Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny 1 Tesaloniana


Fampahafantarana ny 1 Tesaloniana

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Inoana fa ny Epistily Voalohany ho an’ny Tesaloniana no epistily tranainy indrindra amin’ireo epistilin’o Paoly Apôstôly izay misy ary io no mety ho boky tranainy indrindra ao amin’ny Testamenta Vaovao. Ireo fampianaran’i Paoly ao amin’io epistily io dia mifantoka indrindra amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany, ka anisan’izany ny fotoan-tsarotra hatrehan’ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy mialoha ny fiverenany (jereo ny 1 Tesaloniana 3:3), ny Fitsanganan’ireo Kristianina amin’ny maty amin’ny Fiaviana Fanindroany (jereo ny 1 Tesaloniana 4:13–14), ary ny fotoan’ny fiavian’i Kristy (jereo ny 1 Tesaloniana 5:1–2). Mandritra ny fandalinanao ity boky ity dia hianatra momba ny Fiaviana Fanindroany ianao ary handray fampaherezana mba hijanona ho mahatoky ao amin’ny Tompo.

Iza no nanoratra ity boky ity?

I Paoly no nanoratra ny 1 Tesaloniana (jereo ny 1 Tesaloniana 1:1; jereo ihany koa ny 1 Tesaloniana 2:18).

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

“Nosoratan’i Paoly tany Korinto ireo epistily ho an’ny Tesaloniana nandritra ny dia fitoriana faharoa nataony,” nanodidina ny 50–51 taorian’i J.K. (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Epistilin’i Paoly,” scriptures.lds.org).

Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?

Nanoratra ny 1 Tesaloniana ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Tesalonika i Paoly. I Tesalonika no tanàna be mponina sy niroborobo indrindra tao amin’ny fanjakana Grika fahiny an’i Makedonia noho ny zavatra roa manan-danja: ilay tanàna dia naorina teo amin’ny seranana voajanahary tsara indrindra tao amin’ny Ranomasina Égée ary teo amin’ny lalambe izay nampitohy an’i Rôma sy Azia no nahitana azy.

Nandritra ny dia fitoriana filazantsara faharoa nataon’i Paoly dia nitarika azy sy ireo namany (i Silasy, Timoty ary Lioka) hiampita ny Ranomasina Égée mba hankany Makedonia ny Fanahy (jereo ny Asan’ny Apostoly 16:6–12). Izany no niantombohan’ny fitoriana ny filazantsara tany Eoropa. Nandeha tany Tesalonika i Paoly sy Silasy rehefa avy nitory tany Filipo (jereo ny Asan’ny Apostoly 16:12–40).

Niasa niaraka tamin’i Silasy tany Tesalonika i Paoly, fa noroahan’ny mpitarika Jiosy hiala ny tanàna anefa izy ireo (jereo ny Asan’ny Apostoly 17:1–9). Taty aoriana dia nanao tatitra tamin’i Paoly i Timoty fa ireo Olomasina Tesaloniana dia nijanona ho mahatoky na dia teo aza ny fanenjehana ary niely patrana ny fitaomana feno fahamarinana nasehon’izy ireo (jereo ny Asan’ny Apostoly 18:5; 1 Tesaloniana1:7–8; 3:6–8).

Ireo Tesaloniana niova fo no sasany tamin’ireo Eoropeana voalohany nandray ny filazantsara, ary niatrika fanenjehana izy ireo vokatr’izany. Nanana fanontaniana betsaka momba ny Fiaviana Fanindroany ihany koa izy ireo. Noho izany dia nanoratra teny famporisihana sy fankaherezana izay niresaka mikasika ireo fanontanian’izy ireo momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany i Paoly tao anatin’ny taratasiny ho an’ny Tesaloniana.

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Anisan’ireo lohahevitra fototra noresahan’i Paoly tao amin’ny Epistiliny Voalohany ho an’ny Tesaloniana ny Fiaviana Fanindroany. Nifantoka tamin’ny fandraisan’ireo olo-marina anjara amin’ny zavatra hitranga amin’ny Fiaviana Fanindroany izy, indrindra ireo Olomasina izay efa maty (jereo ny 1 Tesaloniana 2:19; 3:13; 4:13–17; 5:1–10). Ny 1 Tesaloniana dia tsy mitovy amin’ireo epistily maro nosoratan’i Paoly ka tsy ahitana fandevilevena goavana fa manolotra kosa dera sy fankasitrahana ho an’ireo Olomasina Tesaloniana.

Topimaso

1 Tesaloniana 1–3. Maneho fankasitrahana lehibe ho an’ireo Olomasina any Tesalonika i Paoly. Nampahatsiahy ireo mpamaky momba ny asa fanompoana feno hatsaram-panahy nataony teo anivon’izy ireo izy ary maneho fifaliana noho ny fahatokian’izy ireo. Mamporisika ireo Olomasina mba hifampitombo fitiavana sy hitombo fitiavana ho an’ny hafa izy.

1 Tesaloniana 4–5. Nilaza tamin’ireo Olomasina mba ho masina sy mba hanadio ny tenan’izy ireo i Paoly. Nanazava izy fa rehefa miverina indray ny Tompo dia hitsangana sy hihaona Aminy ireo Olomasina izay nahatoky tao amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba an’i Kristy, na ireo izay efa maty izany na ireo izay mbola velona. Ny Apôstôly dia nampahatsiahy ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hiomanan’izy ireo sy hiambenan’izy ireo ilay andro hiverenan’i Kristy.