Tahirim-pitaovana
Fizarana 6, Andro 2: Joseph Smith—Matio; Matio 24


Fizarana 6: Andro 2

Joseph Smith—Matio; Matio 24

Fampidirana

Naminany momba ny fandravana an’i Jerosalema sy ny tempoly i Jesoa. Nanambara ireo famantarana ny Fiaviany Fanindroany ihany koa Izy ary nanome toromarika ny mpino mba hiambina sy hiomana ho amin’izany andro izany.

Joseph Smith—Matio 1:1–20

Naminany momba ny fandravana an’i Jerosalema sy ny tempoly i Jesoa.

I Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty
  1. journal iconSoraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fanontaniana iray na maromaro izay anananao mikasika ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Rehefa mandalina ny Joseph Smith—Matio ianao anio dia tadiavo ny valin’ireo fanontaniana izay nosoratanao.

Ny Joseph Smith—Matio dia ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 23:39–24:56. Hita ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy izany aorian’ny bokin’i Abrahama.

Vakio ny Joseph Smith, Matio 1:4, ka tadiavo ireo fanontaniana roa izay napetraky ny mpianatra tamin’i Jesoa. Azonao atao ny manisy marika ireo fanontaniana roa ireo ao amin’ny soratra masinao.

Namaly ny fanontaniana voalohany—mikasika ny fotoana handravana an’i Jerosalema sy ny tempoly ny Mpamonjy ao amin’ny Joseph Smith, Matio 1:5–20. Namaly ny fanontaniana faharoa—mikasika ny famantarana ny Fiaviany Fanindroany sy ny fandravana ireo olon-dratsy Izy ao amin’ny andininy 21–37.

Vakio ny Joseph Smith, Matio 1:5-12, ka tadiavo ireo famantarana mifandraika amin’ny fandravana an’i Jerosalema.

Na dia nilaza aza i Jesoa fa hijaly ny mpianany mandritra izany fotoana izany, dia nanao fampanantenana manan-danja Izy fa raha toa ka mijanona ho miorina mafy ka tsy resy isika dia hovonjena. Azonao atao ny manisy marika izany fahamarinana izany ao amin’ny andininy 11.

Ny mijanona ho miorina mafy dia midika hoe tsy resin’ny fakam-panahy sy ny ratsy. Ao amin’ny soratra masina, ny teny hoe miorina mafy dia matetika no ampiasaina miaraka amin’ny hoe tsy voahozongozona (ohatra, jereo ny Môsià 5:15).

Ny fiadidian’ny Zatovolahy sy ny Zatovovavy maneran-tany dia nanazava ny dikan’ny hoe “miorina mafy sy tsy voahozongozona”: “Inona no dikan’ny hoe miorina mafy sy tsy voahozongozona? Ny hoe miorina mafy dia mifikitra mafy ary tsy miova, miorina mafy ao amin’ny finoana sy ny fahavononana, ary manaja sy mahatoky. Torak’izany koa, ny tsy voahozongozona dia tsy mora manaiky ary tsy mety hetsehina na azo avily. Ny hoe miorina mafy sy tsy voahozongozona ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manolo-tena hanaraka Azy, ka dia hahefa be mandrakariva amin’ny asa tsara” (“Steadfast and Immovable,” New Era, Jan. 2008, 8).

Nanome izao hevitra manaraka izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: Asio marika ireo toetra nomeny ny “olona iray izay miorina mafy sy tsy voahozongozona.” (Azonao atao ny manoratra ireo teny nampiasainy eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao eo akaikin’ny teny hoe miorina mafy ao amin’ny Joseph Smith—Matio 1:11.)

Loholona David A. Bednar

“Ny teny hoe ‘miorina mafy’ dia ampiasaina mba hilazana hoe mijanona amin’ny toerana na foto-kevitra iray, mitombina tsara sy mafy, tsy voahozongozona ary mifahatra tsara (Oxford English Dictionary Online, fanontana faha-2 [1989], “Steadfast”). … Noho izany, ny olona izay miorina mafy sy tsy mihozongozona dia mitombina tsara, mafy, mifahatra tsara, voaro tsara, ary tsy azo avily amin’ny tanjona iray tena manan-danja na amin’ny iraka ampanaovina” (“Steadfast and Immovable, Always Abounding in Good Works,” New Era, Jan. 2008, 2).

Ny teny hoe hovonjena ao amin’ny Joseph Smith—Matio 1:11 dia tsy midika hoe tsy hiaina fahasarotam-piainana isika.

Mpaminany Joseph Smith

Vakio ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Mpaminany Joseph Smith, ary asio marika ny dikan’ny hoe hovonjena: “Hevi-diso ny hoe afaka hiala amin’ny fitsarana rehetra ny Olomasina, fa hijaly kosa ny ratsy fanahy; satria iharan’ny fijaliana avokoa ny nofo rehetra, ary ‘zara raha afa-miala ny olomasina’ [jereo ny F&F 63:34]; … maro ny marina izay ho voan’ny aretina sy ny areti-mandringana, sns., noho ny fahalemen’ny nofo, kanefa hovonjena ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 253).

Mianatra isika ao amin’ny Joseph Smith—Matio 1:13–20 fa nampitandrina ny mpianatra i Jesoa mba ho vonona ny hitsoaka any amin’ny tendrombohitra ka tsy hiverina any an-tokantranon’izy ireo satria hisy hanafika i Jerosalema ka ho rava. Naminany Izy fa ny fahoriana amin’izany andro izany no ho ratsy indrindra izay ho hitan’i Isiraely hatramin’izay.

Tamin’ny taona 70 taorian’i J.K., tokony ho 40 taona taorian’ny nitenenan’i Jesoa ireo teny ireo dia nanafika an’i Jerosalema ny Romana ka namono Jiosy mihoatra ny iray tapitrisa, ary Jiosy efa ho 100 000 no nalaina ho babo. Rava ny tempoly, ary tsy nisy vato nifanongoa teo—tahaka ny naminanian’ny Mpamonjy (jereo ny Joseph Smith—Matio 1:3). Ireo izay nihaino ny fampitandreman’i Jesoa kosa anefa dia nitsoaka tany Pela, tanàna iray tokony ho teo amin’ny 80 kilaometatra avaratra atsinanan’i Jerosalema (jereo ny Bible Dictionary ao amin’ny Baiboly amin’ny teny anglisy an’ny OAF, “Pella”).

Amin’ny fomba ahoana no hanehoan’ny zavatra niainan’ny Jiosy ny maha-zava-dehibeny fijanonana ho mafy orina amin’ny fankatoavana ny tenin’ny Mpamonjy?

Eritrereto ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana sy fanarahana ny mpaminany velona amin’izao androntsika izao tahaka ny Jiosy izay nihaino ny fampitandreman’i Jesoa.

Joseph Smith—Matio 1:21–37

Naminany momba ireo famantarana sasany momba ny Fiaviany Fanindroany i Jesoa

Vakio ny Joseph Smith, Matio 1:21–23, ka tadiavo ny antony nanambaran’ny Tompo ireo famantarana momba ny Fiaviany Fanindroany ireo.

Mariho fa nampitandrina mikasika ireo “kristy sandoka” sy “mpaminany sandoka” ny Mpamonjy (Joseph Smith—Matio 1:22). Ireo andian-teny ireo dia milaza ny olona—anatiny sy ivelan’ny Fiangonana—izay mitompo teny ho miresaka amin’ny Tompo kanefa tsy manana fahefana na manindraindra ireo fampianarana izay mifanohitra amin’ireo tenin’ireo mpaminany velona. Ilay andian-teny hoe “olom-boafidy araka ny fanekempihavanana” ao amin’ny andininy 22 dia milaza ireo mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Raha ny mikasika ireo Kristy sandoka sy mpaminany sandoka ireo dia mamaky isika fa “raha azo atao, dia hofitahiny na dia ny olom-boafidy aza” (Joseph Smith—Matio 1:22).

Loholona Bruce R. McConkie

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome izao fampitandremana manaraka izao mikasika ireo mpaminany sandoka: “Ireo kristy sandoka ireo dia ho ireo rafitra ara-pivavahana sandoka an’izao tontolo izao, ary ireo mpaminany sandoka dia ho ireo mpampianatra sy mpampiely ireo rafitra ireo. Ho lalina tokoa sy mivoatra ny fotopampianarany, ho lehibe sy mahatalanjona ny asany … ka ny olom-boafidy mihitsy no saika ho voafitaka” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 1:647).

Inona ireo zavatra sasany izay azontsika atao mba tsy ho voafitaka, na avy amin’ny sasany amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana aza?

Ny Filoha Joseph F. Smith dia nanolotra izao fampitandremana izao ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana:

Filoha Joseph F. Smith

“Tsy afaka manaiky na inona na inona ho baiko isika raha tsy izay mivantana avy amin’ny lalana voatendry, ireo rafitra ao amin’ny fisoronana izay naorina, izay lalana notendren’ Andriamanitra ka hampahalalany ny eritreriny sy ny sitrapony amin’izao tontolo izao.

“… Amin’ny fotoana izay hitodihan’ny olona tsirairay amin’ny loharano hafa, dia manipy ny tenan’izy ireo hidiran’ireo fitaomana mamitak’i Satana izy ireo amin’izay fotoana izay, ka mampilefitra ny tenany ho azo antoka fa ho tonga mpanompon’ny devoly; manalavitra ny lamina marina izay hankamamiana ireo fitahiana avy amin’ny fisoronana izy ireo; mivoaka ny faritry ny fanjakan’ Andriamanitra izy ireo ka any amin’ny faritra mampidi-doza. Isaky ny mahita olona iray mitompo teny ho nahazo fanambarana mivantana avy amin’ny Tompo ho an’ny Fiangonana ianao, ka tsy ao anatin’ny lamina sy ny lalan’ny fisoronana, dia azonareo heverina ho mpamitaka izy” (Gospel Doctrine, ed. faha-5 [1939], 42).

Vakio ny Joseph Smith, Matio 1:24–26, ka tadiavo ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy momba ny fomba hisehoany amin’ny Fiaviany Fanindroany.

Vakio ny Joseph Smith, Matio 1:27–31, ka tadiavo ireo famantarana mialoha ny Fiaviany Fanindroany.

Lisitr’ireo famantarana:

Mariho fa tsy ratsy avokoa ireo famantarana rehetra. Araka ny andininy 27 sy 31, mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany dia hangonina ireo olom-boafidin’ny Tompo ary hotoriana amin’izao tontolo izao manontolo ny filazantsara.

  1. journal iconSoraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fahatanterahan’io faminaniana io amin’izao fotoana izao. Ampidiro ao ireo hevitrao ny amin’ny ahafahanao ho anisan’ny fahatanterahan’izany faminaniana izany.

Nampitandrina ny Mpamonjy fa amin’ny andro farany dia hikatsaka ny “hamitaka ireo olom-boafidy” ireo “kristy sandoka , sy mpaminany sandoka” (Joseph Smith—Matio 1:22). Vakio ny Joseph Smith, Matio 1:37, ka tadiavo ny fomba mba tsy hahavoafitaka antsika.

Azonao soratana ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Joseph Smith—Matio 1:37 ity fitsipika ity: Raha toa ka mirakitra ny tenin’ny Tompo isika dia tsy ho voafitaka.

Vakio izao tantara manaraka izao izay notantarain’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asio marika ireo ampahany amin’ilay tantara izay mampiseho ilay fitsipika ampianarina ao amin’ny Joseph Smith—Matio 1:37.

Loholona M. Russell Ballard

“Taona vitsy taty aoriana dia tonga namangy ahy ny iray tamin’ireo misionerako tsara hofana izay niara-nanompo tamiko fony aho filohan’ny Misiona tany Toronto [Kanada]. Nanontany azy aho, ‘Elder, inona no azoko hanampiana anao?

“‘Filoha,’ hoy izy, ‘Mieritreritra aho fa very ny fijoroana ho vavolombelona ananako.’

“Saika tsy nampino ahy izany. Nanontany azy aho hoe: ‘Elder, inona no azoko hanampiana anao?

Nilaza izy hoe: “‘Fotoana voalohany izao no namakiako ireo lahatsoratra Antia-Môrmôna vitsivitsy,’ ‘Nanana fanontaniana aho, ary tsy hisy olona hamaly izany ho ahy. Very hevitra aho, ary mieritreritra aho fa very ny fijoroana ho vavolombelona ananako’” (“When Shall These Things Be?” Ensign, des. 1996, 60).

Efa niaina zavatra mitovy amin’ny an’ity misiônera teo aloha ity ve ianao, na ny olona fantatrao? Inona no torohevitra homenao ny olona ao anatin’izany toe-javatra mitranga izany? Nahoana?

Notohizan’ny Loholona Ballard hoe:

“Nanontaniako azy ireo fanontaniana ireo, ka nolazainy tamiko. Ireo fanontaniana ireo dia ireo olana mazàna hapetrak’ireo mpanohitra ny Fiangonana, kanefa dia nila fotoana kely aho hanangonako ireo fitaovana mba ahafahako hanome valim-panontaniana mazava. koa dia nametraka fotoana izahay mba hihaonana afaka 10 andro, tamin’ny fotoam-bavaka dia nilaza taminy aho fa hamaly ny tsirairay avy amin’ireo fanontaniany. Rehefa handao iny izy dia najanoko.

“‘Elder, nametraka fanontaniana marobe tamiko ianao androany,’ hoy aho. ‘Izao dia manana fanontaniana iray ho anao aho.’

“‘Eny, Filoha?’

“‘Oviana ianao no namaky farany ny Bokin’ny Môrmôna?’ Hoy aho nanontany.

“Nanondrika ny masony izy. Nijery ny gorodona nandritra ny fotoana elaela izy. Dia nijery ahy avy eo. ‘Tena efa ela, Filoha,’ hoy izy nilaza tamim-pahatsorana.

“Eny,” hoy aho. ‘Efa nomenao ahy ny andraikitro. Rariny ihany raha toa ka omeko anao ny andraikitrao. Tiako ianao hampanantena ahy fa hamaky ao amin’ny Bokin’i Môrmôna farafahakeliny adiny iray isan’andro manomboka izao mandrapahatongan’ny fotoana hihaonantsika manaraka.’ Nanaiky hanao izany izy.

“Folo andro taty aoriana dia niverina tao amin’ny biraoko izy, ary efa vonona aho tamin’izay. Navoakako ireo taratasiko mba hanombohana mamaly ny fanontaniany, saingy najanony aho.

“‘Filoha,’ hoy izy, ’tsy ilaina izany.’ Dia nanazava izy hoe: ‘Fantatro fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Fantatro fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith.

“‘Tsara izany,’ hoy aho taminy. ‘Fa na izany aza dia handray ny valin’ireo fanontanianao ianao. Fotoana lava no nanomanako ity, koa mahazoa toerana ary mihainoa.’

“Ary dia namaly ny fanontaniany rehetra aho sy nanontany azy hoe, ’Ry Elder, Inona no zavatra nianaranao tamin’ity?’

“Ary hoy izy, ’Omeo fehim-potoana mitovy ny Tompo’” (“When Shall These Things Be?” 60).

  1. journal iconRaketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba iray ahafahanao “mirakitra ny tenin’ [ny Tompo]” (Joseph Smith—Matio 1:37).

Ny fikatsahana ny tenin’ny Tompo dia manampy antsika tsy ho voafitaka, ary ny fanambarana maoderina dia mampitandrina antsika mba “[hitsangana] … eo amin’ny toerana masina ary aoka tsy hoesorina mandra-pahatongan’ny andron’ny Tompo” (F&F 87:8). Ankoatra ny fandalinana ny soratra masina mba hanampy antsika hirakitra ny tenin’ny Tompo dia afaka mahazo ny tenin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fijoroana, na fandehanana, any amin’ireo toerana masina toy ny tempoly sy ny trano fiangonana ary manao izay hahatonga ny tokantranontsika ho toerana masina. Eritrereto hoe afaka manampy anao hianatra fotopampianarana marina sy tsy ho voafitaka amin’ny fomba ahoana ny fitoerana eo amin’ireo toerana ireo.

Joseph Smith—Matio 1:38–55

Nanome toromarika ny mpianany i Jesoa momba ny fiomanana amin’ny Fiaviany Fanindroany.

Nofaranan’ny Mpamonjy ny fitorian-teniny tamin’ny fampianarana ny mpianany ny fomba hiraketana ny teniny sy hiomanana amin’ny Fiaviany Fanindroany.

Manaova sary tsotra ao anatin’ireo efajoro ao anatin’izao tabilao manaraka izao izay mampiseho ireo ohatra nampiasain’ny Mpamonjy mba hampianarana momba ny fiomanana amin’ny Fiaviany Fanindroany. Dia soraty eo ambanin’ny sary tsirairay ny fahamarinana iray izay hitanao momba ny fiomanana amin’ny Fiaviany Fanindroany.

Joseph Smith—Matio 1:38–39

Joseph Smith—Matio 1:40–43

Joseph Smith—1:46–47

Joseph Smith—1:48–54

Mianatra isika avy amin’ireo ohatra ireo fany Ray any An-danitra ihany no mahafantatra ny fotoana hitrangan’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany, ary raha toa ka mijery ireo famantarana sy mankatò ireo didin’ny Tompo isika dia hiomana ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Avereno jerena ireo fahamarinana izay hitanao tao amin’ny Joseph Smith—Matio ka eritrereto ny fomba hamalian’ireo fahamarinana ireo ny fanontaniana izay nosoratanao tany amin’ny fiandohan’ny lesona.

Anisan’ireo fomba tsara indrindra hiomanana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany ny fanarahana ny fampianaran’ireo mpaminany sy apôstôly maoderina. Vakio ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Dallin H. Oaks

“Ahoana raha rahampitso ny andro hahatongavany? Raha fantatsika fa hihaona amin’ny Tompo isika rahampitso—amin’ny alalan’ny fahafatesantsika aloha loatra na amin’ny alalan’ny fahatongavany tsy nampoizina—inona no ho ataontsika anio? Inona ireo fibabohana ho ataontsika? Inona ireo fomba fanao hajanontsika? Inona ireo fifandirana na olana hovahantsika? Famelan-keloka toy ny ahoana no ataontsika? Fijoroana ho vavolombelona inona no hozaraintsika?

“Raha toa ka hanao ireo zavatra ireo isika, nahoana izany no tsy atao ankehitriny? (“Preparation for the Second Coming,” Ensign na Liahona, mey 2004, 9).

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Raha toa ka hifanena amin’ny Mpamonjy ianao rahampitso, inona no hovainao anio?

  2. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny Joseph Smith–Matio; Matio 24 aho ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: