Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny 2 Petera


Fampahafantarana ny 2 Petera

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Nanamarika ny Mpaminany Joseph Smith fa “i Petera no nanoratra tamin’ny fiteny tena tsara indrindra tamin’ireo apôstôly rehetra” (ao amin’ny History of the Church, 5:392). Ny hoe tena tsara dia midika hoe misandratra amin’ny heviny, manana lanjany miavaka, ary manainga ny fanahy hidera.

Satria vavolombelona nahita maso ny fiovan’i Jesoa Kristy tarehy i Petera (jereo ny 2 Petera 1:16–18), dia namporisika ireo mpamaky ny epistiliny izy mba hitombo amin’ny fahalalana an’i Jesoa Kristy sy hikatsaka ny hahazo ireo toetran’ Andriamanitra mba hahafahan’izy ireo miray amin’ny “fomban’ Andriamanitra” (jereo ny 2 Petera 1:4–8). Nanome toky ireo mpamaky ny teniny izy fa io fivoarana ara-panahy io dia hanampy azy ireo “hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana” azy ireo (2 Petera 1:10). “Hamafisin’i Petera fa ny Tompo dia ho tonga avy any an-danitra amim-boninahitra lehibe eto an-tany ary hitsara” (Bible Dictionary, “Peter, Epistles of”). Rehefa mandalina ny Epistily faharoa nosoratan’i Petera ianao dia afaka mampitombo finoana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy sy mandray torolalana sy fitaomam-panahy izay afaka manampy anao ho tonga tahaka Azy bebe kokoa.

Iza no nanoratra ity boky ity?

I Simona Petera, ilay lohan’ny Apôstôlin’i Jesoa Kristy, no nanoratra ny Epistily faharoa nosoratan’i Petera (jereo ny 2 Petera 1:1).

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Tsy fantatsika mazava hoe oviana ary taiza no nanoratana ity epistily ity. Heverin’ny maro fa tany Roma no nanoratan’i Petera ity epistily ity, taorian’ilay epistily fantatra amin’ny hoe 1 Petera, izay nosoratana tokony ho teo amin’ny manodidina ny 64 taorian’i J.K. (Jereo ny Bible Dictionary, “Peter, Epistles of”).

Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?

Nilaza i Petera fa nanoratra ho an’ireo “izay efa nahazo finoana soa tahaka ny anay” izy (2 Petera 1:1). Mety milaza izany fa ireo Kristiana Jentilisa izay nahazo ny epistiliny voalohany ihany no nanoratan’i Petera (jereo ny 2 Petera 3:1). Ny votoatin’ny 2 Petera 1:12–15 dia maneho fa nataon’i Petera ho taratasy fanaovam-beloma ireo mpamaky ny teniny ity taratasy ity.

Tsy tahaka ny Epistily voalohany nosoratan’i Petera izay nanampy ireo Olomasina hiatrika ny fanenjehana ivelany, ny Epistily faharoa nosoratan’i Petera dia miresaka ny fihemorana anatiny izay nandrahona ny hoavin’ny Fiangonana. Nisy mpaminany sy mpampianatra sandoka nampiely “sain-diso mahavery [fampianaran-diso] ary handà ny Tompo Izay nividy azy aza” (2 Petera 2:1). Nanoratra ity taratasy ity i Petera mba hamporisihana ireo Olomasina hitombo amin’ny fahalalana ny Tompo sy “hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana” azy ireo” (2 Petera 1:10).

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

“Ireo fiangonana nanoratany an’ilay epistily voalohany ihany no toa nanoratany an’ilay epistily faharoa (3:1). Teo am-bavahoan’ny fahafatesana no nanoratana izany (1:14) ary ny tanjony dia ny hampitandrina ny amin’ny apôstazia” (Bible Dictionary, “Peter, Epistles of”). Ahitana ireo tenin’i Petera mavesa-danja indrindra sy ireo fijoroany ho vavolombelona farany ihany koa izany.

Lohahevitra lehibe iray ao amin’ny 2 Petera ny maha-zava-dehibe ny fahazoana fahalalana momba an’i Jesoa Kristy. Nampanantena ireo mpamaky ny epistiliny i Petera fa raha mikatsaka ireo toetran’ Andriamanitra sy mampitombo fomba tahaka ny an’ Andriamanitra izy ireo “dia tsy avelan’izany ho malaina na tsy hahavokatra [izy ireo] amin’ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy Tompontsika” (2 Petera 1:8) ary “hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana” azy ireo izy ireo (2 Petera 1:10).

Navahan’i Petera tamin’ny fahalalana diso sy ireo fampianaran-diso izay naelin’ireo mpivadi-pinoana ny tena fahalalana marina an’i Jesoa Kristy (jereo ny 2 Petera 2). Teo am-pamaranana ity epistily ity i Petera dia nanome fanasana farany ho an’ireo Olomasina mba “[hitombo] amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy” (2 Petera 3:18).

Topimaso

2 Petera 1. Manazava i Petera fa ireo fampanantenan’i Jesoa Kristy dia manome fahafahana ny Olomasina ho “mpiray amin’ny fomban’ Andriamanitra” (2 Petera 1:4). Mamporisika azy ireo izy mba “hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana” azy ireo” (2 Petera 1:10). Mitantara indray ny zavatra niainany teo an-Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy i Petera, tamin’izy vavolombelona an’i Kristy nomem-boninahitra sy nandre ny feon’ny Ray. Nilaza i Petera fa “manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa” (2 Petera 1:19).

2 Petera 2. Mampitandrina ireo mpikamban’ny Fiangonana i Petera ny amin’ireo mpaminany sandoka sy mpanao fampianaran-diso izay ho tonga eo anivon’izy ireo sy hikatsaka ny hitarika ireo Olomasina ho any amin’ny lalan-diso. Ireo mpampianatra ratsy ireo dia handà ny Tompo sy hiteny ratsy “ny lalan’ny fahamarinana (2 Petera 2:2). Mampianatra i Petera fa aleo kokoa tsy manaiky ny filazantsara toy izay manao fanekempihavanana dia tsy miaina mifanaraka amin’izany avy eo.

2 Petera 3. Manamafy i Petera fa azo antoka fa ho avy amin’ny fotoany i Kristy, hanadio ny tany amin’ny afo, handringana ny ratsy fanahy, ary hamonjy ny mazoto sy ny mahatoky. Mamporisika ireo Olomasina i Petera mba “[hitombo] amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy” (2 Petera 3:18).