Tahirim-pitaovana
Fizarana 3, Andro 2: Matio 8–10


Fizarana 3: Andro 2

Matio 8–10

Fampidirana

Rehefa nandeha nanerana an’i Galilia i Jesoa Kristy dia nanatanteraka fahagagana maro. Niantso ireo Apôstôly Roambinifolo ihany koa Izy, nanome hery sy nanoro lalana azy ireo, ka nandefa azy ireo hanompo ny vahoaka.

Matio 8:1–9:34

Nanao fahagagana maro i Jesoa

Raha toa ka fantatrao fa tonga hamangy ny tanànanao na ny vohitra misy anao ny Mpamonjy anio, dia iza no hoentinao any Aminy mba hositraniny? Nahoana?

Vakio ny telo amin’ireto andalan-tsoratra masina ireto ka mitadiava karazana fahagagana samihafa izay notanterahin’i Jesoa: Matio 8:1–4; Matio 8:5–13; Matio 8:14–15; Matio 8:28–32; Matio 9:1–8; Matio 9:18–19, 23–26; Matio 9:20–22; Matio 9:27–31; Matio 9:32–33.

Tsikaritrao ve ny hery lehibe izay ananan’i Jesoa? Manana hery eo amin’ireo singa eto ambonin’ny tany Izy, hanasitrana ny marary, ary handroaka devoly.

Mianatra isika avy amin’ny fitantaran’izy ireo fa afaka manasitrana antsika amin’ireo rofy sy aretintsika i Jesoa.

Ny rofy dia aretina na fahalemena na fahosana. Saintsaino ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manasitrana antsika na mampatanjaka ireo fahalementsika kanefa tsy voatery mandeha hita maso eto anivontsika Izy anio.

Matio 9:35–10:8

Niantso Apôstôly roambinifolo i Jesoa

Raha mety dia tsidiho ny LDS.org ary tadiavo ny sarin’ireo Apôstôlin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao, ka tafiditra ao amin’izany ny Fiadidiana Voalohany (na jereo ny sarin’izy ireo ao amin’ny edisionan’ny fihaonamben’ny Fiangonana ao amin’ny Ensign na Liahona).

Inona no mahatonga ireo olona tsirairay ireo ho miavaka eo anivon’ny olona rehetra eto ambonin’ny tany?

Rehefa mandalina ny Matio 9:35–10:8 ianao dia tadiavo ireo fahamarinana momba ny anjara asan’ireo Apôstôly sy ireo fitahiana azon’izy ireo entina eto amin’izao tontolo izao.

Vakio ny Matio 9:35, ka tadiavo izay nataon’i Jesoa ho fanampin’ny fanasitranana ny olona. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Nitombo ny isan’ireo olona izay nanaraka sy nitady Azy rehefa nitory ny filazantsara sy nanatanteraka fahagagana nanerana an’i Jodia i Jesoa.

Vakio ny Matio 9:36–38, ka tadiavo hoe tamin’iza no nilazan’ny Mpamonjy fa nila fanampiana Izy hanompo ireo rehetra izay nanaraka Azy.

Vakio ny Matio 10:1-4, ary tadiavo ny zavatra nataon’i Jesoa mba hanolorana izay nilain’ny olona. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao. Mianatra isika avy amin’io fitantarana io fa niantso Apôstôly i Jesoa Kristy ary nanolotra ny fahefany tamin’izy ireo ho fomba iray hanompoany ny olona eto ambonin’ny tany. Azonao atao ny manoratra izany fotopampianarana izany eo amin’ny sisin’ny pejy eo akaikin’ny Matio 10:1–4.

I Kristy manendry ireo Apôstôly

Mariho fa ireo zava-nitranga ao amin’ny Filazantsaran’i Matio dia tsy nomena araka ny filaharan’ny fisehoany hatrany. Niantso Apôstôly aloha i Jesoa Kristy, nanofana azy ireo avy eo tao anatin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra (Matio 5–7; jereo ny Firindran’ny Filazantsara).

Jereo ny Matio 10:5–8, ka tadiavo izay nandidian’i Jesoa Kristy mba ho ataon’ireo Apôstôliny.

Amin’ny teny Grika, ny teny hoe apôstôly dia midika hoe “olona iray izay irahina.” Nirahina teo anivon’ireo izay ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely ihany ireo Apôstôly tamin’ny voalohany (jereo ny Matio 10:5–6). Nandidy ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty taty aoriana fa hotoriana eo anivon’ny Jentilisa na ireo tsy mpikambana ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely ihany koa ny filazantsara (jereo ny Matio 28:19; Asan’ny Apôstôly 1:8). Nodidiana ihany koa ireo Apôstôly amin’ny andro farany mba hitory ny filazantsara sy ho vavolombelon’i Jesoa Kristy amin’izao tontolo rehetra izao (jereo ny F&F 107:23).

Inona ireo fitoviana tsikaritrao eo amin’ireo asa nataon’i Jesoa sy ireo asa izay nasainy nataon’ny Apôstôliny? Mianatra isika avy amin’ny Matio 10:5–8 fa miantso Apôstôly ny Tompo mba hitory ny filazantsarany sy hanao ny asany.

Inona avy ireo ohatra sasany izay maneho ny fomba hitoriana sy hanompoan’ireo Apôstôly amin’izao fotoana izao tahaka ny hoe teto i Jesoa Kristy?

Raha azo atao dia tsidiho ny LDS.org ary mijere na vakio ny lahateny nataon’ny Apôstôly maoderina iray nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana farany (na vakio ao anatin’ny edisionan’ny Fihaonamben’ny Fiangonana ao amin’ny Ensign na Liahona izany).

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Misy fiantraikany amin’ny fomba ahoana eo amin’ny fomba asetrintsika ny zavatra ampianarin’izy ireo sy ny torohevitra asain’izy ireo ataontsika ny fahatakarana fa nantsoin’i Jesoa Kristy mba hanao ny asany ireo Apôstôly?

    2. Tamin’ny fomba ahoana no nisy fiantraikany teo amin’ny fiainanao ireo asa fanompoana sy hafatra avy tamin’ireo Apôstôly maoderina?

Saintsaino ny fomba ahafahana mikatsaka amim-pahatokiana ireo fahafahana mihaino sy mandalina ary mampihatra ireo tenin’ireo Apôstôly nosafidian’ny Tompo.

Matio 10:9–42

Nanome torolanana ireo Apôstôly Roambinifolo i Jesoa mialoha ny nandehanan’izy ireo nitory sy nanompo

Mamaky isika ao amin’ny Matio 10:9–18 fa nanome torolalana ny Apôstôly ny Tompo mba hatoky ny Ray any An-danitra izay hanome izay ilain’izy ireo rehefa mandeha mba hitory ny filazantsara izy ireo. Nampianatra azy ireo koa Izy mba hitahy ny olona izay nandray sy nampiantrano azy ireo.

I Jesoa sy ireo Apôstôly

Nanome torolalana ireo Apôstôliny i Jesoa

Mieritrereta fotoana iray izay nametrahan’ny olona iray hafa finoana aminao fanontaniana sarotra momba ny filazantsara taminao na zavatra iray izay mifanohitra amin’ny Fiangonana . Hatraiza ny fahatokian-tenanao amin’ny fahalalana ny zavatra izay tokony holazainao amin’ny toe-javatra toy izany?

Rehefa manohy mandalina ny Matio 10 ianao dia mitadiava fitsipika iray ao anatin’ireo fampianaran’i Jesoa izay afaka manampy anao rehefa mila manazava ny filazantsara na mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao ianao.

Vakio ny Matio 10:16–20, ka tadiavo ireo karazana olana nolazain’i Jesoa fa ho atrehan’ireo Apôstôly rehefa mandeha sy mitory izy ireo.

Araka ny andininy 19–20 dia ahoana no hahafantaran’ireo Apôstôly ny zavatra holazaina ao anatin’ireo toe-java-misy feno olana? (Ny andian-teny hoe “aza manahy” dia midika hoe “tsy miahiahy mikasika ny” .

Fenoy avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny Matio10:19–20 izao fitsipika manaraka izao momba ny firesahana amin’ny hafa: Rehefa eo am-panompoana ny Tompo isika, Izy dia .

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto, na izy roa:

    1. Manampy anao amin’ny fomba ahoana ilay fitsipika hitanao tetsy ambony rehefa mametraka fanontaniana sarotra momba ny Fiangonana aminao ny olona iray?

    2. Oviana ianao no nahatsapa fa nitaona ny fanahinao ny Tompo mba hahafantatra izay holazainao amin’ny olon-kafa?

Ny Matio 10:21–42 dia mirakitra fa nanohy nanome torolalana sy fampitandremana ary fampiononana ho an’ny Apôstôliny i Jesoa Kristy momba ireo olana izay hatrehin’izy ireo.

Vakio ny Matio 10:37–38, ka tadiavo ireo fahafoizan-tena izay nolazain’ny Mpamonjy fa tsy maintsy iriantsika atao amin’ny maha-mpianany antsika. Ilay andian-teny hoe “mendrika ho ahy” ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia midika hoe solontenan’ny Tompo mendrika sy mendrika ireo fitahiany.

Saintsaino ny antony ilàna ny mpianatr’i Jesoa Kristy mba ho tia Azy mihoatra noho ny hafa rehetra—anisan’izany ireo olona ao amin’ny fianakaviany manokana.

I Kristy milanja hazofijaliana

Ny hazofijaliana voalaza ao amin’ny Matio 10:38 dia milaza ilay hazofijaliana ara-bakiteny izay nolanjain’i Jesoa Kristy mba hanatanterahana ny sitrapon’ny Ray any An-danitra sy hitondrana famonjena ho an’ny hafa.

Araka ny eritreritrareo dia inona no dikan’ny hoe hitondra ny hazofijaliantsika ka hanaraka Azy?

Vakio ny Matio 10:39, ka tadiavo ireo fitsipika nampianarin’ny Mpamonjy momba ny fahafoizan-tena? Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manazava ny fanombohan’ity andininin-tsoratra masina ity izay mivaky hoe: “Izay mikatsaka hamonjy ny ainy …” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 10:39 . Eto amin’ity sahan-kevitra ity, ilay andian-teny hoe “hamonjy ny ainy” dia midika hoe miaina amim-pitiavan-tena raha toa ka tokony hikatsaka ny hanompo an’ Andriamanitra sy ny zanany.

Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no “hamery” ny ainy amin’ny farany ireo olona izay mifantoka amin’ny sitrapony manokana sy ireo faniriana feno fitiavan-tenany? Fenoy izao fitsipika manaraka izao amin’ny fampiasana ny teninao manokana: Raha toa ka mikatsaka ny hamonjy ny aintsika isika dia .

Asio marika ilay fampanantenana ao amin’ny andininy 39 izay nataon’ny Mpamonjy ho an’ireo izay mamery ny ainy noho ny Aminy. Mihoatra noho ny fahavononana ny ho faty ho Azy ny mamery ny aintsika noho ny Aminy. Izany dia midika ho fahavononana hanome ny tenantsika isan’andro mba hanompoana Azy sy ireo olona manodidina antsika.

Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe hahita ny fianantsika rehefa mamery izany noho ny Aminy?

Fenoy izao fitsipika manaraka izao amin’ny fampiasana ny teninao manokana: Raha toa ka mamery ny aintsika noho ny amin’i Jesoa Kristy isika dia .

Filoha Thomas S. Monson

Vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Thomas S. Monson: “Mino aho fa ny tian’ny Mpamonjy holazaina amintsika dia hoe raha tsy manokana fotoana hanompoana ny hafa isika dia tsy misy antony mandan-danja firy ny fiainantsika. Ireo izay miasa ho an’ny tenany irery ihany dia miha-maty tsikelikely ary toy ny hoe mamoy ny ainy, fa ireo izay manokana ny fotoany hanompoana ny hafa kosa dia hitombo sy hiroborobo—ka dia hanavotra ny ainy” (“What Have I Done for Someone Today?” Ensign na Liahona, Nôv. 2009, 85.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Iza no olona fantatrao fa nisafidy ny hamery ny ainy noho ny amin’i Jesoa Kristy? Ahoana no fomba anaovan’izany olona izany an’izany?

    2. Inona no fiantraikan’izany fanapahan-kevitra izany teo amin’izany olona izany?

    3. Inona ireo zavatra sasany izay azonao atao anio na ato ho ato mba hamerezana ny ainao ao amin’ny fanompoana an’i Jesoa Kristy sy ny hafa?

  2. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Matio 8–10 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: