Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny 2 Tesaloniana


Fampahafantarana ny 2 Tesaloniana

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Ao anatin’ny episitily faharoa nosoratany ho an’ireo Tesaloniana i Paoly dia nanoratra teny mirakitra torohevitra sy fanazavana ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nandika vilana ny lafiny sasantsasany amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Ny fandalinana ireo fampianarany dia afaka manampy anao hahatakatra ny toetoetry ny apôstazia izay nitranga sy ny fomba hiomanana araka ny tokony ho izy amin’ny fiverenan’ny Tompo.

Iza no nanoratra ity boky ity?

I Paoly Apôstôly no nanoratra ny 2 Tesaloniana (jereo ny 2 Tesaloniana 1:1; jereo koa ny 2 Tesaloniana 2:5; 3:17). Ny fanombohan’ilay epistily dia ahitana ihany koa ny fiarahabana avy tamin’i Silasy sy i Timoty (2 Tesaloniana 1:1).

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

“Nosoratan’i Paoly tany Korinto ireo epistily ho an’ny Tesaloniana nandritra ny dia fitoriana faharoa nataony,” nanodidina ny 50–51 taorian’i J.K. (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Epistilin’i Paoly,” scriptures.lds.org).

Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?

Nanoratra ny 2 Tesaloniana ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Tesalonika i Paoly. Mitovy ireo lohahevitra ao amin’ny 1 Tesaloniana sy ny 2 Tesaloniana, izay milaza fa nanoratra ny 2 Tesaloniana mba hanazavana sy hanampiana fampahalalana momba ny epistily voalohany i Paoly. Toa naharay taratasy sandoka izay voalaza fa avy tamin’i Paoly ireo Tesaloniana, ka izany dia nahatonga ny olona sasany hino fa efa nitranga ny Fiaviana Fanindroany (jereo ny 2 Tesaloniana 2:2).

“Niaritra fanenjehana ny Fiangonana nandritra ny fotoana kely teo anelanelan’ireo epistily roa ireo [jereo ny 2 Tesaloniana 1:4]; ny fieritreretana fa hitranga avy hatrany ny fiverenan’ny Tompo dia niteraka fihotakotahana mahatsiravina [jereo ny 2 Tesaloniana 2:2]” (Bible Dictionary, “Pauline Epistles”). Nanoratra ny 2 Tesaloniana mba hampatanjahana ny finoan’ireo mpikambana ireo sy hanitsiana ny fahadisoan-kevitra ara-potopampianarana i Paoly.

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Ny epistily faharoa ho an’ny Tesaloniana dia manome antsipirian-javatra manan-danja momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Ny ohatra sasany amin’izany dia ahitana ny fiheverena fa ny Tompo dia hiverina amin’ny “afo miledaleda” ary ny olon-dratsy dia “hiaran’ny famaliana marina dia ny fahaverezana mandrakizay, avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo” (2 Tesaloniana 1:8–9).

Mamaky ihany koa isika ato anatin’ity epistily ity fa i Paoly dia naminany momba ny Apôstazia Lehibe, ka dia nampianatra izy fa ny Fiangonana dia handalo “fihemorana” amin’ny filazantsara mialoha ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany (jereo ny 2 Tesaloniana 2:2–12). Ny fampianaran’i Paoly momba ny Apôstazia dia mampahatsiahy ireo mpikamban’ny Fiangonana amin’izao fotoana hoe nahoana no nilaina ny Famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny amin’ny andro farany.

Topimaso

2 Tesaloniana 1. Niarahaba sy nidera ireo Olomasina tany Tesalonika i Paoly. Nampianatra izy fa hiaina ny valifatin’ny Tompo ireo olon-dratsy amin’ny Fiaviana Fanindroany.

2 Tesaloniana 2. Nahitsin’i Paoly ilay fiheveran-diso fa efa nitranga ny Fiaviana Fanindroany ary naminany izy fa hitranga alohan’ny fiverenan’ny Tompo ny apôstazia iray. Namporisika ireo Olomasina Tesaloniana mba hijanona ho mahatoky izy.

2 Tesaloniana 3. Nanoro hevitra ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hiasa mba hiveloman’izy ireo amin’ny lafiny ara-nofo sy mba tsy ho ketraka amin’ny fanaovan-tsoa i Paoly.