatra an’i Jesoa Kristy isika dia lasa mahafantatra ny Ray.

Nampianatra ny fomba ahafantarantsika momba ny Raintsika any An-danitra rehefa miezaka mamantatra an’i Jesoa Kristy ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Jeffrey R. Holland

“Tamin’ny zavatra rehetra izay nolazain’i Jesoa sy nataony, tafiditra ao anatin’izany, ary indrindra indrindra tamin’ny fijaliana sy ny sorona manavotra nataony, dia nasehony antsika hoe iza ary manao ahoana Andriamanitra ilay Raintsika Mandrakizay, ary tena nanolo-tena tanteraka ho an’ireo zanany Izy tamin’ny vanim-potoana sy tao amin’ny firenena rehetra. Niezaka nampahafantatra tamintsika tsirairay avy ny tena toetran’ny Rainy, ny Raintsika any An-danitra tamin’ny alalan’ny teny sy ny asa i Jesoa. …

“Ka rehefa namahana ny noana, nanasitrana ny marary, niteny mafy ny fihatsaram-belatsihy, ary niangavy ny olona mba hino i Jesoa Kristy—dia izay ilay Kristy maneho amintsika ny fomban’ny Ray, Izy ‘izay mamindra fo sy miantra, tsy mora sosotra, mahari-po ary heniky ny hatsarana’[Lectures on Faith (1985), 42]” (“The Grandeur of God,” Ensign na Liahona, nôv. 2003, 70, 72).

Mamaky isika ao amin’ny Jaona 8:21–30 fa nampitandrina ireo Fariseo ny Mpamonjy fa raha tsy mino Azy izy ireo dia ho faty ao amin’ny fahotan’izy ireo. Nampianatra ihany koa Izy fa tsy manao na inona na inona amin’ny Tenany Izy fa manao izay asain’ny Ray ataony ihany.

Jaona 8:31–36

Nampianatra momba ny fahafahana amin’ny fahotana i Jesoa

Efa voajega teo amin’ny fahafahana mihetsika ve ianao toy ny hoe voafatotra na tsy afaka nivoaka ny toerana tery iray? Inona no tsapanao? Rehefa mandalina ity ampahany amin’ny lesona ity ianao, dia tadiavo izay mitarika amin’ny fangejana ara-panahy sy izay mitarika amin’ny fahafahana ara-panahy.

Vakio ny Jaona 8:31–32, ka tadiavo izay nolazain’ny Mpamonjy fa tokony hataontsika mba ho afaka. Dia fenoy avy amin’ny zavatra izay nianaranao ny banga ao amin’izao kisary manaraka izao:

kisary, banga tsy misy soratra hatreo amin’ny hoe fahafahana
Loholona Bruce R. McConkie

Nitanisa ny sasany amin’ireo fahafahana izay afaka ny ho azontsika raha toa ka maharitra ao amin’ny tenin’i Kristy sy lasa mpianany ary manjary mahafantatra ny fahamarinana ny Loholona Bruce R. McConkie: “Afaka amin’ny hery mahaverin’ny fotopampianarana diso; afaka amin’ny fanandevozan’ny fanirian’ny nofo sy ny fitsiriritana; afaka amin’ny rojo vy mangejan’ny fahotana; afaka amin’ny faharatsiana rehetra sy ny fitaoman-dratsy ary ny hery manakana sy mametra; afaka mizotra mankany amin’ny fahafahana tsy misy fetra izay ny olona nasandratra ihany no migoka azy feno” (Doctrinal New Testament Commentary, 1:456–57).

Vakio ny Matio 8:33, ka tadiavo ny zavatra ninoan’ny Jiosy fa hanafaka azy ireo.

Nanana fiheveran-diso ny Jiosy fa ny maha-taranak’i Abrahama azy fotsiny sy ny maha-mpandova azy ireo ao anatin’ny fanekempihavanana nataon’i Abrahama dia hahatonga azy ireo ho afaka ara-panahy. Vakio ny Jaona 8:34-36, ka tadiavo ny zavatra nolazain’i Jesoa fa tokony hanafahana ireo vahoaka.

Mianatra isika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo fa raha manota isika ka tsy mibebaka, dia lasa andevon’ny ota. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ ny hoe “andevon’ny ota” (Jaona 8:34)? Ny teny nadika hoe andevo eto dia azo adika koa hoe mpanompo.

Diniho ity kisary manaraka ity:

kisary, ny safidy sy ny vokany

Mirohoroho saina ny olona sasany amin’izao fotoana izao, izay mino fa ny fanarahana ny tenin’i Kristy dia maneritery azy ireo, raha toa ka manome azy ireo fahafahana ny fiainana fiainana araka izao tontolo izao. Nampianarin’ny Loholona D. Todd Christofferson, ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny maha-marina ny mifanohitra amin’izany:

Loholona D. Todd Christofferson

“Ny fanarahana ny fakam-panahi[n’i Satana] dia mahatonga ny safidy azontsika atao hihavitsy hatrany hatrany mandra-pahatongan’ny fotoana izay tsy hisian’ny safidy azo atao intsony ka mitarika antsika ho amin’ny fiankinan-doha izay mamela antsika tsy hanana hery hanoherana intsony. …

“… Izao tontolo izao dia … [mihevitra] fa ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ Andriamanitra dia ‘fanandevozana’ (Almà 30:24, 27). Koa amin’ny fomba ahoana no hanafahan’ny fankatoavana sy ny fahamarinana antsika? Afaka mieritreritra mora foana ny fomba fanao sasantsasany isika izay hanomezan’ny fahamarinana antsika fahafahana hanao ireo zavatra izay tsy ho azontsika natao tamin’ny fomba hafa na hisoroka ny loza izay mety ho niainantsika raha nanao izay mifanohitra tamin’izay. …

“… Moa ve misy olona misalasala fa, noho Izy manana ny fahazavana sy ny fahamarinana rehetra, dia manana ny fahafahana faratampony mba hijanona ho Andriamanitra sy hanao zavatra Andriamanitra?

“Mitovy amin’izany ihany, rehefa mitombo ny fahatakarantsika ny fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara dia mihamivelatra ny fahafahantsika misafidy. Voalohany, dia manana safidy bebe kokoa isika ka afaka manantanteraka zavatra bebe kokoa sy mahazo fitahiana lehibe kokoa satria manana lalàna betsaka kokoa azontsika ankatoavina isika. Mieritrereta tohatra iray—ny lalàna na didy vaovao tsirairay izay ianarantsika dia tahaka ny zana-tohatra iray hafa eo amin’ilay tohatra izay mahatonga antsika ho afaka ny hiakatra ambonimbony kokoa. Faharoa, dia afaka manao safidy am-pisainana kokoa isika rehefa mitombo ny fahatakarantsika satria tsy ireo safidy azo atao fotsiny ihany no hitantsika mazava kokoa, fa ireo mety ho vokatr’izany ihany koa ” (“Moral Agency,” Ensign, jona 2009, 49–51).

  1. journal iconVakio ny kiboky Ry tanora, mahereza mba hahitana ohatra ny amin’ny fomba hitarihan’ny fankatoavana ireo didy sy fitsipika amin’ny fahafahana sy ny fomba hitarihan’ny tsy fankatoavana amin’ny fanandevozana. Misafidiana fenitra iray avy ao amin’ilay kiboky, ary adikao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina dia fenoy ity tabilao manaraka ity:

    Fenitra avy ao amin’ny Ry Tanora, Mahereza:

    Amin’ny fomba ahoana no hitondran’ny fiainana io fitsipika io fahafahana?

    Amin’ny fomba ahoana no hitondran’ny tsy fiainana io fitsipika io fanandevozana?

  2. journal iconInona avy ireo fahafahana nampanantenaina ao amin’ny Ry tanora, mahereza izay niainanao manokana vokatry ny fankatoavanao ireo didy sy ireo fenitra? Manorata fomba iray miavaka farafahakeliny ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay hikatsahanao ny fomba hahazoana fahafahana amin’ny alalan’ny fiainana mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy.

Jaona 8:37–59

Mijoro ho vavolombelona momba ny maha-Andriamanitra Azy i Jesoa

Mieritrereta olona iray fantatrao izay mitovy be amin’ny rainy. Mieritrereta olona iray fantatrao izay samy hafa be amin’ny rainy.

Ny Jaona 8:37–50 dia mirakitra fa nilaza tamin’ireo Jiosy tsy nanam-pinoana i Jesoa Kristy fa raha toa Izy ka nanambara ny tenin’ny Rainy,Izy ireo kosa dia nanao ny asan’ny rain’izy ireo. Ho fiarovan-tena dia nilaza ny Jiosy fa i Abrahama no rain’izy ireo. Dia nampianatra ny Mpamonjy fa ireo izay zanak’i Abrahama dia “hanao ny asan’i Abrahama” (Jaona 8:39) ka tsy hikatsaka na oviana na ovina ny hamono olona iray izay nampianatra fahamarinana. Nolazain’i Jesoa tamin’ireo Jiosy ireo (ny Fariseo) fa ny devoly no rain’izy ireo. Nanazava Izy fa ireo izay nandray ny tenin’ Andriamanitra dia avy amin’ Andriamanitra. Tezitra ireo Jiosy tsy nanam-pinoana ka nilaza an’i Jesoa ho Samaritana (izay ninoan’ny Jiosy fa ambany indrindra amin’ny olona rehetra) ary nitoeran’ny devoly Izy.

Vakio ny Jaona 8:51-53, ka tadiavo izay nanontanian’ireo Jiosy ireo tamin’ny Mpamonjy avy eo.

Marihina fa ny hoe “Izy Aho” ao amin’ny Jaona 8:56–58 dia mitovy amin’ilay anaran’ Andriamanitra nampiasainy hiantsoana ny Tenany tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha hoe “Izy Aho” (jereo ny Eksodosy 3:14). Ny “IZY AHO” dia midika hoe Jehovah. “ ” “ ” “ ”

Ny hoe “IZY AHO” dia manan-danja satria manondro an’i Jehovah, izay anarana nahafantaran’ny Jiosy ny Andriamanitr’i Abrahama, Isaka, ary Jakoba tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha. Rehefa niantso ny Tenany hoe “Izy Aho” i Jesoa Kristy dia nanambara Izy fa Izy no ilay Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha. Azonao atao ny manoratra eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Jaona 8:58 izao fotopampianarana izao: I Jesoa Kristy no Jehovah, ilay Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha.

Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ho antsika ny mahafantatra fa i Jesoa Kristy no Jehovah ao amin’ny Testamenta Taloha?

Vakio ny Jaona 8:59, ka tadiavo ny fihetsika nasehon’ireo Jiosy ireo rehefa nandre ny fanambarana nataon’ny Mpamonjy fa Izy no Jehovah.

Nandray vato niaraka tamin’ny fikasana hamono an’i Jesoa ny Jiosy, izay nino fa niteny ratsy ny Fanahy Masina Izy rehefa nilaza ny Tenany ho i Jehovah.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Jaona 8 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: