Tahirim-pitaovana
Fizarana 10, Andro 1: Lioka 5


Fizarana°10: Andro 1

Lioka 5

Fampidirana

I Petera sy i Jakoba ary i Jaona dia mpanarato, fa taorian’ny nahazoan’izy ireo trondro be dia be tamin’ny alalan’ny fanampian’ny Mpamonjy dia namela ny zava-drehetra izy ireo mba hanara-dia ny Mpamonjy ka ho lasa mpanarato olona. Nanasitrana boka iray sy lehilahy iray nararin’ny paralysisa i Jesoa. Niantso an’i Matio ho mpianatra Izy ary nampianatra fa avy hiantso ny mpanota hibebaka Izy. Nampianatra momba ny fanoharana mikasika ny fanisiana divay vao ao anaty siny hoditra tonta i Jesoa.

Lioka 5:1–11

Nantsoin’ny Tompo ho lasa mpanarato olona i Petera sy i Jakoba ary i Jaona.

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto: Oviana ianao no nasaina nanao zavatra iray nefa tsy nahalala akory ny antony rehetra hanaovana izany? Nahoana no mety ho sarotra ny manaraka torolalana nefa tsy mahatakatra ny anton’izy ireo?

Inona ny toro-hevitra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana na ny didin’ny Tompo izay mety ho hitan’ny tanora ho sarotra hankatoavina raha tsy mahatakatra tanteraka ny anton’izany izy ireo?

I Jesoa miantso mpanarato

Eo am-pandalinanao ny Lioka 5:1–11, dia tadiavo ireo fitsipika izay afaka hanampy rehefa tsy takatrao tanteraka ny antony ilànao manaraka ny toro-hevitr’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana na ny didin’ny Tompo.

Vakio ny Lioka 5:1–5 mba hitadiavana ny zavatra nasain’ny Mpamonjy nataon’i Petera (izay antsoina eto hoe Simona eto; jereo ny Lioka 5:8) rehefa avy nampianatra Izy. Ny “farihin’ny Genesareta” (Lioka 5:1)dia ny Ranomasin’i Galilia, ary ny fehezanteny hoe “alatsaho ny haratonareo ahazoanareo hazandrano” ao amin’ny andininy 4 dia entina ilazana ny fandatsahan’izy ireo ny haratony mba hisamborana hazandrano. Lokoy miavaka ao amin’ny andininy 5 ny fomba namalian’i Petera ny fangatahan’ny Mpamonjy.

Mety nitarika an’i Petera hieritreritra inona ny traikefany manokana amin’ny fandratoana rehefa niteny taminy ny Mpamonjy ny handatsahany indray ny haratony?

Vakio ny Lioka 5:6–9 mba hikarohana ny zava-nitranga rehefa nanao izay nangatahan’ny Tompo i Petera. Asio marika ireo teny sy andian-teny izay maneho ny antony tokony hanaovantsika izay asain’ny Mpamonjy ataontsika na dia tsy takatsika aza hoe nahoana.

Ny fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’io tantara io dia hoe raha manao izay asain’ny Tompo atao isika na dia tsy mahatakatra ny anton’izany aza dia afaka manome fitahiana lehibe kokoa noho izay antenaintsika izy. Soraty ao amin’ny soratra masinao, eo akaikin’ny Lioka 5:3–9 io fitsipika io.

Mitaky antsika hatoky an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ny fiainana io fitsipika io?

Nilaza ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Loholona Richard G. Scott

“Ity fiainana ity dia traikefa iray amin’ny fahatokiana lalina—fahatokiana an’i Jesoa Kristy, fahatokiana ny fampianarany, fahatokiana ny fahafahantsika mankato ireny fampianarana ireny rehefa tarihin’ny Fanahy Masina mba hahazoana fifaliana ankehitriny sy hananana fisiana feno tanjona sy heniky fifaliana mandrakizay. Ny hoe mahatoky dia midika hoe mankatò an-tsitrapo na dia tsy mahafantatra ny fiafarany hatrany am-piandohana aza (jereo ny Ohab. 3:5–7). Mba hamokarana voa dia tsy maintsy mahery sy maharitra kokoa ny fitokianao amin’ny Tompo mihoatra noho ny fitokisanao amin’ny zavatra tsapanao sy iainanao manokana.

“Ny fampiharana finona dia ny fahatokiana fa ny Tompo fa Izy dia mahalala ny zavatra ataony aminao ary afaka hanatontosa izany Izy ho tombontsoa mandrakizay ho anao na dia tsy takatrao aza hoe ahoana no ahafahany hanao izany” (“Trust in the Lord,” Ensign, nôv. 1995, 17).

  1. sary famantarana ny diaryValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no ahafahanao mampitombo ny karazam-pitokiana anananao amin’ i Jesoa Kristy izay nofaritan’ny Loholona Scott?

    2. Ahoana no nandraisanao na ny fianakavianao fitahiana lehibe kokoa noho izay nantenainao tamin’ny alalan’ny fanarahana ny torolalan’ ny Tompo na dia tsy takatrao tanteraka aza ny antony?

Soraty amin’ny taratasy iray ny toro-hevitra na ny didy avy amin’ny Tompo izay azonao arahina amim-pahatokiana bebe kokoa na dia tsy takatrao tanteraka aza ireo antony anaovana izany. (Raha anananao ny Ry tanora mahereza [kiboky, 2011], dia afaka mijery hevitra ao anatin’izany ianao.) Apetraho eo amin’ny toerana izay hanampy anao hahatsiaro ny tanjonao hanao izay asain’ny Tompo atao ilay taratasy.

Namaky isika tao amin’ny Lioka 5:10–11 fa i Petera sy i Jakoba ary i Jaona dia nandao ny sambo fanjonoan’izy ireo mba hanaraka an’i Jesoa.

Lioka 5:12–26

Nanasitrana lehilahy iray nararin’ny habokana sy lehilahy iray nararin’ny paralysisa i Jesoa

fitsaboana fery, fanasana tanana amin’ny savony, tanana mihazona fanjaitra fanindronana

Inona avy ireo zavatra azo ampiasaina mba hanampiana na hanasitranana olona iray marary na maratra.

Ankoatra ny aretina ara-batana na ny faharatrana dia inona koa ireo zavatra hafa izay mety ilain’ny olona iray mba hanasitranana azy?

Eo am-pandalinanao ny Lioka 5:12–25, dia tadiavo ireo fitsipika izay mampianatra ny zavatra azonao atao mba hanampianao ny tenanao manokana sy ny hafa hahazo ny fanasitranana ilaina.

  1. sary famantarana ny diaryVakintsika ao amin’ny Lioka 5:12–25 ny mikasika ny fanasitranan’ny Mpamonjy lehilahy roa. Ny iray tamin’ireo lehilahy dia boka ary ny iray hafa dia mararin’ny paralysisa, izay midika hoe nalemy izy. Vakio ny Lioka 5:12–15 sy ny Lioka 5:17–25, ary ampitahao ireo tantara roa. Manaova tabilao mitovy amin’ity tabilao eto ambany ity ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ary raketo ao ny mampitovy sy ny maha-samy hafa ireo fanasitranana roa ireo.

Fitoviana

Fahasamihafana

Saintsaino ny andraikitra tanan’ny finoana ao amin’ny tantara tsirairay. Asio marika ny andian-teny hoe “hita[ny] ny finoan’ireo” ao amin’ny Lioka 5:20. Niaiky ny finoan’ireo izay nitondra ilay lehilahy marari’ny paralysisa teo aminy ny Mpamonjy.

Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny fanontaniana napetrak’i Jesoa ao amin’ny Lioka 5:23: “Mila fahefana bebe kokoa ve ny mamela heloka toy izany ny mampitsangana sy mampandeha ny marary?” (Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 5:23 . Amin’ny alalan’ny fametrahana io fanontaniana io dia nampianatra i Jesoa Kristy fa Izy dia manana ny hery hanasitranana ny ara-batana sy ny ara-panahy.

Inona no azonao ianarana avy amin’ireo tantara ireo mikasika ny fomba ahafahantsika ho sitrana sy ny zavatra azontsika atao mba hanampiana ny hafa ho sitrana?

Azontsika ianarana avy amin’ireo tantara ireo fa rehefa mampihatra ny finoantsika isika ka manatona ny Mpamonjy dia afaka manasitrana antsika Izy ary Afaka manampy ny hafa hanatona ny Mpamonjy isika mba hahafahan’izy ireo ho sitrana. Diniho ny fanoratana ireo fitsipika ireo ao amin’ny soratra masinao, eo akaikin’ny Lioka 5:12–25.

Ny fanasitranana dia tsy voatery midika hoe hanala ny rofintsika ny Mpamonjy. Ny fanasitranana dia afaka midika koa fa Izy dia hanome antsika risi-po, finoana, fampiononana, ary fiadanana izay ilaintsika mba hiaretana sy handresena ireo rofintsika.

Diniho ity toro-hevitra manaraka avy amin’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Loholona David A. Bednar

“Azo antoka tokoa fa ny fahamarinana sy ny finoana dia fitaovana fanisahana tendrombohitra—raha ny fanisahana tendrombohitra no mahatanteraka ireo tanjon’ Andriamanitra ary mifanaraka amin’ny sitrapony. Azo antoka tokoa fa ny fahamarinana sy ny finoana dia fitaovana ampiasaina amin’ny fanasitranana ny marary, ny marenina, na ny mandringa—raha ny fanasitranana toy izany no mahatanteraka ireo tanjon’ Andriamanitra ary mifanaraka amin’ny sitrapony. Noho izany, na dia miaraka amin’ny finoana matanjaka aza, dia ho maro ireo tendrombohitra tsy hikisaka. Ary tsy ireo marary sy kilemaina rehetra no ho sitrana. Raha ny fifanoherana rehetra no ferana, raha ny aretina rehetra no esorina, dia ireo tanjona fototra tao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra no ho simba.

“Maro amin’ireo lesona tokony hianarantsika eto amin’ny fiainana an-tany no tsy azo raha tsy amin’ny alalan’ireo zavatra iainantsika ary indraindray iaretantsika fijaliana. Ary miandry antsika sy mahatoky antsika Andriamanitra mba hiatrika omban’ny fanampiany ireo fahoriana mandalo eto amin’ny fiainana an-tany mba hahafahantsika mianatra ny zavatra ilaintsika ianarana, ka amin’ny farany dia ho tonga tahaka izay tokony hahatongavantsika amin’ny mandrakizay” (“That We Might ‘Not … Shrink’ [F&F 19:18]” [CES devotional for young adults, Mar. 3, 2013], lds.org/broadcasts).

  1. sary famantarana ny diaryEritrereto ireo kilema izay mety ilain’ny olona mba hositranina. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray na ny maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no azaonao atao mba hitondrana ny olona ho eo amin’ny Mpamonjy mba handray ny hery fanasitranana ?

    2. Oviana ianao na ny olona iray fantatrao no nositranina tamin’ny alalan’ny fampiharana finoana ny Mpamonjy?

    3. Oviana ianao no nahita olona iray niitondra olona iray hafa teo amin’ny Tompo mba handray ny hery fanasitranan’ny Mpamonjy?

Saintsaino ny zavatra azonao atao mba hampiharana finoanao an’i Jesoa Kristy bebe kokoa mba hositranina sy ho voavela heloka ary hankaherezina. Diniho ihany koa ny fomba mety hitondranao namana iray na olona iray hafa eo amin’ny Mpamonjy.

Lioka 5:27–35

Nanontany ireo Mpanora-dalàna sy Fariseo hoe nahoana no miara-mihinana amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota i Jesoa

Vakio ny Lioka 5:27–28, ary tadiavo ny fanasan’ny Mpamonjy an’i Matio (izay antsoina eto hoe Levy; jereo ny Matio 9:9).

Inona no manaitra anao mikasika ny fomba namalian’i Matio ny fanasan’ny Mpamonjy?

Mpamory hetra i Matio, izay midika hoe nanangona ny hetra avy amin’ireo Jiosy namany izy ho an’ny governemanta Romana. Tamin’ny ankapobeny dia nankahala ny mpamory hetra ny Jiosy ary nandray azy ireo ho toy ny olona atositosiky ny fiarahamonina sy mpanota. Vakintsika ao amin’ny Lioka 5:29–35 fa raha niara-nihinana tamin’ny Matio sy ny hafa i Jesoa dia nomelohin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo Izy noho ny fiarahany mihinana amin’ny mpanota. Nampianatra i Jesoa fa tonga hiantso ny mpanota hibebaka Izy.

Eritrereto ny fomba hitondran’ny Mpamonjy an’ireo izay irery sy mahatsapa ho voatositosika. Saintsaino ny fomba azonao hinamanana, tahaka izay nataon’i Jesoa, amin’ireo izay irery sy mahatsapa ho voatositosika na heverina ho tsy be mpahalala kanefa tsy manao tsinontsinona ny fenitra iainanao.

Lioka 5:36–39

Nizara ny fanoharana mikasika ny divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta i Jesoa

Nampiasa fanoharana ny Mpamonjy mba hampianarana ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo. Vakio ny Lioka 5:36–39 mba hikarohana ny ny zavatra nampiasain’nyTompo mba hampianarana ny fanoharana nataony. Asio marika ao amin’ny soratra masinao izany.

Alaivo sary an-tsaina ny lavaka na triatra eo amin’ny akanjo tonta izay avy namboarina tamin’ny ampahan-damba vaovao. Mety tsy mifanaraka amin’ilay lamba tonta ny soratsoratra amin’ilay lamba vaovao, na koa ilay ampahan-damba vaovao dia mety hifintina rehefa avy nosasana ka hahatonga ilay lavaka na triatra ho ratsy kokoa noho ny teo aloha. Mitovy amin’izany ihany, ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia tsy fanamboarana finoana sy fanao taloha fotsiny fa tena famerenana amin’ny laoniny tanteraka ny fahamarinana.

“ ” Ny hoditra vaovao dia malefaka sy azo aforitra, fa ny hoditra tonta kosa dia lasa mafy sy mora mitresaka.

siny hoditra

Siny hoditra

Rehefa milona elaela ny divay, dia hisy etona hiforona ao anatin’izany ka hanitatra ny kitapo hodidtra. Izany fihitarana izany dia hahatonga ilay siny hoditra tonta ho vaky. Ao amin’ny fanoharana, ny divay vaovao dia maneho ny fampiarana sy ny filazantsaran’ny Mpamonjy, ary ny divay tonta kosa dia maneho ireo fomba fanao, sy fomban-drazana ary ny finoan’ny Fariseo teo ambany lalàn’i Mosesy.

Amin’ny fomba ahoana no hanehoan’ny “ siny hoditra tonta“ ireo mpanora-dalàna sy ny Fariseo izay nampianarin’i Jesoa?

Eritrereto ny fomba hanehoan’ny “siny hoditra vaovao“ ireo olona izay nanetry ny tenany sy nanam-paniriana ny hiova ary hanaiky ny Mpamonjy sy ny fampianarany. Ny fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’io fanoharana nataon’ny Mpamonjy io dia hoe mba hanekena ny Mpamonjy sy ny filazantsarany dia tsy maintsy manetry tena sy manam-paniriana hiova isika.

  1. sary famantarana ny diaryMba hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa io fitsipika io, dia avereno vakina ny Lioka 5. Tadiavo ireo ohatra amin’ireto karazan’olona manaraka ireto, adia soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra izay hitanao:

    1. Ny olona izay nanamafy ny fony sy tsy nety nilefitra tamin’ny fihetsiny eo anatrehan’ny Mpamonjy sy ny fampianarany.

    2. Ireo olona izay nanetry ny tenany sy nanam-paniriana ny hiova sy hitombo rehefa nanara-dia ny Mpamonjy.

  2. sary famantarana ny diarySoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Lioka 5 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: