Fizarana 6: Andro 3
Matio 25
Fampidirana
Rehefa nampianatra mangingina ny mpianany momba ny Fiaviany Fanindroany tao amin’ny Tendrombohitra Oliva i Jesoa Kristy dia nampianatra ny fanoharana momba ireo virijiny folo sy ireo talenta Izy. Nohazavainy ihany koa fa hampisaraka ny olo-marina amin’ny olon-dratsy Izy rehefa miverina:
Matio 25:1–13
Nampianatra ny fanoharana momba ireo virijiny folo i Jesoa Kristy
Alaivo sary an-tsaina izay mety ho tsapanao raha toa ka teo amin’ny toeran’ilay zatovolahy ato anatin’izao tantara manaraka izao izay notantarain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ianao, izay naheno ity misiônera niverina ity nizara ny zavatra niainany manokana nandritra ny fivoriana fizarana fijoroana ho vavolombelona.
“ … Nitantara ny fodiany tao an-trano rehefa avy nampiaraka, fotoana fohy taorian’ny nanokanana azy ho loholona tamin’ny faha-18 taonany izy. Nisy zavatra nitranga nandritra io fampiarahana io izay somary nahamenatra azy. Tsy nilaza ny antsipiriany izy, ary tsy ho nilaza izany ampahibemaso koa izy. Hatramin’izao dia tsy fantatro ny mombamomba ilay zava-nitranga, saingy nanan-danja taminy izany ka nisy fiantraikany tamin’ny fanahiny sy ny fiheverany ny tenany.
Raha nipetraka tao anatin’ny fiarany nandritra ny fotoana fohy izy teo amin’ny lalana mankany an-tranony, nieritreritra ny zava-nitranga sy nahatsapa alahelo tena marina mikasika izay zavatra rehetra mety ho nitranga, dia indro ny reniny izay tsy mpikambana nihazakazaka avy ao an-trano nanatona ny fiarany tao anatin’ny fitaintainana. Nohazavainy haingana fa ny zandry lahin’io tovolahy io dia nianjera tao an-trano, voadona mafy ny lohany ary mifanintona izy. Niantso fiarakodia fitondrana marary avy hatrany ilay raim-pianakaviana izay tsy mpikambana, saingy tena mbola afaka fotoana kelikely vao ho tonga ny fanampiana.
“‘Avia re ary ataovy izay azo atao,’ hoy izy nitomany. ‘Tsy misy zavatra fanaonareo ve any amin’ny Fiangonanareo rehefa misy zavatra tahaka izao? Manana ilay fisoronany ianao. Avia re ary ataovy izay azo atao.’ …
“… Rehefa nila ny finoany sy ny heriny ny olona iray izay tiany tokoa tamin’io alina io dia tsy afaka nanao ny andraikiny ity tovolahy ity. Noho ireo fahatsapana izay vao avy nanahiran-tsaina azy ary sy ny tsy fanajana zavatra izay tsapany fa nataony—na inona na inona izany—dia tsy afaka nandroso teo anoloan’ny Tompo izy sy hangataka ilay tsodrano izay nilaina” (“Ny Fahatokian-tena avy amin’ny Fahamendrehana,” Liahona, apr. 2014, 58–59).
Inona no ho noeritreretinao raha toa ka teo amin’ny toeran’ity zatovolahy ity ianao tao anatin’izany toe-javatra nitranga izany? Nahoana no zava-dehibe ny hoe efa niomana hatrany?
Ny Matio 25 dia tohin’ny fampianaran’ny Mpamonjy teo amin’ny Tendrombohitra Oliva, ary ahitana fanoharana telo momba ny fiomanana izay mampianatra antsika ny fomba hiomanana hihaona amin’ny Tompo rehefa miverina indray Izy.
Nampianatra ny mpianany momba ny Fiaviany Fanindroany i Jesoa Kristy raha teo an-Tendrombohitra Oliva (jereo Matio 24). Nampianatra i Jesoa tamin’ny alalan’ny fanoharana momba ireo virijiny folo fa tsy maintsy miomana amin’ny Fiaviany Fanindroany isika.
Vakio ny Matio 25:1–4, ka tadiavo ireo singa manan-danja ao amin’ilay fanoharana. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.
Araka ny fomba Jiosy, ralehilahy, na “ny mpampakatra, dia mandeha any an-tranon-dravehivavy amin’ny alina, miaraka amin’ireo namany akaiky. Rehefa vita ny lanonam-pampakaram-bady ao dia mitohy amin’ny lanonana any amin’ny tranon-dralehilahy ny fankalazana ny fanambadiana. Ireo vahiny nasaina izay miaraka amin’ilay diabe dia antenaina hitondra ny fanalany na ny jiron’izy ireo” mba hamantarana fa anisan’ireo nasaina tamin’ilay fankalazana ny fanambadiana izy ireo ary koa mba hanampy ny famirapiratana sy hakanton’ilay lanonana (New Testament Student Manual [Church Educational System manual, 2014], 78).
Vakio ny ambin’ilay fanoharana ao amin’ny Matio 25:5-13, ka tadiavo ny zavatra nataon’ireo virijiny dimy hendry sy ny zavatra nataon’ireo virijiny dimy adala.
Ho solon’ny famakiana ny Matio 25:5–13, dia afaka mijery ny ampahan’ilay horonantsary hoe “They That Are Wise” (minitra 0:00–5:46) ianao, izay mampiseho ny fanoharana momba ireo virijiny folo. Hita ao amin’ny LDS.org izany horonantsary izany. Rehefa mijery ilay horonantsary ianao dia tadiavo ny zavatra nataon’ireo virijiny dimy hendry sy ny zavatra nataon’ireo virijiny dimy adala.
Eritrereto ireto singa manaraka ireto avy ao amin’ilay fanoharana ary soraty izay eritreretinao fa mety asehon’ny tsirairay amin’izany:
Ny mpampakatra
Ireo virijiny hendry
Ireo virijiny adala
Fanala
Solika
Ireo andian-teny hoe “raha naharitra ela ny mpampakatra” (Matio 25:5) sy ny hoe “ary nony mamatonalina, dia nisy niantso” (Matio 25:6) dia milaza ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Diniho izay azonao ianarana momba ny Fiaviana Fanindroany avy amin’ireo andian-teny ireo. Azonao atao ny manoratra hoe Jesoa Kristy eo amin’ny sisin’ny pejy eo akaikin’ny andininy 5–6.
Nampianatra izay asehon’ireo virijiny folo ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Hita mazava tsara fa ireo virijiny folo dia maneho ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Kristy, satria nasaina hanatrika ilay fisakafoanana tamin’ny fampakaram-bady daholo izy rehetra ary samy nahafantatra ny zavatra notakina mba hahafahana miditra daholo izy rehetra rehefa tonga ny mpampakatra. Saingy ny antsasany ihany no vonona rehefa tonga izy” (“Preparation for the Second Coming,” Ensign na Liahona, mey 2004, 8).
Azonao atao ny manoratra hoe Mpikamban’ny Fiangonana eo amin’ny sisin’ny pejy eo akaikin’ny Matio 25:1-2.
Vakio ny Matio 25:8-9, ka saintsaino ny antony tsy nizaran’ireo virijiny hendry ny solikany tamin’ireo virijiny adala. Nampianatra izay mety asehon’ny solika sy ny antony tsy azo nizarana izany ny Filoha Spencer W. Kimball:
“Tsy fitiavan-tena na haratsiam-panahy izany. Tsy azo zaraina ilay karazana solika izay ilaina hanazavana ny lalana sy hampahazava ny haizina. Ahoana no ahafahan’ny olona iray mizara ny fankatoavany ny fitsipiky ny fahafolonkarena; ny filaminan-tsaina avy amin’ny fiainana amim-pahamarinana; ny fanangonana fahalalana? Ahoana no ahafahan’ny olona iray mizara finoana na fijoroana ho vavolombelona? Ahoana no ahafahan’ny olona iray mizara toe-tsaina tsara na fanajana ny fahadiovam-pitondrantena, na ireo zavatra niainana tamin’ny fanaovana asa fitoriana? Ahoana no ahafahan’ny olona iray mizara ireo tombontsoan’ny tempoly? Tsy maintsy mahazo izany karazana solika izany ho an’ny tenany ny tsirairay. …
“Ao amin’ilay fanoharana, ny solika dia afaka vidiana eny an-tsena. Eo amin’ny fiainantsika, ny menaky ny fiomanana dia mitombo tsikelikely avy amin’ny fiainana amim-pahamarinana. … Ny asa fanolorantena sy fankatoavana tsirairay dia tete iray nampiana ao amin’ny tsenantsika” (Faith Precedes the Miracle [1972], 255–56).
-
Saintsaino izay asehon’ny solika ao amin’ilay fanoharana? Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny lisitr’ireo asa fanolorantena sy fankatoavana izay afaka mameno izao fehezanteny manaraka izao: Araka ny Filoha Spencer W. Kimball, ny sasany amin’ireo zavatra izay mety asehon’ny solika ao amin’ilay fanoharana dia …
Izao manaraka izao dia fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ilay fanoharana sy ny fanamarihana nataon’ny Filoha Kimball: Tsy afaka mindrana fiomanana ara-panahy amin’ny hafa isika. Ny fahavonanana ara-panahy dia ahitana fijoroana ho vavolombelona, fiovam-po, finoana, ary ireo fanomezam-pahasoavana hafa izay tonga amin’ny tena manokana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
Nanazava ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
“Izao aho dia te hampiasa ny iray amin’ireo mety ho fanazavana ny fanoharana momba ireo virijiny folo mba hampisongadinana ny fifandraisana eo amin’ny fijoroana ho vavolombelona sy ny fiovam-po. Nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra ny virijiny folo, izay hendry ny dimy ary adala ny dimy. Eritrereto hoe fanalan’ny fijoroana ho vavolombelona ny fanala izay nampiasain’ireo virijiny. Nitondra ny fanalan’ny fijoroana ho vavolombelony ireo virijiny adala saingy tsy nitondra solika niaraka taminy izy ireo. Raiso ho soliky ny fiovam-po ilay solika. …
“Tia tena sy tsy te hizara ve ireo virijiny dimy hendry, sa nampiseho marina izy ireo fa tsy afaka indramina ny soliky ny fiovam-po? Azo omena olona iray hafa ve ny tanjaka ara-panahy izay azo avy amin’ny fankatoavana tsy tapaka ny didy? Azo afindra amin’ny olona iray izay mila izany ve ny fahalalana azo avy amin’ny fandalinana amim-pahazotoana sy ny fisaintsainana ny soratra masina? Azo afindra amin’ny olona iray izay miaina fahoriana na olana goavana ve ny fiadanana entin’ny filazantsara amin’ny Olomasin’ny Andro Farany? Ny valiny mazava ho an’ny tsirairay amin’ireo fanontaniana ireo dia tsia.
“Araka ny nohamafisin’ireo virijiny hendry araka ny tokony ho izy dia tsy maintsy ‘mividy ho an’ny tenantsika’ ny tsirairay amintsika. Tsy namariparitra fifanarahana ara-barotra ireo vehivavy nentanim-panahy ireo fa nanamafy ny andraikitsika tsirairay mba hihazona ny fanalan’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika hiredareda sy hahazo ny fanampin-tsoliky ny fiovam-po betsaka. Azo amin’ny in-dray mitete hatrany izany—‘andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra [sy] fitsipika anampy fitsipika’ (2 Nefia 28:30), amim-paharetana sy mitohy hatrany. Tsy misy hitsin-dalana; tsy misy fiomanana maika amin’ny minitra farany.
“‘Koa aoka ho mahatoky, hivavaka mandrakariva, hanana ny fanalanareo voakarakara sy mirehitra ary solika miaraka aminareo, mba ho vonona ianareo amin’ ny fiavian’ ny Mpampakatra’ (F&F 33:17)” (“Miova fo ao amin’ny Tompo,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 109).
Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ilay fanoharana izao manaraka izao: Miomana amin’ny Fiaviana Fanindroany isika amin’ny fampitomboana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika sy ny fiovam-pontsika amin’ny alalan’ny fanaovana ny fahamarinana isan’andro.
-
Manaova sarina fanala mirehitra amin’ ny solika lehibe ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Eo am-pieritreretana hatrany fa ilay solika ao anatin’ilay fanoharana dia maneho ny fiomanana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany, dia mamorona lisitr’ireo fomba ahafahanao manampy “solika” ao anatin’ny “fanalanao.” Raha azo atao dia zarao amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao na ireo namanao ny hevitrao, ary anontanio azy ireo izay hevitra arosony hanampiana ilay lisitra nataonao.
Mba hahatakarana ireo fomba hafa izay ahafahanao manangona solika in-dray mitete hatrany amin’ny alalan’ny fiainana araka ny fahamarinana dia azonao atao ny mijery ny ambin’ilay horonantsary “They That Are Wise” (minitra 5:46–8:44). Rehefa mijery ilay horonantsary ianao dia ampio ilay lisitry ny hevitra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.
Nohamafisin’ny Tompo tao anatin’ny fanambarana maoderina fa “ary amin’ izany andro izany [ny Fiaviana Fanindroany], rehefa ho avy amin’ ny voninahitro Aho, dia ho tanteraka ny fanoharana izay noteneniko momba ny virijiny folo” (F&F 45:56).
Vakio ny Matio 25:10-12, ka tadiavo izay nolazain’ilay mpampakatra tamin’ireo virijiny adala. Mety hanampy ny mahafantatra fa ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manazava fa ilay mpampakatra dia niteny hoe: “Tsy mahafantatra ahy ianareo” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 25:11 ).
Inona no lazain’ilay teny hoe “Tsy mahafantatra ahy ianareo” amintsika momba ireo virijiny dimy adala? Nahoana no tsy mitovy amin’ny mahafantatra ny Tompo ny hoe mahafantatra momba Azy fotsiny? (Jereo ny Jaona 17:3.)
Mianatra isika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo fa mba ho vonona amin’ny fiavian’ny Tompo sy ho mendrika ny hitoetra eo anatrehany dia tsy maintsy mahafantatra Azy isika.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Tamin’ny fomba ahoana no nahafantaranao bebe kokoa ny Mpamonjy?
-
Inona no mety o fiantraikan’ny fahafantarana ny Mpamonjy eo amin’ny fahavonanao ara-panahy amin’ny Fiaviany Fanindroany?
-
Raha nanohy ilay tantara tany amin’ny fiandohan’ny lesona—momba ilay zatovolahy mpihazona ny fisoronana izay tsy vonona tao anatin’ny fotoan-tsarotra—ny Loholona Holland dia nanazava fa nihazakazaka tany amin’ny tranon’ny lehilahy efa zokinjokiny iray tao amin’ny paroasiny ilay zatovolahy. Nanome tsodrano izay mampitony an’ilay zandriny ilay lehilahy efa zokinjokiny mandra-pahatongan’ny mpamonjy aina. Notohizan’ny Loholona Ballard hoe:
“Avy eo dia nilaza izao ilay tovolahy vao avy nahavita ny asa fitoriany izay noresahiko taminareo: ‘Tsy hisy olona hoe tsy niatrika ny zavatra natrehako tamin’iny alina iny ka hahafantatra ny henatra tsapako sy ny alahelo novesariko noho ny fahatsapako ho tsy mendrika ny hampiasa ny fisoronana nohazoniko. Vao mainka fahatsiarovana mampalahelo ho ahy izany satria ny zandriko lahy no nila ahy sy ireo ray aman-dreny malalako izay tsy mpikambana izay feno tahotra ary nanan-jo hiandry zavatra bebe kokoa avy aty amiko. Kanefa amin’izao fijoroako eto anatrehanareo anio izao, dia afaka manao izao fampanantenana izao ho anareo aho,’ hoy izy. ‘Tsy tanteraka aho, saingy nanomboka tamin’iny alina iny aho dia tsy nanao zavatra izay mety hisakana ahy tsy hankeo anoloan’ny Tompo amim-pahatokian-tena sy hangataka ny fanampiany rehefa ilaina izany. Ny fahamendrehan’ny tena manokana dia ady ao amin’ity tontolo izay iainantsika ity,’ hoy izy niaiky, ‘kanefa mandresy aho ao anatin’izany ady izany. Nahatsapa tena ho meloka indray mandeha tao amin’ny fiainako aho, ary tsy mikasa ny hahatsapa izany intsony mandrakizay raha mbola misy zavatra azoko atao hisorohana izany. Ary mazava ho azy,’ hoy izy teo am-pamaranana, ‘azoko atao ny zavatra rehetra hisorohana izany’” (“Ny Fahatokian-tena avy amin’ny Fahamendrehana,” 59).
Eritrereto izay tokony hataonao mba ho vonona ara-panahy amin’ny fiavian’ny Tompo? Azonao atao ny manisy faribolana ny asa iray na roa izay notanisainao tao anatin’ny sarina fanala mirehitra amin’ny solika nataonao ary mametraha tanjona mba hanao asa izay hampitombo ny fahavononanao ara-panahy.
Matio 25:14–46
Mampianatra ny mpianany ireo fanoharana momba ny talenta ary ny ondry sy ny osy i Jesoa Kristy.
Raha toa ka miditra ny efitrano ny ray aman-dreninao ka manome anao vola be dia inona no hataonao amin’ilay izy?
Rehefa nanohy nampianatra ny mpianany momba ny Fiaviany Fanindroany ny Mpamonjy dia nitantara ny fanoharana momba ny talenta Izy. Tato anatin’ity fanoharana ity dia nanome vola ho an’ireo mpanompony telo ny lehilahy iray izay handeha hanao dia lavitra: talenta dimy ho an’ilay mpanompo voalohany, talenta roa ho an’ilay faharoa, ary talenta iray ho an’ilay fahatelo. (Ny talenta dia vola .)
Vakio ny Matio 25:16-18, ka tadiavo izay nanaovan’ireo mpanompo ny volan’izy ireo.
Mianatra isika ao amin’ny Matio 25:19–23 fa rehefa niverina ny tompon’izy ireo dia nangataka ireo mpanompony mba hanao tatitra ny amin’izay nanaovan’izy ireo ny volany. Nampiasa ny volan’izy ireo mba hampitomboana in-droa heny ny volan’ny tompon’izy ireo ireo mpanompo nanana talenta dimy sy talenta roa. Nanafina izany kosa ilay mpanompo nanana talenta iray ka tsy nanana vola fanampiny omena ny tompony.
Vakio ny Matio 25:24-25, ka tadiavo ny antony nanafenan’ilay mpanompo ny talentany.
Azo ampitoviana amin’ireo fanomezam-pahasoavana sy fahafahana nomen’ny Tompo antsika ny talenta ato anatin’ity fanoharana ity. Afaka manakana antsika tsy hampiasa ireo fanomezam-pahasoavana sy fahafahana nomen’ny Tompo antsika ny tahotra.
Inona araka ny eritreritrareo no mitranga raha toa ka tsy mikolokolo ireo fanomezam-pahasoavana sy fahafahana ananantsika noho ny tahotra isika?
Vakio ny Matio 25:26–30 mba ahitana ny zava-nitranga tamin’ilay mpanompo ratsy sady malaina.
Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ity fanoharana ity ny hoe raha toa ka tsy mikolokolo sy mampiasa ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy ananantsika amin’ny tsara isika dia hanary izany.
Eritrereto ireo fomba sasany ahafahanao mampiasa ireo fanomezam-pahasoavana sy fahafahana anananao mba hampandrosoana ny asan’ny Tompo? Talenta iray azonao ampiasaina ny fijoroana ho vavolombelona anananao (jereo ny F&F 60:2–3). Manaova drafitra iray mba hampiasa sy hikolokolo amim-pahatokiana ireo fanomezam-pahasoavana sy fahafahana anananao.
Mianatra isika ao amin’ny Matio 25:31-46 fa hampisaraka ny olo-marina amin’ny olon-dratsy amin’ny fomba mitovy amin’ny hampisarahan’ny mpiandry ondry ny ondry amin’ny osy i Jesoa amin’ny Fiaviany Fanindroany. Ahoana no hamaritan’ny Tompo ny fahasamihafana eo amin’ireo izay tia Azy (ondry) sy ireo izay tsy tia Azy (osy)?
Vakio ny Matio 25:40, ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy momba ny fomba ampisehoantsika ny fitiavantsika Azy.
Mianatra isika avy amin’izany andinin-tsoratra masina izany fa rehefa tia sy manompo ny hafa isika dia mampiseho ny fitiavantsika ny Tompo.
Mba hahatakarana bebe kokoa ny fomba ampisehoantsika ny fitiavantsika ny Tompo amin’ny alalan’ny fitiavana sy fanompoana ny hafa dia jereo ilay horonantsary hoe “The Coat,” izay maneho ny zava-nitranga iray tamin’ny fahazazan’ny Filoha Heber J. Grant. Rehefa mijery izany ianao dia tadiavo hoe nanompo an’iza ilay zazalahy sy ny reniny.
Diniho ny fomba nitondranao ny hafa nandritra ny 24 ora lasa. Saintsaino raha toa ka hisafidy ny haneho fihetsika tsy mitovy amin’izany ianao raha toa ka ao anatin’ny toe-javatra mitovy amin’izany amin’ny hoavy. Mitadiava fahafahana hanaraka ireo bitsiky ny Fanahy Masina ka hanompo ny hafa mandritra ny 24 ora manaraka.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Matio 25 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: