Fizarana 1 Andro 3
Fandalinana ny Soratra Masina
Fampidirana
Ity lesona ity dia hanampy anao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fandalinana soratra masina isan’andro sy ny famakiana ny Testamenta Vaovao iray manontolo izay ampahany amin’ny zavatra atao ato anatin’ity fandaharam-pianarana ity. Afaka mianatra ireo fomba hanatsarana ny fandalinanao soratra masina ihany koa ianao.
Ny ilàna fandalinana soratra masina amin’ny fomba mahomby isan’andro
Eritrereto ireto teny nambara eto ambany ireto ary mariho eo amin’ny mari-drefy ny valinteninao. Tsy hotakina aminao ny hilaza ny valinteninao amin’ny mpampianatrao.
Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia saintsaino ny fomba azonao hanatsarana ny fandalinanao soratra masina.
Vakio ity teny nolazain’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“Mirakitra ny tenin’i Kristy ny soratra masina ary fitehirizana rano velona izay azontsika ampiasaina avy hatrany ka ahafahantsika misotro araka izay tiantsika sy maharitra. …
“Manary rano be dia be izay mandrafitra ny ampahany betsaka indrindra amin’ny vatantsika izaho sy ianao mandritra ireo asa fanaontsika an-davanandro. Ny hetaheta dia fitakian’ny sela amin’ny vatana rano, ary tsy maintsy fenoina isan’andro ny rano ao anatin’ny vatantsika. Raha ny marina dia tsy misy dikany mihitsy ny ‘mameno rano ny vatantsika’ tsindraindray kanefa manary rano fotsiny mandritra ny fotoana maharitra eo anelanelan‘izay. Mitombina ihany koa izany eo amin’ny ara-panahy. Filàna rano velona ny hetaheta ara-panahy. Mihoatra lavitra ny fisotroana rano kely tsindraindray ny fisotroana rano velona tsy tapaka” (“A Reservoir of Living Water” [takariva amorom-patana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 4 feb. 2007], 2, 9, speeches.byu.edu).
Fenoy ity fitsipika manaraka izay azontsika ianarana avy amin’ny teny nambaran’ny Loholona Bednar ity izay mikasika ny zavatra azontsika avy amin’ny fandalinana soratra masina isan’andro: Rehefa mandalina ny soratra masina isan’andro isika dia mahazo ny izay ilaintsika.
Ny lanjan’ny soratra masina amin’izao androntsika izao
Ho solon’ny famakiana ity teny manaraka nambaran’ny Loholona D. Todd Christofferson ity dia azonareo jerena ilay horonantsary an’ny Hafatra Môrmôna “The Blessings of Scripture” (3:04), izay hita ao amin’ny LDS.org, izay mirakitra ny fitantaran’ny Loholona Christofferson ny tantaran’i William Tyndale sy ny torohevitra nomeny mikasika ny maha-zava-dehibe ny soratra masina.
Nanoritsoritra ny sorona nataon’ny lehilahy iray mba hahafahan’ny olona maro kokoa hamaky ny Baiboly ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Tamin’ny 6 ôktôbra tamin’ny taona 1536, dia nisy olona iray mahonena nentina nankao amin’ny fonjan’ny Lapaben’i Vilvorde tany akaikin’i Bruxelles, any Belgique. Nandritra ny herintaona sy tapany dia natoka-monina tao anaty efitrano mihiboka maizina sady mando izy. Avy eo dia navoaka ivelan’ny rindrin’ny lapabe ilay voafonja ary nafatotra teo amin’ny tsatòka iray. Nanana fahafahana hanao vavaka mafy iray izy: ‘Tompo ô! sokafy ny mason’ny mpanjakan’i Angletera,’ ary dia nokendaina izy avy eo. Teo no ho eo dia nodorana teo amin’ilay tsatòka ny vata-mangatsiakany. Fa iza ary izany lehilahy izany ary inona no fahadisoana nataony … ? I William Tyndale no anarany, ary ny heloka nataony dia ny fandikana sy famoahana ny Baiboly tamin’ny teny Anglisy.
“… Nandritra ny resaka somary nafampana nataony niaraka tamin’ny pretra iray mikasika ny fanoheran’ity farany ny fanomezana ny olon-tsotra ny fahafahana handray ny soratra masina no nanaovan’i Tyndale voady hoe: ‘Raha mitsimbina ny aiko Andriamanitra dia hataoko atsy ho atsy izay hahafantaran’ny tovolahikely iray mpitarika sarety mpamadika bainga bebe kokoa ny Soratra Masina mihoatra noho ianao!’ …
“Tsy i William Tyndale no voalohany na koa farany tamin’ireo olona avy tany amin’ny firenena maro sy fiteny maro izay nahafoy tena, eny hatramin’ny ainy aza, mba hitondrana ny tenin’ Andriamanitra hiala avy ao amin’ny haizina. … Inona no zava-dehibe fantatr’izy ireo mikasika ny soratra masina izay tokony ho fantatsika koa? Inona no zavatra takatry ny olona izay niaina tany Angletera tamin’ny taonjato faha-16, ka nandany vola tsy toko tsy forohana sy sahy nanao vy very ny ainy mihitsy aza mba hahazoana ny Baiboly, ka tokony ho takatsika koa?” (“Ny fitahiana avy amin’ny soratra masina,” Ensign na Liahona, mey 2010, 32–33).
Nahoana araka ny eritreritrao no nanao fahafoizantena lehibe toy izany ny olona mba hahafahana mampiasa ny soratra masina?
Notohizan’ny Loholona Christofferson hoe: “Tamin’ny andron’i Tyndale, dia nihanaka ny tsy fahalalana ny soratra masina satria tsy nanana fahafahana hahazo ny Baiboly ny olona, indrindra tamin’ny fiteny izay hahatakarany azy. Ankehitriny ny Baiboly sy ny soratra masina hafa dia mora azo, kanefa toa mitombo izay tsy izy ny tsy fahalalana ny soratra masina satria tsy manokatra ireo boky ireo ny olona. Vokatr’izany dia hadinon’izy ireo ny zavatra fantatry ny ray aman-drenibeny teo aloha” (“Ny fitahiana avy amin’ny soratra masina,” 33).
Araka ny eritreritrao, nahoana ny olona amin’izao androntsika izao no tsy mamaky ny soratra masina araka izay tokony hataony?
Nofaranan’ny Loholona Christofferson hoe: “Eritrereto ny halehiben’ny fitahiana azontsika amin’ny fananantsika ny Baiboly Masina sy ireo soratra masina fanampiny miisa 900 pejy eo ho eo, ka ao anatin’izany ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ary ny Voahangy Lafo Vidy. … Mino aho fa noho ny fananana izany fitahiana izany, dia milaza amintsika ny Tompo fa lehibe kokoa mihoatra noho ny tamin’ny andro teo aloha ny filantsika ny fampiasana tsy tapaka ny soratra masina” (“Ny fitahiana avy amin’ny soratra masina,” 35).
Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny zavatra nolazain’ny Loholona Christofferson ny hoe lehibe kokoa mihoatra noho ny tamin’ny andro teo aloha ny filantsika ny soratra masina.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana araka ny eritreritrao no lehibe kokoa mihoatra noho ny tamin’ny andro teo aloha ny filantsika ny soratra masina?
Nanoratra taratasy iray i Paoly Apôstôly, izay namariparitany ireo toetoetran’izao tontolo izao amin’ny andro farany. Vakio ny 2 Timoty 3:1–5, 13, mba hitadiavana ireo fahotana sy fihetsika sasantsasany izay nolazainy fa ho fahita amin’izao androntsika izao. ( Azonao atao ny miresaka ireo fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy mba hahazoana fanampiana amin’ny fahatakarana ireo teny sy andian-teny sarotra ao amin’ireo andininy ireo.)
Inona avy ireo fahotana sy toetra sasantsasany voatanisa ao amin’ireo andininy ireo izay efa hitanao maso tao anatin’ny fiarahamonina misy antsika ankehitriny?
Vakio ny 2 Timoty 3:14–17, mba hitadiavana ny fomba hahazoantsika fiarovana mandritra ireo fotoana mampidi-doza ireo. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.
Avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny 2 Timoty 3:15–17, dia inona avy ireo fitahiana afaka ho azontsika rehefa mandalina ny soratra masina sy miaina ireo fampianarana omeny isika? Ataovy lisitra eo amin’ny faritra malalaka nomena ny valinteninao mba hamenoana ity teny nambara manaraka ity: Rehefa mandalina ny soratra masina isan’andro isika dia mahazo ny izay hitarika antsika any amin’ny famonjena.
Io teny nambara izay nofenoinao io dia ohatra iray amin’ny fitsipiky ny filazantsara. Ny fitsipika sy Fotopampianaranan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia fahamarinana tsy miova izay mitondra fitarihana eo amin’ny fiainantsika. Ny iray amin’ireo tanjona fototry ny soratra masina dia ny hampianatra ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara. Azontsika atao manan-danja kokoa ny fandalinantsika manokana ny soratra masina amin’ny alalan’ny fandalinana ireo Fotopampianarana sy fitsipika, ny fisaintsainana ny hevitra fonosiny, ary ny fampiharana azy ireo eo amin’ny fiainantsika.
-
Jereo ilay fitsipika nofenoinao etsy ambony. Dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity avy eo: Oviana ianao no nahatsapa hoe nandray fahendrena, na fahazavana, na fahamarinana, na fanitsiana, na fampianarana vokatry ny fandalinanao ny soratra masina?
Mamaky ny Testamenta Vaovao isan’andro
Iray amin’ireo zavatra andrasana amin’ity taranja amin’ny seminera ity ny hamakinao ny Testamenta Vaovao iray manontolo. Zavatra takina mba hahazoana diplaoma amin’ny seminera izany. Hilàna ezaka tsy tapaka ny famakiana ny Testamenta Vaovao iray manontolo.
Efa mba nanandrana nisotro rano na soda tamin’ny fantsona kely fitrohan-drano mihoatra ny iray ve ianao? Raha manana fantsona kely fitrohan-drano azo ampiasaina ianao dia manandrama misotro rano na soda amin’ny vera amin’ny fantsona kely fito indray miaraka. Sarotra be ny misotro indray mandeha ny rano rehetra ao amin’ilay vera. Fa raha misotro tsimoramora sy tsy tapaka amin’ny fantsona kely iray ianao dia ho hitanao fa ho afaka hisotro mora foana ny rano rehetra ianao (ary hahafinaritra kokoa ilay traikefa!).
Ahoana no hampifandraisanao io lesona ianaran-javatra io amin’ny famakiana ny Testamenta Vaovao iray manontolo mandritra ity fandaharam-pianarana ity?
Ampiasao ity fampimirana manaraka ity mba hanampiana anao hahita ny fomba ahafahanao manatratra ny tanjona amin’ny famakiana ny Testamenta Vaovao iray manontolo amin’ny alalan’ny famakiana ampahany kely isan’andro:
-
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny momba ny sasany amin’ireo zavatra afaka manampy anao hamboly fahazarana handalina soratra masina isan’andro mba hahafahanao mahazo fahendrena, fahazavana, fahamarinana, fanitsiana, ary fampianarana avy amin’ny soratra masina. Manorata ihany koa tanjona iray mba hanokana fotoana isan’andro hanaovana fandalinan’ny tena manokana soratra masina sy hamakina ny Testamenta Vaovao iray manontolo.
Fomba hoenti-mandalina ny soratra masina
-
Ity lisitry ny fomba hoenti-mandalina ity dia afaka manatsara ny fandalinanao soratra masina. Mifidiana roa amin’ireto fomba manaraka ireto, ary andramo ampiasaina izy ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ireo andinin-tsoratra masina miaraka aminy. Hazavao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hanampian’ireo fahaiza-manao ireo anao amin’ny fandalinanao soratra masina.
Fomba hoenti-mandalina ny soratra masina
Fanoloana anarana: Mba hampifandraisana ireo fotopampianarana sy fitsipika avy amin’ny soratra masina amin’ny fiainanao dia soloy amin’ny anaranao ny anarana iray ao amin’ny soratra masina. Andramo ampiasaina amin’ny anaran’i Simona Petera ao amin’ny Matio 16:15–17 ity fomba fandalinana soratra masina ity.
Antony sy Vokatra: Mba hanampiana anao hahafantatra ireo fitsipiky ny filazantsara ao amin’ny soratra masina dia tadiavo ireo fifandraisan’ny “raha–dia” sy “satria–noho izany”. Andramo ampiasaina amin”ny Matio 6:14–15 io fomba io.
Lisitra ao amin’ny Soratra Masina: Matetika ny soratra masina no ahitana fitanisan-javatra, tahaka ny torolalana na ny fampitandremana. Rehefa mahita lisitra ianao dia asio laharana ny singa tsirairay voatanisa. Andramo ampiasaina amin”ny Galatiana 5:22–23 io fomba io.
Fifanoherana: Matetika dia ahitana fifanoherana ara-kevitra, fifanoherana ara-trangan-javatra, ary fifanoherana misy eo amin’ny olona ao anatin’ny soratra masina. Manantitrantitra fitsipiky ny filazantsara ireo fifanoherana ireo. Mitadiava zavatra mifanohitra ao anatin’ny andinin-tsoratra masina tokana sy ao anaty toko sy toko maromaro ary boky. Andramo ampiasaina amin’ny Matio 5:14–16 io fomba io.
Fakàna sary an-tsaina. Tadiavo ireo antsipirian-javatra izay afaka manampy anao hamorona sary ao an-tsaina rehefa mamaky ianao. Alaivo sary ao an-tsaina hoe manatrika eo ianao ao anatin’ny zava-mitranga sasany. Afaka mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny maha-tena nisy ny zavatra novakinao ao anatin’ny soratra masina izany. Andramo ampiasaina amin’ny Matio 8:23–27 io fomba io.
Tandindona: Ireo teny toy ny sahala, toy, na sahala amin’ny dia afaka manampy anao hamantatra ireo tandindona. Takaro ny hevitr’ireo tandindona amin’ny alalan’ny famantarana ny karazany ary amin’ny alalan’ny fisaintsainana mikasika ny toetoetrany. Ireo fanampiana hoenti-mandalina ny soratra masina toy ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy sy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina dia afaka manampy anao hamantatra ny hevitry ny tandindona sansantsasany. Andramo ampiasaina amin’ny Matio 13:24–30 io fomba io. (Azonao ampitahaina amin’izay omena ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:1–7 ny hevitra hitanao.)
Andinin-tsoratra masina mifandray: Matetika ny andinin-tsoratra masina iray dia afaka manazava andian-teny na lohahevitra iray izay hita any amin’ny andininy hafa. Ampifandraiso ireo andinin-tsoratra masina amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy sy ny lohahevitra nalahatra araka ny abidia ho an’ny soratra masina na ny Torolalana ho an’ny soratra masina mba hamantarana ny hevitra fonosin’ny andinin-tsoratra masina iray. Ampiharo io fomba io amin’ny alalan’ny famakiana ny Jaona 10:16 ary avy eo dia ampitahao amin’ny 3 Nefia 15:21. Nahoana ny famakiana ny 3 Nefia15:21 no manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny hevitra fonosin’ny Jaona 10:16?
Fisaintsainana: Tafiditra ao anatin’ny fisaintsainana lalina ny fieritreretana, ny fandinihina lalina, ny fametrahana fanontaniana, ary ny fandrefesana izay zavatra hainao sy izay nianaranao. Mazàna ny fisaintsainana dia manampy antsika hahatakatra izay tokony ataontsika mba hampiharana ny fitsipiky ny filazantsara. Saintsaino ny fomba ahafahanao mampihatra ireo fahamarinana hita amin’ny Hebreo 12:9.
Fampiharana: Rehefa mahafantatra sy mahatakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika hita ao amin’ny soratra masina ianao dia afaka mahazo fahalalana bebe kokoa amin’ny alalan’ny fampiharana ireo fahamarinana hitanao. Ny Tompo dia nilaza hoe: “Raha misy olona ta-hanao ny sitrapo[n’ny Ray any An-danitra], dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy, na avy amin’ Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho” (Jaona 7:17). Mitadiava fotoana ahafahana mampihatra na mampifanaraka amin’ny fiainanao ny zavatra nianaranao rehefa mandalina ny soratra masina samirery ianao (jereo ny 1 Nefia 19:23).
Mitadiava fomba hampiharana ny tsirairay amin’ireo fomba fandalinana ireo ao anatin’ny herinandro ho avy rehefa mandalina ny Testamenta Vaovao ianao.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina anao androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Nandalina ny lesona “Fandalinana ny Soratra Masina” aho ary nahavita izany tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: