Tahirim-pitaovana
Fizarana 9, Andro 3: Lioka 2


Fizarana 9: Andro 3

Lioka 2

Fampidirana

Nandeha tany Betlehema i Josefa sy i Maria ary teraka tao i Jesoa. Nankatò ny torolalana avy amin’ny anjely iray ireo mpiandry ondry mba hitady ilay Jesoa vao teraka, ary avy eo izy ireo dia nanambara tamin’ny hafa ny fahaterahan’i Jesoa. Nitsodrano an’i Jesoa tao amin’ny tempoly i Simeona, ary i Ana dia nizara ny fijoroana ho vavolombelona nananany fa efa teraka ny Mpanavotra. I Jesoa dia nitombo “saina sy tena sady nadroso fitia tamin’ Andriamanitra sy ny olona” (Lioka 2:52).

Lioka 2:1-20

Teraka tao Betlehema i Jesoa

Ny Fahaterahan’i Jesoa

Hatraiza ny fahatokisanao ny fahalalanao mikasika ireo zava-nitranga manodidina ny fahaterahan’ny Mpamonjy? Tsapao ny fahaizanao manokana amin’ny famenoana ity ankamantatra manaraka ity. Soraty raha toa ka marina (M) na diso (D) ny fehezanteny tsirairay avy.

  • ____ 1. Nandeha tany Betlehema mba handoa hetra i Josefa sy i Maria.

  • ____ 2. Nanao dia mirefy 44km avy any Nazareta nankany Betlehema i Maria sy i Josefa.

  • ____ 3. Ilay Jesoa zazakely dia nampandriana tao an-tranon’omby satria feno ny toerana fandraisam-bahiny.

  • ____ 4. Ireo mpiandry ondry dia nanaraka ilay kintana nitarika tao an-tranon’omby izay nandrian’i Jesoa.

  • ____ 5. Ankoatra an’i Maria sy i Josefa dia ireo mpiandry ondry no voarakitra fa nahita an’i Jesoa voalohany.

  • ____ 6. Notenenin’ilay anjely izy ireo mba tsy hilaza na amin’iza na amin’iza ny zavatra izay hitany.

Eo am-pandalinanao ny Lioka 2, dia tadiavo ireo valin’ireto fanontaniana ireto mba hijerena raha toa ka novalinao araka ny tokony ho izy izany.

Vakio ny Lioka 2:1–5 mba hikarohana ny antony nandehanan’i Josefa sy i Maria tany Betlehema.

Naniry ny hampanoratra ny anarana na hanisa ny vahoaka i Kaisara. Noho ny fandoavan-ketra no tanjona nanaovana izany.

Sokafy ao amin’ny sarintany sy sary mikasika ny baiboly, lah 11 “Ny tany masina tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao,” izay hita ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina ny bokinao. Karohy ao amin’ilay sarintany ny tanànan’i Nazareta sy i Betlehema.

Jereo fa “i Betlehema [dia] eo ho eo amin’ny 137-145 km eo any amin’ny faritra atsimon’i Nazareta,tokony ho dia eo amin’ny efatra na dimy andro an-tongotra farafahakeliny, mety ho lava kokoa rehefa eritreretina ny toe-javatra niainan’i Maria” (New Testament Student Manual [Church Educational System manual, 2014],143).

Saintsaino izay eritreretinao fa mety ho toe-javara mifanaraka indrindra amin’ny fahaterahan’ny Mpahary sy Mpamonjy an’izao tontolo izao. Vakio ny Lioka 2:6–7 mba hikarohana ny toe-java-nisy tamin’ny nahaterahan’i Jesoa.

Vakio ny Lioka 2:8–14 mba hikarohana ny fomba nanambarana ny fahaterahan’i Jesoa.

Anjely miaraka amin’ny mpiandry ondry

jereo fa ny Lioka 2:10 dia namaritra ireo fahatsapana mety hananantsika satria teraka ny Mpamonjy. Soraty ao amin’ny soratra masinao ireto fahamarinana manaraka ireto: Koa satria teraka teto an-tany ny Mpamonjy dia afaka miaina fifaliambe isika.

Eo am-panohizanao mandalina ny Lioka 2, dia tadiavo ireo ohatra mikasika ny fomba nitondran’ny fahalalana mikasika ny fahaterahan’ny Mpamonjy fifaliana ho an’ny hafa.

Vakio ny Lioka 2:15–20, ary asio marika ireo teny na andian-teny izay maneho ny fomba namalian’ireo mpiandry ondry ny torolalana avy amin’ilay anjely.

Jereo ny fa namaly avy hatrany ny hafatr’ilay anjely ireo mpiandry ondry. Nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny inona ireo mpiandry ondry noho ny namalian’izy ireo ity hafatra ity?

Avereno jerena ny Lioka 2:17-20 mba hikarohana izay nataon’ireo mpiandry ondry rehefa avy nandray fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy izy ireo. Nahoana araka ny eritreritrao no nozarain’ireo mpiandry ondry tamin’ny hafa ny zavatra niainan’izy ireo sy henony?

  1. sary famantarana ny diaryVitao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto asa ampanaovina manaraka ireto:

    1. Fenoy miainga avy amin’ny zavatra nianaranao avy amin’ireo fihetsiky ny mpiandry ondry ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mahazo ny fijoroana ho vavolombelona an’ny tenantsika mikasika an’i Jesoa Kristy isika dia haniry ny .

    2. Saintsaino ny fotoana iray nahatsapanao faniriana ny hizara amin’ny hafa ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Manorata momba ny antony nanananao izany faniriana izany.

Lioka 2:21–39

Nambaran’i Simeona sy i Ana fa i Jesoa no ho Mpamonjy an’izao tontolo izao

Novakintsika tao amin’ny Lioka 2:21-24 fa valo andro taorian’ny nahaterahan’i Jesoa, dia natolotr’i Maria sy i Josefa tany amin’ny tempoly Izy araka ny lalàna Jiosy (jereo ny Eksodosy 13:2). Olona roa izay tao amin’ny tempoly tamin’io andro io no nahafantatra ilay Jesoa zazakely ho ilay Mesia.

Vakio ny tantaran’i Simeona ao amin’ny Lioka 2:25–32. (Mariho fa ny fehezanteny hoe “ka niandry ny fampiononana ny Isiraely” ao amin’ny Lioka 2:25 dia milaza ny fiandrasana ny Mesia izay ho avy.) Avy eo dia vakio ny tantaran’i Ana ao amin’ny Lioka 2:36–38. Tadiavo ao amin’ireo tantara roa ireo ny fomba nitondran’ny fahaterehan’ny Mpamonjy hafaliana ho an’ireo olona ireo.

Tamin’ny fomba ahoana no nijoroan’i Simeona sy i Ana ho vavolombelon’i Jesoa Kristy tamin’izany?

Vakintsika ao amin’ny Lioka 2:34-35 fa i Simeona dia nitsodrano ihany koa an’i Josefa sy i Maria. Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manazava ny faminanian’i Simeona tamin’i Maria: “Eny, hisy sabatra hitsatoka ao Aminy mba handratra ny fanahinao; mba haseho ny hevitry ny fo maromba hanehoana ny hevitry ny fo maro” (Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 2:35).

  1. sary famantarana ny diaryHazavao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony hitondran’ny fahafantarana ny fahaterahan’ny Mpamonjy fifaliana ho anao. Zarao amin’ny namana iray na mandritra ny takarivan’ny mpianakavy io fijoroana ho vavolombelona io.

Araka ny ao amin’ny Lioka 2:39, taorian’ny fanolorana an’i Jesoa tao amin’ny tempoly, dia niverina niaraka tamin’i Jesoa hody tany Nazareta i Josefa sy Maria.

Lioka 2:40–52

Nitombo “saina sy tena |i Jesoa zaza] sady nandroso fitia tamin’ Andriamanitra sy ny olona”

Ny Fahazazan’ i Jesoa Kristy
i Jesoa zaza mitana horonana misy soratra masina

Manorata zavatra tianao hatsaraina mikasika ny tenanao:

Afaka manampy anao ho lasa ilay olona tianao hahatongavana amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana hoe toy ny ahoana i Jesoa tamin’Izy nitovy taona taminao?

Antsipiriany vitsy ihany no voarakitra ao amin’ny soratra masina mikasika ny fahazatovon’i Jesoa, kanefa ireo antsipiriany ireo dia afaka ny ho fitahiana lehibe sy fitarihana ho antsika rehefa mikatsaka ny hampivoatra ny tenantsika manokana isika. Vakio ny Lioka 2:40 mba hikarohana ny fomba namaritan’i Lioka ny fiandohan’ny fiainan’i Jesoa. Mariho fa ny hoe nihahery dia midika hoe nitombo.

Avy eo dia vakio ny Lioka 2:41-49 mba hikarohana ny zavatra nataon’i Jesoa tamin’Izy 12 taona.

Nahoana i Jesoa no nijanona tao amin’ny kianjan’ny tempoly? (Vakio ny Lioka2:46, mba hitadiavana ny fomba nanazavan’ny Dikantenin’i Joseph Smith ny zavatra nataon’i Jesoa tao amin’ny kianjan’ny tempoly.)

I Jesoa zaza mampianatra ao an-kianjan’ny tempoly

sary famantarana ny horonan-tsaryRaha misy dia azonao atao ny mijery ny “Young Jesus Teaches in the Temple” (2:30) avy amin’ny The Life of Jesus Christ Bible Videos, izay azo jerena ao amin’ny LDS.org, mba hijerena ny fanehoana an-tsary ny zava-nitranga rehefa nahita an’i Jesoa teo amin’ny kianjan’ny tempoly i Josefa sy i Maria. Raha tsy misy ilay horonan-tsary dia Vakio ny Lioka 2:48-50 mba hikarohana ny zavatra nolazain’i Jesoa an’i Maria sy i Josefa rehefa nahita Azy izy ireo.

Inona ny zavatra ambaran’ity tantara ity mikasika ny fahalalan’i Jesoa Kristy ny maha izy Azy raha mbola zatovolahy Izy?

Mpaminany Joseph Smith

Nanambara izao manaraka izao mikasika ny fahatanoran’i Jesoa Kristy ny mpaminany Joseph Smith: “Raha mbola zazalahy kely Izy dia nanana ny faharanitan-tsaina rehetra izay nilaina mba hahafahany manapaka sy mitantana ny fanjakan’ny Jiosy, ary afaka niady hevitra tamin’ireo manam-pahaizana amin’ny lalàna sy ny finoana izay nahay indrindra, ka nanao izay hahatonga ny rijan-kevitra sy ny fomba fanaon’izy ireo ho toy ny hadalana raha nampitahaina tamin’ny fahendrena izay nananany; Saingy mbola zazalahy kely Izy, ary tsy nanana tanjaka ara-batana mba hiaro ny tenany manokana, ary afaka nihatra taminy ny niaritra hatsiaka, sy hanoanana ary fahafatesana (ao amin’ny History of the Church,6:308).

Vakio ny Lioka 2:51-52 mba hikarohana ireo fomba nitomboan’i Jesoa (jereo koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 3:24-26 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina]).

Lioka 2:52 dia mampianatra fa i Jesoa dia “nitombo saina.” Mianatra fomba telo hafa nitomboany koa isika ao amin’io andininy io. Ny hoe nitombo “tena” dia midika hoe nitombo ara-batana. Ny andian-teny hoe “nandroso fitia tamin’ Andriamanitra ” dia mifandray amin’ny fahasalamana ara-panahy, ary ny andian-teny hoe “nandroso fitia … tamin’ny olona” dia mifandray amin’ny fifandraisana eo amin’ny fiaraha-monina. Noho izany, raha mifototra amin’ny fandalinantsika io andininy io dia afaka mianatra izao fitsipika manaraka izao isika: Afaka manaraka ny ohatr’i Jesoa isika amin’ny fahazoantsika fahendrena sy ny fitomboantsika ara-batana, ara-panahy, ary ara-piaraha-monina.

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana no manan-danja amintsika ny mivelatra amin’ny tsirairay avy amin’ireo sehatra efatra ireo?

  • Ahoana no nitahiana anao rehefa niezaka nanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa ianao tamin’ny fiezahany nivelatratamin’ireo sehatra ireo?

  1. sary famantarana ny diaryAdikao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao manaraka ity. Avy eo dia soraty eo ambanin’ny sokajy tsirairay ny tanjonao amin’ny fivelaranao manokana sy ny drafitra hanatanterahanao izany tanjna izany mandritra ireo herinandro ho avy.

Afaka manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa aho amin’ny fampitomboana ny …

Sokajy:

ara-tsaina

ara-batana

ara-panahy

ara-piaraha-monina

Ny tanjoko sy ny drafitra ataoko hanatanterahako ny tanjoko:

  1. sary famantarana ny diarySoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Lioka 2 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

  • Valin’ilay andiam-panontaniana marina–diso 1. Marina; 2. Diso; 3. Marina; 4. Diso; 5. Marina; 6. Diso.