Tahirim-pitaovana
Fizarana 24, Andro 1: 2 Korintiana 8–9


Fizarana 24: Andro 1

2 Korintiana 8–9

Fampidirana

Nanoratra ho an’ireo Olomasina tany Korinto i Paoly Apôstôly ary nanazava izy fa ny mpikamban’ny Fiangonana tany Makedonia dia nanome malalaka ho an’ireo izay sahirana. Namporisika ireo Olomasina Korintiana izy mba hanaraka ihany koa ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fanomezana ho an’ireo mahantra. Nampianatra momba ny fitahiana izay mirotsaka amin’ireo izay manome amim-pifaliana ny mahantra i Paoly.

2 Korintiana 8

Nanoro hevitra ireo Olomasina mba hikarakara ny mahantra i Paoly

Loholona Jeffrey R. Holland

Vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary diniho hoe inona no teny tsy ao mba hahatonga izany ho filazana marina: “Tao anatin’ny tantara rehetra hatrizay ka hatramin’izao, ____________________ dia ny fahantrana no anisan’ny olana lehibe sy mihanaka indrindra atrehin’ny olombelona. Ny olana aterany hita mazava dia mazàna ara-batana, kanefa mety handrendrika bebe kokoa aza ny fahasimbana ara-panahy sy ara-pihetseham-po entiny (“Moa tsy mpangataka avokoa va isika?” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 40).

Soraty eo amin’ny andalana iray ny teny hoe fahantrana ary avereno vakina ny tenin’ny Loholona Holland ka diniho ny dikan’ilay teny.

Ny atao hoe fahantrana dia ny tsy fananana loharanom-pivelomana ampy, mety ho tafiditra ao anatin’izany ny vola, ny fananana, na ny fidiram-bola. Nahoana ny fahantrana no mety ho olana sarotra toy izany?

Mieritrereta olona fantatrao izay mety mila fanampiana na manao ahoana na manao ahoana, anisan’izany ny fanampiana ara-batana, ara-pihetseham-po, ara-tsôsialy, na ara-panahy. Rehefa mandalina ny 2 Korintiana 8–9 ianao, dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka manampy anao hahatakatra sy hanatanteraka ny anjara asanao amin’ny fanampiana ny hafa izay sahirana.

Ao amin’ny 2 Korintiana 8:1–8 i Paoly Apôstôly dia nilaza tamin’ireo Olomasina Korintiana fa ny mpikamban’ny Fiangonana tany Makedonia dia nanome amim-palalahan-tanana mba hanampiana ny mahantra amin’ny filan’izy ireo ara-batana (jereo ny Sarintany misy ao amin’ny Baiboly, lah. 13, “Ny dia fitoriana nataon’ny Apôstôly Paoly”). Nanazava izy fa ireo mpikambana Makedoniana dia nanao izany satria te hanao ny sitrapon’ Andriamanitra izy ireo. Namporisika ny Olomasin’i Korinto i Paoly mba hanaraka izany ohatry ny fanampiana ny hafa izay entanin’ny fitiavana marina izany.

  1. journal iconManorita tsipika iray mitsangana eo afovoan’ny taratasy fotsy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, izay lasa manome tsanganana roa. Manorata hoe Manan-karena eo amin’ny faratampon’ny tsanganana iray ary Mahantra eo amin’ny faratampon’ilay tsanganana faharoa.

    Vakio ny 2 Korintiana 8:9 dia tadiavo hoe inona no nolazain’i Paoly fa nataon’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasina. Avy eo valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto eo ambanin’ny teny hoe Manan-karena sy Mahantra.

    1. Amin’ny fomba ahoana no nampanan-karena an’i Jesoa Kristy tamin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana?

    2. Amin’ny fomba ahoana no mety ho nandraisana azy ho mahantra nandritra ny fiainany tety an-tany?

    3. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “hampanan-karena [antsika] ny alahelon’[ny Mpamonjy]” ao amin’ny andininy 9?

Eritrereto hoe talohan’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy, dia mpikambana tao amin’ny Andriamanitra Izy, ary nijoro teo akaikin’ny Ray any An-danitra tamim-pahefana sy hery ary voninahitra. Satria i Jesoa Kristy nanao fiambaniana, na nanetry tena sy nampidina ny tenany, niala teo amin’ny seza fiandrianany tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana ka tonga tety an-tany mba hanompo, hanome ohatra, sy hanatanteraka ny Sorompanavotana, dia afaka mahazo ny haren’ny fiainana mandrakizay isika (jereo ny 1 Nefia 11:26–28).

Teo ho eo amin’ny herin-taona talohan’io fotoana io, dia nanolo-tena ireo Olomasina Korintiana mba hanangona fananana ho an’ireo Olomasina tany Jerosalema. Vakio ny 2 Korintiana 8:10–11 dia tadiavo ny torohevitra nomen’i Paoly ireo Olomasina tamin’izay fotoana izay. Ny andian-teny hoe “fanaovana” sy “atao tanteraka” dia entina milaza ny famporisihana nataon’i Paoly mba hanarahan’ireo Olomasina ny fanolorantena efa nataony teo aloha mba hanome izay azony omena ho an’ireo Olomasina, tahaka ny nanomezan’ny Mpamonjy harena mandrakizay azy ireo.

Fitsipika iray azontsika ianarana ny hoe rehefa takatsika ny zavatra rehetra nomen’ny Mpamonjy antsika, dia hazoto kokoa isika hanome amin’ny fananantsika ho an’ny hafa.

Eritrereto hoe amin’ny fomba ahoana ny fahafantaransika ny habetsahan’ny fanomezana nomen’ny Mpamonjy antsika no mamporisika antsika hanome ireo sahirana.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no fanomezana anankiray manokana nomen’ny Mpamonjy anao, ary fomba ahoana no hitaoman’izany anao mba hanome ho an’ny hafa?

Vakio ny 2 Korintiana 8:12–15 dia tadiavo ny fahamarinana iray hafa izay nampianarin’i Paoly ny vahoaka momba ny maha-zava-dehibe ny fifanampiana amin’ny ara-batana.

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny 2 Korintiana 8:12–13 ny hoe tian’ Andriamanitra ho vonona ny hanome isika eny fa na dia mety tsy manana na inona na inona homena aza.

Mba hahatakarana bebe kokoa ny tena dikan’izany, dia vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Holland, ary avy eo diniho ireto fanontaniana manaraka ireto: “Na manan-karena isika na mahantra, dia tokony ‘hanao izay azontsika atao’ rehefa sahirana ny hafa” (“Moa tsy mpangataka avokoa va isika?” 41).

  • Inona no azontsika atao amin’ny hafa raha toa tsy manana na inona na inona mivaingana homena isika?

  • Nahoana isika no tokony hanao izay azontsika atao amin’ny hafa?

  • Araka ny voasoratra ao amin’ny 2 Korintiana 8:14–15, iza no mahazo tombontsoa rehefa manome betsaka amin’ny harenany ny Olomasina?

Saintsaino ny fomba vitsivitsy izay hahazoan’ny rehetra tombontsoa rehefa manaiky hanome isika rehetra.

Vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Holland dia tadiavo ny fomba ahafahan’ny Tompo manampy antsika hamaly amim-pangorahana ny mahantra: “Ankoatra izany dia tsy fantatro mazava tsara hoe ahoana no fomba tokony hanatanterahan’ny tsirairay aminareo ny adidinareo amin’ireo izay tsy manampy na tsy afaka manampy ny tenany. Kanefa fantatro fa mahafantatra izany Andriamanitra, ary hanampy sy hitarika anareo Izy amin’ireo asa feno famindrampo atao amin’ny maha-mpianatra rehefa vonona sy mivavaka mafy ianareo ka mikatsaka fomba hitandrovana didy iray izay naverimberiny nomena antsika” (“Moa tsy mpangataka avokoa va isika?” 41).

Marihina fa ny Loholona Holland dia nilaza fa isika dia tokony “[h]aniry sy [h]ivavaka ary [h]itady fomba amin’ny feon’ny fieritreretana” mba hanampiana ny mahantra sy sahirana. Ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina, ny fanaovana asa fanompoana amin’ny tetik’asa eo an-toerana, sy ny fanaovana asa soa dia fomba vitsivitsy izay napetraky ny Fiangonana mba ahafahantsika manome izay ilain’ny mahantra. Afaka mieritreritra fomba hafa ahafahantsika manao izany ve ianao?

  1. journal iconSoraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny momba ny fotoana iray nanampianao olona iray sahirana sy ny fahatsapana nanananao vokatr’izany. Azonao atao koa ny manoratra zavatra iray izay kasainao hatao, miainga avy amin’ny zavatra nampianarin’i Paoly mikasika ny fanomezana ny mahantra sy sahirana.

Araka ny voarakitra ao amin’ny 2 Korintiana 8:16–24, i Paoly dia niresaka tamin’ireo Olomasina Korintiana momba an’i Titosy sy ny rahalahy roa hafa izay nalefa mba hanangona fandraisana anjara amin’ny asa fanasoavana ho an’ireo Olomasina tany Jerosalema. Niresaka momba ny fahatokisany ny Olomasina Korintiana i Paoly ary nanazava izy fa ny fanomezan’izy ireo amim-palalahan-tanana dia ho porofon’ny fifankatiavany.

2 Korintiana 9

Nampianatra momba ny fitahiana azo amin’ny fanomezana amin-kitsimpo i Paoly

Nanohy nidera ireo Olomasina Korintiana i Paoly (jereo 2 Korintiana 9:1–5). Nolazainy tamin’izy ireo fa nandefa an’i Titosy sy olona hafa izy mba hanamarina ny fahavononan’izy ireo hanome maimaimpoana ho an’ny mahantra.

Eritrereto raha toa ianao efa nanome zavatra ho an’olona na nanao zavatra ho an’olona tsy avy amin’ny fo na tsy an-tsitrampo. Nahoana no sarotra indraindray ny mifaly amin’ny fanomezana ny fotoananao, na ny volanao, na ny loharanonao hafa mba hanampiana ny hafa?

Vakio ny 2 Korintiana 9:6–7 ka tadiavo ny fampitahana nataon’i Paoly mba hampianarana ny mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto momba ny fanomezana maimaimpoana.

Ny hoe mamafy dia midika hoe mamboly voa. Iza avy ireo mpamafy ao amin’io fampitahana io?

Diniho itovizan’ny manome ny hafa amin’ny famafazana voa. Inona no mitranga raha toa mamafy kely isika? Inona no mitranga raha toa mamafy be isika?

Araka ny voalaza ao amin’ny 2 Korintiana 9:7, manantena antsika hamafy na hanome amin’ny fomba manao ahoana ny Tompo?

Ianarantsika avy amin’ny 2 Korintiana 9:6–7 ity fahamarinana manaraka ity: Raha manome ireo sahirana amin’ny fo ravoravo isika, dia hitahy antsika amim-palalahan-tanana Andriamanitra.

Mahatonga antsika hahazo bebe kokoa amin’ny fomba ahoana ny fanomezantsika ny hafa amin’ny fihetsika ravoravo?

Vakio ny 2 Korintiana 9:8-10 dia tadiavo hoe inona ireo fitahiana nolazain’i Paoly fa ho tonga amin’ireo Olomasina raha toa izy ireo manome amin’ny fo ravoravo? Asio marika na soraty ao amin’ny soratra masinao ny sasany amin’ny andian-teny nampiasain’i Paoly mba hilazalazana ny fomba hitahian’ny Tompo ireo izay manome amin’ny fo ravoravo.

Marihina fa ny andian-teny nampiasain’i Paoly mba hilazalazana ny fitahian’ny Tompo dia milaza fa handray ny fahasoavan’ny Tompo isika, izay ahitana ny fitahiana ara-batana izay ampy ho an’ny izay ilaintsika.

Araka ny voalaza ao amin’ny 2 Korintiana 9:10, iza ilay “manome voa ho an’ny mpamafy”? Manampy antsika hanome amin-kafaliana amin’ny fomba ahoana ny fahatsiarovana hoe avy aiza no niavian’ireo voa?

Vakio ny 2 Korintiana 9:11–15 dia tadiavo ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ireo Olomasina izay nanome sy nandray tamin-kafaliana.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Araka ny voalaza ao amin’ny 2 Korintiana 9:11–15, inona no tsapan’ireo izay manome maimaimpoana ny fananany sy ireo izay mandray ny fananana nomen’olona hafa? (Asio marika na soraty ao amin’ny soratra masinao izay andian-teny maneho fankasitrahana hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.)

Azonao atao ny manoratra ity fahamarinana manaraka ity ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny 2 Korintiana 9:11–15: Afaka manampy antsika hahatsapa ho feno fankasitrahana an’ Andriamanitra ny manaiky ny falalaha

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Oviana ianao no nahatsapa fankasitrahana ho an’ Andriamanitra rehefa nahita ireo fitahiana nalefany ho anao noho ny nanompoanao sy nanomezanao ho an’ny hafa amim-pifaliana? (Azonao atao ny manampy ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fitsipika sy fahamarinana izay hita ao amin’ny 2 Korintiana 8–9.)

Mba hanampiana anao hampihatra io lesona io, dia mijere fomba ahafahanao manampy olona iray izay sahirana mandritra ity herinandro ity (mety hoe olona iray ao amin’ny fianakavianao izany). Mametraha tanjona mazava tsara mba hanampy io olona io, ary soraty amin’ny taratasy kely izany.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 2 Korintiana 8–9 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty)

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: