Fizarana°10: Andro 3
Lioka 7:18–50
Fampidirana
Nidera an’i Jaona Mpanao Batisa i Jesoa ary nijoro ho vavolombelona fa nanomana ny lalana ho an’ny asa fanompoany i Jaona. Raha niara-nihinana tamin’ny Fariseo iray i Jesoa, dia naneho ny finoany sy ny fitiavany an’i Jesoa ny vehivavy iray nibebaka.
Lioka 7:18–35
Nidera an’i Jaona Mpanao Batisa i Jesoa ary nijoro ho vavolombelona ny amin’ny asa nanirahina azy
Inona no tsaroanao mikasika an’i Jaona Mpanao Batisa?
-
Mitanisà zavatra maro mikasika an’i Jaona Mpanao Batisa araka izay tsaroanao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.
Alaivo sary an-tsaina ny volotara (ahitra lava lela) sy ny olona iray izay manao akanjo malefaka sy lafo vidy ary mipetraka ao amin’ny lapa iray. Eo am-pieritreretanao mikasika izany, dia Vakio ny Lioka 7:24–26 mba hikarohana ny zavatra nampianarin’i Jesoa mikasika an’i Jaona Mpanao Batisa.
Araka ny eritreritrao dia inona no tsy mampitovy an’i Jaona Mpanao Batisa amin’ny volotara sy ny olona iray miaina ao anatin’ny aingitraingitra?
I Jaona Mpanao Batisa dia tsy mitovy amin’ny volotara izay mihozongozona na tsofin’ny rivotra fa mafy orina sy tsy voahozongozona tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nananany sy tamin’ny fanatanterahana ny iraka izay nampanaovina azy. Niaina tany an’efitra izy ary nanao akanjo vita tamin’ny volon-drameva izay tena henjana. Nikatsaka ny hanao ny sitrapon’ Andriamanitra i Jaona, fa tsy nikatsaka ny fiadanam-piainana ara-nofo.
Nilaza i Jesoa fa i Jaona Mpanao Batisa dia “mihoatra lavitra noho ny mpaminany” (Lioka 7:26). Vakio ny Lioka 7:27–28 mba hitadiavana ny antony nampiavaka an’i Jaona Mpanao Batisa teo anivon’ireo mpaminany.
Rehefa nilaza i Jesoa hoe,“Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, izay hamboatra ny lalanao eo alohanao” (Lioka 7:27), dia nindrana ny faminaniana iray voasoratra an-jato taonany maro teo aloha Izy, izay niresaka mikasika ny “iraka” izay “hanamboatra ny lalana eo alohan’[ny Mesia]” (Malakia 3:1). Ny zavatra azontsika hianarana avy amin’ireo andininy ireo dia ny hoe I Jaona Mpanao Batisa no ilay mpaminany notendrena mialoha hanomana ny lalana sy hanao batisa ny zanak’ Andriamanitra.
Ahoana no nanomanan’i Jaona Mpanao Batisa ny lalana ho an’ny fiavian’i Jesoa Kristy?
Ny Mpaminany Joseph Smith dia nilaza izao manaraka izao mikasika ny Lioka 7:28: “Noheverina ho toy ny olona izay tsy nanana zavatra nangatahina indrindra tao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra i Jesoa, ary [toy ny hoe] Izy no tsy nananan’izy ireo fahavononana indrindra ny hino fa mpaminany Izy, toy ny nilaza Izy hoe —‘Izay heverina ho kely indrindra eo aminareo, dia lehibe noho Jaona— izany hoe ny tenako izany.’” (Enseignements des Presidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 82).
Mamaky isika ao amin’ny Lioka 7:29-35 fa maro no nino ny fampianaran’i Jesoa, fa ny Fariseo sy ny mpahay lalàna izay nanatrika teo dia nandà ny fampianarany. Nanazava i Jesoa fa nandà ny fahamarinana izy ireo na Izy na i Jaona no nampianatra izany.
Lioka 7:36–50
Raha niara-nihinana tamin’ny Simona ilay Fariseo i Jesoa, dia nisy vehivavy izay nanasa ny tongotr’i Jesoa tamin’ny ranomasony
Efa nanontany tena ve ianao raha toa ka ho voavela amin’ny helokao?
Eo am-pandalinanao ny ambin’ny Lioka 7, dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka manampy anao rehefa manontany tena ianao raha toa ka afaka ny ho voavela heloka.
Mamaky isika ao amin’ny Lioka 7:36 fa ny Fariseo iray antsoina hoe Simona dia nanasa an’i Jesoa hiara-mihinana taminy tao an-tranony. Amin’ny fiaraha-mihinana toy izany, ny vahiny dia mandry hilika eo ambony lafika manodidina latabatra iva iray, ary ny tongotra dia mitsotra manalavitra ny latabatra. Ny mahantra dia navela hanangona ireo sisan-kanina tsy lany amin’ny fanasana, noho izany dia toy ny tsy mahazatra ho an’ny olona tsy nasaina no hiditra ny trano mandritra ny fihinanana (jereo ny James E. Talmage, Jesus le Christ, 3ème ed. [1916],261).
Vakio ny Lioka 7:37–39 mba hikarohana hoe iza ilay olona niditra tao amin’ity fiaraha-mihinana manokana ity nefa tsy nahazo fanasana.
Jereo fa naneho ny fitiavany ny Mpamonjy tamin’ny fanasana, sy fanorohana, ary fanosorana menaka ny tongony ilay vehivavy. Ny “tavoara alabastara feno menaka manitra” (Lioka 7:37) dia tavoahangy feno menaka manitra lafo vidy.
Araka ny Lioka 7:39, dia inona no neritreretin’i Simona rehefa nahita ny zavatra nataon’ilay vehivavy izy?
Rehefa nahalala ny eritreritr’i Simona i Jesoa, dia nampianatra fanoharana iray mikasika ny mpitrosa vola roa sy mpampanàna vola iray. Ny mpampanàna vola dia olona iray izay mampindram-bola; ary ny mpitrosa vola dia olona iray izay mindram-bola. Ny mpitrosa dia manaiky ny hamerina ny volan’ny mpampanàna vola na miditra am-ponja.
Vakio ny Lioka 7:40–43, ary jereo hoe maneho an’iza ny tsirairay avy ao amin’ilay fanoharana.
-
Adikao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao manaraka ity. Fenoy amin’ny hoe Simona ilay Fariseo, ilay vehivavy, ary Jesoa, ny banga araka ny olona tsirairay mety asehon’izy ireo tsirairay avy ao amin’ilay fanoharana. (Mamelà malalaka eo amin’ny tsanganana hoe “Mpitrosa vola“ mba hanoratana fampahalalana bebe kokoa ho an’ny asa atao manaraka.)
|
Mpampanàna vola = | |
|
Mpitrosa vola ananana denaria 50 = |
Mpitrosa vola ananana denaria 500= |
Nampianatra mikasika ny fomba fandraisana vahiny mahazatra izay hasehon’ny mpampiantrano ny vahininy tamin’ny andron’i Jesoa ny Loholona James E. Talmage tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Fomba tamin’izany fotoana izany ny fikarakarana vahiny iray miavaka tamin’ny fihetsika tsikaritry ny olona. Mandray azy amin’ny horoka fandraisana, manome rano mba hanadiovana ny vovoka amin’ny tongony, ary diloilo hanosorana ny volon-doha sy ny volom-bava” (Jesus le Christ,261).
Vakio ny Lioka 7:44–46 mba hikarohana ireo fahasamihafana teo amin’ny fomba nandraisan’i Simona an’i Jesoa hiara-hihinana aminy sy ny fomba nitondran’ilay vehivavy an’i Jesoa.
-
Ataovy lisitra ao amin’ilay tabilao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masinaao amin’ny tsanganana mifanaraka amin’izany ny sasany amin’ireo fahasamihafana teo amin’ny fomba nitondran’i Simona an’i Jesoa sy ny fomba nitondran’ilay vehivavy Azy.
Rehefa nampitaha an-kolaka an’i Simona tamin’ilay mpitrosa vola izay nananana denaria 50 i Jesoa dia nilaza an-kolaka Izy fa nila ny ho voavela tamin’ny fahotany ihany koa i Simona.
Vakio ny Lioka 7:47–50 mba hitadiavana ny antony nahafahan’ilay vehivavy nandray famelan-keloka. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia naneho ny heviny mikasika ny finoan’ilay vehivavy: “Raha ny marina, I Jesoa dia niteny hoe: ‘Maro ireo fahotany, saingy nino Ahy izy, nibebaka tamin’ny fahotany, nataon’ireo mpianatro batisa, ary dia voadio tao amin’ny ranon’ny batisa ny otany. Ankehitriny izy dia nitady Ahy mba hanehoany ilay fankasitrahana sesehena avy amin’ny olona iray izay naloto teo aloha, fa ankehitriny kosa dia madio. Ny fankasitrahany dia tsy misy fetra ary ny fitiavany dia tsy voarefy, satria navela tamin’ny zavatra maro izy’” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965-73], 1:265).
Ireto manaraka ireto dia fitsipika vitsivitsy azontsika ianarana avy amin’io tantara io: Rehefa mampihatra ny finoantsika isika amin’ny fanehoana ny fitiavantsika sy ny fanoloran-tenantsika amin’ny Tompo dia afaka hahazo ny famelany heloka, ary rehefa mandray ny famelan’ny Tompo heloka isika, dia feno faniriana ny hitia sy ny hanompo Azy bebe kokoa.
Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny ApôstôlyRoambinifolo dia nijoro ho vavolombelona mikasika ny fitiavana sy ny famelana heloka izay afaka ny ho azontsika rehetra:
“Ahitana fahasamihafana maro eo amin’ny lafin’ny fahamendrehana sy ny fahamarinan’ny tena manokana. Kanefa fitahiana ho antsika rehetra ny fibebahana. Samy mila mahatsapa ny sandrin’ny famindram-pon’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny famelana ny otantsika isika tsirairay avy.
“Nangatahana aho, taona maro lasa izay, mba hihaona tamin’ny lehilahy iray izay nanana fomba fiainana maloto tany aloha tany, efa elabe talohan’ny nihaonanay. Noho ny safidy ratsy nataony dia nesorina tsy ho mpikamban’ny Fiangonana intsony izy. Efa ela izy no niverina tato amin’ny Fiangonana taorian’izany ary nitandrina tamim-pahatokiana ny didy, saingy nibahana tao an-tsainy ireo zavatra nataony taloha. Rehefa nihaona taminy aho dia tsapako ny fahamenarany sy ny fanenenany lalina noho ny fotoana tsy nanajany ireo fanekempihavanany. Taorian’ny dinidinika nifanaovanay, dia nametraka ny tanako teo ambonin’ny lohany aho mba hanomezana tsodranon’ny fisoronana ho azy. Talohan’ny nitenenako dia nahazo fahatsapana mahery vaika an’ilay fitiavana sy famelan-keloka avy amin’ny Mpamonjy mba ho azy aho. Nifamihina izahay taorian’ilay tsodrano ary dia nigogogogo nitomany ilay lehilahy.
“Talanjona aho tamin’ny sandry misakambin’ny Mpamonjy izay feno famindram-po sy fitiavana ho an’izay nibebaka, na tahaka ny inona ny endriky ny fitiavan-tena tao anatin’ilay fahotana nafoy. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Mpamonjy dia afaka mamela sy maniry ny hamela ny fahotantsika. Ankoatra ireo olom-bitsy izay misafidy ny fahaverezana rehefa avy nahafantatra ny fahafenoana dia tsy misy fahotana tsy azo avela izany. Tena tombontsoa lehibe ho antsika tsirairay ny miala amin’ny fahotantsika sy manatona an’i Kristy. Ny famelan-keloka avy amin’ Andriamanitra no anisan’ireo voka-tsoa mamy indrindra avy amin’ny filazantsara, izay manala ny fahatsapana ho meloka sy manolo izany ho fifaliana sy fiadanan-tsaina” .(“Mibebaha … mba hahazoako manasitrana anareo,” Ensign na Liahona, Nôv. 2009, 40–41).
-
Fenoy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto asa ampanaovina manaraka ireto, na izy roa:
-
Mieritrereta fotoana iray izay nahazoanao ny famelan-keloky ny Tompo. Soraty ny eritreritrao sy ny fahatsapanao mikasika ny Mpamonjy, kanefa tsy milaza tranga iray izay tena mikasika ny tenanao manokana izay mitaky ny famelan-keloky ny Tompo.
-
Ampiasao ny zavatra nianaranao avy amin’ny fandalianao ny Lioka 7 mba hanoratana ireo fomba hamaliana ireo namana izay manontany tena raha toa ka ho afaka ny ho voavela heloka izy ireo na tsia.
-
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Lioka 7:18–50 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: