Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny 2 Timoty


Fampahafantarana ny 2 Timoty

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Ny epistily faharoa nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty dia manamafy ny hery izay tonga avy amin’ny fananana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy (jereo ny 2 Timoty 1:7–8). Izany koa dia ahitana faminaniana momba ireo “andro mahory” hitranga amin’ny andron’i Paoly sy Timoty ary koa amin’ny andro farany (jereo ny 2 Timoty 3:1–7). Mba hanampiana an’i Timoty nanoloana ireo olana natrehany dia nankahery azy i Paoly mba hatoky ireo soratra masina sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana (jereo ny 2 Timoty 3:14–17) ary mba hiantehitra amin’ny fotopampianarana marina (jereo ny 2 Timoty 4:2). Amin’ny alalan’ny fandalinana ity boky ity dia hianatra ireo fotopampianarana sy fitsipika izay afaka manampy anao hiaina amim-pahatokiana eo am-piatrehanao ireo andro mahory amin’ny andro farany ianao.

Iza no nanoratra ity boky ity?

I Paoly Apôstôly no nanoratra ny 2 Timoty (jereo ny 2 Timoty 1:1).

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Mety nosoratana teo anelanelan’ny 64 sy 65 taorian’i J.K. ny epistily faharoa nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Epistilin’i Paoly,” scriptures.lds.org). Nanoratra ilay epistily nandritra ny nahavoafonja azy fanindroany tany Roma, fotoana fohy talohan’ny namonoana azy ho maritiora i Paoly (jereo ny Bible Dictionary, “Pauline Epistles”).

Nafatotra tamin’ny rojo i Paoly nandritra ny fotoana nahavoafonja azy (jereo ny 2 Timoty 1:16; 2:9), mety ho tao anaty efitrano figadrana izy ary niaritra ireo herin’ny natiora (jereo ny 2 Timoty 4:13, 21), ary nanano-sarotra ho an’ireo namany ny nahita ny toerana nisy azy (jereo ny 2 Timoty 1:17). Toa i Lioka ihany no mba nitsidika azy tsy tapaka (jereo ny 2 Timoty 4:11), ary efa niandry ny fiafaran’ny fiainany i Paoly (jereo ny 2 Timoty 4:6–8).

Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?

Tao anatin’ny taratasiny dia nankahery an’i Timoty i Paoly ary nanolotra tanjaka mba hanampiana azy handroso hatrany aorian’ny fahafatesan’i Paoly izay hitranga tsy ho ela. Fantatr’i Paoly fa efa kely sisa ny fotoana nananany, ary naniry ny hahita an’i Timoty, izay nantsoin’i Paoly tamin’ny sarin-teny hoe “zanako malala” (2 Timoty 1:2) izy.

Tao amin’ny fiafaran’ny taratasiny dia nangataka i Paoly ny mba hamangian’i Timoty sy i Marka azy ary ny hitondran’izy ireo zavatra vitsivitsy izay navelany (jereo ny 2 Timoty 4:9–13). Na dia natokana manokana ho an’i Timoty aza ny taratasin’i Paoly dia afaka ampiharina amin’ireo izay miaina amin’“ny andro farany” (2 Timoty 3:1) ny torohevitra ao satria nampianatra momba ireo olana sy vahaolana izay mibaribary amin’izao androntsika izao tahaka ny tamin’ny androny i Paoly.

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Anisan’ireo epistily ho an’ny mpitarika ity taratasy ity, miaraka amin’ny 1 Timoty sy ny Titosy, ary “ahitana ireo teny farany nataon’ny Apôstôly sy maneho ny herim-po sy fahatokiana mahagaga nananany teo am-piatrehana fahafatesana izany” (jereo ny Bible Dictionary, “Pauline Epistles”). Araka ny filaharan’ny zava-niseho dia toa ny 2 Timoty no taratasy farany nosoratan’i Paoly tao amin’ny Testamenta Vaovao (jereo ny 2 Timoty 4:6).

Ity taratasy ity dia ahitana ireo zavatra nodinihan’i Paoly sasany mikasika ireo fitahiana sy fahasahiranana amin’ny fanompoana amin’ny maha-“mpitory sy apôstôly ary mpampianatra ireo Jentilisa” (2 Timoty 1:11). Nilaza i Paoly hoe, “Efa niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahako aho, nitahiry ny finoana aho: Hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana” (2 Timoty 4:7–8), izay milaza fa nahazo antoka manokana izy fa handova ny fiainana mandrakizay. Tamin’ny naha-mpanompo an’i Jesoa Kristy azy nandritra ny 30 taona mihoatra no nananan’i Paoly anjara toerana tena tsara mba hampianarana an’i Timoty ny amin’ny fomba hanompoana amim-pahombiazana amin’ny fankaherezana ny finoan’ny hafa (jereo ny 2 Timoty 2:15–17, 22–26; 4:1–2, 5).

Topimaso

2 Timoty 1. Miresaka momba ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra izay azo amin’ny alalan’ny fanendrena ao amin’ny fisoronana i Paoly. Mampianatra izy fa ny “fanahy osa” (2 Timoty 1:7) dia tsy avy amin’ Andriamanitra ary tokony tsy ho menatra ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy isika. Nijoro ho vavolombelona i Paoly fa niantso azy hitory ny filazantsara i Jesoa Kristy (jereo ny 2 Timoty 1:11).

2 Timoty 2. Mampiasa ny fanoharana momba ilay miaramila tsara, ilay atleta mpandresy, ary ilay mpamboly miasa mafy i Paoly mba hanehoana ny antony ilàna ny faharetana ireo fotoan-tsarotra mba hahafahana mahazo voninahitra mandrakizay. Nampitahainy tamin’ny fanaka omem-boninahitra sy halam-baraka ny mpampianatra marina sy ny mpampianatra sandoka. Nampitandrina an’i Timoty izy mba handositra ireo zavatra miteraka ady hevitra ary mba hampianatra amim-paharetana ireo izay mila mibebaka.

2 Timoty 3–4. Mamariparitra ireo toetoetry ny ratsy amin’ny andro farany i Paoly ary mamporisika an’i Timoty izy mba hampiasa ny soratra masina amin’ny anjara asany amin’ny maha-mpitarika ao amin’ny fisoronana azy. Nanoratra momba ny fahafatesany izay ho avy tsy ho ela izy ary nilaza hoe: “Nitahiry ny finoana aho” (2 Timoty 4:7). Nijoro ho vavolombelona i Paoly fa ny Tompo dia hanafaka azy ho any amin’ny “fanjakany any an-danitra” (2 Timoty 4:18).