Tahirim-pitaovana
Fizarana 14, Andro 3: Jaona 9


Fizarana 14: Andro 3

Jaona 9

Fampidirana

Nanasitrana lehilahy iray teraka jamba i Jesoa. Nanontany an’io lehilahy io ny Fariseo dia nandroaka azy hiala tao amin’ny synagoga satria tsy nanaiky ny hiampanga an’i Jesoa ho mpanota noho ny fanasitranana nataony tamin’ny Sabata izy. Nitady ilay lehilahy i Jesoa ka nanontany ny zavatra ninoany, ary nidera an’i Jesoa ho ny Zanak’ Andriamanitra ilay lehilahy.

Jaona 9:1–7

Nanasitrana lehilahy iray teraka jamba i Jesoa

Mitadiava ohatra vitsivitsy ny amin’ireo fahoriana izay iainan’ny olona manodidina anao na iainan’ny olona izay hitanao ao amin’ny gazety eo an-toerana:

Ny olona sasany dia manontany tena hoe nahoana Andriamanitra no mamela ny fahoriana hisy fiantraikany henjana eo amin’ny fiainan’izy ireo. Rehefa mandalina ny Jaona 9:1-5 ianao dia mitadiava fahamarinana iray izay afaka manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny antony iray hamelan’ Andriamanitra ny fahoriana hisy fiatraikany eo amin’ny fiainantsika.

Nihaona tamin’ny lehilahy iray izay niaina fahoriana hatramin’ny nahaterahany i Jesoa raha tao Jerosalema. Vakio ny Jaona 9:1-2, ka tadiavo ny fahoriana niainan’izany lehilahy izany.

Inona no nanontanian’ireo mpianatra mikasika ny antony nampahory io lehilahy io?

Maro ny olona niaina tamin’ny andron’ny Mpamonjy no nino fa ny fahoriana iainan’ny olona dia vokatry ny fahotana nataon’izy ireo na ny ray aman-dreniny. Marina ve io finoana io araka ny eritreritrao? Nahoana, na raha tsia dia nahoana?

Vakio ny Jaona 9:3-5, ka tadiavo ny fampianarana nomen’ny Mpamonjy ny mpianany momba ny fahajamban’io lehilahy io.

Araka ny hevitrao dia inona no dikan’ny hoe “ny hanehoana ny asan’ Andriamanitra eo aminy”? (Jaona 9:3).

Mianatra isika avy amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo fa afaka mampiasa ny fahoriantsika Andriamanitra mba hanehoana ny asany sy ny heriny. Izany hoe raha toa ka mety ho maro ireo antony mahatonga ny fahoriana eo amin’ny fiainantsika dia afaka mampiasa ireo olantsika Andriamanitra mba hanatanterahana ireo tanjony marina.

Mba hahatakarana bebe kokoa io fahamarinana io dia vakio ity teny nolazain’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Loholona Dallin H. Oaks

“Nalefa teto isika mba hosedraina. Tsy maintsy misy ny fifanoherana amin’ny zava-drehetra” Natao hianatra sy hivoatra amin’ny alalan’izany fifanoherana izany isika, amin’ny alalan’ny fandalovantsika amin’ireo olana, ary amin’ny alalan’ny fampianarana ny hafa hanao ny mitovy amin’izany. … Tsy hanamasina ny fahoriantsika ho tombontsoantsika fotsiny ihany ny Tompo, fa hampiasa azy ireny koa mba hitahiana ny fiainan’ireo olona maro hafa tsy voatanisa.

“Nampianatra izany lesona izany i Jesoa rehefa nifanena tamin’ny lehilahy iray izay teraka jamba Izy sy ireo mpianany. [Namerina nilaza ny Jaona 9:2–3 ny Loholona Oaks.]

“Raha toa ka mijery ny fiainana amin’ny fomba fijery ara-panahy isika dia afaka mahita ohatra marobe ny amin’ireo asan’ Andriamanitra izay hafainganina amin’ny alalan’ny fahorian’ny zanany. …

“Rehefa takatsika izany fitsipika izany, hoe manolotra fahafahana hahazoana fitahiana ho antsika Andriamanitra ary mitahy antsika amin’ny alalan’ireo fahorian’ny tenantsika manokana sy ny fahorian’ny hafa, dia afaka mahatakatra ny antony nandidiany antsika mba ‘hisaotra ny Tompo Andriamanitrao amin’ny zavatra rehetra’ hatrany hatrany isika (F&F 59:7)” (“Give Thanks in All Things,” Ensign na Liahona, mey 2003, 97–98).

Mieritrereta fahoriana iray izay efa natrehanao na izay atrehanao ankehitriny. Rehefa manohy mandalina ny Jaona 9 ianao dia saintsaino ireo fomba izay ahafahan’ Andriamanitra mampiseho ny asany sy ny heriny amin’ny alalanao noho izany fahoriana izany.

Vakio ny Jaona 9:6-7, ka tadiavo ny fomba nanehoan’ Andriamanitra ny asany sy ny heriny tamin’ny alalan’ny zavatra niainan’ilay lehilahy jamba.

Araka ny eritreritrao dia mety ho toy ny ahoana ho an’io lehilahy io izany hoe nahita voalohany indrindra izany?

Jaona 9:8–41

Nitady ilay lehilahy nositraniny i Jesoa taorian’ny nadroahan’ny Fariseo azy

Araka ny voarakitra ao amin’ny Jaona 9:8–15, rehefa sitrana ilay lehilahy jamba dia niady hevitra ny olona sasany raha toa ka izy tokoa ilay lehilahy teraka jamba. Ny sasany dia nanontany tena hoe tamin’ny fomba ahoana no nahasitrana azy ka dia nitondra azy teo amin’ireo Fariseo, izay nanomboka nanontany azy.

Hadihadio ny Jaona 9:14 mba hitadiavana ny andro nanasitranan’ny Mpamonjy ilay lehilahy jamba.

Toy ny ahoana araka ny eritreritrao no fihetsika nasehon’ireo Fariseo tamin’ny nanasitranan’i Jesoa ilay lehilahy jamba tamin’ny andro Sabata?

Vakio ny Jaona 9:16, ka tadiavo ny fehin-kevitra nataon’ny Fariseo mikasika an’i Jesoa.

Vakio ny Jaona 9:17, ka tadiavo fehin-kevitra nataon’ny Fariseo mikasika an’i Jesoa.

Rehefa manohy mandalina ny Jaona 9 ianao dia diniho ny fivoaran’ny fahitan’ilay lehilahy jamba ny Mpamonjy.

Noho izy ireo nisalasala raha toa ka jamba marina tokoa ilay lehilahy dia nasain’ireo Fariseo nampidirina ny ray aman-drenin’ilay lehilahy jamba mba hohadihadiana. Mianatra isika ao amin’ny Jaona 9:19–23 fa rehefa nanontaniana ny ray aman-drenin’ilay lehilahy dia nijoro ho vavolombelona izy ireo fa zanakalahiny tokoa izy ary teraka jamba tokoa izy, saingy nilaza ho tsy nahafantatra ny fomba nanasitranana azy izy ireo. Noho ny tahotra ny ho voaroaka tao amin’ny synagoga sy ny fiarahamonina, dia tsy nety nilaza izy ireo hoe nino fa i Jesoa no ilay Mesia, koa nanome sosokevitra izy ireo ny hitenenan’ny zanakalahiny ho an’ny tenany.

Vakio ny Jaona 9:24–27, 30–33, ka tadiavo ny navalin’ilay lehilahy ireo Fariseo. Asio marika ireo teny nampiasainy mba hiarovana an’i Jesoa sy hijoroana ho vavolombelona fa Izy dia “avy amin’ Andriamanitra” (Jaona 9:33).

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no manaitra anao ao amin’ny valintenin’ity lehilahy ity?

Mianatra isika ao amin’ny Jaona 9:34 fa io lehilahy io dia voaroaka (azo heverina fa tao amin’ny synagoga [jereo ny Jaona 9:22]) noho izy niaro tsy tamin-tahotra ny Mpamonjy.

“Ny synagoga dia nampiasaina ho ivontoerana ara-pivavahana sy ara-piarahamonina ho an’ny fiarahamonina Jiosy maro. Ny synagoga dia nanolotra fahafahana hahazoana fampianarana ara-panahy sy hanaovana fiderana, ary nanolotra fahafahana hianatra sy hanaovana serasera ara-piarahamonina koa. Noho ny synagoga nahakasika manontolo ny fiarahamonina Jiosy, izany hoe voaroaka tao amin’ny synagoga izany … dia nihoatra lavitra ny hoe voaroaka sy very zo tsy ho mpikambana tao amin’ny fiarahamonina ara-pivavahana. Izany dia nidika ho fanilihana tsy handray anjara amin’ireo raharaha ara-kolotsaina sy ara-piarahamonina ihany koa” (Testamenta Vaovao: Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra [Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 230).

Nahoana io lehilahy io araka ny eritreritrao no naniry ny hijanona ho mahatoky tamin’ny zavatra fantany momba an’i Jesoa Kristy, na dia nidika ho fandroahana azy hiala ny synagoga aza izany?

Taorian’ny nadroahana ilay lehilahy tao amin’ny synagoga dia nahita azy ny Mpamonjy ka nanontany raha toa izy ka “[nino] ny Zanak’ Andriamanitra” (Jaona 9:35). Vakio ny Jaona 9:36-38, ka tadiavo ny valintenin’ilay lehilahy.

Ny fanambarany hoe “Tompoko, mino aho” sy ny hoe “niankohoka teo anatrehany izy” (Jaona 9:38) dia maneho fa nosokafana ny masom-panahiny ka nahafantatra izy hoe iza marina i Jesoa Kristy, dia ilay Mesia nampanantenaina sy ilay Zanak’ Andriamanitra.

Mianatra isika avy amin’io tantara io fa rehefa mijanona ho mahatoky amin’ny zavatra fantatsika isika na dia eo aza ny fanoherana dia hihamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika. Hihamatanjaka bebe kokoa ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika rehefa mandeha ny fotoana.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny hevitrao no hatanjahina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika rehefa avy mandresy ny fifanoherana na ny fizahan-toetra ny finoana isika?

    2. Tamin’ny fomba ahoana no nanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao rehefa niatrika tamim-pahatokiana ny fifanoherana ianao?

Mba hahitana fitsipika iray hafa avy ao amin’ity tantara ity dia somary akimpio ny masonao ka ho hazavana kely fotsiny no hitanao. Dia sokafy bebe kokoa izany. Dia sokafy tanteraka avy eo. Diniho ny fiovan’ny fahitanao isaky ny andrana atao.

Tadidio fa nanjary nazava ny fahitan’ilay lehilahy jamba raha vantany vao nanasitrana azy i Jesoa. Vakio ny Jaona 9:11, 17, 33, 35–38, ka tadiavo ireo andian-teny izay mamariparitra ny fahitana ara-panahy na ny fahatakarana izay niha-matotra nananan’ilay lehilahy mikasika ny hoe iza moa i Jesoa.

Tamin’ny voalohany dia niantso an’i Jesoa ho “lehilahy atao hoe Jesosy” izy (Jaona 9:11), ary taty aoriana dia niantso Azy hoe “mpaminany” izy (Jaona 9:17) ka niaro Azy ho “avy amin’ Andriamanitra”(Jaona 9:33). Nanjary nihanazava ny fahitany ara-panahy rehefa nandeha ny fotoana mandra-pahitany fa i Jesoa Kristy no ilay Mesia nampanantenaina sy ilay Zanak’ Andriamanitra.

Nahoana araka ny eritreritrao no lasa nazava kokoa ny fahitany sy ny fahatakarany mikasika ny Mpamonjy? Tamin’ny fomba ahoana no nampiharany ny finoana an’i Jesoa Kristy nandritra izany zavatra niainana izany?

Filoha Howard W. Hunter

Raha niresaka momba ny zavatra niainan’io lehilahy io ny Filoha Howard W. Hunter dia nampianatra izy hoe: “Nomena indroa ny fahitana teto—ny iray dia nentina nanasitranana tsy fahatomombanana hatrany am-bohoka [tsy fahatomombanana ara-batana hatramin’ny nahaterahana] ary ny iray dia ny hahitana ny Mpanjakan’ny Mpanjaka mialoha ny hiakarany ho eo amin’ny seza fiandrianany mandrakizay. Nohafainganin’i Jesoa indray miaraka ny fahitana ara-nofo sy ara-panahy. Natolony tao amin’ny toerana maizina ny hazavany, ary ity lehilahy ity, tahaka ireo maro hafa tamin’izany andro izany sy amin’izao androntsika izao koa, dia nanaiky ilay hazavana ka nahita” (“The God That Doest Wonders,” Ensign, mey 1989, 16–17).

Mianatra isika avy amin’izany tantara izany fa rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika dia lasa mazava kokoa ny fahitantsika sy ny fahatakarantsika ara-panahy.

Nahoana araka ny eritreritrareo no ilaina ny hampiharana finoana mba hahitana sy hahatakarana mazava kokoa ny fahamarinana ara-panahy?

Ny Fariseo sasany dia nijoro teo akaiky teo tamin’ny fotoana nahitan’ilay lehilahy sy niderany an’i Jesoa ho ny Zanak’ Andriamanitra. Vakio ny Jaona 9:39-41, ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy momba ny fahajambana.

Mba hamaliana ny fanontanian’ny Fariseo hoe “Izahay koa va jamba?” (Jaona 9:40), “dia nampiasa sarin-teny ny Mpamonjy, izay nampianatra fa ny olona ‘jamba’—ireo izay tsy nahalala hoe iza Izy—dia ‘tsy ho nanan-keloka’ (Jaona 9:41). Etsy an-kilan’izay kosa, ireo olona izay ‘[n]ahiratra’—ireo izay nahazo fijoroana ho vavolombelona ampy mikasika ny Mpamonjy sy ny iraka masina nampanaovina Azy ka tokony hahalala hoe iza Izy—dia ho tompon’andraikitra amin’ny asany. Ny Fariseo dia anisan’ireo izay ‘nahiratra,’ ka noho izany dia ‘tsy afaka ny helok[’izy ireo].’ Raha resahina amin’ny fomba ara-panahy dia nisafidy ny ho jamba izy ireo satria nandà ny hanaiky an’i Jesoa ho ny Zanak’ Andriamanitra, na dia teo aza ireo fijoroana ho vavolombelona maro azon’izy ireo” (Testamenta Vaovao: boky torolalana ho an’ny mpianatra, 231).

  1. journal iconJereo ireo fitsipika roa farany nianaranao tato amin’ity lesona ity, ary saintsaino ny fomba mety hampiharanao azy ireo eo amin’ny fiainanao. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo tanjonao mba hampihatra ireo fitsipika ireo. Mangataha fitarihana amin’ny alalan’ny vavaka mba hahatontosanao ireo tanjonao.

  2. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Jaona 9 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: