Fizarana 14: Andro 4
Jaona 10
Fampidirana
Nampianatra i Jesoa fa Izy no Mpiandry tsara ary hanolotra ny ainy hamonjena ny ondriny Izy. Niampanga an’i Jesoa ho mpiteny ratsy ny olona sasany noho ny nanambarany fa Izy no Zanak’ Andriamanitra.
Jaona 10:1–24
Nampianatra i Jesoa fa Izy no Mpiandry tsara ary hanolotra ny ainy hamonjena ny olony Izy
Raha toa ka mitampi-maso ianao ka angatahina hamantatra ireo olona ao amin’ny fianakavianao na ny namanao akaiky sasany amin’ny alalan’ny fikasihana ny tarehin’izy ireo, moa mieritreritra ve ianao fa afaka mamantatra azy ireo? Raha toa ka mitampi-maso ny reninao dia afaka mahafantatra ny zanany rehetra amin’ny fikasihana ny tarehin’izy ireo fotsiny ve izy araka ny eritreritrao?
Nanontaniana ny mpiandry ondry iray tao Moyen-Orient hoe fantany toy ny ahoana ny ondriny. Namaly izy hoe: “Raha tampenanareo lamba ny masoko, ka mitondra ondry izay tianareo eto amiko ianareo ary mamela ahy hametraka fotsiny ny tanako eo amin’ny tarehiny, dia afaka miteny aminareo aho afaka fotoana fohy raha ahy izany na tsia” (G. M. Mackie, Bible Manners and Customs [n.d.], 35).
Raha mpiandry ondry ianao dia mety ho hafiriana araka ny eritreritrao no hahalalana tsara ny ondry ao amin’ny andian’ondrinao tahaka ny nataon’ity mpiandry ondry ity?
-
Vakio ny Jaona 10:14, ka eritrereto ny antony niantsoan’i Jesoa ny Tenany hoe Mpiandry Tsara. Soraty ao anaty diary fandalinanao soratra masina ity fehezanteny manaraka ity: I Jesoa Kristy no Mpiandry Tsara. Rehefa mandalina ny Jaona 10 ianao dia tadiavo ireo fahamarinana izay mampianatra antsika hoe ahoana no maha-Mpiandry Tsara antsika ny Mpamonjy. Soraty ao anatin’ny diarinao eo ambanin’io fehezanteny io ireo fahamarinana ireo.
Ireo izay nihaino ny fampianaran’i Jesoa izay voarakitra ao amin’ny Jaona 10 dia nahafantatra momba ny ondry sy ny mpiandry ondry ary ny valan’ondry. Tamin’ny andron’ny Mpamonjy dia nitondra ny andian’ondriny nankeny amin’ny toerana misy sakafo, rano ary fialofana ny mpiandry ondry nandritra ny andro. Tamin’ny alina dia mpiandry ondry maro no nanangona ny andian’ondriny tsirairay avy ho ao amin’ny valan’ondry iraisana. Ny valan’ondry dia lavaka na toerana mifefy voahodidin’ny rindrim-bato izay misy tsilo maranitra manodidina ny eo amin’ny tampony mba hanakanana ny biby dia tsy hiditra ao.
Vakio ny Jaona 10:1-5, ka tadiavo izay ataon’ny mpiandry tsara. Soraty eo ambanin’ilay fehezanteny hoe “I Jesoa Kristy no Mpiandry Tsara” ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra hitanao.
Ny Jaona 10:3 dia mamariparitra ny fomba hidiran’ny mpiandry ondry tsirairay eo amin’ny varavarana ka hiantsoany ny ondriny amin’ny anarany. Ny ondry ao amin’ny andian’ondriny ihany no hanaraka azy ho ao amin’ny valan’ondry, ary hijanona ireo ondry hafa.
Nahoana ireo ondry no tsy hanaraka afa-tsy ny mpiandry azy?
Jereo ao amin’ny andininy 1 sy 5 ny niantsoan’ny Mpamonjy ireo izay nanandrana niditra ny valan’ondry tamin’ny fomba hafa ankoatra ny teo amin’ny vavahady.
Mety hanampy ny manamarika fa ireo Fariseo dia teo anivon’ireo olona niresahan’i Jesoa (jereo ny Jaona 9:40). Tamin’ny fomba ahoana avy no nampitovy an’ireo Fariseo tamin’ny mpangalatra sy jiolahy ary vahiny?
Mianatra isika ao amin’ny Jaona 10:6 fa tsy nahatakatra izay nampianarin’i Jesoa ireo Fariseo. Vakio ny Jaona 10:7-10, ka tadiavo ny fomba nanombohan’ny Mpamonjy nanazava ny tandindon’ny valan’ondry.
Marihina fa ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manazava ny zavatra nolazain’i Jesoa ao amin’ny andininy 7 sy 8:
“Lazaiko marina dia marina aminareo fa Izaho no vavahadin’ny valan’ondry.
“Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako ka tsy nijoro ho vavolombelona ny Amiko; fa tsy nihaino azy ny ondry.”
Inona araka ny eritreritrao no tian’ny Mpamonjy nolazaina rehefa niteny Izy hoe “Izaho no vavahady” ao amin’ny andininy 7 sy 9?
“Ireo mpiandry ondry tao Isiraely dia nijoro teo amin’ny vavahadin’ny valan’ondry ka nijery tsirairay ny ondry rehefa niditra izany, nitsabo ny ratra araka izay nilaina. Rehefa tafavory tao amin’ny valan’ondry ireo ondry tamin’ny alina dia natory teo amin’ny fidirana ny mpiandry ondry, nanakana ny lalana mba tsy hahafahan’ny biby mpihaza na ny mpangalatra namely ny ondry” Testamenta Vaovao: boky torolalana ho an’ny mpianatra [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 231–32).
Inona no mampitovy ny zavatra ataon’ireo mpiandry ondry ireo amin’ny zavatra ataon’ny Mpamonjy ho antsika?
Araka ny eritreritrao dia amin’ny fomba ahoana no hanomezan’ny Mpamonjy fiainana “be dia be”Jaona 10:10 an’ireo izay manaraka Azy?
Vakio ny Jaona 10:11–15, ka tadiavo ny zavatra hafa nolazain’ny Mpamonjy fa ataon’ny mpiandry ondry tsara. (Ny mpikarama dia olona izay ny hahazo karama ihany no antony voalohany mandrisika azy hiasa.) Soraty eo ambanin’ilay fehezanteny hoe “I Jesoa Kristy no Mpiandry Tsara” ao amin’ny diary fandalinana soratra masina ny zavatra hitanao momba ireo mpiandry tsara.
Jereo ao amin’ny Jaona 10:11, 13, 15 ny zavatra hananan’ny mpiandry ondry fahavononana ho atao kanefa tsy hananan’ny mpikarama fahavononana.
Mampianatra antsika ny Jaona 10:11–15 fa amin’ny maha-Mpiandry Tsara Azy dia mahafantatra ny tsirairay amintsika i Jesoa Kristy ary nanolotra ny ainy ho antsika. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina eo ambanin’ny hoe “I Jesoa Kristy no Mpiandry tsara” io fitsipika io.
-
Tadidio ny zavatra nolazain’ilay mpiandry ondry tany amin’ny Moyen Orient mikasika ny hoe toy ny ahoana ny fahafantarany ny tsirairay amin’ny ondriny, dia valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Toy ny ahoana ny fahafantaran’ny Mpamonjy anao araka ny eritreritrao? Araka ny eritreritrao, nahoana no manan-danja ny mahatakatra izany?
-
Hisy fiantraikany manao ahoana eo amin’ny fomba fiainanao ny fahatakarana fa mahafantatra anao ny Mpamonjy ary vonona ny hanolotra ny ainy ho anao?
-
Taorian’ny nampianarany fa hanolotra ny ainy ho antsika Izy dia nilaza zavatra hafa izay ho ataony koa ny Mpamonjy. Vakio ny Jaona 10:16 ka tadiavo ny zavatra hafa nolazain’ny Mpamonjy fa ho ataony ho an’ny ondriny (izany hoe ny olony).
Ao amin’ny Jaona 10:16, ny Mpamonjy dia nampianatra ireo Jiosy tao Jerosalema fa hamangy ireo zanak’ Andriamanitra any amin’ny tany hafa Izy, hampianatra azy ireo ny filazantsara, ary hitondra azy ireo ho ao amin’ny valany (ny Fiangonany). Ny Bokin’i Môrmôna dia manome fampahalalana fanampiny momba io andininy io. Vakio ny 3 Nefia 15:14–24, ary soraty ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Jaona 10:16 izany andalan-tsoratra masina izany, Soraty koa ny soratra masina mifandray Jaona 10:16 eo akaikin’ny 3 Nefia 15:14–24.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ireo andininy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ireo antsika hahatakatra bebe kokoa ny Jaona 10:16?
Vakio ny Jaona 10:17-18, ka mitadiava fotopampianarana iray mikasika ny Mpamonjy.
Vitao izao fehezanteny manaraka izao mba hamantarana izany fotopampianarana izany: Amin’ny maha-Zanak’ Andriamanitra Azy ara-bakiteny, i Jesoa Kristy dia nanana hery . Asio marika ireo teny izay mampianatra io fotopampianarana io ao amin’ireo andininy ireo.
Avy amin’i Maria reniny no nandovan’i Jesoa ny toetra mety maty ka tafiditra ao anatin’izany ny fahafahana ny ho faty. Avy amin’i Elohima Rainy no nandovany ny tsy fahafatesana dia ny hery hiaina mandrakizay. Noho izany dia nandova ireo fahafahana ny ho faty sy hitsangana indray Izy. Nilain’i Jesoa mba hahafahany manatanteraka ny Sorompanavotana izany.
Mianatra isika ao amin’ny Jaona 10:19–24 fa rehefa avy nampianatra ireo zavatra ireo ny Mpamonjy dia tsy nitovy hevitra ny olona mikasika ny hoe iza moa i Jesoa. Nanatona an’i Jesoa izy ireo tao amin’ny tempoly ka niezaka nandresy lahatra Azy hanambara ny tena maha-Izy Azy dia i Kristy, na ny Mesia.
Jaona 10:25–42
Manambara i Jesoa fa Izy no zanak’ Andriamanitra
Eritrereto ny sasany amin’ireo olona izay mifanena aminao isan’andro, ary ezaho tadidiana ny feon’izy ireo. Nahoana no mety ho mora aminao ny mahafantatra ny feo sasany raha oharina amin’ny hafa?
Vakio ny Jaona 10:25–27, ka tadiavo ny fomba namalian’ny Mpamonjy ny fangatahan’ny olona Azy hilaza amin’izy ireo raha toa ka Izy no i Kristy. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra izay mamariparitra raha toa ka iray amin’ireo ondrin’ny Mpamonjy ny olona iray na tsia.
Araka ny voarakitra ao amin’ny Jaona 10:28–30, dia niresaka momba ny Rainy i Jesoa ka nijoro ho vavolombelona hoe: “Izaho sy ny Ray dia iray ihany”Jaona 10:30).
Ny Filoha Joseph F. Smith dia nanome ity fanazavana momba ny maha-iray Azy Ireo ity: “I Jesoa sy ny Rainy … dia iray amin’ny fahalalana, amin’ny fahamarinana, amin’ny fahendrena, amin’ny fahatakarana, ary amin’ny tanjona; tahaka ny nandidian’ny Tompo Jesoa izy tenany mihitsy ireo mpianany mba ho iray ao Aminy, ary ho ao Aminy, mba hahafahany ho ao amin’izy ireo. Amin’izany fomba izany no hahatakarako izany fitenenana izany, fa tsy araka ny fahitan’ny olona sasany izany, fa i Kristy sy ny Rainy dia olona iray. Manambara aminareo aho fa tsy olona iray izy ireo, fa olona roa, vatana roa, misaraka sy miavaka, ary samy hafa tahaka ny ray sy ny zanakalahy rehetra” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph F. Smith [1998], 357).
Vakio ny Jaona 10:28–30, ka tadiavo ny fitahiana izay omena ireo izay mihaino ny feon’ny Mpamonjy sy manaraka Azy.
Mampianatra antsika ireo andinin-tsoratra masina ireo fa raha lasa mahafantatra ny feon’ny Mpiandry Tsara isika ary manaraka Azy dia hitarika antsika ho any amin’ny fiainana mandrakizay Izy. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina eo ambanin’ny hoe “I Jesoa Kristy no Mpiandry tsara” io fitsipika io. Azonao atao ihany koa ny manoratra na manisy marika izany ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Jaona 10:27–28.
Vakio ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto ka tadiavo ny fomba hanampian’izany anao hahatakatra io fitsipika io: Enôsa 1:4–8; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38; 8:2–3; 18:34–36.
Saintsaino ny tsirairay amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no nataonao mba hahafantatra bebe kokoa ny feon’ny Mpamonjy?
-
Inona no azonao atao mba hahafantatra tsara kokoa ny feon’ ny Mpamonjy?
-
Inona no nanentanan’ny Fanahy anao mba ho ataonao eo amin’ny fiainanao hanarahana tsara kokoa ny Mpamonjy?
Soraty eo amin’ny taratasy iray ny (1) tanjona iray mba hihaino amim-pitandremana bebe kokoa ny feon’ny Mpamonjy sy ireo fomba miavaka hanaovanao izany, na ny (2) tanjona iray mba hanaraka tsara kokoa ny feony sy ny drafitra hanatanterahanao izany. Apetraho amin’ny toerana ahitanao izany matetika ny tanjonao mba hahafahanao mitadidy ny hanao izany.
Ny Jaona 10:31–42 dia mirakitra fa rehefa avy nijoro ho vavolombelona momba ny fifandraisana eo Aminy sy ny Rainy ny Mpamonjy dia nikatsaka ny hitora-bato azy ho niteny ratsy ny Fanahy ireo Fariseo. Na izany aza dia namaly ny fiampangan’izy ireo ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fitanisana ny Salamo 82:6, izay mivaky hoe: “Hoy izaho: Andriamanitra hianareo, ary zanaky ny Avo indrindra hianareo rehetra” (jereo ny Jaona 10:34). Dia nanontany ny Jiosy ny Mpamonjy avy eo hoe nahoana izy ireo no niampanga Azy ho niteny ratsy rehefa nilaza Izy fa Izy no Zanak’ Andriamanitra, kanefa ny soratra masina dia milaza fa zanak’ Andriamanitra isika ary afaka ny ho andriamanitra ny tenatsika. Nandidy azy ireo mba hino Azy sy ny asany izay mijoro ho vavolombelona momba Azy sy ny Ray izay naniraka Azy Izy.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Jaona 10 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: