Tahirim-pitaovana
Fizarana 6, Andro 4: Matio 26:1–30


Fizarana 6: Andro 4

Matio 26:1–30

Fampidirana

Niray tetika tamin’ireo mpitarika Jiosy izay naniry ny hamono an’i Jesoa i Jodasy roa andro mialoha ny Paska. Nanorina ny fanasan’ny Tompo i Jesoa ny alin’ny Paska.

Matio 26:1-16

Niteti-dratsy niaraka tamin’ireo mpitarika Jiosy izay naniry ny hamono an’i Jesoa i Jodasy.

Efa nahita horonantsary na namaky tantara ve ianao ka nisy namadika ny olona iray tao anatin’izany? Nahoana no nisy namadika izany olona izany? Inona no ho tsapanao raha toa ka mamadika anao ny namanao akaiky iray? Rehefa mamaky momba ireo ora farany teo amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy ianao dia tsarovy fa namadika Azy ny namany akaiky iray.

manisy marika ny tolanam-baravarana tany Egypta.

Anisan’ireo herinandro manan-danja indrindra tao anatin’ny taona ny herinandron’ny Paska ho an’ny Isiraelita fahiny. “Ny lanonan’ny Paska dia naorina [ tamin’ny andron’i Mosesy] mba hanampiana ny zanak’i Isiraely hahatsiaro ny fotoana nandalovan’ilay anjely mpandringana ny tranon’izy ireo ka nanafaka azy ireo tamin’ny Egyptiana [jereo ny Eksôdôsy 12:21–28; 13:14–15].” Nanao sorona zanak’ondry ny Isiraelita mandritra ny Paska ka namafy ny ràn’izany teny amin’ny tolanam-baravarany. “Ny zanakondry tsy misy kilema, izay nampiasaina ho marika nanavotana an’i Isiraely fahiny ny rany, dia tandindon’i Jesoa Kristy, Ilay Zanakondrin’ Andriamanitra, izay nanavotra ny olombelona rehetra ny sorona nataony” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Paska,” scriptures.lds.org).

Vakio ny Matio 26:1-2, ka tadiavo izay nolazain’i Jesoa Kristy fa hitranga aorian’ny Paska.

Vakio ny Matio 26:3-5 avy eo, ka tadiavo hoe iza no namolavola drafitra mba hamonoana an’i Jesoa teto.

Nahoana no nanapa-kevitra ny hiandry aorian’ny Paska mba hamonoana an’i Jesoa ireo mpanora-dalàna sy ireo lohan’ny mpisorona?

Mamaky isika ao amin’ny Matio 26:6–13 fa raha tany Betania i Jesoa dia nisy vehivavy iray nanatona Azy sy nanosotra Azy tamin’ny diloiloy tena lafobe ho famantarana ny fahafatesany sy ny fandevenana Azy izay nananontanona. Nimenomenana ny mpianany sasany, ka anisan’izany i Jodasy, iray tamin’ireo Apôstôly Roambinifolo sy ny mpitam-bolan’ny vondrona, fa tokony ho namidy hanampiana ny mahantra ilay diloilo. Tsy tena niahiahy momba ny mahantra anefa i Jodasy fa mpangalatra iray izay te hahazo vola ho an’ny tenany izy (jereo ny Jaona 12:4–6).

Vakio ny Matio 26:14-16, ary tadiavo ny zavatra nataon’i Jodasy rehefa nobedesin’ny Mpamonjy izy noho ny fimenomenonany.

Diniho hoe ohatrinona no azon’i Jodasy ho tambin’ny famadihana Azy. “Araka ny lalàn’i Mosesy, ny sekela volafotsy telopolo dia hanonitra ny tompon’andevo iray raha maty izany (jereo Eksôdôsy 21:32). … Ny tambin’ilay famadihana dia maneho ny tsy fanajan’i Jodasy sy ireo lohan’ny mpisorona ny Mpamonjy” (New Testament Student Manual [Church Educational System manual, 2014], 81). Nanatanteraka faminaniana tao amin’ny Testamenta Taloha momba ny famadihana ny Mpamonjy ihany koa izany (jereo ny Zakaria 11:12).

Matio 26:17–25

Mihinana ny sakafon’ny Paska i Jesoa sy ny mpianany

zatovovavy sy ny sariny ao anaty fitaratra

Eritrereto ny fotoana farany nijerenao fitaratra. Inona avy ireo ilantsika fitaratra?

Vakio izao teny manaraka izao izay nolazain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, ary tadiavo sy asio marika ny antony maha-zava-dehibe ny mahita mazava tsara ny tenantsika, araka ny ahitan’ Andriamanitra antsika:

Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Tsy misy amintsika te hiaiky rehefa tsapantsika fa manomboka mivily lalana isika. Matetika no ialantsika ny fandinihana lalina ny ao anatintsika sy ny fiatrehana mivantana ireo fahalementsika sy ny fetra tsy azo ihoarantsika ary ny tahotsika. Vokatr’izany, rehefa mandinika ny fiainantsika isika dia lasa mampiasa hevitry ny tenantsika manokana sy fialan-tsiny ary tantara foronintsika ho an’ny tenantsika mba hanamarinana ireo eritreritra sy fihetsika tsy mendrika.

Zava-dehibe ho an’ny fivoarantsika sy ny fahombiazantsika ara-panahy anefa ny fahafahana mahita mazava ny tenantsika. Raha toa ka mitoetra ao anatin’ny faritra maizin’ny aloka ireo fahelementsika, dia tsy afaka hanasitrana azy ireo sy hamadika azy ireo ho tanjaka ilay hery manavotry ny Mpamonjy. …

“Ahoana izany no ahafahantsika mampiasa ilay hazavana madion’ny fahamarinan’ Andriamanitra mba handinihana ny ao anatintsika sy mba hahitantsika ny tenantsika araka ny ahitany azy?

Mamela ahy ianareo mba hanoro hevitra fa ny soratra masina sy ireo lahateny zaraina mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana dia fitaratra mahomby azontsika tazonina mba handinihan-tena” (“Moa izaho va izany, Tompoko?” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 58).

Saintsaino ny fomba mety ampitahana ny soratra masina sy ireo lahateny natao nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana amin’ny fitaratra mba hanampiana antsika hahita ireo fomba ilaintsika hanatsarana ny fiainantsika.

Rehefa mandalina ny Matio 26:17–25 ianao dia mitadiava fitsipika iray izay afaka manampy anao hamantatra ireo fahalemenao mba hahafahanao manao asa handresena azy ireny.

Mamaky isika ao amin’ny Matio 26:17-19 fa nilaza tamin’ny mpianany i Jesoa mba hamandrika efitrano iray tao Jerosalema hihinana ny sakafon’ny Paska.

Vakio ny Matio 26:20-21, ary tadiavo ny zavatra nolazain’i Jesoa tamin’ny Apôstôliny nandritra ny sakafon’ny Paska.

Raha teo ianao dia inona no mety ho neritreretinao rehefa avy niteny izany i Jesoa Kristy?

Vakio ny Matio 26:22, ka tadiavo ny fanontaniana napetraky ny Apôstôly tamin’i Jesoa:

Inona no ampianarin’ilay fanontaniana hoe “Moa izaho va izany, Tompoko?” anao momba ireo Apôstôly mahatoky iraika ambin’ny folo?

Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’izany tantara izany ny hoe rehefa naheno ny tenin’ny Tompo ireo mpianatra dia nanombantombana ny fiainany manokana izy ireo mba hahitana ny fomba hiharan’izany amin’ny tenan’izy ireo.

Nilaza izao manaraka izao ny Filoha Uchtdorf momba izany tantara izany:

Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Tsy niahiahy ny fahamarinan’ny zavatra nolazain[’ny Mpamonjy] ireo mpianatra. Na koa nitoditodika dia nanondro olona iray ary nanontany hoe: ‘Moa izy va izany?’ …

“Manontany tena aho hoe inona no ho nataontsika tsirairay raha toa ka niteny an’izany tamintsika ny Tompo? Mety ho nitoditodika ve isika ary niteny tao anakampontsika hoe: ‘Rahalahy Rakoto angamba izany olona tiany holazaina izany. Efa nampiahiahy ahy foana izy io,’ na ‘Faly aho fa ao Rahalahy Rabe. Mila maheno izany hafatra izany mihitsy izy’? Sa ve isika nanao tahaka an’ireo mpianatra fahiny ireo ka nandinika ny tenantsika ary nametraka fanontaniana lalina hoe: ‘Moa izaho va izany?’” (“Moa izaho va izany, Tompoko?” 56).

Efa nalaim-panahy tsy hiraharaha ny tenin’ny Tompo ve ianao ka nihambo fa natao ho an’ny olona hafa izy ireny? Vakio izao teny manaraka izao izao, ka tadiavo izay nasain’ny Filoha Uchtdorf mba hataontsika rehefa maheno ny tenin’ny Tompo isika:

“Ao anatin’ireo teny tsotra ireo hoe: ‘Moa izaho va izany?’ no ahitana ny fiandoham-pahendrena ary ny lalana mitondra any amin’ny fiovampon’ny tena manokana sy ny fiovana maharitra. …

“Tokony hanaisotra ny avonavontsika sy tsy hitoetra ao anatin’ny fieboeboantsika isika, ka hanontany amim-panetrentena hoe: ‘Moa izaho va izany, Tompoko’?

“Ary raha toa izao no valintenin’ny Mpamonjy hoe: ‘Eny ry zanako lahy [na zanako vavy], misy zavatra izay tokony hatsarainao, zavatra izay azoko hanampiana ny fandresena azy,’ dia mivavaka aho mba hanaiky izany valiny izany isika, hanaiky amim-panetrentena ny fahotantsika sy ny fahelementsika ka hanova ny fombantsika avy eo, amin’ny alalan’ny fahatongavana ho tsaratsara kokoa” (“Moa izaho va izany, Tompoko?” 56, 58).

  1. journal iconSoraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny fotoana iray izay nitahiana anao rehefa nampihatra ireo tenin’ny Tompo teo amin’ny fiainanao. Dia manorata tanjona miavaka avy eo mikasika ny zavatra hataonao mba hanombantombanana tsara kokoa ny fiainanao manokana isaky ny maheno na mamaky ny tenin’ny Tompo ianao.

Vakio ny Matio 26:23–25, ka tadiavo ny valintenin’ny Mpamonjy tamin’ny fanontaniana napetraky ny Apôstôly. Namantatra avy hatrany an’i Jodasy ho ilay iray izay hamadika Azy i Jesoa (jereo ny Jaona 13:30).

Matio 26:26–30

Nanorina ny fanasan’ny Tompo i Jesoa Kristy

Rehefa avy nihinana ny sakafon’ny Paska niaraka tamin’ny apôstôliny ny Mpamonjy dia nanorina ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo Izy.

Fiaraha-misakafo Farany

Eritrereto ny valinteninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto: Tamin’ny fotoana farany nandraisanao ny fanasan’ny Tompo, dia inona no nataonao? Inona no neritreretinao? Inona no tsapanao?

Vakio ny Matio 26:26-29, ka tadiavo izay nataon’ny Tompo tamin’ilay mofo sy ny tao anaty kapoaka.

Mianatra isika amin’ny alalan’ireo andinin-tsoratra masina ireo fa ireo tandindon’ny fanasan’ny Tompo dia maneho ny vatana sy ny ran’i Jesoa Kristy, izay nataony sorona ho antsika.

Manolotra hevi-baovao fanampiny momba ny Matio 26:26–28 ny Dikantenin’i Joseph Smith. Vakio ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 26:22, 24–25 [ao amin’ny torolalana ho an’ny soratra masina].)

Tadiavo ireo fanovana nentanim-panahy izay natao. Ahoana no hanampian’izany antsika mba hahatakatra ny tanjona manan-danjan’ny fanasan’ny Tompo?

Mianatra isika avy amin’ireo fanovana manan-danja ireo fa nanorina ny fanasan’ny Tompo ho antsika i Jesoa Kristy mba hahatsiarovana Azy sy ny Sorompanavotany noho ny fahotantsika.

sary famantarana ny horonan-tsaryRaha azo atao dia jereo ilay horonantsary hoe “Always Remember Him” (5:28) mba hahatakarana bebe kokoa ny tanjona sy ny maha-manan-danja ny fanasan’ny Tompo. Nanazava ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tato anatin’ity horonantsary ity fa ny tanjon’ny fanasan’ny Tompo dia ny hahatsiarovana an’i Jesoa Kristy sy ny sorompanavotana nataony. Hita ao amin’ny LDS.org izany horonantsary izany.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona ny fiantraikan’ny fiezahana nahatsiaro ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany teo amin’ny fahatsapanao sy ireo zavatra niainanao rehefa nandray ny fanasan’ny Tompo?

    2. Inona avy ireo zavatra izay mety hanelingelina antsika mandritra ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo?

    3. Manampy antsika hanana traikefa ara-panahy bebe kokoa amin’ny fomba ahoana ny fisorohana ireny fanelingelenana ireny?

    4. Inona ireo zavatra sasany izay azonao atao mba hifantoka amin’ny Mpamonjy sy ny maha-manan-danja ity ôrdônansy ity mandritra ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo sy hahatsiaro Azy mandritra ny herinandro?

Araka ny Matio 26:27–28 dia mamela antsika hahazo inona ny fandatsahana ny ran’i Kristy rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo?

Ny fihinanana ny mofo sy ny fisotroana rano fotsiny mandritra ny fanasan’ny Tompo dia tsy mahatonga antsika ho mendrika ny hahazo famelana ny fahotantsika. Tsy maintsy mampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy, sy mibebaka, ary mandray ny fanasan’ny Tompo amin’ny tena finiavana isika amin’ny alalan’ny fahatsiarovana Azy sy ny fiezahana ny hitandrina ny didiny. Manavao ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa isika rehefa mandray amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo.

Soraty eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao izao fitsipika manaraka izao: Afaka mahazo ny famelana ny fahotantsika isika rehefa mibebaka sy mandray ny fanasan’ny Tompo.

  1. journal iconSoraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hampiharanao ireo fahamarinana mikasika ny fanasan’ny Tompo izay hitanao tao amin’ny Matio 26:26–30.

Avereno vakiana ny Matio 26:29, ka tadiavo ny fotoana manaraka nolazain’ny Mpamonjy fa handraisany indray ny fanasan’ny Tompo.

“Araka ny voarakitra ao amin’ny Matio 26:29 dia niteny tamin’ireo mpianany ny Mpamonjy fa tsy hisotro amin’ny vokatry ny voaloboka intsony Izy mandra-piarahany misotro izany amin’izy ireo any amin’ny fanjakan’ny Rainy. Noho izany, ny fanasan’ny Tompo dia tsy maneho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ihany fa miandrandra ihany koa ny fotoana izay hiverenany amim-boninahitra eto an-tany (jereo ny 1 Korintiana 11:26).

“Nanambara tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ireo antsipirian’ny fotoana hoavy izay hisotroany ny vokatry ny voaloboka eto ambonin’ny tany ny Tompo tamin’izao andro farany izao. Araka ny voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27, ny Tompo dia nanambara fa handray ny fanasan’ny Tompo indray eto ambonin’ny tany Izy miaraka amin’ireo mpanaradia Azy, ka anisan’izany ireo mpaminany fahiny maro, toa an’i Môrônia, Elià, Jaona Mpanao Batisa, Elia, Abrahama, Isaka, Jakoba, Josefa izay namidy tany Egypta, Petera, Jakoba, ary Jaona, ‘ary koa i Mikaela na i Adama, ilay rain’ny rehetra’ (jereo ny F&F 27:4–14). Ny mpanara-dia ny Tompo dia ahitana ‘ireo rehetra izay efa nomen’ ny Ray Ahy avy tamin’ izao tontolo izao’ (F&F 27:14). Midika izany fa raha mijanona ho marina sy mahatoky amin’ireo fanekempihavanana izay nataontsika isika ka maharitra hatramin’ny farany dia ho anisan’ireo izay handray ny tandindon’ny fanasan’ny Tompo miaraka amin’ny Mpamonjy amin’izany fotoana hoavy izany” (New Testament Student Manual, 83–84).

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Matio 26:1–30 sy nahavita io lesona io tamin’ny  (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: