Tahirim-pitaovana
Fizarana 4, Andro 2: Matio 14


Fizarana 4: Andro 2

Matio 14

Fampidirana

Rehefa nahafantatra momba ny fahafatesan’i Jaona Mpanao Batisa i Jesoa dia nikatsaka ny ho irery, saingy narahin’ny olona marobe Izy. Nanana indrafo ho azy ireo Izy, nanasitrana ny marary, ary namahana tamim-pahagagana ny olona maherin’ny 5000 tamin’izy ireo. Nandehandeha teny ambony ranomasina nankeny amin’ny sambokely nisy ny mpianany i Jesoa tamin’izay alina izay.

Matio 14:1–21

Nikatsaka ny ho irery i Jesoa ary namahana olona maherin’ny 5000 isa.

Mieritrereta fotoana iray ka tena nalahelo fatratra ianao. Inona no nataonao mba hiaretana na handresena ny alahelonao?

Tanisao ny fomba samy hafa sasantsasany izay ezahan’ny olona atao mba hiaretana sy handresena ny alahelo:

Rehefa mandalina ny Matio 14:1–21 ianao dia tadiavo ireo fomba izay afaka manampy anao hiaritra sy handresy ny alahelo.

Raketin’ny Matio 14:1–11 fa naiditry ny Mpanjaka Heroda am-ponja tsy ara-drariny i Jaona Mpanao Batisa noho ny fitalahoan’i Herodiasy, vadiny vaovao, izay te hampitsahatra an’i Jaona Mpanao Batisa tamin’ny fiampangana ny fanambadiany tsy ara-dalàna tamin’ny Mpanjaka Heroda (jereo ny Marka 6:17–19). Rehefa avy nandihy teo anoloan’i Heroda i Salome zanakavavin’ny vadiny, dia nampanantena teo imasom-bahoaka i Heroda fa afaka mahazo “izay hangatahiny na inona na inona” izy (Matio 14:7). Nifampiresaka tamin’ny reniny ilay zanakavavy ary nangataka ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa, ka dia nasain’i Heroda notapahin-doha i Jaona Mpanao Batisa vokatr’izany.

Namana sy havan’ i Jesoa i Jaona Mpanao Batisa ary nofinidin’Andriamanita ho ilay mpaminany izay hanomana ny lalana ho an’ny Mesia izy.

Alaivo sary an-tsaina hoe naman’i Jaona Mpanao Batisa akaiky ianao. Inona no mety ho nasetrinao rehefa naheno mikasika ny fahatesany tsy ara-drariny?

Vakio ny Matio 14:12–13, ary tadiavo ny zavatra nataon’i Jesoa rehefa naheno momba ny fahafatesan’i Jaona Izy.

Ilay andian-teny hoe “tany foana” ao amin’ny andininy 13 dia milaza ny toerana mitokana iray.

Inona no nitranga rehefa niezaka ny ho irery i Jesoa?

Inona no mety ho tsapanao raha toa ka malahelo be sy te ho irery ianao, kanefa te hiresaka aminao ny olona hafa?

Vakio ny Matio 14:14, ary tadiavo ny nasetrin’i Jesoa rehefa nahita ny valalabemandry nanaraka Azy Izy.

Mianatra isika avy amin’ity tantara ity fa manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fanehoana indrafo ho an’ny hafa na dia miaina alahelo aza isika.

  1. journal iconFintino amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na ny namana iray ny tantaran’i Jesoa izay naneho indrafo rehefa avy naheno momba ny fahafatesan’i Jaona Mpanao Batisa. Ifanakalozy hevitra miaraka amin’izany olona izany ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny olona izay noresahanao sy ny tantara fohy momba ny fifanakalozanareo hevitra.

    1. Manampy antsika amin’ny fomba ahoana ny fampisehoana indrafo ho an’ny hafa rehefa mijaly ihany koa ny tenantsika ?

    2. Inona no antony mety hahasarotra ny fampisehoana indrafo rehefa mijaly isika?

    3. Oviana ianao na ny olona fantatrao no niaina alahelo lehibe kanefa mbola nampiseho indrafo ho an’ny olona iray hafa ihany? Tamin’ny fomba ahoana avy no nitondran’ny fanompoana ny olona hafa fanampiana?

Vakio ny Matio 14:15–21, ka tadiavo ny fomba mbola nampisehoan’i Jesoa indrafo ho an’ny valalabemandry.

Matio 14:22–36

Nandeha teny ambonin’ny ranomasina i Jesoa nandritra ny tafiotra iray

Eritrereto ireto trangan-javatra roa manaraka ireto:

Trangan-javatra 1: Mahatsapa ho tsy afaka manao na inona na inona ny zatovovavy iray rehefa mijery ny reniny izay mijaly mafy noho ny aretina mahafaty. Manomboka manontany izy raha toa ka fantatry ny Ray any An-danitra ny fanaintainan’ny fianakaviany. Te hino mafy an’ Andriamanitra izy, kanefa manomboka manenika azy ny ahiahy.

Trangan-javatra 2: Vao niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tsy ela ny zatovolahy iray. Maro tamin’ireo namany taloha no nitsikera tsotra izao ny fanapahan-keviny mba hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Manomboka manontany tena izy raha toa ka tokony hanohy ho mpikamban’ny Fiangonana mavitrika sy mahatoky.

Inona avy ireo fomba sasantsasany mety hiainan’ny olona ahiahy na tahotra rehefa mikatsaka ny hanaraka an’i Jesoa Kristy izy ireo?

Rehefa mandalina ny ambin’ny Matio 14 ianao dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka manampy anao handresy ny tahotra sy ny ahiahy ary ny fahakiviana.

Vakio ny Matio 14:24–25, ka tadiavo izay zavatra nitranga rehefa niampita ny Ranomasin’i Galilia ireo mpianatra ho fankatoavana ny torolalana nomen’ny Mpamonjy.

Ilay andian-teny hoe “notohain’ny rivotra” ao amin’ny andininy 24 dia midika fa nitsoka nifanohitra tamin’ny toerana tian’izy ireo hahatongavana ny rivotra.

Mariho ao amin’ny Matio 14:23 fa efa hariva ny andro rehefa irery teo an-tendrombohitra i Jesoa ary niampita ny Ranomasin’i Galilia ireo mpianatra. Teo amin’ny 8 kilaometatra teo ny halavirana hiampitana tamin’ilay ranomasina, ary afaka niampita izany tao anatin’ny adiny roa na adiny telo izy ireo raha tsara ny toetr’andro. Nanatona azy ireo nandritra ny fiambenana fahefatra ny Mpamonjy, izay tokony ho “teo anelanelan’ny tamin’ny telo ka hatramin’ny enina [ora] maraina”. Midika izany fa nanohitra ny rivotra mba hiampitana ny ranomasina nandritra ny alina iray manontolo ireo mpianatra.

Vakio ny Marka 6:47–48, ka mitadiava fahamarinana fanampiny izay nomena mikasika izany zava-nitranga izany.

Raha fantatr’i Jesoa fa sahirana ireo mpianany, eritreretinao ve fa afaka nanala izany fahasahiranan’izy ireo izany aloha kokoa Izy? Inona no mety ho tanjona tamin’ny famelana ireo mpianany ho sahirana nandritra ny fotoana elaela mialoha ny nanafahana azy ireo?

Mianatra isika avy amin’ireo tantaran’ny mpianatra niampita ny ranomasina ireo fa na dia mety tsy manala antsika ao anatin’ny fahasahiranana hatrany aza Andriamanitra dia fantany ny zavatra iainantsika ary ho avy hanampy antsika Izy amin’ny fotoany manokana.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no zava-tsoa mety ho tonga vokatry ny fahasahiranantsika mandritra ny fotoana elaela noho ny hoe manafaka antsika avy hatrany amin’ireo fisedrana ananantsika ny Tompo?

    2. Mampatanjaka ny finoantsika ny Tompo amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa mahalala ny fahasahiranantsika Izy na dia tsy manafaka antsika eo no ho eo amin’izany aza?

Alaivo sary an-tsaina hoe eny ambony sambokely iray ianao ka nitolona ny rivo-mahery sy ny onja nandritra ny ora maro nandritra ny alina iray manontolo, dia nahita olona nandeha teny ambony rano ianao avy eo. Inona no mety ho eritreritrao na fahatsapanao tao anatin’izany toe-javatra nitranga izany?

Vakio ny Matio 14:26–27, ka tadiavo ny fihetsika nasehon’ireo mpianatra rehefa nahita an’i Jesoa izy ireo. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra nolazain’i Jesoa tamin’izy ireo.

Vakio ny 14:28–30, ary tadiavo ny zavatra tian’i Petera atao rehefa naheno ny feon’ny Tompo izy.

Ahoana no nampisehoan’i Petera finoana tamin’ny voalohany?

Inona no hitan’i Petera ka nahatonga azy hatahotra sy hiahiahy ka nanomboka nilentika?

Eritrereto izay mety ho asehon’ny rivotra sy ny onja ato amin’ity tantara ity eo amin’ny fiainanao ka afaka mitarika anao hiaina tahotra na ahiahy.

Mianatra isika avy amin’ny zavatra niainan’i Petera fa tsy ho resin’ny tahotra na ny ahiahintsika isika raha toa ka mihazona ny finoantsika an’i Jesoa Kristy.

Filoha Howard W. Hunter

Vakio ity teny manaraka ity izay nataon’ny Filoha Howard W. Hunter, ary asio marika ny zavatra nolazainy fa loza avy amin’ny tsy fitazonana ny finoantsika an’ny Tompo: “Inoako mafy tokoa fa raha toa ka hibanjina an’i Jesoa tahaka an’i Petera isika, amin’ny maha-olona tsirairay, amin’ny maha-fianakaviana sy fiarahamonina ary firenena antsika, dia ho afaka handresy ‘ny onja mitelin’ny tsy finoana’ ka hijanona ‘tsy matahotra eo anivon’ireo rivotry ny ahiahy izay mifofo.’ Raha tsy mijery azy izay tsy maintsy inoantsika anefa isika, araka ny maha-tena mora ny manao izany ary halaim-panahy hanao izany tokoa izao tontolo izao, raha toa ka mijery ny hery sy ny siakan’ireny singa mahatsiravina sy mandringana manodidina antsika ireny isika fa tsy mijery azy izay afaka manampy sy manavotra antsika kosa, dia tsy ho azo ihodivirana ny hilentehantsika ao amin’ny ranomasin’ny disadisa sy ny alahelo ary ny fahakiviana” (“The Beacon in the Harbor of Peace,” Ensign, nôv. 1992, 19).

  1. journal iconSoraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fomba maro hahafahantsika “mibanjina” an’i Jesoa Kristy, tahaka ny nataon’i Petera tamin’ny voalohany. Ho fanampin’izany dia manorata momba ny fotoana iray izay nahitanao ny fomba nanomezan’ny finoan’ny olona iray an’i Jesoa Kristy azy fahafahana mba tsy ho resin’ny tahotra na ny ahiahy.

Saintsaino ireo fanovana izay azonao atao eo amin’ny fiainanao mba hihazonana ny finoanao an’i Jesoa Kristy, ary mametraha tanjona mba hanisy ireo fanovana ireo.

Mety tsy hahavita hihazona ny finoantsika an’i Jesoa Kristy, tahaka an’i Petera, koa isika indraindray ary mety hatahotra sy hiahiahy ary ho kivy.

Vakio ny Matio 14:30–32, ka tadiavo izay zavatra nitranga rehefa nandeha nanatona ny Mpamonjy i Petera.

I Kristy nandeha teny ambony rano

Araka ny andininy 30 dia inona no nataon’i Petera rehefa nilentika izy? (Azonao atao ny manisy marika ny zavatra nolazain’i Petera.)

Tahaka an’i Petera dia afaka manandratra antsika avy ao amin’ny tahotra sy ny ahiahy Andriamanitra raha toa ka mikatsaka ny fanampiany isika rehefa mihamalemy ny finoantsika.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no hanandratan’ Andriamanitra antsika avy amin’ny tahotra sy ny ahiahintsika?

Vakio ny Matio 14:33, ka tadiavo ny nasetrin’ireo mpianatra tao anatin’ilay sambokely rehefa avy nampiditra an’i Petera tao anatin’ilay sambokely i Jesoa.

Mianatra isika ao amin’ny Matio 14:34–36 fa nanohy ny dian’izy ireo ka tonga tany amin’ny moron’i Galilia i Jesoa sy ny mpianany taorian’io zava-nitranga io. Rehefa fantatry ny vahoaka fa tao i Jesoa dia noentin’izy ireo teo Aminy ireo olona narary. Lehibe tokoa ny finoan’izy ireo ka ireo rehetra izay tonga dia sitrana avokoa rehefa nikasika ny moron’akanjony. Ampitahao amin’ny zavatra nitranga tamin’ireo vahoaka voafariparitra ao amin’ny Matio 13:57–58 izany.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Matio 14 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: