Fizarana°10: Andro 4
Lioka 8:1–10:37
Fampidirana
Nanohy nanompo tao Galilia ny Mpamonjy, ary tao Izy no naminany ny fahafatesany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. Nandeha nizotra nankany Jerosalema i Jesoa rehefa nandao an’i Galilia. Tao Samaria Izy no nampianatra ireo mpianany fa tsy tonga hahavery ny ain’olona Izy, fa hamonjy azy. Nampianatra ihany koa Izy mikasika ny tena mpianatra marina ary nampianatra ilay fanoharana momba ilay Samaritana Tsara Fanahy.
Lioka 8:1–9:56
Ny Mpamonjy dia nanatanteraka fahagagana maro, nampianatra tamin’ny fampiasana fanoharana, ary nandeha nakany Jerosalema
Vakio ireto toe-javatra manaraka ireto. Soraty izay mety ho fahatsapana sy fihetsikao amin’ny toe-javatra tsirairay.
-
Rehefa nanasa tamim-pahalalam-pomba ny rahalahinao na ny anabavinao ianao mba hanampy anao hanadio, dia voateny tamin’ny fiteny henjana ianao ny hanao izany samirery.
-
Raha teo am-panomanana hetsika iray tany am-pianarana ianao dia nanakiana sy nihomehy ny hevitra izay nozarainao ireo mpiara-mianatra vitsivitsy.
-
Rehefa nizara ny filazantsara tamin’ny namana iray ianao dia nolazainy fa hafahafa ny finoanao.
Eo ampandalinanao ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Lioka 8–9, dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka hitarika anao rehefa mahatsapa ho tohina noho ny fihetsika na ny fitenin’ny hafa ianao.
Vakio ny ireo famintinana ny toko ao amin’ny Lioka 8–9,mba hitadiavana ireo zava-nitranga voarakitra ao amin’ireo toko ireo. Satria efa nianatra ireo zava-nitranga ireo tamin’ny antsipiriany tao amin’ny lesona tao amin’ny Matio sy Marka ianao, dia hifantoka amin’ny Lioka 9:51–62 ity lesona ity.
Vakio ny Lioka 9:51 mba hikarohana ilay toerana nosafidian’ny Mpamonjy handehanana. Ny andian-teny hoe “ny fotoana hampiakarana an’i Jesosy“ dia entina milaza ny Fiakaran’ny Mpamonjy any an-danitra izay efa antomotra.
Raha nandeha nankany Jerosalema i Jesoa sy ny mpianany dia nanatona vohitra anankiray izay an’ny Samaritna izy ireo. Vakio ny Lioka 9:52–54 mba hikarohana ny fihetsiky ny Samaritana rehefa nahalala izy ireo fa i Jesoa sy ny mpianany dia nikasa ny hiditra ny vohitra misy azy ireo.
Ahoana ny fihetsik’i Jakoba sy i Jaona tamin’ny tsy fandraisana sy ny fandàvan’ireo Samaritana ny Mpamonjy?
Vakio ny Lioka 9:55–56 mba hikarohana ny valintenin’ny Mpamonjy tamin’i Jakoba sy i Jaona.
Rehefa nilaza ny Mpamonjy hoe, “Tsy fantatrareo ny toetry ny fanahy izay anananareo” (Lioka 9:55 ao amin’ny Baiboly King James), dia te hilaza Izy fa ny fangatahan’i Jakoba sy i Jaona dia tsy nifanaraka tamin’ny fanahin’ Andriamanitra.
Eritrereto ireo fomba fihetsika mety hasetrin’ny ankehitriny amin’ny fanompana na fanafintohinana avy amin’ny hafa. Avereno jerena ireo trangan-javatra hatrany amin’ny voalohan’ity lesona ity, ary saintsaino ireo fomba fihetsika mety hasetrin’ny olona iray ao anatin’ny toe-javatra toy izany.
Inona no mahasamihafa ny fihetsiky ny Mpamonjy tamin’ny fandavan’ireo Samaritana amin’ny fihetsik’i Jakoba sy i Jaona?
Ny fahamarinana iray izay azontsika ianarana avy amin’io tantara io dia hoe manaraka ny ohatra nomen’ny Mpamonjy isika rehefa misafidy ny hamaly ny fanafintohinana amin’ny faharetana sy ny fahari-po. Soraty eo amin’ny sisin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Lioka 9:52–56 io fahamarinana io.
Ity teny manaraka nolazain’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity dia manampy antsika hahatakatra fa ny fahatezerana dia safidy, fa tsy toe-javatra iainana:
“Rehefa mino isika na milaza fa notohinina dia mazàna isika no te hilaza fa mahatsapa ho nompaina, na nampijaliana, na notsinontsinoavina, na tsy nomena haja. Ary azo antoka fa ireo zavatra maneho havotsàna, mahamenatra, tsy ara-drariny ary feno haratsiam-panahy dia mitranga mandritra ny fotoana hifaneraserantsika amin’ny olona hafa izay mamela antsika ho tezitra. Na izany aza anefa dia tsy mahavita manafintohina anao na manafintohina ahy ny olona iray hafa raha ny tena marina. … Ny fahatezerana dia safidy ataontsika; fa tsy toe-javatra iainana izay ampiharina amintsika na teren’ny olona na zavatra hafa iainantsika. …
“… Raha milaza na manao zavatra izay heverintsika fa mahatezitra ny olona iray, ny zavatra tsy miantsy ataontsika voalohany dia ny mandà ny ho tezitra ary avy eo dia mifandray manokana amin-kitsimpo ary mivantana amin’izany olona izany. Manasa ny fitaoman’ny Fanahy Masina ny fomba fanaovan-javatra toy izany ary mahatonga ny fahadisoan-kevitra ho azo hazavaina sy ny fikasana marina ho takatra” (“And Nothing Shall Offend Them,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 90, 92).
-
Avereno dinihina ireo trangan-javatra hatrany amin’ny fiandohan’ity lesona ity. Avy eo dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona ny zavatra mety hampidi-doza na ratsy amin’ny fisafidianana ny ho tohina amin’ireo toe-javatra ireo?
-
Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nomen’ny Mpamonjy ao amin’ny tsirairay amin’ireo tantara ireo?
-
Ahoana no ahafahana mitahy antsika rehefa misafidy ny hamaly ireo fanafintohinana amin’ny faharetana sy fahari-po isika?
-
Saintsaino raha efa nisafidy ny ho tohina tamin’ny tenin’olona iray na ny fihetsiny ianao. Mametraha tanjona hanaraka ny ohatra nomen’ny Mpamonjy amin’ny fisafidianana ny hamaly ireo fanafintohinana amin’ny faharetana sy fahari-po. Zarao amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na ny namana iray ny tanjonao mba hahafahany manampy anao hahomby.
Fanamarihana: Ny fiezahana hamaly amin’ny faharetana sy ny fahari-po rehefa mieritreritra ireo zavatra tsy mety atao aminao ianao dia tsy midika fa tokony hamela ny fanararaotana ara-nofo na ara-batana hitohy ianao, ka anisan’izany koa ny fampijaliana amin’ny herisetra. Raha toa ka efa niharan’ny fanararaotana toy izany ianao, dia manaova fotoana avy hatrany amin’ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao mba hahazoanao fanampiana na toro-hevitra.
Lioka 9:57–62
Nampianatra momba ny tena maha-mpianatra i Jesoa
Isao ny isan’ireo faribolana eo ambany. Eo ampanisanao dia hirao ny tonon’ny hira tianao indrindra.
Inona no nananosarotra tamin’ny fanisana ireo faribolana teo am-pihirana ny tonon’ny hira iray?
Eritrereto ny mety mampitovy ny tsy fifantohana noho ny fihirana eo am-piezahana manisa amin’ny fiezahana hanara-dia an’iJesoa Kristy.
Eo am-panohizanao mandalina ny Lioka 9, dia diniho ny fomba ahafanao mandresy ireo fitaomana izay mety hisarika ny sainao na hisakana anao tsy hanaraka ny Mpamonjy.
Vakio ny Lioka 9:57–58 mba hikarohana ny fomba namalian’i Jesoa ilay lehilahy nanam-paniriana ny ho mpianany.
Ny andian-teny hoe “fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany” dia mampiseho fa ny fomba fiainan’ny Mpamonjy dia tsy dia nisy fiadanam-piainana ary tsy mora.
Vakio ny Lioka 9:59–60 mba hikarohana ny zavatra tian’ilay lehilahy faharoa natao mialoha ny hanarahiny ny Mpamonjy.
I Jesoa dia tsy nampiseho fa tsy mety ny mitomany ny fahafatesan’ny olo-tiana iray na ny maneho fanajana amin’ny fandevenana (jereo ny F&F 42:45). Nampianatra lesona iray manan-danja kosa Izy mikasika ny tena maha-mpianatra. Inona ny zavatra azontsika hianarana avy amin’ny valintenin’ny Mpamonjy ao amin’ny Lioka 9:60 mikasika ny laharam-pahamehan’ny tena mpianatra?
Vakio ny Lioka 9:61–62 mba hikarohana ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy tamin’ilay lehilahy fahatelo izay naniry ny ho mpianany.
Ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Howard W. Hunter ity dia manampy antsika ahatakatra ilay fifanahafana ao amin’ny Lioka 9:62 mikasika ny fametrahana ny tanantsika eo amin’ny angady tarihina ary tsy miherikerika: “Ny fiasana ny tanimbary iray manontolo [na ny ampahany], dia mitaky ny fifantohan’ny mason’ilay mpiasa tany faritra iray manoloana azy. Manampy azy hijanonana amin’ny lalana marina izany. Raha toa anefa izy ka miherika mijery izay vitany, dia mitombo ny mety hampivily lalana azy. Ny vokatr’izany dia tanimbary mivilambilana sy tsy ara-dalàna. … Raha mhafantoka amin’ny zavatra eo alohantsika—ny fiainana mandrakizay sy ny fififaliana noho ny famonjena— ny herintsika fa tsy amin’ny zavatra any aoriantsikadia tena hahazo izany isika” (“Am I a ‘Living’ Member?” Ensign, mey 1987, 17.)
Saintsaino inona no mampitovy ny fametrahana ny tananao eo amin’ny angadin’omby iray ary tsy mitodika any aoriana amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy.
Ny fitsipika iray azontsika hianarana avy amin’ny fampianarana nomen’ny Mpamonjy ireo lehilahy ireo dia hoe tsy tokony hanana laharam-pahamehana hafa ambonin’ny fanarahanatsika an’i Jesoa Kristy isika mba ho lasa mpianany.
Eritrereto ny antony hametrahantsika laharampahamehana hafa eo ambonin’ny andraikitsika amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika.
Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Manana fitaovana mahery vaika ampiasaina hanoherana ny olona tsara i Satana. Ny fisarihana ny saina hieritreritra zavatra hafa izany. Ataony izay hamenoan’ireo olona tsara ‘zava-tsoa’ ny fiainany mba tsy hananan’ireo zavatra manan-danja kokoa toerana intsony” (“First Things First,” Ensign, mey 2001,7).
-
Mba hanampiana anao hieritreritra ny zavatra afaka misakana anao tsy hanara-dia tanteraka an’i Jesoa Kristy dia adikao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao manaraka ity. Avy eo dia tanisao ao anatin’ny tabilao nataonao ny andraikitra efatra na dimy ananan’ny mpianatr’i Jesoa Kristy (ohatra, manompo ny hafa, mizaraa ny filazantsara, mandeha matetika any am-piangonana, na mandoa fahafolon-karena). Ataovy lisitra ho an’ny andraikitra hitanao tsirairay avy ireo laharam-pahamehana hafa izay mety apetraky ny olona iray ho eo ambonin’io andraikitra io.
|
Ny andraikitry ny mpianatr’i Jesoa Kristy |
Laharam-pahamehana hafa |
|---|---|
-
Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny zavatra niainana iray rehefa nahita olona iray nisafidy ny hamela ireo tanjona na laharam-pahamehana hafa ianao mba hanarahany ny Mpamonjy.
Saintsaino izay zavatra mety avelanao ho lasa lohalaharana mihoatra ny fanarahana an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany. Soraty amin’ny taratasy iray ny tanjonao mikasika ny zavatra hataonao mba hametrahana ny Mpamonjy sy ny fampianarany ho laharampahamehana voalohany. Apetraho amin’ny toerana izay ahitanao azy isan’andro io taratasy io.
Lioka 10:1–24
Ny Tompo dia miantso, manome hery, ary torolalana ny Fitopololahy
Vakio ny Lioka 10:1–2 mba hikarohana ny olona notendren’ny Tompo mba hanampy amin’ny fanatanterahana ny asany.
Ny teny hoe fitopolo-lahy ao amin’ny Lioka 10:1 dia tsy mamaritra fotsiny ny isan’ny mpanompo nirahin’i Jesoa fa manondro ihany koa anjara fanompoana iray ao amin’ny fisoronana. Io anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana io ihany koa dia misy ao amin’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ankehitriny. Amin’izao dia misy kôlejin’ny Fitopolahy miisa valo,na dia ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy roa voalohany ihany aza no voantso ho Manam-pahefana Ambony. Ny asan’izy ireo mba hitory ny filazantsara sy hanampy hitantana ao amin’ny Fiangonana dia atao eo ambany fitarihan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ny Fiadidian’ny Fitopololahy.
Ianarana avy amin’ireo andininy ireo fa ny Tompo dia miantso mpiasa ankoatra ireo Apôstôly mba hisolo tena Azy sy hanampy Azy amin’ny asany. Araka ny hevitrao dia nahoana ny Tompo no miantso olona hafa hisolo tena sy hanampy Azy?
Ny Lioka 10:3–24 dia mirakitra ny torolalana nomen’ny Mpamonjy ny Fitopololahy mikasika ny fomba hanatanterahan’izy ireo ny andraikiny. Taty aoriana kely dia nanao tatitra mikasika ny asany tany amin’i Jesoa ny Fitopololahy ary nanome torolalana fanampiny sy niara-paly tamin’izy ireo Izy. Mariho fa ny Lioka 10:10–11 dia mirakitra ireo torolalana nomen’ny Tompo ny Fitopololahy izay samy hafa amin’ireo torolalana azon’ny misionera ankehitriny. Ny Fitopololahy dia nomena lalana ny hamafa ny vovoka tamin’ny tanàna iray mba ho vavolombelona manohitra ireo izay mandray azy ireo. Amin’izao fotoana izao dia ny toe-javatra goavana ihany no hanaovana izany ary tsy azo tanterahina raha tsy eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany. Ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno ankehitriny dia tsy mahazo lalana ny hanao izany amin’ny fomban’izy ireo manokana.
Lioka 10:25-37
I Jesoa dia nampianatra ny fanoharana momba ny Samaritana tsara fanahy
Ny lalana mankany Jeriko
Vakio ny Lioka 10:25 mba hikarohana ny fanontaniana napetraky ny mpahay lalàna iray mba hakana fanahy, na hitsapana ny Mpamonjy.
Inona no havalinao raha misy olona iray mametraka io fanontaniana io aminao?
Vakio ny Lioka 10:26–28 mba hikarohana izay navalin’ny Mpamonjy ny fanontanian’ilay mpahay lalàna.
Fenoy miainga avy amin’ny zavatra novakianao tao amin’ny Lioka 10:25–28 ity fitsipika manaraka ity: Mba hahazoana ny fiainana mandrakizay dia tokony … isika .
Vakio ny Lioka 10:29 mba hikarohana ny fanontaniana faharoa napetrak’ilay mpahay lalàna tamin’i Jesoa.
Ilay Samaritana Tsara Fanahy
Mba hamaliana ny fanontanian’ilay mpahay lalàna dia nampianatra fanoharana iray mikasika ny Samaritana iray (jereo ny 10:30–35) ny Mpamonjy. Tamin’ny fotoan’ny Testamenta Vaovao dia nisy fifankahalana lehibe teo amin’ny Jiosy sy ny Samaritana ( jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Samaritana”,). Ireo vondrona roa dia samy mivily lalana mba tsy hifanena eny an-dalana.
Vakio ny Lioka 10:30–37 mba hikarohana ny zavatra ampianarin’ilay fanoharana mikasika ny hoe iza ireo namantsika.
Nilaza ny Filoha Thomas S. Monson hoe tokony hotsaroantsika ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy eo ampandinihantsika ny fomba hamaliantsika ireo izay mila ny fanampiantsika :
“Samy handeha hamakivaky ny lalan’i Jeriko isika tsirairay mandritra ny diantsika eto an-tany. Inona no zavatra hiainanao? Inona no zavatra hiainako? Moa ve aho tsy hahatsikaritra ilay olona lavo notafihan’ny jiolahy izay hangataka ny fanampiako? Hoy toy izany ve ianao? “Moa ve aho ho toy ilay iray izay nahita ilay olona naratra sy naheno ny fitarainany nefa dia nandalo azy fotsiny? Hoy toy izany ve ianao? “Na moa ve aho ho ilay iray izay nahita sy nandre dia nijanona ka nanampy?” Hoy toy izany ve ianao?
“I Jesoa no nanome antsika ilay teny filamatra hoe: ‘Mandehana hianao, ka mba manaova toy izany koa.’ Rehefa mankatò io fanambarana io isika, dia hisokatra amintsika ny fomba fijery ilay fifaliana izay tsy manan-tsahala sy tsy manampaharoa.
“Mety tsy dia tena voamarika mazava tsara ny lalan’i Jeriko. Mety ho toy izany koa ilay hiakan’ny olona maratra izay mety ho rentsika. Fa rehefa manaraka ny dian’ilay Samaritana tsara fanahy isika dia mandeha eo amin’ny lalana izay mitondra mankany amin’ny fahatanterahana” (“Your Jericho Road,” Ensign, feb. 1989, 2,4).
-
Alaivo sary an-tsaina hoe manana namana iray izay miezaka mitia olona iray izay manelingelina, na mandiso fanantenana, na mahatezitra azy ianao. Manoratra taratasy fohy ho an’ny namanao ao amin’ny diary fandalinanao ny soratra masina, izay manazava hoe inona no azontsika hianarana avy amin’ny fanoharana momba ny fitiavana ny hafa sy ny hoe ahoana no ahafahantsika miezaka ny ho toa an’ilay Samaritana tsara fanahy.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Lioka 8:1–10:37 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: