Tahirim-pitaovana
Fizarana 4, Andro 4: Matio 16–17


Fizarana 4: Andro 4

Matio 16–17

Fampidirana

Nibedy ny Fariseo sy ny Sadoseo izay nangataka famantarana momba ny maha-Andriamanitra Azy i Jesoa Kristy. Nijoro ho vavolombelona i Petera fa i Jesoa no Kristy, ary nampanantenaina taminy ireo fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra. Nanolotra ireo fanalahidin’ny fisoronana teo amin’i Petera sy Jakoba ary Jaona teo amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy i Jesoa Kristy sy i Mosesy ary i Elia. Rehefa avy nidina avy tany an-tendrombohitra i Jesoa dia nandroaka devoly avy tao amin’ny zazalahy iray. Nanome vola tamim-pahagagana mba handoavana ireo hetra i Jesoa tao Kapernaômy.

Matio 16

Nibedy ireo Fariseo sy Sadoseo ny Mpamonjy ary nampanantena ireo fanalahidin’ny fisoronana tamin’i Petera

Inona no holazainao amin’ny olona iray mba hanampiana azy hahatakatra ny antony hinoanao fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no hany fiangonana marina eto ambonin’ny tany?

Rehefa mandalina ny Matio 16 ianao dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka manampy anao hahatakatra sy hanazava amin’ny hafa ny mampiavaka Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny maha-Fiangonan’ny Tompo eto ambonin’ny tany izany (jereo ny F&F 1:30).

Mamaky isika ao amin’ny Matio16:1–12 fa nibedy ireo Fariseo sy Sadoseo ny Mpamonjy rehefa nangataka famantarana momba ny maha-Andriamanitra Azy izy ireo. Dia nampitandremany ny mpianany avy teo mba tsy hanaraka ireo olon-dratsy ireo.

Dia nandeha niaraka tamin’ny mpianany “tany amin’ny faritanin’i Kaisaria-filipo” ny Mpamonjy avy eo (Matio 16:13. Eto amin’ity sarin’i Kaisaria-filipo, izay nampiarahina eto ity, dia inona no hitanao eo aorian’ilay renirano sy ireo hazo?

renirano misy rindrim-bato aoriany

Loharanon’ny Renirano Jordana teo akaikin’i Kaisaria-filipo

Vakio ny Matio 16:13–19, ka tadiavo ny fomba nampiasan’ny Mpamonjy ny tandindon’ny vatolampy mba hamaritana ny fototry ny Fiangonany. (Soratra masina fehezina nyMatio 16:15–19. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanisy marika izany andinin-tsoratra masina izany amin’ny fomba miavaka mba hahafahan’izy ireo mahita mora foana ny toerana misy izany.)

Mariho ao amin’ny andininy 16–17 fa tamin’ny alalan’ny fanambarana avy tamin’ny Ray any An-danitra no nahafantaran’i Petera fa i Jesoa Kristy dia Zanak’ Andriamanitra. Dia niresaka momba ny fanambarana i Jesoa avy eo rehefa namariparitra ny fototry ny Fiangonany Izy.

Mpaminany Joseph Smith

Ny Mpaminany Joseph Smith dia nanazava hoe: “Nilaza i Jesoa tao anatin’ny fampianarana nataony hoe: ‘Ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako, ary ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy.’ [Matio 16:18.] Vatolampy inona? Fanambarana” (Enseignements des présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 195).

Nijoro ho vavolombelona ihany koa izy hoe: “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia naorina teo ambonin’ny fanambarana mivantana, tahaka ny naha-toy izany hatrany ny Fiangonan’ Andriamanitra, araka ny Soratra Masina (Amôsa 3:7, sy Asan’ny Apôstôly 1:2)” (Enseignements: Joseph Smith, 195).

Eritrereto izao fampahalalana manaraka izao: “Rehefa nampianatra an’i Petera momba ny fanambarana ny Mpamonjy dia nampiasa kilalaon-teny tamin’ny anaran’i Petera Izy ka nanambara tamin’i Simona hoe: ‘Ianao no Petera [Petros], ary ambonin’ity vatolampy ity [petra] no haoriko ny fiangonako’ (Matio 16:18). Ny teny grika hoe petros dia midika hoe vatolampy na vato kely. Ny teny grika hoe petra dia afaka midika hoe ‘vato iray’ ihany koa saingy ankoatra izany dia afaka milaza ny tany be vato, na ny vatolampy na vato lehibe iray izany [jereo ny Matio 16:18, ]. Mianatra isika avy amin’ireo teny ireo fa tsy teo ambonin’i Petera amin’ny maha-olona azy no hananganana ny Fiangonana, fa teo ambonin’ny vatolampin’ny fanambarana” (New Testament Student Manual [Church Educational System manual, 2014], 53).

Azonao atao ny manoratra izao fahamarinana manaraka izao ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Matio 16:18: Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia miorina eo amin’ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana no manan-danja ho anao ny mahafantatra fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia miorina na mifototra eo ambonin’ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra?

    2. Ahoana no fiantraikan’izany eo amin’ny fomba fanarahanao ny toro-hevitra avy amin’ireo mpaminany maoderina rehefa mahazo fanambarana ho an’izao androntsika izao izy ireo?

Avereno jerena ny Matio 16:19, ka tadiavo izay nampanantenain’ny Mpamonjy fa omeny an’i Petera?

Mianatra isika avy amin’ny tenin’ny Mpamonjy hoe: “Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra,” fa nampiandraiketin’i Jesoa Kristy tamin’ireo mpaminany sy apôstôly nofinidiny ireo fanalahidin’ny fanjakany. Ireo fanalahidin’ny fisoronana no ireo fanalahidin’ny fanjakany, ary ny fanjakan’ny Mpamonjy dia ilazana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Loholona Dallin H. Oaks

Nanazava ireo fanalahidin’ny fisoronana sy ny antony maha-manan-danja azy ireo ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “‘Ny fanalahidin’ny fisoronana dia ilay fahefana izay nomen’ Andriamanitra an’ ireo [mpihazona] fisoronana hitarihana sy hifehezana ary hitantanana ny fampiasana ny Fisoronany eto ambony tany’ [Boky torolalana 2: Fitantanana ny Fiangonana (2010), 2.1.1. Ny asa sy ôrdônansy rehetra tanterahana ato anatin’ny Fiangonana dia tanterahana rehefa nahazo lalana mivantana na misy mpanelanelana avy amin’ny olona iray izay mihazona ny fanalahidy ho an’izany andraikitra izany” (“Ireo fanalahidy sy fahefan’ny fisoronana,” Ensign na Liahona, mey 2014, 49).

Ireo fanalahidy nampanantenain’ny Mpamonjy tamin’i Petera dia nahitana ny fahefan’ny famehezana—ny fahefana hifehy na hamaha eto an-tany sy any an-danitra. Izany fahefana izany dia mamela ireo ôrdônansy notanterahana amin’ny alalan’ny fahefan’ireo mpitarika ny Fiangonana eto ambonin’ny tany mba hanan-kery any an-danitra. Ampiasaina mba hamehezana miaraka ny fianakaviana ho mandrakizay ihany koa izany. Ny Matio 16:19 dia manampy antsika hahatakatra ny anton’ny nanomezan’i Jesoa Kristy ireo fanalahidin’ny fisoronana tamin’ireo mpaminany sy apôstôliny: Ilaina ireo fanalahidin’ny fisoronana mba hitantanana ny Fiangonan’ny Tompo eto ambonin’ny tany. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no ilay hany fiangonana marina sady velona eto ambonin’ny tany izay nandray sy mihazona ireo fahefana sy fanalahidin’ny fisoronana avy amin’ny Tompo amin’izao fotoana izao.

Mianatra isika ao amin’ny Matio 16:21–28 fa niresaka momba ny sorom-panavotana ho ataony i Jesoa ary nampianatra ny mpianany fa tsy maintsy vonona ny hanao sorona ihany koa izy ireo mba hanarahana Azy. Manome fahatakarana mazava kokoa momba ny dikan’ny hoe mitondra ny hazofijalian’ny olona iray ny Dikantenin’i Joseph Smith:

“Ary ankehitriny ho an’ny olona, ny mitondra ny hazofijaliany dia ny mandà amin’ny tenany ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra mbamin’ny filan-dratsin’izao tontolo izao rehetra ary mitandrina ny didiko.

“[Aza mandika ireo didiko mba hanavotany ny ainareo; fa na iza na iza no hanavotra ny ainy ho an’ity izao tontolo izao ity, dia hamery izany any amin’ny tontolo izay ho avy” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 16:26–27 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina]).

scripture mastery icon
Soratra masina fehezina—Matio 16:15–19

  1. journal iconMitadiava olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray mba hanampy anao hilalao izao trangan-javatra manaraka izao:

    Alaivo sary an-tsaina hoe miresaka amin’ny namana iray izay tsy mpikamban’ny Fiangonana ianao. Mametraka ireto fanontaniana eto ambany ireto ny namanao. Ampiasao ireo fahamarinana nianaranao tao amin’ny Matio 16:15–19 mba hamaliana ireo fanontanian’ny namanao.

    • Henoko fa milaza ny fiangonanareo fa izany no hany fiangonan’i Jesoa Kristy marina? Izany ve no inoanao?

    • Mino an’i Jesoa Kristy ihany koa ny fiangonako, koa maninona araka ny eritreritrao no ny fiangonanareo no hany fiangonana marina?

    Rehefa tontosanao ilay filalaovana ilay tantara dia angataho ilay olona ao amin’ny fianakavianao na ilay namana hanoratra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina rehefa vitanao izany. Raha toa ka tsy misy fianakaviana na namana eo dia azonao atao ny mamaly tsotra ireo fanontaniana etsy ambony ireo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.

Matio 17

Nanolotra ireo fanalahidin’ny fisoronana tamin’i Petera sy Jakoba ary Jaona i Jesoa Kristy sy i Mosesy ary i Elià.

Eritrereto ny fomba ampitahaina ny fahefan’ny fisoronana amin’ny fahazoan-dalana hamily fiarakodia sy ireo fanalahidin’ny fisoronana amin’ireo fanalahidy izay ilaina mba hampandehanana ny fiara iray.

fahazoan-dalana hamily fiarakodia, fanalahidin’ny fiarakodia

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto: Manome lalana ny olona iray hanao inona ny fahazoan-dalana hamily fiarakodia? Nahoana no manan-danja ny fahafahana manana ireo fanalahidin’ny fiara ankoatra ny fananana ny fahazoan-dalana hamily fiara? Ahoana no ahafahana mampitaha ny fananana fahazoan-dalana hamily fiarakodia sy ireo fanalahidin’ny fiara amin’ny fahefana sy ireo fanalahidin’ny fisoronana ilaina mba hitarihana ny asan’ Andriamanitra?

Rehefa nampanantena ny Tompo fa hanome an’i Petera “ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra” (Matio 16:19), na ny fahefana hitarihana ny asan’ Andriamanitra eto ambonin’ny tany, dia efa nomena ny fahefan’ny fisoronana i Petera sy ireo Apôstôly hafa, saingy tsy mbola nomena ireo fanalahidin’ny fisoronana mba hitarihana ny fanjakana—ny Fiangonan’i Jesoa Kristy izy ireo. Rehefa mandalina ny Matio 17 ianao dia diniho ny fomba nahazoan’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona ireo fanalahidin’ny fanjakana.

Vakio ny Matio 17:1-2, ka tadiavo ny toerana nitondran’i Jesoa an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona mba handraisana ireo fanalahidin’ny fisoronana.

Inona no nitranga tamin’ny Mpamonjy teo ambonin’ilay tendrombohitra?

Ny fiovan-tarehy dia milaza “ny toetoetry ny olona izay novana vetivety ny endriny sy ny tenany olona—izany hoe nakarina amin’ny haavo ara-panahy ambony kokoa—mba hahafahany mahatanty ny fanatrehana sy ny voninahitr’ireo olon’ny lanitra” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fiovan-tarehy,” scriptures.lds.org ). Niova tarehy ihany koa i Petera sy i Jakoba ary i Jaona tamin’io fotoana io (jereo ny F&F 67:11–12).

Rehefa mamaky ny Matio 17:3 ianao dia ampio ny anaran’ireo olona roa hafa izay teo amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy ao amin’izao tabilao manaraka izao. Mariho fa i Elià dia milaza an’i Elia, ilay mpaminany tao amin’ny Testamenta Taloha. “Misy fampiasana maro ny teny hoe [Elià] ao amin’ny soratra masina. (1) Elià ao amin’ny Testamenta Vaovao (Grika) endriky ny Elia (Hebreo) toy ny hita ao amin’ny Lioka 4:25–26, Jakoba 5:17(ao amin’ny baiboly), sy Mat. 17:1–4. Amin’ireo lafiny ireo Elià dia Elia ilay mpaminany fahiny izay voarakitra ao amin’ny Mpanjaka 1 sy 2” ( ; jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Elià,”scriptures.lds.org).

Ireo olona izay teo an-Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy

Matio 17:1–2

Jesoa Kristy

A.

I Jaona Mpanao Batisa manokana an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery

Matio 17:1–2

I Petera sy i Jakoba ary i Jaona

B.

Fahitana Voalohany

Matio 17:3; Dikantenin’i Joseph Smith , Mark 9:3 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina .)

D.

Petera sy i Jakoba ary i Jaona manokana an’i Joseph Smith

Matio 17:4-9

E.

I Elià miseho ao amin’ny Tempolin’i Kirtland
Mpaminany Joseph Smith

Vakio izao teny manaraka izao izay nolazain’ny Mpaminany Joseph Smith ary asio marika ny antony naha-teo amin’ilay tendrombohitra an’i Mosesy sy i Elia: “Nanome ny fanalahid[in’ny fisoronana] ho an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona ny Mpamonjy sy i Mosesy ary i Elià[Elia] teo an-tendrombohitra, rehefa niova tarehy teo anatrehany izy ireo” (Enseignements: Joseph Smith [2007], 105).

Nihazona ireo fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely i Mosesy (jereo ny F&F 110:11), ary i Elia dia nihazona ireo fanalahidin’ny herin’ny famehezana jereo ny F&F 110:13–16).

Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia milaza fa i Jaona Mpanao Batisa—izay novonoin’i Heroda—dia niseho teo an-tendrombohitra ihany koa (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Marka 9:3 ). Ny Bible Dictionary ao amin’ny baiboly amin’ny teny anglisy an’ny OAF dia milaza fa ny “teny nampiasaina ao amin’ny DJS, Marka 9:3 dia tsy midika fa i Elià tamin’ilay fiovan-tarehy dia i Jaona Mpanao Batisa, fa ankoatra an’i Elia mpaminany dia teo koa i Jaona Mpanao Batisa” (Bible Dictionary, “Elias”). Ampio hoe Jaona Mpanao Batisa ao amin’ilay tabilao etsy ambony.

Vakio ny Matio 17:4-9, ary tadiavo hoe iza koa no teo amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy.

Ampio hoe Andriamanitra Ray ao amin’ilay tabilao.

Loholona Bruce R. McConkie

Ny zavatra niainan’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona teo an-Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy dia zava-nitranga manan-danja amin’ny fananganana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto ambonin’ny tany. Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe: “Mandra-pahatongan’ny olona amin’ny toetry ny fahatakarana ara-panahy ambony kokoa noho izay iainan’izy ireo amin’izao fotoana izao dia afaka mianatra ampahany monja amin’ny zava-nitranga teo an-Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy izy ireo” ary fantatsika izany “avy amin’ireo fitantarana ao amin’ny Testamenta Vaovao sy avy amin’ireo fahazavana fanampiny tamin’ny alalan’i Joseph Smith” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 1:399).

Mety tsaroanao fa ny fotoampitantanan’ny filazantsara dia vanim-potoana iray izay hanomezan’ny Ray any An-danitra ny fahefana sy ireo ôrdônansy ary ny fahalalana momba ny drafitry ny famonjena ho an’ny vahoaka eto ambonin’ny tany amin’ny alalan’ireo mpanompony nahazo lalana (jereo ny Bible Dictionary, “Dispensations,” na Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fotoampitantanana,” scriptures.lds.org). Niseho tamin’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’izao fotoampitantanana misy antsika izao koa ny olona tsirairay izay voalaza ao amin’ilay tabilao fa teo an-Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy.

Asio tsipika avy eo amin’ny anaran’ireo olona izay voatanisa ao amin’ilay tabilao mankeo amin’ny sary mampiseho ny fotoana izay nisehoan’izy ireo tamin’ny Mpaminany Joseph Smith. Rehefa vitanao izany dia jereo ny valinteninao amin’ny fampiasana izao fampahalalana manaraka izao:

  1. Niseho tamin’i Joseph Smith nandritra ny Fahitana Voalohany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:16–17).

  2. Nanome ireo fanalahidin’ny Fisoronana Aharôna an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery i Jaona Mpanao Batisa (jereo ny F&F 13).

  3. Nanome ireo fanalahidin’ny Fisoronana Melkizedeka an’i Joseph Smith sy Oliver Cowdery i Petera sy i Jakoba ary i Jaona (jereo ny F&F 27:12).

  4. Nanome ireo fanalahidin’ny herin’ny famehezana an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland i Elia. Nanome ireo fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely tamin’izy ireo i Mosesy tamin’izay andro izay ihany (jereo ny F&F 110).

Mianatra isika avy tamin’ireo zava-nitranga teo an-Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy sy ny zavatra niainan’ny Mpaminany Joseph Smith tany amin’ny fiandohan’ny Famerenana amin’ny laoniny fa manolotra ireo fanalahidin’ny fisoronana eo amin’ireo mpanompo nofinidiny Andriamanitra isaky ny fotoampitantanana mba hahafahan’izy ireo mitarika ny asany eto ambonin’ny tany.

Mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana izay noraisin’ny Mpaminany Joseph Smith ireo mpaminany sy apôstôly amin’izao fotoana izao. Nifandimbiasana avy tamin’i Joseph Smith ka nandalo tamin’i Brigham Young sy ireo mpaminany nifandimby ireo fanalahidy ireo.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny fahatsapanao no manan-danja ny mahafantatra fa ilay lamina tamin’ny fanolorana ireo fanalahidin’ny fisoronana izay nitranga tamin’ny andron’i Jesoa Kristy dia naverina tamin’izao androntsika izao tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith?

    2. Ahoana no hanazavanao amin’ny namana iray fa manaraka ny lamina napetrak’ Andriamanitra ireo iraka avy any an-danitra (anjely) izay nanome ireo fanalahidin’ny fisoronana tamin’ny Mpaminany Joseph Smith?

  2. journal iconSoraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny tanjona iray mikasika ny zavatra hataonao mba hanarahana sy hanohanana bebe kokoa ireo izay mihazona ireo fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra amin’izao androntsika izao.

Tao anatin’ ilay fahatanterahan’ ilay zava-niseho tena masina teo an-Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy, dia nandidy azy ireo ny Mpamonjy hoe: “Aza milaza amin’ny olona ny fahitana, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona amin’ny maty” (Matio 17:9).

Filoha Boyd K. Packer

Eritrereto ny fomba itovian’izany torolalana izany amin’ireo toro-hevitra nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Nanjary inoako ihany koa fa tsy fahendrena ny miresaka tsy tapaka momba ireo zavatra ara-panahy niainantsika. Tokony hotazonina amim-pitandremana izy ireny ary tsy zaraina raha tsy ny Fanahy mihitsy no mibitsika aminao mba hampiasa izany ho fitahiana ho an’ny hafa” (“The Candle of the Lord,” Ensign, Jan. 1983, 53).

Nahoana no tokony hitandrina amin’ny fizarana ireo traikefa ara-panahy isika ka tsy hanao izany raha tsy rehefa bitsihan’ny Fanahy?

Mianatra isika ao amin’ny Matio 17:10–27 fa nandroaka devoly avy tao amin’ny zazalahy iray i Jesoa ary nanome vola fanatitra ho an’ny tenany sy ho an’i Petera.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Matio 16–17 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: