Tahirim-pitaovana
Fizarana 31, Andro 1: Apokalypsy 1–3


Fizarana 31: Andro 1

Apokalypsy 1–3

Fampidirana

Raha mbola tao amin’ny Nosy Patmo i Jaona Apôstôly dia nanoratra taratasy fampaherezana ho an’ny vondrona fito an’ny Fiangonana izy. Nofariparitany tao anatin’izany ireo fanambarana izay noraisiny. Nijoro ho vavolombelona i Jaona momba ny zavatra izay nampahafantarin’ny anjely sy i Jesoa Kristy azy. Izy ihany koa dia nampita ireo teny fanamelohana, sy fanitsiana, ary fampitandremana nataon’ny Tompo tamin’ireo Olomasina.

Apokalypsy 1:1–11

Nijoro ho vavolombelona momba ny fahitany i Jaona

Asio fanamarihana eo akaikin’ny tsirairay amin’ireto tranga manaraka ireto izay tianao ho fantatra bebe kokoa:

____ Fisiana talohan’ny nahaterahana

____ Ny andro farany

____ Ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany

____ Ny Arivotaona

____ Ny Fitsarana Farany

Ny Apokalypsy, dia avy amin’ny teny Grika izay midika hoe aposaka na aboraka” (Torolalana Ho an’ny Soratra Masina, “Apôkalypsy”). Ao amin’ity boky ity, i Jaona Apôstôly dia mirakitra ireo fahamarinana izay nambara taminy momba ny fisiana talohan’ny nahaterahana, an’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra, ireo tranga hitondra mankany amin’ny Fiaviana Fanindroany sy ny Arivotaona ary ny Fitsarana Farany.

Mitadiava fahamarinana momba ireo lohahevitra ireo eo am-pandalinanao ny bokin’ny Fanambarana.

Vakio ny Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 1:1–8 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina) dia tadiavo ny zavatra nampianarin’i Jaona momba ny fanambarana azony. Azonao atao ny manisy marika na manoratra ny zavatra izay tian’i Jaona hataon’ireo Olomasina.

I Jaona Apôstôly dia nilaza ireo izay mamaky ny teniny sy ireo izay mihaino ny teniny. Tamin’ny andron’i Jaona dia maro tamin’ireo Olomasina no tsy nahay namaky teny, noho izany dia nanjary nifankahazatra tamin’izay nosoratany tao amin’ny bokin’ny Apokalypsy izy ireo tamin’ny alalan’ny fihainoana ny hafa namaky mafy izany.

Araka ny fampianaran’i Jaona ao amin’ny Apokalypsy 1:3, dia afaka mianatra izao fitsipika manaraka izao isika: Rehefa mamaky, sy mikatsaka ny hahatakatra ary mankatò ny tenin’ Andriamanitra isika dia ho voatahy. Fitahiana iray izay nampianarin’i Jaona fa ho azontsika ny fahavononana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manazava fa niantefa tamin’ireo “mpanompo fito izay manerana ny fiangonana fito any Azia” ny taratasin’i Jaona (Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 1:4 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina]). Izany dia manampy antsika hahatakatra fa “ireo fiangonana fito any Azia” dia milaza vondrona mpivavaka ao amin’ny Fiangonana fito, tahaka ireo paroasy sy sampana amin’izao fotoana, izay hita tao amin’ny faritra andrefan’i Turquie ankehitriny.

Vakio ny Apokalypsy 1:5-8 dia tadiavo ny zavatra tian’i Jaona ho fantatr’ireo vondrona mpivavaka fito ireo momba an’i Jesoa Kristy.

Mariho fa i Jaona dia nanazava fa isika dia afaka ny ho “sasana… amin’ny fahotantsika” ka ho lasa madio amin’ny alalan’ny rà, na ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ho lasa “mpanjaka sy mpisorona ho an’ Andriamanitra” (Apokalypsy 1:5–6).

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona ireo andian-teny momba ny Mpamonjy ao amin’ny Apokalypsy 1:5–8 izay tena manan-danja manokana ho anao? Nahoana?

Vakio ny Apokalypsy 1:9–11 dia tadiavo hoe taiza i Jaona tamin’ny fotoana nahazoany ity fanambarana ity ary taiza no nisy ireo fiangonana fito. Mariho hoe aiza eto amin’ny ity sarintany nampiarahina eto ity no misy ny sasantsasany amin’ireo tanàna ireo.

sarintany, atsinanan’i Mediterane

I Jaona dia nahazo ity fanambarana ity nandritra ny fotoan-tsarotra iray ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Nisy fanenjehana mahery vaika natao tamin’ireo Olomasina, ka ny sasany tamin’izy ireo dia novonoina ho faty, teo ihany koa ny apôstazia sy ny fizarazarana teo anivon’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Ho fanampin’izany dia novonoina ireo Apôstôly rehetra ankoatra an’i Jaona. Ny bokin’ny Apokalypsy dia mety ho nosoratana nandritra ny fitondran’ny amperora romana Domitien (81–96) taorian’i J.K.), izay namerina indray ny fanompoana ny amperora manerana ny fanjakana Romana sy nanao sesitany na namono ireo izay tsy manompo ireo andriamanitra nankatoavin’ny governemanta Romana. Maro tamin’ireo olona no nihevitra fa natao sesitany noho io antony io tany amin’ny nosy Patmo i Jaona.

I Jaona manoratra

Nahazo fanambarana i Jaona rehefa tao amin’ny nosy Patmo.

Nianarantsika avy tamin’ny Bokin’i Môrmôna fa i Nefia dia nanana fahitana mitovy tamin’ny fahitan’i Jaona. I Nefia dia nahita ireo tranga amin’ny andro farany (anisan’izany ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany, ny Arivotaona, ary ny fahatanterahan’ny asan’ Andriamanitra eto an-tany) saingy nodidiana izy mba tsy hanoratra momba azy ireny satria i Jaona dia efa voatendry mialoha mba hanao izany (jereo ny 1 Nefia 14:24–29). Saintsaino ny lanja napetraky ny Tompo tamin’ny rakitsoratr’i Jaona. Eo am-panohizanao ny fandalinana ny tenin’i Jaona ao amin’ny Apokalypsy, dia tadiavo ireo fahamarinana momba ny andro farany, ny Fiaviana Fanindroany, ny Arivotaona, ary ny fahatanterahan’ny asan’ Andriamanitra eto ambonin’ny tany.

Apokalypsy 1:12–20

Nahita an’i Jesoa Kristy tao amin’ny fahitana i Jaona.

Mieritrereta orinasa telo izay fantatrao tsara. Moa ve mampiasa sary famantarana mba hoenti-mamantatra azy ny orinasa tsirairay?

Nahoana araka ny eritreritrao no mampiasa sary famantarana ireo orinasa?

Ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy dia mampiasa sariohatra sy sary i Jaona Apôstôly mba hampianarana hafatra manan-danja momba ny filazantsara. Ny sariohatra dia mety ho fitaovam-pampianarana mahery vaika satria izy ireny dia afaka mampita hafatra amin’ny olona ao amin’ny taranaka sy kolontsaina avy amin’ny ambaratonga maro samihafa. Afaka mampita hafatra maro isan-karazany ihany koa izy ireny.

Vakio ny Apokalypsy 1: 12–18 dia tadiavo ireo sariohatra hitan’i Jaona sy nampiasainy mba hamariparitana ny fanambarana azony. Azonao atao ny manisy marika na manoratra ny zavatra hitanao.

  1. journal iconAto amin’ity tabilao nampiarahina eto ity dia vakio ireo andian-tsoratra eo amin’ny tsanganana havanana ato amin’ity tabilao manaraka ity mba hiheverana ny mety ho dikan’ireo sariohatra izay nosoratan’i Jaona ny momba izany ao amin’ny Apokalypsy 1:12–18. Raketo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mety ho dikan’ny sariohatra tsirairay.

Sariohatra

Mety ho heviny

  1. Fanaovan-jiro fito volamena (Apokalypsy 1:12)

  1. Jereo ny Apokalypsy 1:20; 3 Nefia 18:24

  1. Ny tanana ankavanan’ny Mpamonjy (Apokalypsy 1:16–17)

  1. Jereo ny Marka 14:62; 16:19

  1. Kintana fito (Apokalypsy 1:16)

  1. Jereo ny Apokalypsy 1:20; ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Apokalypsy 1:20 dia manova ny teny hoe anjely ho mpanompo.

  1. Sabatra maranitra roa lela (Apokalypsy 1:16)

  1. Jereo ny Hebreo 4:12

  1. Fanalahidin’ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita (Apokalypsy 1:18)

  1. Jereo ny 2 Nefia 9:12–13

I Kristy miaraka amin’ireo fanaovan-jiro

Araka ireo hafatra nambaran’ny Tompo ho an’ireo Olomasiny tamin’ny alalan’i Jaona dia fahamarinana iray azontsika ianarana ny hoe Miambina sy mikarakara ireo mpanara-dia mahatoky azy i Jesoa Kristy.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana no mety ho nanan-danja tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny andron’i Jaona ny nahafantatra fa i Jesoa kristy dia nanohy niambina sy nikarakara azy ireo?

    2. Nahoana no manan-danja ho antsika ny mahatsiaro io fahamarinana io?

Mieritrereta fotoana iray izay nahatsapanao fa Andriamanitra dia niambina sy nikarakara anao. Saintsaino ny fomba nitahian’izany traikefa izany anao.

Mariho fa ao amin’ny Apokalypsy 1:17–18 dia nilaza tamin’i Jaona ny Mpamonjy fa mihazona ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita Izy. Azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo fa i Jesoa Kristy dia olona nitsangana tamin’ny maty feno voninahitra izay manana ny hery amin’ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita.

Saintsaino izay ampianarin’io fotopampianarana io momba ny vokatra faran’ny ady eo amin’ny tsara sy ny ratsy izay misy maneran-tany.

Saintsaino ity fanambarana manaraka ity izay mifandray amin’ny fahefan’i Jesoa Kristy amin’ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita: “Ny hafatry ny Apokalypsy dia mitovy amin’ny ao amin’ny soratra masina rehetra: hisy fandresena farany eto an-tany dia ny an’ Andriamanitra amin’ny devoly; fandresena maharitry ny tsara amin’ny ratsy, ny Olomasina amin’ireo mpanenjika azy ireo, ny fanjakan’ Andriamanitra amin’ny fanjakan’ny olona sy ny an’i Satana” (Bible Dictionary, “Revelation of John”).

Satria fantatsika fa amin’ny farany ny tsara dia handresy ny ratsy, ny hany mitoetra mba ho hita sisa dia hoe any amin’ny faritr’iza no safidiantsika hijanonana–ny an’ Andriamanitra sa ny an’i Satana.

Filoha Ezra Taft Benson

Hoy ny Filoha Ezra Taft Benson hoe: “Isan’andro ny herin’ny maizina sy ny herin’ny tsara dia maka namana vaovao. Isan’andro dia manao safidy manokana maromaro isika izay maneho hoe mirona mankaiza ny fanohanantsika. Ny vokatra farany dia azo antoka–ny herin’ny marina dia handresy. Ny hany sisa hita dia ny hoe aiza isika tsirairay, ankehitriny sy amin’ny ho avy, no hijoro ao anatin’ity ady ity–ary hatraiza no hijoroantsika. Moa ve isika ho mahatoky amin’ny asa nanirahana antsika amin’ny andro farany izay efa nanendrena antsika mialoha?” (“In His Steps” [Brigham Young University fireside, 4 mar. 1979], 1, speeches.byu.edu).

Eritrereto ny zavatra azonao atao mba hisafidianana feno kokoa ny hijanona ao amin’ny faritra misy an’ Andriamanitra. Mandraisa andraikitra amin’izay mety ho fahatsapana voarainao.

Apokalypsy 2–3

i Jaona Apôstôly dia nanoratra ny tenin’i Jesoa Kristy ho an’ireo mpitarika ny vondrona tao amin’ny Fiangonana fito

Ny Apokalypsy 2:1–3:13 dia mirakitra ny hafatra manokana nomen’ny Tompo ho an’ireo fiangonana sasany tany Asie Mineur. Vakio ireo andian-tsoratra masina ireo, ka tadiavo ny torohevitra sy ireo fampanantenana nomen’ny Tompo ireo mpikamban’ireo Fiangonana ireo.

Iza amin’ireo fampanantenana ireo no tianao ho azo?

Vakio ny Apokalypsy 3:14–17 dia tadiavo ny fepetra nilain’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Laodikia noresena mba hahazoana ny fisandratana. Ao amin’ny andininy 14, “ny Amena” dia manondro an’i Jesoa Kristy.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe ireo mpikamban’ny Fiangonana ireo dia “sady tsy mangatsiaka no tsy mafana” (Apokalypsy 3:15) fa mpianatr’i Jesoa Kristy matimaty izy ireo?

    2. Araka ny hevitrao, inona ireo zavatra matimaty sasany izay mety hataon’ny mpianatr’i Jesoa Kristy na tsy hataon’izy ireo?

Eritrereto ny zavatra nataonao mba hanarahana an’i Jesoa Kristy nandritra ireo andro vitsivitsy lasa ary raha toa ianao ka mpianatr’i Jesoa Kristy mafana, na mangatsiaka, na matimaty.

Vakio ny Apokalypsy 3:19 dia tadiavo ny antony nilazan’ny Tompo fa nanitsy ireo Olomasina tao Laodikia Izy. Azonao atao ny manisy marika na manoratra ny zavatra hitanao.

Vakio ny Apokalypsy 3:20 dia tadiavo ny zavatra izay nolazain’ny Mpamonjy fa nataony.

I Kristy mitsangana eo am-baravarana

Inona ireo fomba samihafa mety hasetrin’ny olona raha fantatr’izy ireo fa mandondona ao am-baravaran’ny tranon’izy ireo ny Mpamonjy?

Mieritrereta mikasika ireo fahatsapana izay mety nanananao raha henonao fa misy mandondona ao am-baravaranao ary tonga saina ianao fa ny Mpamonjy izany. Hamoha ny varavarana ve ianao?

Vakio ny ambin’ny Apokalypsy 3:20 dia tadiavo ny fitahiana natolotry ny Tompo ho an’ireo Olomasin’i Laodikia sy ny zavatra tokony nataon’izy ireo mba hahazoana izany.

Araka ny hafatry ny Tompo ho an’ireo Olomasin’i Laodikia, dia afaka mianatra izao fitsipika manaraka izao isika: Raha manokatra ny varavarana ho an’ny Mpamonjy isika, dia handroso ao amintsika Izy ary hiara-hisakafo amintsika.

Tamin’ny kolontsaina Akaikin’ny Tatsinana fahiny dia mariky ny finamanana ny fiaraha-misakafo amin’ny olona iray. Izany dia maneho fa nisy na farafahakeliny natolotra ny fatotry ny finamanana sy ny fandriampahalemana.

Inona araka ny hevitrao no mety ho asehon’ilay varavarana voalaza ao amin’ny Apokalypsy 3:20 ?

Eritrereto izay mety ho asehon’ilay varavarana eo am-pamakianao izao tantara manaraka izao izay nataon’ny Filoha Spencer W. Kimball:

Filoha Spencer W. Kimball

“Indray andro [ny mpanao zava-kanto iray antsoina hoe Holman Hunt] dia nampiseho ny sary nataony momba an’i ‘Kristy mandondona ao am-baravarana’ tamin‘ny namana iray raha nilaza tampoka ilay namany hoe: ‘Misy zavatra iray tsy mety momba ity sary nataonao ity.’

“‘Inona izany?’ hoy ilay mpanao zava-kanto.

“‘Ny varavarana izay dondomin‘i Jesoa dia tsy misy fitazomana,’ hoy ilay namany namaly.

“‘Ha,’ hoy Atoa Hunt, ‘tsy fahadisoana izany. Hitanao, ity no varavarana mankao amin’ny fon’ny olombelona. Avy ao anatiny ihany no afaka amahana izany.’

“Ary dia toy izany no izy. Mety hijoro sy handondona i Jesoa, saingy isika tsirairay no manapa-kevitra na hanokatra izany na tsia” (The Miracle of Forgiveness [1969], 212).

Eritrereto ny zavatra azonao atao mba hanokafanao ny fonao ho an’ny Mpamonjy.

Vakio ny Apokalypsy 3: 21–22, mba hikarohana ireo fampanantenana sy torohevitra nomen’ny Tompo ireo Olomasina.

Araka ny voalazan’ny andininy 22, inona ny torohevitra nomen’ny Tompo?

Ezaho ny “hiaino ny zavatra lazain’ny Fanahy masina” (Apokalypsy 3:22) eo am-pisaintsainana ny zavatra izay nianaranao tato amin’ity lesona ity. Mandraisa andraikitra amin’izay mety ho fahatsapana voarainao.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Apokalypsy 1–3 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: