Fizarana 7: Andro 2
Matio 27–28
Fampidirana
Tafiditra tao anatin’ny teti-dratsy hamonoana an’i Jesoa Kristy ny nitondran’ny mpitarika ny Jiosy Azy teo anoloan’i Pontio Pilato, izay governora Romana. Nandefa an’i Jesoa mba hokaravasiana sy homboiana tamin’ny hazofijaliana i Pilato. Nanatanteraka ny sitrapon’ny Rainy i Jesoa tamin’ny fanekena ny fijaliana sy ny fahafatesana.
Matio 27:1–25
I Jesoa dia nalefa tany amin’i Pilato mba hohelohina amin’ny fanomboana amin’ny hazofijaliana
Raha afaka nanatri-maso ny zava-nitranga tao amin’ny soratra masina iray ianao dia inona no hosafidianao? Nahoana?
Mandritra ity lesona ity dia handalina ny iray amin’ireo zava-nitranga manan-danja indrindra teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao ianao. Rehefa mandalina ianao dia alaivo sary an-tsaina hoe manatri-maso ny zava-nitranga.
Mamaky isika ao amin’ny Matio 26 fa nosamborina sy notsaraina tsy ara-drariny ary noampangain’ireo mpitarika ny Jiosy i Jesoa. Teo ambanin’ny lalàna Romana dia tsy nanam-pahefana hanameloka ho faty ny olona iray ireo Jiosy. Noho izany dia nikasa hitady fanamelohana iray teo ambanin’ny lalàna Romana izay hanasaziana an’i Jesoa ho faty ireo mpitarika ny Jiosy.
Mianatra isika ao amin’ny Matio 27:1-10 fa ireo mpitarika Jiosy dia nandefa an’i Jesoa tany amin’i Pontio Pilato, governora Romana an’i Jodia. Rehefa nahita izany i Jodasy dia nanenina tamin’ny safidy nataony hamadika an’i Jesoa izy ka nikasa ny hamerina ny vola noraisiny tany amin’ireo mpitarika Jiosy, ary avy eo namono tena. Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manazava fa i Jodasy dia “nanantona ny tenany tamin’ny hazo. Ary potraka nihohoka teo no ho eo izy ka nivaroraka ny tsinainy, ary maty izy” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 27:6 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ]).
Satria ireo vola dia “vidin-drà” (Matio 27:6) ka araka izany tsy azo alatsaka ao amin’ny rakitry ny tempoly, dia nampiasan’ireo mpitarika Jiosy mba hividianana ny sahan’ny mpanefy vilany, izay tokony nandevenana ireo olon-tsy fantatra (na vahiny) ny vola. I Matio dia nilaza fa io zava-nitranga io dia fahatanterahan’ny faminaniana iray (jereo ny Zakaria 11:12–13).
Noho ny faneriterena nataon’ny Jiosy sy noho ny tahotra tsy hahafehy ny vahoaka dia nandefa an’i Jesoa mba homboana amin’ny hazofijaliana i Pilato (jereo ny Matio 27:11–26). (Hanana fahafahana handalina ireo zava-nitranga ireo amin’ny antsipiriany kokoa ianao mandritra ny lesona ho an’ny Jaona 18–19.)
Matio 27:26–50
I Jesoa dia nokaravasiana sy notsiratsiraina ary nomboina tamin’ny hazofijaliana
Talohan’ny fandefasana an’i Jesoa mba homboina amin’ny hazofijaliana dia nasain’i Pilato nokaravasiana Izy (jereo ny Matio 27:26). Ny hoe nokaravasiana dia midika fikapohana tsy an-kiato tamina karavasy nahitana zavatra toy ny vato maranitra na vongan-taolana notenomina teo amin’ny tady maromaro. Io karazana fanasaziana io dia mazàna no natokana ho an’ireo mpanompo, fa ireo manan-kaja na olom-pirenen’i Roma kosa dia nampijaliana tamin’ny tsorakazo na anja-by. Betsaka no tsy tafavoaka velona tamin’ny fikapohana vokatry ny takaitra ara-batana mahery vaika navelan’izany.
Vakio ny Matio 27:27-32, ka tadiavo izay nataon’ny miaramila Romana tamin’i Jesoa.
Nahoana araka ny eritreritrao ireo miaramila no nitady olona hafa hibata ny hazofijalian’i Jesoa?
-
Alaivo sary antsaina hoe ianao no teo amin’ny toeran’i Simona avy any Kyrenia. Inona no eritreritra na fahatsapana mety nanananao raha toa anisan’ireo vahoaka ianao ary noterena hibata ny hazofijalian’i Jesoa? Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valinteninao.
Raketin’ny Matio 27:33 fa i Jesoa dia nentina “teo amin’ny tany atao hoe Golgota [Izy], izany hoe Ikarandoha.”
Ny Loholona James E. Talmage tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao manaraka izao momba ny anaran’ilay toerana: “Ilay anarana dia mety nilaza toetoetra ara-tôpôgrafika, rehefa miresaka momba ny tampon’ny vohitra iray; na, raha ilay toerana no toerana famonoana olona ho faty, dia mety nantsoina toy izany mba hanehoana ny fahafatesana, tahaka ny fiantsoantsika ny lohan’ny faty hoe karandoha” (Jésus le Christ, ed. faha-3 [1916], 667).
NyMatio 27:34–45 dia mirakitra fa nandà hisotro ny zava-pisotro natolotra ireo izay nombohina tamin’ny hazofijaliana mba hampitoniana ny fanaintainana i Jesoa. Ireo olon-kafa nanatri-maso ny Fanomboana tamin’ny hazofijaliana dia nikasa haniratsira sy haka fanahy an’i Jesoa.
Vakio ny Matio 27:46, ka tadiavo ny zavatra nolazain’i Jesoa raha teo ambonin’ny hazofijaliana Izy. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.
Mba hahatakarana tsaratsara kokoa ny zava-nitranga tamin’io fotoana io dia vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“Tena mitandrina tsara aho ary miresaka amim-panajana mihitsy aza ny amin’ny mety ho fotoana sarotra indrindra tao anatin’io Sorompanavotana natao irery io. Ny tiako resahina dia ny fotoana faramparany izay tsy maintsy efa niomanan’i Jesoa ara-tsaina sy ara-batana nefa mety tsy nampoiziny tanteraka tamin’ny lafiny ara-pihetsehampo sy ara-panahy—dia ny filatsahana farany tao amin’ny famoizampo tsy ahafaha-mihetsika tamin’ny nandaozan’ Andriamanitra Azy ka niantsoany noho ny maha-irery Azy tamin’ny farany hoe, ‘Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao ?’ [Matio 27:46; nampiana fanamafisana]. …
“Mijoro ho vavolombelona amin’ny fandresen-dahatry ny fanahiko manontolo aho fa … ny Ray tonga lafatra dia tsy nandao ny Zanany tamin’io fotoana io. Ny tenako manokana dia mino tokoa fa tamin’ny asa fanompoan’i Kristy teto an-tany rehetra dia mbola tsy akaiky indrindra ny Zanany noho ny tamin’ireo fotoan’ny fijaliany faramparany izay niainany fanaintainana tokoa ireo Izy. Na dia izany aza, … dia nandao an’i Jesoa nandritra ny fotoana fohy ny fampiononan’ny Fanahiny, ny fanohanan’ny fanatrehany manokana” (“None Were with Him,” Ensign or Liahona, mey 2009, 87–88).
Nahoana araka ny eritreritrao ny Fanahin’ny Ray any An-danitra no nandao an’i Jesoa nandritra io fotoana io?
Vakio ny ambin’ny teny nataon’ny Loholona Holland ary asio marika ny zavatra nolazainy fa manazava ny antony niainan’i Jesoa ny fandaozan’ny Fanahy: “Notakiana, ary fototry ny maha-zava-dehibe ny Sorompanavotana tokoa ny tokony hahafantaran’io Zanakalahy tonga lafatra izay tsy mbola niteny ratsy na nanao zavatra tsy mety na nikasika zavatra ratsy io ny mety ho tsapatsika olombelona rehetra ambiny—isika, eny isika rehetra—rehefa manao izany fahotana izany. Mba hahatonga ny Sorompanavotany ho tsy manam-petra sy mandrakizay dia nila nahatsapa izany hoe fahafatesana izany Izy, tsy ny fahafatesana ara-nofo ihany fa ny ara-panahy koa, nila nahatsapa ny hoe toy ny ahoana izany ilaozan’ny Fanahin’ Andriamanitra, ka lasa irery tanteraka, amin’ny fomba mahatsiravina sy tsy misy fanantenana Izy” (“None Were with Him,” 88).
Avy tamin’ny Matio 27:46 sy ny fanambaran’ny Loholona Holland dia afaka mianatra isika fa tao anatin’ny Sorompanavotana dia nahatsapa ny fandaozan’ny Fanahin’ny Ray any An-danitra Azy i Jesoa Kristy.
Rehefa manota isika dia miaina fahafatesana ara-panahy—dia ny fandaozan’ny Fanahin’ny Ray any An-danitra. Satria niaina fahafatesana ara-panahy i Jesoa Kristy teo amin’ny hazofijaliana dia afaka manampy antsika Izy rehefa tafasaraka amin’ny Fanahin’ny Ray any An-danitra isika noho ny safidy tsy mety ataontsika. Afaka manampy antsika ihany koa izy rehefa mahatsapa isika fa irery.
Vakio ny Matio 27:50. Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia milaza hoe, “Ary rehefa niantso tamin’ny feo mahery indray i Jesoa, nanao hoe, Raiko ô, vita, tanteraka ny sitraponao, dia nanolotra ny fanahiny Izy” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 27:54 ).
Raha mifototra amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’io andininy io dia nijaly i Jesoa Kristy mba hahatanteraka ny sitrapon’ny Ray any An-danitra.
Rehefa nandalina ny Matio 26 nandritra ny lesona teo aloha ianao dia nianatra mikasika ny fijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane ary ny fahavononany hampanoa ny sitrapony amin’ny an’ny Ray. Azonao soratana hoe Matio 26:39 ho andinin-tsoratra masina mifandray eo amin’ny sisin’ny pejy eo akaikin’ny Matio 27:50 mba hanampiana anao hahatsiaro fa i Jesoa dia nanatanteraka ny zavatra nampanantenainy fa hataony.
Vakio ny Matio 27:51 ka tadiavo ny zava-nitranga tao amin’ny tempoly rehefa maty i Jesoa.
Nandritra ny vanim-potoan’i Jesoa dia nahitana efitra anankiroa tao anatin’ny tempoly: ny Fitoerana Masina ary ny Fitoerana Masina Indrindra. Ireo efitra anankiroa ireo dia nosarahin’ny voaly iray na lamba fanasarahana iray. “Ny Fitoerana Masina Indrindra dia ny efitra masina indrindra tao anatin’ny tempoly; tandindon’ny fanatrehan’ Andriamanitra izany. Indray mandeha isan-taona, mandritra ny Andro Fanavotana dia mandalo ny voalin’ny tempoly ny mpisorona avo mba hidirana ao amin’ny Fitoerana Masina Indrindra, dia hafafiny ao ny ràn’ny fanatitra ho an’ny fahotana mba hanavotana ny fahotan’ny vahoakan’i Isiraely rehetra (jereo ny Levitikosy 16). Rehefa “triatra nizara roa” (rovitra nizara roa) ny voalin’ny tempoly tamin’ny fahafatesan’i Jesoa Kristy (Matio 27:51), dia tandindona mahavariana izany fa i Jesoa Kristy, ilay Mpisorona Avo Lehibe dia niampita ny voalin’ny fahafatesana ary hiditra tsy ho ela eo anatrehan’ Andriamanitra [Ray ]” (New Testament Student Manual [Church Educational System manual, 2014], 94).
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao manaraka izao mikasika ny dikan’ny hoe rovitra nizara roa ny voalin’ny tempoly: “Natao sorona i Kristy; tanteraka ny lalàna; tapitra ny fotoampitantanan’i Mosesy; tonga ny fahafenoan’ny filazantsara miaraka amin’ny fahazavana sy ny herin’izany rehetra; noho izany—mba hanehoana amin’ ny fomba manokana izay hahafantaran’ny Jiosy rehetra fa ny fanjakana dia nalaina tamin’izy ireo ary nomena olon-kafa—dia nandrovitra ny voalin’ny tempoly ‘hatrany ambony ka hatrany ambany’ Andriamanitra. Ny Fitoerana Masina Indrindra dia misokatra ho an’ny rehetra ankehitriny, ary amin’ny alalan’ny ràn’ny sorompanavotan’ny Zanakondry dia afaka miditra ao amin’ny toerana avo sy masina indrindra amin’ny toerana rehetra ny olon-drehetra ankehitriny, izay fanjakana ahitana ny fiainana mandrakizay. … Ireo ôrdônansy notanterahina tamin’ny alalan’ny voalin’ny tempoly fahiny dia mitovy amin’izay zavatra hotanterahin’i Kristy, ary satria efa nahavita izany Izy, dia afaka ny ho lasa mendrika handalo ny voaly mba ho eo anatrehan’ny Tompo ka handova ny fisandratana feno ny olombelona rehetra” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 1:830; nampiana teny misompirana).
Avy amin’ny faharovitan’ny voalin’ny tempoly tamin’ny fahafatesan’i Kristy dia afaka mianatra isika fa noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka miditra ho eo anatrehan’ Andriamanitra daholo isika rehetra raha mibebaka sy mitandrina ireo fanekempihavanantsika.)
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Amin’ny fomba ahoana no hanomezan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy fahafahana antsika hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra?
-
Inona no tsy maintsy ataon tsika mba ho mendrika ny hitoetra miaraka amin’ny Ray any An-danitra mandrakizay?
-
Ny Matio 27:52–66 dia manome fampahalalana fanampiny momba ny zava-nitranga taorian’ny fahafatesan’i Jesoa. Mariho fa i Matio dia nirakitra fa “taorian’ny nitsanganan’i [Jesosy] ” (Matio 27:53; nampiana teny misompirana) ireo olo-marina maro efa maty dia nitsangana tamin’ny maty ihany koa ary niseho tamin’ny olona maro tao Jerosalema (jereo koa ny F&F 133:54–56).
Taorian’ny nahafatesan’i Jesoa dia “nangataka ny fatin’i Jesosy” i Josefa avy any Arimatia, lehilahy nanan-katao iray (Matio 27:58; jereo ihany koa ny Jaona 19:39). Nosaronana tao anatin’ny lamba madio sy napetraka tao amin’ny fasana izay fananan’i Josefa avy any Arimatia ny vatana mangatsiakan’ny Mpamonjy, ary ny fidirana tao amin’ilay fasana dia norakofana vato lehibe. Noho ny famporisihan’ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo dia nandidy ny hametrahana mpiambina hiambina ny fasana i Pilato, ary ilay vato dia nohidina mafy. Araka ny Matio 27:63–64, dia nahoana ireo lohan’ny mpisorona sy ireo Fariseo no naniry izany?
Matio 28
Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy ary niseho tamin’ny olona maro
Araka ny Matio 28:1–5, raha vao maraina ny andro voalohan’ny herinandro, na ny alahady dia nankeo amin’ny fasana i Maria Magdalena sy ny vehivavy iray hafa nantsoina hoe Maria. Ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 28:2 dia milaza fa nahita anjely anankiroa izy ireo .
Taorian’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia nitandrina sy nanaja ny andro voalohan’ny herinandro ho masina ho andro Sabata ireo mpikamban’ny Fiangonana, ary taty aoriana dia tsy notohizana intsony ny fanajana ny andro fahafito ho andro Sabata. Ny fanovana ny fanajana ny andro farany amin’ny herinandro ho ny andro voalohany amin’ny herinandro dia tsy manan-danja noho ny lohahevitra sy ny fitsipiky ny Sabata.
Vakio ny Matio 28:6-7, ka tadiavo ny zavatra nolazain’ireo anjely tamin’ireo vehivavy.
Ao amin’ny Matio 28:8–10, 16–18 dia mamaky isika fa ireo vehivavy dia nandeha nilaza tamin’ireo mpianatry ny Tompo ny zavatra hitany sy reny. Teny an-dalana dia niseho tamin’izy ireo i Jesoa, ary ireo vehivavy dia “nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany” (Matio 28:9). Taty aoriana, rehefa nankatò ny tenin’ireo vehivavy ny mpianatry ny Tompo sy nandeha tany Galilia dia niseho tamin’izy ireo ihany koa ny Mpamonjy. Mba hianarana momba ireo fisehoan’i Jesoa hafa talohan’ny Fiakarany dia jereo ny Firindran’ireo Filazantsara.
Vakio ny Matio 28:19–20 ka jereo ny zavatra nandidian’ny Mpamonjy mba hataon’ireo Apôstôliny. (NyMatio 28:19–20 dia andian-tsoratra masina fehezina. Azonao atao ny manisy marika miavaka ireo andininy ireo.)
Ny fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ny iraka nomen’ny Mpamonjy ireo Apôstôliny dia ny hoe rehefa mandray fijoroana ho vavolombelona mikasika an’i Jesoa Kristy isika dia manana andraikitra ny hijoro ho vavolombelona momba Azy amin’ny hafa.)
Soratra Masina Fehezina—Matio 28:19–20
-
Vitao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity asa ampanaovina manaraka ity:
-
Tanisao ny fomba miisa telo farafahakeliny izay hahafahantsika mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy amin’ny hafa. Rehefa izany dia safidio ny iray amin’ireo fomba notanisainao ary soraty ny tanjona iray mikasika ny fomba hikatsahanao ny hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy amin’ny hafa.
-
Valio ireto fanontaniana manaraka ireto: Raha mandinika ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 28:19–20 dia inona no azonao atao mba hiomanana amin’ny fanaovana asa fitoriana?
-
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Matio 27–28 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: