Fizarana 6: Andro 1
Matio 23
Fampidirana
Nandritra ny herinandro farany niainan’ny Mpamonjy teto ambonin’ny tany dia niampanga ny fihatsarambelatsihin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo Izy ary nalahelo fatratra fa tsy hanaiky ny fitiavany sy ny fiarovany ny olona tao Jerosalema.
Matio 23:1–12
Niampanga ny fihatsarambelatsihin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny Mpamonjy
Eritrereto izay mampiavaka ny soratra masinao amin’ny soratra masina an’ireo olona ao amin’ny fianakavianao, ireo mpikambana ao amin’ny paroasinao, ary ireo namanao. Iza no manana boky lehibe indrindra? Ny an’iza no misy marika sy misy fanamarihana betsaka indrindra ao anatin’ny soratra masiny? Iza no manana ny boky mahafatifaty indrindra?
Inona no hasetrinao raha toa ka mitompo teny ny olona iray izay manana boky soratra masina lehibe indrindra, na manana marika sy fanamarihana betsaka indrindra ao anatin’ny soratra masina, na manana ny boky soratra masina mahafatifaty indrindra fa izy no olo-marina indrindra?
Ahoana no hahatonga izany ho fomba tsy mahomby amin’ny famantarana ny fahamarinana?
Raha toa ka voafaritry ny endrika ety ivelany ny fahamarinana dia mety hitarika ny olona hanao zavatra amin’ny fihatsarambelatsihy izany. “Ny teny hoe [mpihatsaravelatsihy] amin’ny ankapobeny dia mazàna no milaza ny olona iray izay milaza ho mpivavaka kanefa tsy izany mihitsy izy” (Bible Dictionary, “Hypocrite”). Izany ihany koa dia afaka milaza ny olona iray izay milaza ho tsy mpivavaka kanefa tena mpivavaka izy.
Tamin’ny ampahan’ny hafatra ampahibemaso farany nomen’ny Mpamonjy tao amin’ny tempoly tao Jerosalema nandritra ny herinandro farany nanompoany teto ambonin’ny tany dia niampanga ny fihatsarambelatsihin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo Izy.
Rehefa mandalina ny Matio 23 ianao dia tadiavo ireo fahamarinana izay hanampy anao amin’ny fihetsika asehonao rehefa mahita ny hafa manao zavatra amim-pihatsarambelatsihy ianao sy ny zavatra azonao atao mba handresena ny fihatsarambelatsihy eo amin’ny fiainanao manokana.
Vakio ny Matio 23:1-7, ka tadiavo ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy momba ireo fomba izay naha-mpihatsaravelatsihy an’ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo. Ny andian-teny hoe “fipetrahan’i Mosesy” (andininy 2) dia midika fa nanana toerana manampahefana mba hampianatra ny fotopampianarana sy handika ary hanatanteraka ny lalàna ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo. Mpisolovava izay nandalina ny lalàn’i Mosesy ny mpanora-dalàna, ary mpampianatra ara-pivavahana ny Fariseo.
Araka ny lovan-tsofina, ny Jiosy dia nanao fylakitera, izay nantsoina ihany koa hoe tefilina, izay boaty kely vita amin’ny hoditra nafatotra teo amin’ny andrina sy ny sandry havia mba hampisehoana fa natokana tsy tapaka ho an’ny lalàn’ Andriamanitra ny saina sy ny fon’izy ireo. Nisy horonan-taratasy kely izay nahitana ampahana lahatsoratra ao amin’ny Testamenta Taloha tao anatin’ireo fylakitera. Nanao fylakitera ny Jiosy mba hanampy azy ireo hahatsiaro ny hanaraka ny didin’ Andriamanitra (jereo ny Eksôdôsy 13:5–10, 14–16; Deoteronomia 6:4–9; 11:13–21). Tsy miampanga ireo izay nanao fylakitera ny Tompo saingy niampanga ireo izay nampiasa izany tamim-pihatsarambelatsihy na nampitombo ny haben’izany mba ho tsikaritry ny hafa rehefa anaovan’izy ireo izany.
Azonao atao ny manisy marika ilay andian-teny ao amin’ny Matio 23:5 izay manazava ny antony nampitomboan’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fylakiteran’izy ireo sy ny “somotraviaviny.”
Araka ny voarakitra ao amin’ny Matio 23:3 dia inona no torohevitra nomen’ny Tompo tamin’ny Apôstôliny mikasika ny fihatsarambelatsihy?
Mianatra izao fahamarinana manaraka izao isika araka io torohevitra io: Afaka misafidy ny hankatò ny lalàn’ Andriamanitra isika na dia hitantsika manao zavatra amim-pihatsarambelatsihy aza ny hafa.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny misafidy ny hankatò ny lalàn’ Andriamanitra na dia hitantsika manao zavatra amim-pihatsarambelatsihy aza ny hafa?
Vakio ny Matio 23:8-10, fa tadiavo izay nasain’i Jesoa mba hataon’ny olona.
Nampiasa ny andian-teny hoe “mpirahalahy avokoa” (andininy 8) ny Mpamonjy mba hampianarana ny olona tsy hihevitra ny tenany ho tsara kokoa noho ny hafa satria zanak’ Andriamanitra avokoa izy rehetra, mitovy lenta eo imasony.
Nihevitra ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo fa hahatonga azy ireo ho lehibe ny toerana sy ny laza eo imason’ny fiarahamonina. Vakio ny Matio 23:11–12, ka tadiavo hoe iza no nolazain’ny Mpamonjy fa hoheverina fa lehibe ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Azonao atao ny manisy marika izay hitanao ao amin’ny andininy 11.
Araka ny voarakitra ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia nampianatra izao fitsipika manaraka izao ny Mpamonjy: Raha mikatsaka ny hanandratra ny tenantsika eo ambonin’ny hafa isika dia haetry. Ny haetry dia midika hoe ampidinina ambany na manjary tsy dia hajaina firy.
Nampianatra ny olona ihany koa i Jesoa fa hanandratra antsika ny Tompo raha toa ka manetry tena sy manompo ny hafa isika. Ilay andian-teny hoe “hasandratra” (Matio 23:12) dia milaza fa hankahery antsika ny Tompo, hanampy antsika ho tonga tahaka Azy bebe kokoa, ary hanome antsika ny fisandratana any amin’ny fanjakana selestialy.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Nahoana isika no mila manompo ny hafa mba hahafahan’ny Tompo mankahery sy manampy antsika ho tonga tahaka Azy bebe kokoa?
-
Afaka manampy antsika handresy ny fihatsarambelatsihy amin’ny fomba ahoana ny fanetrentena?
-
Saintsaino ireo zavatra tsara izay ataonao any an-tsekoly sy ao an-tokantrano ary any am-piangonana. Eritrereto izay hametrahanao ny tenanao eto amin’izao fandrefesana manaraka izao araka ny fahavononanao hanao asa tsara sy ny ezaka ataonao mba hanetry teny:
Mametraha tanjona mba hanompo ny hafa isan’andro, ary tsarovy fa isika rehetra dia zanaky ny Ray any An-danitra avokoa.
Matio 23:13–36
Nanambara loza ho an’ireo mpanora-dalàna sy ny Fariseo i Jesoa Kristy
Alaivo sary an-tsaina hoe misy kaopy telo azonao safidiana izay hisotroanao zava-pisotro. Maloto ny ivelan’ny kaopy voalohany, maloto ny anatin’ny kaopy faharoa, ary madio ilay kaopy fahatelo. Nahoana no tianao kokoa ny hisotro amin’ilay kaopy izay madio tanteraka toy izay ilay madio ampahany fotsiny? Rehefa mandalina ny Matio 23:13–36 ianao dia saintsaino ny fomba ahafahanao mampitaha ireo kaopy telo ireo amin’ny zavatra nolazain’i Jesoa Kristy.
Mianatra isika ao amin’ny Matio 23:13–36 fa niampanga ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ho mpihatsaravelatsihy ny Mpamonjy. Ataovy topimaso ireo andinin-tsoratra masina ireo ka tadiavo hoe impiry ny Mpamonjy no nampiasa ny teny hoe loza rehefa niresaka tamin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo Izy. Asio marika isaky ny mahita ny teny hoe loza ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao. Ny hoe loza dia milaza ny fahoriana sy ny fahantrana ary ny alahelo.
-
Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina avy eo ireo fanontaniana roa ireo:
-
Matio 23:23–24
-
Matio 23:25–26
-
Matio 23:27–28
-
Matio 23:29–36
-
Ahoana no naha-mpihatsaravelatsihy ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo?
-
Inona no ohatra amin’izany karazana fihatsarambelatsihy izany izay hitantsika amin’izao androntsika izao?
-
Vakio ny Matio 23:26, ka tadiavo izay nasain’ny Mpamonjy nataon’ireo Fariseo mba handresena ny fihatsarambelatsihin’izy ireo. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.
Mianatra isika avy amin’io andinin-tsoratra masina io fa rehefa miezaka ny ho tonga madio ara-panahy ao anaty isika dia ho hita taratra amin’ny safidy ety ivelany ataontsika izany.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no tsy maintsy ataontsika mba ho madio ara-panahy ao anaty?
-
Mety hanampy antsika amin’ny fomba ahoana handresy ny fihatsarambelatsihy ireo ezaka ataontsika mba ho madio ara-panahy ao anaty ?
-
Raha eritreretina ireo kaopy telo tany amin’ny fiandohan’ity fizarana ato amin’ny lesona ity dia saintsaino hoe iza amin’ireo kaopy ireo no maneho indrindra ny toetoetry ny ara-panahinao amin’izao fotoana izao. Mametraha tanjona iray izay hanampy anao ho tonga madio ara-panahy tanteraka.
Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manampy ny fahatakarantsika ny Matio 23:23–35 amin’ny fanampiana ireto fanazavana manaraka ireto:
-
Nataon’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ho toy ny hoe “manao ny fahotana bitika indrindra” izy ireo kanefa meloka tamin’ny fandikana “ilay lalàna manontolo” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 23:21 ).
-
Ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo dia “[nijoro ho] vavolombelona nanohitra ny rain’ [izy ireo], kanefa mpanao ny faharatsiana mitovy amin’izany ihany [ny tenan’izy ireo]” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 23:34 ).
-
Raha toa ka nanota tao anatin’ny tsy fahalalana ny rain’izy ireo, ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo kosa dia nanota tamin’ny nahim-pony ary tsy maintsy hijoro ho tompon’andraikitra amin’ny fandikan-dalàna nataony (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 23:35 ).
Mianatra isika ao amin’ny Matio 23:29–33 fa niampanga ireo mpitarika ara-panahy ny Jiosy i Jesoa noho ny fanekena ireo mpaminany teo aloha kanefa mandà ireo mpaminany velona. Tahaka ny tamin’ny andron’i Jesoa ihany koa, tokony hitandrina mba tsy hanaja ireo mpaminany teo aloha isika kanefa mandà ireo mpaminany velona amin’izao androntsika izao.
Matio 23:37–39
Nitomany ny Mpamonjy fa tsy hanatona Azy ny vahoaka tao Jerosalema
Ahoana no fomba hiarovan’ny reniakoho ny zanany?
Rehefa mananontanona ny loza dia manangona ny zanany ao ambanin’ny elany mba hiarovana azy ireo ny reniakoho. Tia ny zanany ny reniakoho ary hanao sorona ny ainy mba hiarovana azy ireo.
Vakio ny Matio 23:37–39, ka tadiavo ny fomba nilazan’ny Mpamonjy fa tahaka ny reniakoho ny Tenany.
Ahoana no fihetsik’ireo vahoaka tao Jerosalema tamin’ny ezaka nataon’i Jesoa mba hanangonana azy ireo?
Asio marika ilay andian-teny hoe “avela ho lao ho anareo ny tranonareo” (andininy 38). Ato anatin’ity sahan-kevitra ity, ny hoe lao dia midika hoe foana na nafoy. Satria tsy vonona ny hangonin’ny Mpamonjy ny olona dia tavela tsy voaro izy ireo. Ankoatra ireo heviny hafa, izany andian-teny izany dia afaka milaza ny toetoetra ara-panahin’ny olona nandritra ny andron’i Jesoa, torak’izany koa amin’ny fandravana an’i Jerosalema amin’ny hoavy. Afaka milaza ny tempoly sy ny fahaverezan’ireo fitahiana azo avy amin’ny tempoly koa izany.
Araka ny zavatra nampianarin’i Jesoa momba ny reniakoho sy ny zanany dia afaka mahazo inona isika raha toa ka vonona ny hangonin’ny Mpamonjy? Valio ity fanontaniana ity amin’ny alalan’ny famenoana izao teny natao manaraka izao: Raha toa ka vonona ny hangonin’ny Mpamonjy isika dia .
Asio marika ato anatin’izao teny manaraka izao izay nolazain’nyFiloha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ny torolalana izay mampahafantatra ny fomba iray ahafahantsika mampiseho amin’ny Mpamonjy fa vonona ny hangoniny isika:
“Efa imbetsaka Izy no nilaza fa hanangona antsika tahaka ny hanangonan’ny reniakoho ny zanany eo ambanin’ny elany. Milaza Izy fa tsy maintsy misafidy ny hanatona Azy amin’ny halemem-panahy sy amin’ny finoana ampy mba hibebahana ‘amin’ny fo feno finiavana’ isika [3 Nefia 10:6].
“Fomba iray hanaovana izany ny fivondronana miaraka amin’ny Olomasina ato amin’ny Fiangonany. Vonjeo ny fivorianareo, na dia toa sarotra aza izany. Raha tapa-kevitra ianareo dia hanampy anareo hahita ny tanjaka hanaovana izany Izy ” (“In the Strength of the Lord,” Ensign na Liahona, mey 2004, 18).
Tapaho ny hevitrao ny amin’izay hataonao mba hiangona ao amin’ny Mpamonjy hahafahanao manohy mahazo ny fikarakarany sy ny fiarovany.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Matio 23 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: