Fizarana 18: Andro 3
Asan’ny Apostoly 9
Fampidirana
Niseho tamin’i Saoly (izay ho antsoina hoe Paoly aty aoriana) i Jesoa rehefa nankany Damaskosy izy, ka taorian’izay i Saoly dia jamba. Rehefa avy nositranin’i Ananiasy i Saoly dia natao batisa ka nanomboka nitory tao Damaskosy. Nandeha tany Jerosalema i Saoly avy eo ka niaraka tamin’ireo mpianatra tao, fa rehefa nandrahona ho faty an’i Saoly ireo Jiosy Grika tao Jerosalema dia nalefan’ireo Apôstôly tany Tarsosy izy. Nanatanteraka fahagagana maro tao Lyda sy Jopa i Petera.
Asan’ny Apostoly 9:1–9
Niseho tamin’i Saoly teny an-dalana ho any Damaskosy i Jesoa
Nampianatra mikasika ny tokony hamelantsika heloka ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
“Misy zavatra ao amin’ny ankamaroantsika izay tsy mety mamela heloka sy tsy mety manadino ireo fahadisoana natao teo aloha teo amin’ny fiainana—na fahadisoantsika izany na fahadisoan’ny hafa. Tsy tsara izany. Tsy fomba Kristianina izany. Mifanohitra amin’ny fomba goavana amin’ny halehibe sy ny voninahitry ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izany. …
“Avelao ny olona hibebaka. Avelao ny olona hivoatra. Minoa fa ny olona dia afaka miova sy mihatsara. Izany ve no finoana? Eny! Izany ve no fanantenana? Eny! Izany ve no fiantrana? Eny! Fa ny zava-dehibe indrindra dia fiantrana izany, ilay fitiavana madion’i Kristy” (“The Best Is Yet to Be,” Ensign, jan. 2010, 25–26).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona avy ireo toe-javatra sasany izay tena hilanao mamela ny hafa hiova sy hivoatra ary hino fa afaka manao izany izy ireo?
-
Nahoana no zava-dehibe aminao ny mino fa afaka miova sy mivoatra ianao?
-
Rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 9 ianao dia tadiavo ireo fahamarinana izay azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’ny olona iray izay niova sy nivoatra.
Ny ankamaroan’ireo lahatsoratra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 9 dia miompana amin’ny zavatra niainan’ny lehilahy iray antsoina hoe Saoly. “Teraka tao Tarsosy i Saoly, izay tanàna Grika tao Kilikia (jereo ny Asan’ny Apostoly 21:39). Olom-pirenena tera-tany Rômana izy (jereo ny Asan’ny Apostoly 16:37) ary niteny tamin’ny ‘teny Hebreo’ (angamba aramaika) sy teny Grika (Asan’ny Apostoly 21:37–40). Jiosy avy amin’ny taranak’i Benjamina izy (jereo ny Romana 11:1) ary Fariseo mafana fo (jereo ny Asan’ny Apostoly 23:6), izay nazoto nanenjika sy nampijaly ireo mpanaradia an’i Jesoa Kristy (jereo ny Asan’ny Apostoly 9:1–2) Lasa fantatra tamin’ny anarany amin’ny teny Latina hoe Paoly izy taty aoriana [jereo ny Asan’ny Apostoly 13:9]” (Testamenta Vaovao: boky torolalana ho an’ny mpianatra [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 294). Nobeazin’i Gamaliela tao Jerosalema i Saoly (jereo ny Asan’ny Apostoly 22:3), i Gamaliela izay Fariseo fanta-daza sy mpampiantra lalàna Jiosy tena nohajaina (jereo ny Asan’ny Apostoly 5:34–40).
Mamaky voalohany momba an’i Saoly isika ao amin’ny Asan’ny Apostoly 7 izay manoritsoritra ny fitoraham-bato an’i Stefana. Mety ho tsaroanao fa ireo izay nitora-bato an’i Stefana dia nametraka ny fitafiany teo anilan’ ny tongotr’i Saoly (jereo ny Asan’ny Apostoly 7:58–59).
Vakio ny Asan’ny Apostoly 8:1–3; 9:1–2, mba hitadiavana ny nanaovan’i Saoly an’ireo mpanaradia an’i Jesoa Kristy. Mety hanampy ny mahafanatra fa ny hoe nosarihany (Asan’ny Apostoly 8:3) dia midika hoe notarihiny an-keriny.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 9:3–6 hitadiavana ny zavatra niainan’i Saoly rehefa nandeha tany Damaskosy izy mba hisambotra ireo mpianatr’i Jesoa Kristy izay nonina tao.
Jereo ilay andian-teny hoe “kick against the pricks (manipaka ny fanindronana)” ao amin’ny Asan’ny Apostoly 9:5 ao amin’ny Baiboly King James. “Ny ‘fanindronana’ dia lefona na hazo maranitra izay ampiasaina hipehapehana ny biby ka mampandroso azy ireo. Raha tokony handroso, ny biby mafy loha indraindray dia mamaly ka mandaka, ary lazaina ara-bakiteny hoe manipaka ‘ny fanindronana.’ Ny fihetsika toy izany dia vao mainka mampahory hatrany satria mitaky famporisihana manaintaina kokoa amin’ny tenany avy amin’ilay tompony ilay biby. Napetraky ny Mpamonjy mazava tsara fa raha mbola manohy manohitra Azy i Saoly dia vao mainka hitondra fahoriana amin’ny tenany ihany. Ao amin’ny literatiora Grika ny hoe, ‘manipaka ny fanindronana’ dia sarin-teny malaza nentina nanoherana an’Andriamanitra” (Testamenta Vaovao: boky torolalana ho an’ny mpianatra, 295).
Jereo ny fanontaniana napetrak’i Saoly ao amin’ny Asan’ny Apostoly 9:6 ao amin’ny Baiboly King James izay midika hoe “Tompoko, inona no tianao hataoko?” Inona no mety hampianarin’io fanontaniana io mikasika an’i Saoly?
Araka ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Asa 9:7, ireo izay niaraka tamin’i Saoly dia nahita ilay hazavana saingy tsy nandre ny feon’i Jesoa rehefa niteny tamin’i Saoly Izy. (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Asan’ny Apostoly 9:7 [ao amin’ny Torolalana momba ny Soratra Masina]; jereo koa ny Asan’ny Apostoly 22:9).
Taorian’ilay fahitana dia jamba i Saoly. Nentina tany Damaskosy izy ary tsy nihinana sy nisotro nandritra ny telo andro.
Alaivo sary an-tsaina hoe Saoly ianao. Raha efa nanenjika mafy ireo mpianatr’i Jesoa Kristy ianao, dia inona no mety ho neritreretinao sy ny mety ho tsapanao nandritra io fotoana io?
Asan’ny Apostoly 9:10–22
Nositranin’i Ananiasy avy ao Damaskosy i Saoly, natao batisa izy dia nitory ny amin’i Jesoa Kristy
Vakio ny Asan’ny Apostoly 9:10–12 mba hitadiavana ny zavatra izay nasain’ny Tompo nataon’i Ananiasy, mpikambana marina tao amin’ny Fiangonana tao Damaskosy.
Tadidio fa ny fikasan’i Saoly tany am-boalohany tamin’ny nandehanany tany Damaskosy dia ny hisambotra ny olona tahaka an’i Ananiasy. Raha toa ka i Ananiasy ianao ary nahafantatra ny lazan’i Saoly, dia inona no mety ho neritreretinao rehefa avy nahazo io didy avy tamin’ny Tompo io?
Vakio ny Asan’ny Apostoly 9:13–16 hitadiavana ny zavatra nampianarin’ny Tompo an’i Ananiasy momba an’i Saoly.
Inona no naha-samy hafa ny fomba fijerin’ny Tompo an’i Saoly sy ny fijerin’i Ananiasy an’i Saoly?
Jereo ao amin’ny Asan’ny Apostoly 9:15 ny asa manokana izay nofinidin’ny Tompo hataon’i Saoly. Avy amin’ny zavatra fantatrao mombamomba an’i Saoly dia inona no mety nanomana azy hitory amin’ny “Jentilisa sy ny mpanjaka ary ny zanak’ Isiraely”? (Azonao atao ny mijery ny fanoritsoritana an’i Saoly izay novakinao tany am-piandohan’ny lesona.)
Araka ny voalazan’ny Asan’ny Apostoly 9:16 dia inona koa no nolazain’ny Tompo fa hitranga amin’i Paoly, na dia ho lasa fitaovana voafidy eo anatrehan’ny Jentilisa sy ny mpanjaka aza izy?
Fahamarinana roa azontsika ianarana avy amin’ny Asan’ny Apostoly 9:13–16 ny hoe ny Tompo dia mijery antsika amin’izay mety hahatongavantsika sy ny hoe hitan’ny Tompo ny hery anaty ananantsika mba hanampiana Azy amin’ny asany.
-
Rehefa mieritreritra ireo fahamarinana ireo ianao, dia alaivo sary an-tsaina ny fomba fijerin’Andriamanitra anao. Manaova sarinao tsotsotra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, ary ataovy lisitra ny sasany amin’ireo fahaiza-manao anananao sy ny toetoetranao izay eritreretinao fa azon’ny Tompo ampiasaina mba hanampy Azy amin’ny asany.
Nitso-drano an’i Saoly i Ananiasy mba hahiratra indray.
Jereo ao amin’ny Asan’ny Apostoly 9:17 fa nitso-drano an’i Saoly i Ananiasy mba hahiratra sy ho feno ny Fanahy Masina. Araka ny voalazan’ny Asan’ny Apostoly 9:18–20, rehefa nampahiratra indray an’i Saoly Andriamanitra, dia inona no maha-samy hafa ny fomba fijerin’i Saoly an’Andriamanitra amin’ny fomba fijeriny Azy taloha?
Ny fibebahana sy ny batisa ary ny fitoriana nataon’i Saoly dia maneho ny finoany an’i Jesoa Kristy sy ny fanekeny ny sitrapon’ny Tompo.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 9:21–22 hitadiavana ny fomba nandraisan’ny olona ny fitorian’i Saoly.
Ny fanontaniana napetrak’i Saoly ao amin’ny Asan’ny Apostoly 9:6 (Baiboly King James) dia maneho ny fanetrentenany sy ny faniriany hanaraka ny sitrapon’ny Tompo. Tahaka an’i Paoly, rehefa manaraka ny sitrapon’ny Tompo isika dia afaka hiova ka hahatratra ny halehiben’ilay hery anaty hitany ao amintsika.
Mba hanampiana anao hahatakatra ny dikan’ny hoe manaiky ny sitrapon’ny Tompo dia alaivo sary an-tsaina hoe manana vongana tanimanga iray izay mbola malefaka sy anankiray hafa izay efa mafy ianao. Inona no mety haha-samy hafa ny fiezahana hanefy zavatra iray amin’ilay vongana tanimanga mbola malemy sy ny fiezahana hanefy zavatra iray amin’ilay iray hafa izay efa mafy?
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Ahoana no ahafahana mampitovy ireo karazana tanimanga roa ireo amin’ny faneken’ny olona iray ny sitrapon’ny Tompo?
-
Ahoana no nanampian’ny fanekena ny sitrapon’ny Tompo anao na ny olona hafa mba hiova sy hahatratra ny halehiben’ny hery anaty hitan’ny Tompo ao aminao na ao amin’izy ireo?
-
Saintsaino ny fomba azo ampiharana ny fanontanian’i Saoly manao hoe: “Tompoko, inona no tianao hataoko?” (Asan’ny Apostoly 9:6 [Baiboly King James]) eo amin’ny fiainanao manokana.
Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson hoe: “Ny [olona] iray dia tsy afaka mametraka fanontaniana manan-danja kokoa eo amin’ny fiainany mihoatra ny fanontaniana napetrak’i Paoly manao hoe: ‘… Tompoko, inona no tianao hataoko?’ Ny [olona] iray dia tsy afaka manao asa lehibe kokoa noho ny manaraka lalana iray izay hitondra ny valin’izany fanontaniana izany ka avy eo dia hanatanteraka ny valiny” (“Listen to a Prophet’s Voice,” Ensign, jan. 1973, 57).
Mivavaha mafy hatrany ka katsaho ny valin’io fanontaniana io, ary manaova zavatra araka izay bitsika voarainao.
Asan’ny Apostoly 9:23–31
Notandindomin-doza ny ain’i Saoly tao Damaskosy ary avy eo tany Jerosalema, ka dia nalefan’ireo Apôstôly tany Tarsosy izy
Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 9:23–26 isika dia mamaky fa niray tetika hamono an’i Saoly ireo Jiosy tao Damaskosy, saingy nanampy azy handositra ny tanàna ny mpikamban’ny Fiangonana. Mamaky ihany koa isika fa nandeha tany Jerosalema i Saoly ka “nitady [niezaka] hiray tamin’ ny mpianatra; fa izy rehetra natahotra azy ka tsy nino azy ho mpianatra.” (Asan’ny Apostoly 9:26).
Nahoana araka ny eritreritrao no tsy nino tamin’ny fony ireo mpikamban’ny Fiangonana fa efa lasa mpianatr’i Jesoa Kristy i Saoly?
Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 9:27–31 isika dia mamaky fa nitondra an’i Saoly nankeo amin’ireo Apôstôly i Barnabasy, mpikamban’ny Fiangonana (jereo ny Asan’ny Apostoly 4:36–37) ary nilaza tamin’izy ireo ny amin’ny fahitan’i Saoly sy ny fitoriana tamim-pahasahiana nataony tany Damaskosy. Dia nandray an’i Saoly ho isan’ny mpikambana niaraka taminy ireo mpikamban’ny Fiangonana avy eo. Rehefa nikatsaka ny hamono an’i Saoly ireo Jiosy Grika tao Jerosalema dia nandefa azy tany Tarsosy ireo mpitarika ny Fiangonana. Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 9:31 isika dia mianatra koa fa niaina fiadanana sy fitomboana ny Fiangonana tao Jodia sy Galilia ary Samaria.
Asan’ny Apostoly 9:32–43
Nanatanteraka fahagagana maro tao Lyda sy Jopa i Petera
Mieritrereta olona iray izay tianao hampiana mba hitodika amin’ny Tompo ka hino Azy. Rehefa mandalina ny ambin’ny Asan’ny Apostoly 9 ianao dia mitadiava fomba iray ahafahanao manampy an’io olona io sy ny hafa mba hitodika amin’ny Tompo.
Ny Asan’ny Apostoly 9:32–35 sy ny Asan’ny Apostoly 9:36–42 dia manoritsoritra ireo fahagagana izay notanterahin’i Petera tao Lyda sy Jopa. Rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao dia tadiavo ireo fahagagana izay notanterahin’i Petera sy ny fihetsika nasetrin’ny olona izany. Mety hanampy ireto fanazavana manaraka ireto: Ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Asa 9:32 dia mivaky toy izao “raha nandeha nitetyireo faritra rehetra ireo i Petera” (nampiana sora-mandry). Ny fiantrana (Asan’ny Apostoly 9:36) dia ny fanomezana fanatitra ho an’ny mahantra .
Inona no nasetrin’ireo vahoaka tao Lyda sy ny vahoaka tao Jopa ny asa fanompoana nataon’i Petera? Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Petera ny hoe rehefa manompo ny hafa isika dia afaka manampy ny olona hitodika amin’ny Tompo sy hino Azy.
Fomba iray hanompoana ny hafa ny fanomezana tsodranon’ny fisoronana. Ny ohatr’i Tabita (na Dorkasy) ao amin’ny Asan’ny Apostoly 9:36, 39 dia maneho fomba iray hafa hahafahantsika manompo ny hafa. Rehefa “be ny asa soa” (Asan’ny Apostoly 9:36) sy ny fanompoana ataontsika amin’ny hafa dia afaka manampy ny hafa hitodika amin’ny Tompo izany.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Oviana ny asa soa nataon’ny hafa no efa nanampy anao na ny hafa hitodika amin’ny Tompo sy hino Azy?
-
Inona avy ireo fomba sasany hahafahanao manompo ny hafa? (Farito tsara izany, ary manorata hevitra roa na telo.)
-
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Asan’ny Apostoly 9 ka nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: