Tahirim-pitaovana
Fizarana 13, Andro 1: Jaona 2


Fizarana 13: Andro 1

Jaona 2

Fampidirana

Tao Kana no nanatanterahan’ny Mpamonjy ny fahagagana voalohany nataony am-pahibemaso tao anatin’ny asa fanompoany teto an-tany rehefa nanova ny rano ho divay Izy. Nandeha tany Jerosalema i Jesoa Kristy mba hamonjy ny Paska voalohany teo amin’ny asa fanompoany ny vahoaka, ary nanadio voalohany ny tempoly tamin’ny fandroahana ireo mpanakalo vola izay nandoto ny tranon’ny Rainy.

Jaona 2:1–11

Nanova ny rano ho divay i Jesoa

Eritrereto ireto zavatra “voalohany” manaraka ireto izay mety nitranga teo amin’ny fiainanao: ny andro voalohany nankanesanao tany an-tsekoly, ny asanao voalohany, na ny fotoana voalohany izay tsaroanao fa nahatsapanao ny Fanahy Masina. Inona avy ireo zavatra niainanao voalohany ka manan-danja aminao?

Nahoana isika indraindray no manome lanja ireo zavatra “voalohany” teo amin’ny fiainansika?

Fotoana fohy taorian’ny nanaovana batisa an’i Jesoa dia namonjy lanonana fampakaram-bady tany Kana, tanàna kely iray teo akaikin’i Nazareta izay tanàna niavian’i Jesoa, Izy sy ireo mpianany. Tao Kana no nanatanterahan’i Jesoa ny fahagagana nataony voalohany izay voarakitra an-tsoratra.

Vakio ny Jaona 2:1-3, ary tadiavo ny olana iray izay nitranga nandritra ilay lanonana fampakaram-bady.

Zava-pisotro fampiasan’ny olona tamin’ny lanonana fampakaram-bady ny divay. Indraindray dia nitohy nandritra ny andro maro ilay lanonana fampakaram-bady. Ho fahafaham-baraka ho an’ny mpikarakara ilay lanonana ny fahalanian’ny divay. Nangataka fanampiana tamin’i Jesoa i Maria renin’i Jesoa tamin’ny fampitomboana ny divay. Tsy azontsika antoka ny anjara asan’i Maria tao amin’ilay lanonana fampakaram-bady, saingy mibaribary fa nahatsapa ho nanana andraikitra izy rehefa lany ny divay.

Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manampy antsika hahatakatra ny valintenin’i Jesoa tamin’ny reniny: “[Ravehivavy, inona no tianao hataoko ho anao? hataoko izany; satria tsy mbola tonga ny fotoako]”. Ny fiantsoana hoe “Ravehivavy” tamin’ny andron’i Jesoa dia fomba feno fitiavana sy fanajana hiantsoana ny renin’ny tena.

Vakio ny Jaona 2:5, ka tadiavo izay nolazain’i Maria tamin’ireo mpanompo. Saintsaino izay ampianarina antsika amin’ireo toromarika nomen’i Maria ireo mpanompo momba ny finoany an’i Jesoa.

Vakio ny Jaona 2:6–7, ka tadiavo izay nasain’i Jesoa Kristy nataon’ireo mpanompo.

siny vita amin’ny vatosokay

siny vita amin’ny vatosokay tamin’ny vanim-potoan’ny Testamenta Vaovao tany Isiraely

Ny andian-teny hoe “fanadiovana araka ny fanaon’ny Jiosy” ao amin’ny andininy 6 dia milaza ny fombafomban’ny Jiosy tamin’ny fanasana ny tanany amin’ny rano mialoha ny fisakafoana. Misy siny lehibe vita amin’ny vato asiana ny rano nampiasaina tamin’ny fombafomba tahaka izany. “Ny ‘siny’ iray dia teo amin’ny 34 litatra teo, koa ireo siny enina dia azo nasiana rano teo amin’ny 380 ka hatramin’ny 600 litatra teo” (New Testament Student Manual [Church Educational System manual, 2014], 207). Jereo ao amin’ny Jaona 2:7 hoe nofenoina hatraiza ny tsirairay tamin’ireo siny ireo.

Vakio ny Jaona 2:8, ka tadiavo izay nasain’i Jesoa nataon’ireo mpanompo avy eo.

Raha toa ka iray tamin’ireo mpanompo ianao dia inona no mety ho neritreretinao na tsapanao rehefa nitondra kaopy iray feno io rano io nankeny amin’ny mpandahatra ny fanasana ianao?

Vakio ny Jaona 2:9-10, ka tadiavo izay nolazain’ilay mpandahatra ny fanasana rehefa avy nanandrana ilay zava-pisotro izay nentina teo aminy izy.

Inona no nitranga tamin’ilay rano?

Mba hahatakarana izay nolazain’ilay mpandahatra ny fanasana dia mety hanampy anao ny mahafantatra fa matetika no nampiasaina tany amin’ny fiantombohan’ny lanonana ny divay tsara indrindra, ary ny divay ratsiratsy kokoa no nampiasana taty aoriana nandritra ilay lanonana.

Tsy nanome fanazavana manokana momba ny dikany na ny tandindona fonosin’io fahagagana voarakitra an-tsoratra voalohany teo amin’ny asa fanompoany nataony teto an-tany io i Jesoa. Misy anefa ireo fahamarinana manan-danja maro azontsika ianarana avy amin’io tantara mikasika ny fahagagana voalohany voarakitra an-tsoratra nataon’i Jesoa io.

  1. journal iconTanisao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra mety ho hitanao ao amin’ny Jaona 2:1–10 momba an’i Jesoa Kristy, sy ny fifandraisany tamin’ny reniny, ary ny heriny.

Ny iray amin’ireo fahamarinana izay hitanao tao amin’ny Jaona 2:1–10 dia mety hitovy amin’izao manaraka izao: Manana fahefana amin’ireo zavatra ara-batana i Jesoa Kristy.

Vakio ny Jaona 2:11, ka tadiavo ny fiantraikan’izany fahagagana izany teo amin’ireo mpianatr’i Jesoa.

Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia milaza hoe “niorim-paka tao Aminy ny finoan’ny mpianany”.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no hampatanjahana ny finoanao an’i Jesoa Kristy amin’ny fahatakarana izany fahagagana izany sy ny fahatakarana fa i Jesoa Kristy no ilay Mpahary ny lanitra sy ny tany ary manana fahefana amin’ny zavatra ara-batana Izy?

    2. Inona koa ireo tantara hafa ao amin’ny Testamenta Vaovao izay maneho fa manana fahefana amin’ny zavatra ara-batana i Jesoa Kristy?

Jaona 2:12–25

Nanadio ny tempoly i Jesoa

Mieritrereta kilalao mavitrika sy fanao any an-tokotany izay nataonao tamin’ny mbola kely. Na dia tsy manan-tsiny sy mahafinaritra aza ireo kilalao ireo dia moa ve ianao hahazo aina raha manao izany eo an-tokotanin’ny tempoly? Fa nahoana no tsy hahazo aina?

Nandeha nankany Jerosalema mba hankalaza ny Paska i Jesoa nandritra ny taona voalohany teo amin’ny asa fanompoany. Vakio ny Jaona 2:12-17, ka tadiavo ny zavatra nitranga tao amin’ny tempoly rehefa tonga i Jesoa.

I Jesoa manadio ny tempoly

Nahoana araka ny eritreritrao no lasa tezitra tamin’ny zavatra nitranga tao amin’ny tempoly i Jesoa? Jereo ny zavatra nataon’i Jesoa mba hanitsiana ilay olana.

Nila nividy biby hatolotra ho sorona tao amin’ny tempoly ho ampahany amin’ny fitsaohan’izy ireo ny mpitsidika an’arivony izay tonga tao Jerosalema mba hankalaza ny Paska. Nanakalo ny vola Romana sy ireo vola hafa mba ho vola fampiasa tao amin’ny tempoly ireo mpanakalo vola mba hahafahana mividy ireo biby atao sorona, ary ireo mpivarotra hafa dia nivarotra ireo biby nilaina. Na dia nilaina aza ny nanaovana izany varotra izany dia tsy naneho fanajana mihitsy ny fanaovana raharaham-barotra toy izany tao amin’ny tempoly. Ankoatra izany dia nivarotra ireo biby tamin’ny vidiny mihoa-pampana ireo mpanakalo vola, izay nikatsaka ny hahazo tombom-barotra be loatra.

Loholona Bruce R. McConkie

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny zava-nisy: “Rehefa niditra teo an-kianjan’ny tempoly i Jesoa, … dia feno efitrefitra nisy omby, ondry tao anaty fefy maro, domohina sy voromailala anaty tranom-borona maro teo anoloany, niaraka tamin’ny mpivarotra tia tena nanome izany tamin’ny vidiny mihoa-pampana [lafo loatra] mba hanaovana sorona. Heniky ny latabatr’ireo mpanakalo vola izay, nanakalo ny vola madinika Romana sy ireo vola hafa tamin’ny vola ampiasaina tao amin’ny tempoly mba hahazoana tombom-barotra mba hahafahana mividy ireo biby atao sorona izany faritra izany” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 1:137–38).

Nampianatra ny maha-masina ny tranon’ny Rainy i Jesoa tamin’ny alalan’ny asany sy ny teniny.

Jereo ao amin’ny Jaona 2:16 fa nilaza i Jesoa fa tranon’ny Rainy ny tempoly. Mianatra izao fahamarinana manaraka izao isika avy amin’izany: Ny tempoly dia tranon’ Andriamanitra.

Tranon’ Andriamanitra ny tempoly satria toerana izay mety hahatongavan’ Andriamanitra izany. Tanterahina any amin’ny tempoly ireo ôrdônansy mifandray amin’ny famonjena ny zanak’ Andriamanitra; ary ireo izay mandeha any amin’ny tempoly dia afaka mahatsapa ny Fanahin’ny Tompo any. Satria ny tempoly dia “ny Tranon’ny Tompo,” araka ny voasoratra eo ivelan’izany, dia afaka mitoetra ao amin’ny fotoana rehetra ny Tompo Izy tenany mihitsy. Ny tempoly no toeram-piderana masina indrindra eto ambonin’ny tany.

Vakio ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Filoha Howard W. Hunter, ka tadiavo ny antony nandroahan’i Jesoa ireo mpanakalo vola sy mpivarotra hiala ny tempoly:

Filoha Howard W. Hunter

“Rehefa misy ny fitontonganana ara-pitondrantena dia anisan’ireo hatsaran-toetra manjavona voalohany ny fanajana lalina. … Nangeja ny fon’ny maro tamin’ireo mpiray firenena tamin’i Jesoa ny fitiavam-bola. Niraharaha bebe kokoa momba ny tombontsoa mihoatra ny firaharahiana an’ Andriamanitra izy ireo. Raha toa ka tsy miraharaha na inona na inona momba an’ Andriamanitra izy ireo, nahoana izy ireo no tokony hiraharaha momba ny tempoliny? Novain’izy ireo ho tsena ny tokotanin’ny tempoly ary nosaronan’ny fanakalozam-bola feno fitiavan-tenany sy ny feon’ny ondry tsy manan-tsiny ny vavaka sy ny salamon’ny mahatoky. Tsy mbola nampiseho fisafoahana ara-pihetseham-po lehibe na oviana na oviana i Jesoa raha tsy tamin’ny fanadiovana ny tempoly. …

“Teny telo monja no anton’ilay fahatezerany: ‘Ny Tranon’ny Raiko‘ Tsy trano tsotra fotsiny izany fa tranon’ Andriamanitra. Natsangana mba hiderana an’ Andriamanitra izany. Trano natao ho an’ny fo heniky ny fanajana izany. Natao mba ho toerana hanamaivanana ireo loza sy olan’ny olona izany, ilay vavahadin’ny lanitra mihitsy. ‘Ento mivoaka ireto zavatra ireto’ hoy Izy, ‘aza atao trano fivarotana ny tranon’ny Raiko.’ (Jaona 2:16.) Nandrisika mafy Azy ka nanome hery ireo teny nampiasainy izay nanatrobaka ireo mpanota toy ny antsy ny fanolorantenany ho an’ilay Avo Indrindra” (“Hallowed Be Thy Name,” Ensign, Nôv. 1977, 52–53).

  1. journal iconSoraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao teny natao manaraka izao: Afaka maneho fanajana lalina ho an’ny tempoly aho amin’ny alalan’ny … Dia mitanisà fomba maro araka izay vitanao ao anatin’ny roa minitra hamenoana izany teny natao izany. Tsarovy fa afaka mampiseho fanajana lalina ho an’ny tempoly ianao na tsy any amin’ny tempoly aza ianao amin’izao fotoana izao.

Misafidiana iray amin’ireo hevitra notanisainao ary ampiasao izany mba hametrahana tanjona haneho fanajana lalina ho an’ny tempoly.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Jaona 2 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: