Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny Efesiana


Fampahafantarana ny Efesiana

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa “Ny Efesiana dia epistily iray ho an’izao tontolo izao manontolo, ho an’ny Jiosy sy ny Jentilisa, ho an’ny mpivady, ho an’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, ho an’ny tompo sy ny mpanompo. Izy io dia ny fihevitra sy ny sitrapon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Paoly; izy io dia ny feon’ny fanentanam-panahy amin’izao androntsika izao; izy io dia epistily iray izay azon’ny olona rehetra ankasitrahana sy ampiharina.

“… Ahitana ny sasany amin’ireo asa-soratra tsara indrindra nataon’i Paoly izany, ary mirakitra ireo zavatra fototra sy ny filazantsaran’Andriamanitra izay be voninahitra sy afaka manavotra antsika” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 2:489).

Ny fandalinana ny Epistily ho an’ny Efesiana dia afaka manentana ny fanahinao mba hamela ireo zavatr’izao tontolo izao ary afaka manampy anao hitombo ara-panahy sy hianatra handray anjara bebe kokoa amin’ny firaisan-kina sy ny fiombonana ao amin’ny Fiangonana.

Iza no nanoratra ity boky ity?

I Paoly Apôstôly no nanoratra ny Epistily ho an’ny Efesiana (jereo ny Efesiana 1:1).

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Nilaza i Paoly fa gadra izy tamin’ny fotoana nanoratany ny epistily ho an’ny Efesiana (jereo ny Efesiana 3:1; 4:1; 6:20). Mety tamin’ny fotoana nigadrana voalohany an’i Paoly tany Roma no nanoratana ny Efessiana, manodidina ny 60–62 taorian’i J.K. (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Epistilin’i Paoly,” scriptures.lds.org). Nandritra izany fotoana izany dia gadra tao amina trano iray i Paoly saingy nomena fahafahana handray mpitsidika sy hampianatra ny filazantsara izy (jereo ny Asan’ny Apostoly 28:16–31).

Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?

Ao amin’ny Baiboly King James, ny Efesiana 1:1 dia milaza fa nivantana tamin’ireo “olomasina izay tao Efesosy” ny epistily ho an’ny Efesiana. Ny rakitsoratry ny Efesiana tany aloha anefa dia tsy ahitana ireo teny hoe “izay tao Efesosy.” Izany dia mandroso ny mety ho tsy nanoratan’i Paoly ilay epistily ho an’ny Efesiana manokana fa ho an’ny vondron’Olomasina maro, anisan’izany ireo izay tany Efesosy. Ivontoeran’i Paoly nandritra ny dia fitoriana fahatelo nataony i Efesosy (jereo ny Asan’ny Apostoly 19:9–10; 20:31), ary tena tiany ireo vahoaka ireo (jereo ny Asan’ny Apostoly 20:17, 34–38).

Niresaka tamin’ireo Jentilisa mpikamban’ny Fiangonana i Paoly tao anatin’ny taratasiny (jereo ny Efesiana 2:11) izay mety ho mpikambana vaovao angamba (jereo ny Efesiana 1:15). Nanoratra izy mba hanampiana amin’ny fampitomboana ny ara-panahy sy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ireo izay efa mpikambana. Ny tanjony voalohany dia ny hanampy ireo mpikambana vaovao ireo hitombo eo amin’ny fahalalany ara-panahy momba an’Andriamanitra sy ny Fiangonana (jereo ny Efesiana 1:15–18; 3:14–19); hanentana ny olona mba hiray hina, indrindra fa teo amin’ny Olomasina jentilisa sy Jiosy (jereo ny Efesiana 2:11–22; 4:1–16; 5:19–6:9); ary hankahery ny Olomasina mba handresy ireo herin’ny ratsy (jereo ny Efesiana 4:17–5:18; 6:10–18). Olomasina maro tao Efesosy no nanana fiainana tamim-pahamarinana ampy ka voafehy ho amin’ny fiainana mandrakizay (jereo ny Efesiana 1:13; Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, 2:493–94).

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Ny Efesiana dia mirakitra fampianarana sy hevitra maro izay mahazatra ny Olomasin’ny Andro Farany, anisan’izany ny fanendrena mialoha, ny fotopampianaran’ny fahafenoan’ny fotoana, ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana, ny maha-manan-danja ireo mpaminany sy apôstôly, ny foto-kevitry ny fisian’ny Fiangonana marina sy miray hina iray, ary ireo anjara fanompoana sy antso ary anjara andraikitra samihafa ato anatin’ny Fiangonana. Ity taratasy ity ihany koa dia ahitana ny sasany amin’ireo fampianarana tsara indrindra momba ny fianakaviana izay tsy hita na aiza na aiza ao anatin’ny soratra masina.

Topimaso

Efesiana 1:1–4:16. I Paoly dia nanoratra momba ny fanendrena mialoha ireo Olomasina mba hahazo ny filazantsara; ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana; ny famehezan’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana; ny famonjena amin’ny alalan’ny fahasoavana; ny fampiraisana ny Olomasina jentilisa sy Jiosy ao amin’ny Fiangonana; Tompo iray, finoana iray, batisa iray; ny tanjon’ny Fiangonana; ary ny rafitry ny Fiangonana eo ambonin’ny fanorenan’ny mpaminany sy apôstôly, miaraka amin’i Jesoa Kristy ho fehizoro indrindra. Nampianatra i Paoly fa Andriamanitra dia hanangona miaraka ireo zavatra rehetra ao amin’i Kristy amin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana.

Efesiana 4:17–6:24. Nandrisika ireo Olomasina mba hampihatra ny fotopampianarana marina eo amin’ny fiainany andavanandro i Paoly. Nankahereziny izy ireo mba hanaisotra ny olona taloha (ny fahotan’izy ireo taloha) ka hitafy ny olom-baovao izay nahatongavan’izy ireo tamin’ny alalan’i Kristy. Nanome torolalana ho an’ny vehivavy sy lehilahy manambady, ny zanaka, ny ray aman-dreny, ny mpampiasa ary ny vondrona mpiangona izy. Nankahereziny ireo Olomasina hoe “tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra” (Efesiana 6:11).