Tahirim-pitaovana
Fizarana 17, Andro 2: Asan’ny Apostoly 1:9–26


Fizarana 17: Andro 2

Asan’ny Apostoly 1:9–26

Fampidirana

Rehefa avy nanome torolalana ireo mpianany nandritra ny 40 andro i Jesoa Kristy dia niakatra tany an-danitra. Niara-nivavaka sy nitalaho ireo Apôstôly sy ireo olona hafa. Tamin’ny alalan’ny fitaomam-panahy no niantsoana an’i Matia hameno ny teorana banga tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izay tavela teo noho ny famitahana sy ny fahafatesan’i Jodasy Iskariota.

Asan’ny Apostoly 1:9–12

Niakatra tany an-danitra i Jesoa

Vakio ireto fehezanteny momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany manaraka ireto ka soraty eo amin’ny faritra nomena hanaovana izany raha marina (M) na diso (D) ny fehezanteny tsirairay. Ampiasao ireo soratra masina miaraka aminy mba hanampy anao hanome valiny marina.

  • ____ 1. Hiverina eto an-tany i Jesoa Kristy amin’ny andro farany. (Jereo ny Mosesy 7:60.)

  • ____ 2. Amin’ny Fiaviany Fanindroany dia tsy hiseho afa-tsy amin’ireo olo-marina i Jesoa Kristy. (Jereo ny F&F 101:23; Joseph Smith—Matio 1:26)

  • ____ 3. Koa satria hanafina ny endriny i Jesoa Kristy rehefa miverina indray dia tsy hahalala ny ankamaroan’ny olona fa efa nitranga ny Fiaviana Fanindroany. (Jereo ny F&F 49:22–23.)

Nandritra ny asa fanompoany teto an-tany i Jesoa Kristy dia naminany fa amin’ny andro farany dia hanaparitaka fampianaran-diso momba ny Fiaviany Fanindroany ny olona sasany (jereo ny Joseph Smith—Matio 1:22–25). Afaka mahafantatra isika hoe marina na diso ny fampianarana manokana iray momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany rehefa manaraka ny tenin’ny Mpamonjy sy ny tenin’ireo mpaminaniny isika. Tsy ho voafitaka isika raha manao izany (jereo ny Joseph Smith—Matio 1:37).

Rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 1:9–12 ianao dia tadiavo ireo fahamarinana mikasika ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

Nanome torolalana ireo Apôstôliny nandritra ny 40 andro taorinan’ny Fitsanganany tamin’ny maty i Jesoa Kristy (jereo ny Asan’ny Apostoly 1:3). Vakio ny Asan’ny Apostoly 1:9–12 ka tadiavo ny zavatra nitranga rehefa avy nanome torolalana azy ireo ny Mpamonjy.

Alaivo sary an-tsaina hoe teo an-toerana ianao nanatri-maso ny fiakaran’ny Mpamonjy tany an-danitra. Inona araka ny eritreritrao no eritreritra sy fahatsapana mety ho nanananao?

Ny Fiakaran’i Jesoa tany an-danitra

Tao Isiraely fahiny ny rahona iray matetika dia fanehoana hita maso ny fanatrehana sy ny voninahitr’Andriamanitra. (jereo ny Eksodosy 40:43). Ilay rahona voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:9 dia rahon’ny voninahitra (jereo ny Bible Dictionary, “Cloud”). Ireo lehilahy roa voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:10 dia anjely.

Jereo ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:11 ny zavatra nolazain’ireo anjely tamin’ireo Apôstôly. Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny zavatra nambaran’ireo anjely ireo ny hoe: Amin’ny Fiaviany Fanindroany dia hidina avy any an-danitra amim-boninahitra ny Mpamonjy.

Jereo ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:12 fa ny Fiakaran’ny Mpamonjy tany an-danitra dia nitranga tao amin’ny Tendrombohitra Oliva. Rehefa miverina indray ny Mpamonjy dia iray amin’ireo fomba hisehoany ny fidinany ka hijoro eo an-Tendrombohitra Oliva (jereo ny Zakaria 14:4; F&F 45:47–53; 133:19–20). Izany dia hitranga alohan’ilay fisehoany lehibe sy goavana amin’izao tontolo izao (jereo ny Isaia 40:5).

Saintsaino izao fanontaniana manaraka izao: Amin’ny fomba ahoana no manampy antsika mba tsy ho voafitaka mandritra ny fotoana hiandrasantsika ny Fiaviany Fanindroany ny fahafantarana ny fomba hiverenan’ny Mpamonjy?

Asan’ny Apostoly 1:13–26

Voafidy hisolo ny toerana banga tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifilo i Matia

Rehefa niverina tany Jerosalema ireo Apôstôly avy teo an-Tendrombohitra Oliva, dia nivory niaraka tamin’ny lehilahy sy vehivavy mahatoky izy ireo, anisan’izany i Maria, renin’i Jesoa, mba hivavaka sy hitsaoka. Vakio ny Asan’ny Apostoly 1:13 ka isao ny isan’ireo Apôstôly voatanisa ao.

Nahoana no tsy nisy afa-tsy Apôstôly 11 fotsiny tamin’io fotoana io?

Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:15–20 isika da mianatra fa nijoro teo anoloan’ny mpianatra miisa 120 i Petera ka niresaka momba ny fahafatesan’i Jodasy Iskariota. Satria anisan’ireo Apôstôly Roambinifolo i Jodasy dia nivory ireo mpianatra mba hifidy Apôstôly vaovao.

Diniho ny tsy mampitovy ny fomba fifidianana an’ireto mpitarika manaraka ireto: kapitenin’ny ekipa iray, mpitarika ny governemanta iray eo an-toerana, mpanjaka, talen’ny orinasa iray. Inona avy ny mety ho fepetra takiana hahazoana ireo toeran’ny mpitarika ireo?

Diniho ny fomba ifidianana ny Apôstôlin’i Jesoa Kristy sy ny fepetra takiana amin’ny olona iray mba hanompo ho Apôstôly.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 1:21–26, hitadiavana ny fomba nifidianana Apôstôly iray vaovao taorian’ny fahafatesan’i Jodasy Iskariota.

Ao amin’ny andininy 26 ny andian-teny hoe “nanao filokana ho azy izy” dia miresaka fomba taloha handraisana fanapahan-kevitra. Ny fitaomana avy amin’Andriamanitra no hitarika ny vokany eo anivon’ireo mpino (jereo ny Ohabolana 16:33).

Loholona Bruce R. McConkie

Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Raha nanao antsapaka izy ireo dia toe-javatra iray nisafidianan’ny Tompo ny vokatra izany. Azo antoka kokoa anefa fa ‘nifidy azy izy ireo,’ ary angamba ‘fanohanana’ mba hanohanana ilay olona izay nofidian’Andriamanitra hanompo tao amin’ny maha-Apôstôly masina” (Doctrinal New Testament Commentary, boky 3 [1965–73], 2:32).

Araka ny Asan’ny Apostoly 1:21–22, dia nilaza i Petera fa ilay Apôstôly vaovao dia hofidiana amin’ireo izay nahafantatra manokana an’i Jesoa sy vavolombelon’ny asa fanompoany hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny fitsanganany tamin’ny maty.

Inona no manaitra anao amin’ny vavaka nataon’ireo Apôstôly izay voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:24–25?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’io tantara io ny hoe: Antsoin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanambarana ireo Apôstôlin’i Jesoa Kristy. Soraty ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Asan’ny Apostoly 1:24 io fahamarinana io.

  1. sary famantarana ny diaryValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe izany hoe ny Apôstôly iray dia antsoin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanambarana fa tsy fidiana amin’ny fomba mitovy amin’ny fifidianana ireo mpitarika hafa eto amin’izao tontolo izao?

Mba hanomezana ohatra ny amin’ny fomba ifidianana Apôstôly amin’izao vaninandro izao amin’ny alalan’ny fanambarana dia vakio ity tantara manaraka nalaina avy amin’ny fiainan’ny Filoha Heber J. Grant ity:

Filoha Heber J. Grant

“Nahazo fanambarana maro ny Filoha [Hebert J.] Grant tamin’ny naha-Filohan’ny Fiangonana azy mba hitarihana ny Fiangonana iray manontolo. Ny fanambarana iray tahaka izany dia tonga raha vantany vao natokana ho Filohan’ny Fiangonana izy, rehefa nikatsaka ny sitrapon’ny Tompo izy tamin’ny fanendrena mpikambana vaovao iray tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Rehefa nisaintsaina io andraikitra io izy dia tany amin’i Richard W. Young, Olomasin’ny Andro Farany mahatoky ary voaporofo fa mpitarika tsara, izay namany hatry ny ela foana ny sainy. Niresaka io safidy azo atao io tamin’ireo mpanolotsaina azy ny Filoha Grant, ka dia nanohana ny fanapahan-kevitra noraisiny izy ireo. Rehefa nahatoky tena tamin’io fanapahan-kevitra io izy tamin’ny farany dia nosoratany tamin’ny taratasy iray ny anaran’ilay namany ka nentiny tao amin’ny fivorain’ny tempoly fanaony isan-kerinandro niaraka tamin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy izany taratasy izany. Kanefa rehefa handeha hanonona ilay anarana izy mba hahazoana ny fankatoavan’ireo Rahalahiny dia tsy afaka nanao izany. Raha tokony ho ny anaran’i Richard W. Young no natolony dia ny an’i Melvin J. Ballard indray no nolazainy, izay lehilahy zara raha fantany. Nitantara ny fiantraikan’io zavatra niainany io teo aminy ny Filoha Grant taty aoriana:

“‘Nahatsapa ny fitaomam-panahy avy amin’ilay Andriamanitra velona aho nitarika ahy tamin’ny asako. Nanomboka tamin’ilay andro nifidianako olona izay zara raha fantatro fa tsy ilay namako hatrizay sy tena mamiko, dia fantatro tokoa tahaka ny fahafantarako fa velona aho fa manana ny fahazavana sy ny fitaomam-panahy ary ny fitarihan’Andriamanitra aho amin’ny fitarihana ny asany eto an-tany’” (Teachings of Presidents of the Church: Heber J. Grant [2002], 181–82).

Saintsaino ny fomba hanehoana ilay fahamarinana ampianarina ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:24 ao amin’io tantara manoritsoritra ny fiantsoana Apôstolin’ny andro maoderina io.

Amin’ny fomba ahoana no hanehoan’ny fiantsoana Apôstôly fa mbola manohy mitarika ny Fiangonany ny Mpamonjy? (Tadidio ilay fahamarinana ampianarina ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:2—mitarika ny Fiangonany amin’ny fanambarana ny sitrapony amin’ireo Apôstôliny amin’ny alalan’ny Fanahy Masina i Jesoa Kristy.)

  1. sary famantarana ny diaryValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray na ny maro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Oviana ianao no nahita Apôstôly vaovao nantsoina ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary inona no fahatsapana nanananao rehefa nanohana azy tamin’io antso io?

    2. Inona avy ireo traikefa nanampy anao hahafantatra fa voantson’Andriamanitra ireo Apôstôly velona?

    3. Nahoana no manan-danja aminao ny manana fijoroana ho vavolombelona fa voantson’Andriamanitra ireo Apôstôly velona?

    4. Fantatrao ve ny anaran’ireo Apôstôly rehetra izay manompo ankehitriny ato amin’ny Fiangonana? Tanisao ny anaran’ireo Apôstôly amin’izao fotoana izao izay tadidinao. Mba hijerena ny fahaizanao nilaza ny anaran’ireo Apôstôly dia jereo ilay pejy misy ny sary sy ny anaran’ireo Manampahefana Ambony ao amin’ny gazetiboky Ensign na Liahona misy ny fihaonamben’ny Fiangonana farany na tadiavo ao amin’ny LDS.org.)

  2. sary famantarana ny diarySoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Asan’ny Apostoly 1:9–26 ka nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: