Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny Asan’ny Apostoly


Fampahafantarana ny Asan’ny Apostoly

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Ny Asan’ny Apostoly dia mampitohy ny tantaran’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany ao amin’ireo Filazantsara efatra amin’ireo rakitsoratra sy asa nataon’ireo Apôstôliny. Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia mampiseho ny fomba nanohizan’ny Mpamonjy nitarika ny Fiangonany tamin’ny alalan’ny fitaoman’ny Fanahy Masina tamin’ireo izay nihazona ny fanalahidin’ny fisoronana. Nanambara fahamarinana tamin’ireo Apôstôly ny Fanahy Masina, ary avy eo dia izy ireo no nitarika sy nampianatra ny Fiangonana. Nanatanteraka fahagagana tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy ihany koa ireo Apôstôly. Ao anatin’ny fandalinanao ity boky ity ianao dia hianatra ny fomba nanombohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy niely avy tany Jerosalema “hatramin’ ny faran’ ny tany” (Asan’ny Apostoly 1:8). Afaka manampy anao hahita ny fahendrena amin’ny fanarahana ny mpaminany sy ny apôstôly maoderina ihany koa ny fandalinana ity boky ity sady afaka hitaona ny fanahinao hijoro amim-pahasahiana ho vavolombelon’i Jesoa Kristy.

Iza no nanoratra ity boky ity?

I Lioka no nanoratra ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ho “faharoa amin’ireo asa soratra roa. … Ny asa soratra voalohany dia fantatra amin’ny hoe ny Filazantsara Araka an’i Lioka” (Torolalana momba ny Soratra Masina, “Asan’ny Apostoly,” scriptures.lds.org; jereo koa ny Lioka 1:1–4; Asan’ny Apostoly 1:1).

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Nosoratana taorian’ny Filazantsaran’i Lioka ny Asan’ny Apostoly (jereo ny Asan’ny Apostoly 1:1), izay mety nosoratana tao amin’ny tapany faharoa amin’ny taonjato voalohany taorian’i J.K. Tsy fantatsika ny toerana nanoratana azy.

Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?

Nosoratan’i Lioka ho an’ny lehilahy iray antsoina hoe Teofilo ny bokin’ny Asan’ny Apostoly (jereo ny Asan’ny Apostoly 1:1).

Inona avy ny zavatra sasany mampiavaka an’ity boky ity?

Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia mitantara ny fitomboana sy ny fielezan’ny fivavahana Kristianina, nanomboka tao Jerosalema, renivohi-paritany Jiosy, ka hatrany Roma, renivohitra lehiben’ny fanjakana. Ireo tranga voafaritra ao amin’ny Asan’ny Apostoly dia nitranga nandritra ny 30 taona teo ho eo (tokony ho 30–62 talohan’i J.K.) ary amin’ny ankapobeny dia miompana amin’ny asa fanompoana nataon’i Petera (jereo ny Asan’ny Apostoly 1–12) sy i Paoly (jereo ny Asan’ny Apostoly 13–28). Raha tsy nisy ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia ho voafetra amin’ireo fampahalalana vitsy omen’ireo epistily ao amin’ny Testamenta Vaovao ny fahalalantsika mikasika ny tantaran’ny Fiangonana tany am-piandohana. Ankoatra izany, ny Asan’ny Apostoly dia manome sahan-kevitra ara-tantara sarobidy momba ireo epistilin’i Paoly.

Zavatra lehibe tamin’ny fitomboan’ny Fiangonana tany am-piandohana ny fiovam-pon’i Paoly (jereo ny Asan’ny Apostoly 9) sy ireo asa fitoriana nataony taorian’izany, ny fahitana azon’i Petera momba ny fanekena ireo Jentilisa izay tsy niova finoana hanaraka ny fivavahana Jiosy mba hiditra ho mpikambana tao amin’ny Fiangonana (jereo ny Asan’ny Apostoly 10:9–16, 34–35), ary ireo fotopampianarana nampianarina tany amin’ny fihaonambe tao Jerosalema (jereo ny Asan’ny Apostoly 15).

Araka ny voarakitra ao amin’ny Lioka 24:49 dia nampianatra an’ireo Apôstôly ny Mpamonjy mba tsy hanomboka ny asa fanompoany “mandra-panafiana [azy ireo] amin’ ny hery avy any amin’ ny avo.” Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia mirakitra ny fanafiana an’io hery io tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina ary manoritsoritra ny vokatra lehiben’izany, nanomboka tamin’ny fiovam-pon’ny olona an’arivony maro tamin’ny andron’ny Pentekôsta (jereo ny Asan’ny Apostoly). Ao anatin’ny Asan’ny Apostoly i Lioka dia manantitrantitra ny fiasan’ny Fanahy Masina eo amin’ny olona tsirairay sy amin’ny vondron’ny mpivavaka. Ny andian-teny hoe “[tafiana] amin’ ny hery avy any amin’ ny avo” dia midika ihany koa hoe “nandray fahalalana sy hery ary tsodrano manokana, izay omena ao amin’ny Tempolin’ny Tompo ihany raha ny tena izy” ireo Apostoly (Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, boky 3 [1965–73], 1:859).

Topimaso

Asan’ny Apostoly 1–2. Nanompo ireo Apôstôliny nandritra ny 40 andro i Jesoa Kristy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty ary avy eo dia niakatra tany an-danitra. Tamin’ny alalan’ny fitaomam-panahy dia niantso an’i Matia ireo Apôstôly hameno ny toerana banga tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Narotsaka tamin’ny andron’ny Pentekôsta ny Fanahy Masina. Nijoro ho vavolombelona tamim-pahasahiana momba ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty i Petera, ary olona tokony ho 3.000 no niova fo.

Asan’ny Apostoly 3–8. Nanasitrana lehilahy nalemy tongotra hatry ny vao teraka i Petera sy i Jaona. Nosamborina i Petera sy i Jaona noho ny fitoriany sy ny fanasitranany tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy ary nafahana avy tao amin’ny fonja izy ireo. Niantso lehilahy fito ireo Apôstôly mba hanampy azy amin’ny asa fanompoany. Nijoro ho vavolombelona teo anatrehan’ny filankevitra Jiosy i Stefana, izay iray tamin’ireo lehilahy ireo, ka namono azy ho faty ireo mpikambana tao amin’ilay filankevitra. Nitory nanerana an’i Samaria i Filipo.

Asan’ny 9–12. Niova fo i Saoly ary nanomboka ny asa fanompoany. Nianatra tamin’ny alalan’ny fahitana i Petera fa tokony hotoriana amin’ny Jentilisa ny filazantsara. Namono an’i Jakoba Apôstôly (rahalahin’i Jaona) i Heroda Agripa I ary nanagadra an’i Petera.

Asan’ny Apostoly 13–15. Voantso ho mpitory ny filazantsara i Saoly sy i Barnabasy. Nandalo fanoherana avy tamin’ny Jiosy izy ireo ary neken’ny Jentilisa sasany. Nivory tao Jerosalema ireo mpitarika ny Fiangonana ary namaritra fa tsy mila foràna na hitandrina ny lalàn’i Mosesy ireo Jentilisa niova fo rehefa miditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Nandeha nanatontosa ny dia fitoriana faharoa nataony niaraka tamin’i Silasy i Paoly (izay iantsoana an’i Saoly amin’izao).

Asan’ny Apostoly 16–20. Nankahery fiangonana (vondron’ny mpikamban’ny Fiangonana) maro samihafa izay natsangana teo aloha i Paoly sy i Silasy. Nampianatra teo amin’ny Areopago i Paoly fa “terak’ Andriamanitra isika” (Asan’ny Apostoly 17:29). Namarana ny dia fitoriana faharoa nataony i Paoly ary nandeha nanao ny asa fitoriana fahatelo nanerana an’i Asie Mineure. Nanapa-kevitra ny hiverina tany Jerosalema i Paoly.

Asan’ny Apostoly 21–28. Nosamborina i Paoly tao Jerosalema ary mbola nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy hatrany. Niseho tamin’i Paoly indray ny Tompo. Nikononkonona hamono an’i Paoly ireo Jiosy maro. Nijoro ho vavolombelona teo anatrehan’i Feliksa sy i Festosy ary i Agripa izy tao Kaisaria. Rendrika teny amin’ny lalany ho any Roma ny sambo nitondra an’i Paoly. Nitory ny filazantsara i Paoly raha mbola tao amin’ny trano figadrana tao Roma.