Fizarana 24: Andro 4
Efesiana 1
Fampidirana
Nanoratra taratasy ho an’ireo Olomasina tany Efesosy momba ny fanendrena azy ireo mialoha amin’ny fandraisana ny filazantsara i Paoly Apôstôly. Nanoratra momba ny fotoampitantanana farany izy—dia ny fotoampitantanana misy antsika ankehitriny—izay fotoana “hanangonan’ [Andriamanitra] ny zava-drehetra ho iray ao amin’i Kristy” (Efesiana 1:10). Nampianatra i Paoly fa afaka tonga amin’ny fahafantarana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fanambarana.
Efesiana 1:1–8
Mampianatra ireo Olomasina i Paoly fa izy ireo dia efa voatendry mialoha handray ny filazantsara
Mieritrereta fotoana iray teo amin’ny fiainanao izay nanekenao andraikitra manan-danja anankiray. Rehefa nihasarotra ny fanatanterahana ilay andraikitra dia nanohana anao ve ny nahafantatra fa efa nanaiky io asa io ianao ary nahatoky ny hanatanterahanao izany ny olona iray? Tamin’ny fomba ahoana? Ahoana no nitahiana anao na nandraisanao valisoa noho ny nanatanterahanao ny andraikitrao?
Gadra tao amina trano iray tany Roma i Paoly Apôstôly.
Ato amin’ity epistily ity dia nikatsaka ny hampahery ireo izay efa mpikamban’ny Fiangonana i Paoly Apôstôly ary nikatsaka ny hanampy ireo niova fo vao tsy ela mba hitombo fahalalana ara-panahy sy hijanona ho mahatoky amin’ny fanekempihavana nataon’izy ireo izy.
Vakio ny Efesiana 1:3–8 ary tadiavo ireo fahamarinana nampianarin’i Paoly ny Olomasina mba hanampiana azy ireo hijanona ho mahatoky amin’ny fanekempihavana nataon’izy ireo.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona avy ireo fotopampianarana fototra roa na telo izay hampianarinao mba hanampiana ny mpikamban’ny Fiangonana iray hijanona ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanana nataony ary mba hitoetra ho mazoto ao amin’ny Fiangonana?
-
Ahoana no hanampian’ny fahatakarana izany fahamarinana izany ny olona iray mba hisafidy ny hijanona ho mahatoky?
-
Ilay andian-teny hoe “fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao” ao amin’ny Efesiana 1:4 dia milaza ny fisiana talohan’ny nahaterahana, ary ilay andian-teny hoe “ny fananganan-anaka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy” sy ilay andian-teny hoe notendreny rahateo ao amin’ny Efesiana 1:5 dia milaza ireo izay nofidiana na notendrena mialoha mba handray ny filazantsara mandritra ny fiainana an-tany. Fahamarinana iray ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo ny hoe Ireo zanak’ Andriamanitra dia efa notendrena mialoha mba handray ireo fitahian’ny filazantsara. Ny fandraisana ireo fitahiana ireo dia miankina amin’ny fahatokiantsika mandritra izao fiainana izao.
Eo am-pamakianao izao teny nambara avy amin’ny Miorim-paka ao amin’ny Finoana, izao dia diniho hoe amin’ny fomba ahoana no mety hanampy ny olona iray mba hisafidy ny hijanona ho marina amin’ny fanekempihavanana nataony sy hazoto ao amin’ny Fiangonana ny fahatakarana ny fotopampianarana momba ny fanendrena mialoha:
“Tany amin’ny tontolon’ny fanahy talohan’ny fiainana an-tany dia nanendry fanahy maromaro Andriamanitra hanatanteraka iraka manokana mandritra ny fiainany eto an-tany. Izany no antsoina hoe fanendrena mialoha.
“Ny fanendrena mialoha dia tsy manome antoka fa handray antso na andraikitra manokana ny olona iray. Ny tombontsoa toy izany dia tonga eto amin’ity fiainana ity vokatry ny fampiasana amim-pahamarinana ny fahafahana misafidy, toy ny fanendrena mialoha izay miseho vokatry ny fahamarinana tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. …
“Mihatra amin’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra ny fotopampianaran’ny fanendrena mialoha, fa tsy amin’ny Mpamonjy sy ireo Mpaminaniny ihany. Talohan’ny nahariana ny tany dia nomena andraikitra miavaka ireo vehivavy mahatoky ary notendrena mialoha ho ao amin’ireo anjara andraikitry ny fisoronana ireo lehilahy mahatoky. Na dia tsy tadidinao aza izany fotoana izany dia azo antoka fa nanaiky ny hanatanteraka andraikitra manan-danja ianao ao anatin’ny fanompoana ny Rainao. Na dia tsy tadidinao aza izany fotoana izany dia azo antoka fa nanaiky ny hanatanteraka andraikitra manan-danja ianao ao anatin’ny fanompoana ny Rainao.” (Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Boky fanovozan-kevitra mikasika ny filazantsara [2004], 69–70).
Amin’ny fomba ahoana no afaka manampy antsika hijanona ho mahatoky ao amin’ireo fanekempihavanana nataontsika ny fahatakarana fa efa notendrena mialoha mba handray ny filazantsara sy ireo fitahiana maro ao amin’izany isika mba hahafahantsika manatanteraka asa ety an-tany?
Efesiana 1:9–12
Miresaka mikasika ny fitantanana ny fotoam-pahafenoana i Paoly
Karohy ny famaritana ny hoe fotoampitantanana ao amin’ny fizarana Fotopampianarana Fototra any am-piandohan’ity boky torolalana ity . Vakio ireo andalana manazava ny dikan’ny hoe fotoampitantanana. Eo am-pamakianao izany dia tadiavo ny fotoampitantanana iainantsika amin’izao fotoana.
Araka ny zavatra novakianao, dia oviana ny fotoampitantanana misy antsika no nanomboka?
Vakio ny Efesiana 1:9–10 ary tadiavo ny zavatra nosoratan’i Paoly fa hitranga amin’ny fotoampitantanantsika, izany hoe ny “fitantanana ny fotoam-pahafenoana.” (Ny andian-teny hoe “zava-miafina ny amin’ny sitrapony” dia milaza ireo drafitra sy fikasan’ Andriamanitra.)
Rehefa nanoratra i Paoly fa “ny zavatra rehetra ao amin’i Kristy,” na ny any an-danitra na ny ety an-tany, dia hangonina “[ho iray] ao aminy” (Efesiana 1:10), dia nilaza ny Famerenana amin’ny laoniny izy ary ny fanangonana ireo fanalahidy, sy ireo hery ary ireo fampanantenana rehetra nambaran’Andriamanitra ny zanany hatramin’ny fiandohan’izao tontolo izao, ary koa ireo fahalalana hafa izay mbola tsy nambara hatrizay (jereo ny F&F 128:18).
Mianatra izao fahamarinana manaraka izao isika avy amin’ny Efesiana 1:10: Ny zavatra rehetra tao amin’ireo fotoampitantanana taloha dia haverina amin’ny laoniny mandritra ny fitantanana ny fotoam-pahafenoana.
Ny Loholona B. H. Roberts tao amin’ny Fitopololahy dia nanazava fa ny fotoampitantanana lasa tsirairay avy dia mifandray amin’ny fitantanana ny fotoam-pahafenoana: “Izao no fitantanana ny fotoam-pahafenoana, ary hitantsika mikoriana amin’izany, tahaka ny fikorian’ny riaka mahery vaika mankany amin’ny ranomasimbe, ireo fotoampitantanana lasa rehetra, ka hampifandraisina amin’izy ireny isika; ary hitantsika fa iray ihany no tanjona lehibe nananan’ Andriamanitra hatramin’ny voalohany, ary izany dia ny famonjena ireo zanany. Ary ankehitriny dia tonga ny andro farany, izany hoe ny fotoampitantanana farany izay tsy maintsy hielezan’ny marina sy ny fahazavana ary ny fahamarinana manerana ny tany rehetra” (ao amin’ny Conference Report, ôkt. 1904, 73).
-
Nampianatra ny Loholona Roberts fa ny marina sy ny fahazavana ary ny fahamarinana dia tsy maintsy hiely manerana ny tany rehetra mandritra ny fotoampitantanana farany. Tanisao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fahamarinana, soratra masina, fanekempihavanana ary hery avy amin’ny fotoampitantanana lasa miisa dimy na mihoatra izay efa naverina tamin’ny laoniny na naseho nandritra ny fitantanana ny fotoam-pahafenoana. (Raha mila fanampiana ianao dia jereo ny “Famerenana amin’ny laoniny ny Filazantsara” ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Boky fanovozan-kevitra mikasika ny filazantsara [2004], 135–39.)
-
Fenoy ny iray na ny roa amin’izao manaraka izao:
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto: Amin’ny fomba ahoana ny fiainana mandritra ny fitantanana ny fotoam-pahafenoana no fitahiana ho anao? Inona ireo loharano misy mandritra ny fotoampitantanantsika izay mahatonga ny fielezan’ny fahamarinana sy ny fahazavan’ny filazantsara manerana ny tany rehetra?
-
Ampahafantaro amin’ny tranokalan’ny tambazotra ifaneraserana azonao hidirana ny fanazavana momba ireo fotoampitantanana ary ny antony hankasitrahanao ny fiainanao mandritra izao fotoampitantanana izao. Rehefa izany dia soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra tsapanao mikasika ny nampahafantaranao ny hafatrao.
-
Hoy ny Loholona David A. Bednar avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Ry rahalahy sy anabavy malalako, ireo zava-bita hatramin’izao nandritra ity fotoampitantanana ity mikasika ny fampahafantarana ny hafatry ny filazantsara amin’ny alalan’ireo tambazotra ifaneraserana dia efa tsara—mbola kely anefa izany. Ankehitriny dia manasa anao hanampy amin’ny fampitomboana izany zava-bita kely izany ka hampiely ireo hafatra aho. … Mamporisika anao aho hanaparitaka manerana ny tany ireo hafatra feno fahamarinana—hafatra izay marina, mampahery ary mendri-kaja—ary hampiely izany ara-bakinteny tahaka ny safodrano” (“To Sweep the Earth as with a Flood” [Fampaherezam-panahy an’ny Brigham Young University Campus Education Week , 19 aog., 2014], LDS.org).
Inona no zavatra ataonao mba hanampiana ny fanaparitahana ireo hafatra feno fahamarinana manerana ny tany? Diniho ny mety ho fomba hizaranao ireo fahamarinana manan-danja izay naverina tamin’ny laoniny nandritra ity fotoampitantanana ity amin’ireo izay akaiky anao ary ireo izay lavitra anao.
Ao amin’ny Efesiana 1:11–12 dia mampianatra i Paoly fa ireo Olomasina dia nandray lova tao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Efesiana 1:13–23
Mampianatra momba ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana i Paoly
Vakio ny Efesiana 1:13–14 ary tadiavo ny fitahiana iray noraisin’ireo Olomasina noho ny fahatokian’izy ireo sy ny fahatokisan’izy ireo ary ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy.
Ny hoe “voafehin’ny Fanahy masin’ny fampanantenana” dia midika fa ny Fanahy Masina dia “mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray fa ireo ôrdônansin’ny fanavotana dia notanterahana araka ny tokony ho izy ary voatandrina ireo fanekempihavanana mifandray amin’izy ireo” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanahy Masin’ny Fampanantenana,” scriptures.lds.org). Ilay andian-teny hoe “santatry ny lovantsika” ao amin’ny Efesiana 1:14 dia milaza fa rehefa nofehezina tamin’ny alalan’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana ny Olomasina mahatoky dia handray fanomezan-toky manokana fa handova ny fanjakana selestialy amin’ny farany. Ho fampahafantarana misimisy kokoa momba ny fiantsoana sy ny fifidianana, dia vakio ny 2 Petera 1 sy ny fampahalalana mifandray amin’izany toko izany ao amin’ny leson’ny Fizarana 30: lesona tamin’ny Andro 1.)
Araka ny voarakitra ao amin’ny Efesiana 1:15–16 dia nilaza tamin’ireo Olomasina i Paoly fa hanohy hankasitraka an’Andriamanitra noho ny fahatokian’izy ireo. Vakio ny Efesiana 1:17–18 ary tadiavo hoe inona no nivavahan’i Paoly mba homen’Andriamanitra ireo Olomasina.
Eritrereto ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny hahafahantsika mahafantatra ny Ray any An-danitra.
Fahamarinana iray hitantsika ao amin’ireo andininy ireo ny hoe afaka tonga amin’ny fahafantarana ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny fanahin’ny fanambarana isika.
Rehefa mamaky izao teny nambaran’ny Loholona David A. Bednar izao ianao dia asio marika ny zavatra nampianariny mikasika ny fanahin’ny fanambarana:
“Ny fanambarana dia fifandraisana avy amin’Andriamanitra ho an’ireo zanany eto an-tany ary iray amin’ireo fitahiana lehibe mifandray amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina sy ny fananana azy ho namana tsy tapaka. Ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra fa “ny Fanahy Masina dia mpanambara,” ary “tsy misy olona afaka mandray ny Fanahy Masina ka tsy mandray fanambarana’ (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 132).
“Ny fanahin’ny fanambarana dia omena ny olona rehetra izay mandray amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana marina ny ôrdônansin’ny batisa asitrika ho famelan-keloka sy ny fametrahana tànana ho fanomezana ny Fanahy Masina—ary miasa amim-pinoana ho fanatanterahana ilay fandidian’ny fisoronana manao hoe “raiso ny Fanahy Masina.’ Izany fitahiana izany dia tsy voatokana ho an’ny manam-pahefana miahin’ny Fiangonana fotsiny; fa kosa, ho an’ny fiainan’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy tsirairay izay tonga eo amin’ny taona maha-tompon’andraikitra azy sy miditra ao anatin’izany fanekempihavanana masina izany ary tokony hiasa eo amin’ny fiainan’izy ireo koa izany. Ny faniriana amin-kitsimpo sy ny fahamendrehana dia manasa ny fanahin’ny fanambarana ho eo amin’ny fiainantsika” (“Ny fanahin’ny fanambarana,” Ensign na Liahona, mey 2011, 87).
Eritrereto ny fomba hahafahan’ny fanambarana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina manampy antsika ho tonga amin’ny fahafantarana ny Ray any An-danitra.
-
Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba nanampian’ny fanambarana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina anao na ny olona fantatrao mba ho tonga amin’ny fahafantarana ny Ray any An-danitra.
Ny hoe mendrika ho naman’ny Fanahy Masina dia afaka manampy anao hahafantatra ny Ray any An-danitra tsaratsara kokoa.
Nanohy nampianatra momba ny lovan’ireo Olomasina sy ny toeran’i Jesoa Kristy amin’ny maha-filohan’ny Fiangonana Azy i Paoly ao amin’ny Efesiana 1:19–23 .
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Efesiana 1 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro