Tahirim-pitaovana
Fizarana 26, Andro 3: 2 Tesaloniana


Fizarana 26: Andro 3

2 Tesaloniana

Fampidirana

Fotoana fohy taorian’ny nanoratany ny epistiliny voalohany ho an’ireo Olomasina Tesaloniana dia nanoratra epistily faharoa ho an’izy ireo indray i Paoly Apôstôly, izay nanazavany fahamarinana misimisy kokoa momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Nampianatra izy fa tsy hiverina indray ny Mpamonjy raha tsy aorian’ny fitrangan’ny apôstazia anankiray. Nitory ny amin’ny tsy tokony hidonahanaham-poana i Paoly avy eo ary nanoro hevitra ireo Olomasina hoe “aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa” (2 Tesaloniana 3:13) izy.

2 Tesaloniana 1–2

Nankahery ireo Olomasina i Paoly tamin’ny alalan’ny faminaniana momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany

Loholona Jeffrey R. Holland

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe: “Ao anatin’ny fiderana sy famporisihana ireo rehetra izay mila miorina mafy amin’izao andro farany izao no ilazako amin’ny rehetra, indrindra amin’ireo tanoran’ny Fiangonana, fa ho avy ny fotoana indray andro any, raha toa ka mbola tsy nitranga izany, izay hanananareo fahafahana hiaro ny finoanareo, na hiaritra herisetra mihitsy aza noho ianareo hoe mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tsotra izao fotsiny. Ny fotoana toy izany dia sady mitaky herim-po no mitaky fahalalam-pomba avy aminareo” (“Ny sarany efaina—sy ireo fitahiana azo—amin’ny maha mpianatr’i Kristy,” Ensign na Liahona, mey 2014, 6).

  1. journal iconSoraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fotoana iray izay nila niarovanao ny finoanao na nandalovanao fanoherana noho ny maha-mpikamban’ny Fiangonana anao. Soraty ihany koa hoe inona no nasetrinao nanoloana izany toe-javatra izany. Raha mbola tsy nila niaro ny finoanao na niaina fanoherana noho ny maha-mpikamban’ny Fiangonana anao ianao dia manorata momba izay eritreretinao fa fihetsika hasetrinao izany karazana toe-javatra izany.

Nanoratra taratasy faharoa ho an’ireo Olomasina Tesaloniana i Paoly Apôstôly ary niresaka mikasika lohahevitra maro izy, anisan’zany ny fanenjehana izay niainan’ireo Olomasina. Eo am-pandalinanao ny 2 Tesaloniana 1 dia tadiavo ny fitsipika iray izay afaka manampy anao haharitra ny fanoherana sy ny fahoriana izay mety hitranga aminao amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana anao.

Vakio ny 2 Tesaloniana 1:3–5 dia tadiavo hoe nahoana i Paoly no nidera ireo Olomasina Tesaloniana.

Azonao atao ny manisy marika na fanamarihana ao amin’ny andininy 5 ilay valisoa izay horaisin’ireo Olomasina noho ny faharetan’izy ireo fanenjehana sy fahoriana amin’ny “[faharetana] sy ny [finoana]” (2 Tesaloniana 1:4).

Mianatra isika avy amin’ny 2 Tesaloniana 1:3–5 fa raha maharitra amim-pahatokiana ny fanoherana sy ny fahoriana amim-paharetana sy amim-pinoana isika dia ho voaisa ho mendrika ny fanjakan’ Andriamanitra.

Eritrereto hoe ahoana izany maharitra fitsapana amim-paharetana izany. Nahoana isika no mila finoana mba hahafahana mizaka fanoherana sy fahoriana amim-paharetana?

Filoha Dieter F. Uchtdorf

Vakio izao teny nambaran’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany izao ary asio marika ny dikan’ny hoe miaritra fitsapana amim-paharetana: “Ny faharetana dia tsy fiononana sy fiandrasana, na koa tsy fanaovana n’inona n’inona noho ny tahotra misy ao amintsika. Ny faharetana dia midika hoe miandry sy maharitra ao anatin’ny fahavitrihana. Midika izany hoe miara-mitoetra amin’ny zavatra iray ary manao izay rehetra vitantsika—miasa, manantena ary mampihatra ny finoana, mizaka ny fotoan-tsarotra amim-kery, na dia tsy mivaly eo no ho eo aza ny fanirian’ny fontsika. Ny faharetana dia tsy hoe maharitra fotsiny fa maharitra tsara!” (“Mizotoa amin’ny faharetana,” Ensign na Liahona, mey 2010, 57).

  1. journal iconEritrereto ny olona iray fantatrao na ny olona iray izay novakianao tao amin’ny soratra masina ny momba azy izay naharitra fanenjehana sy fahoriana tamim-pahatokiana sy tamim-paharetana. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny anton’ny maha-manan-danja ny ohatr’io olona io aminao.

Eritrereto ny fanoherana na ny fahoriana mety mianjady aminao amin’izao, dia manapaha hevitra ny amin’ny fomba hahafahanao maharitra izany olana izany amim-paharetana sy amim-pinoana. Hevero ny hivavaka mba hahazo fanampiana.

Naminany momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany i Paoly. Vakio ny 2 Tesaloniana 1:6–10 sady karohy ireo teny na andian-teny nampiasan’i Paoly mba hamariparitana ny Fiaviana Fanindroany. Rehefa mamaky izany ianao dia jereo ny fahasamihafana hisy eo amin’ny zavatra hiainan’ireo olo-marina sy ny zavatra hiainan’ireo ratsy fanahy rehefa tonga ny Tompo.

Fahamarinana anankiray azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe amin’ny Fiavian’i Jesoa fanindroa dia hiala sasatra ireo olo-marina ary haringana ireo ratsy fanahy.

Hiala sasatra amin’inona ireo olo-marina araka ny hevitrao?

Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’izany fotopampianarana izany mampionona ireo izay miaritra fahasahiranana amin’izao fotoana izao noho ny fanolorantenan’izy ireo amin’i Jesoa Kristy?

Efa nanontany tena ve ianao hoe rahoviana no hitranga ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany? Ny 2 Tesaloniana 2:2 dia mandroso hevitra fa ireo Olomasina tany Tesalonika dia mety nihevitra fa efa mby hitranga ny Fiavian’ny Tompo fanindroany na efa nitranga izany. Nanahy mafy i Paoly fa voafitaka izy ireo.

Vakio ny 2 Tesaloniana 2:1–3, ary jereo ny zavatra nolazain’i Paoly fa hitranga mialoha ny Fiaviana Fanindroany. Ilay andian-teny hoe “ny andron’ny Tompo” ao amin’ny andininy 2 dia milaza ny Fiaviana Fanindroany ary ilay andian-teny hoe “fihemorana” dia midika hoe apôstazia, na fialana amin’ny fahamarinana. (Mariho fa ny 2 Tesaloniana 2:1–3 dia andinin-tsoratra masina fehezina. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba hanampiana anao hahita ny misy izany amin’ny hoavy.)

Avy amin’ny 2 Tesaloniana 2:1–3 dia mianatra isika fa alohan’ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany dia hitranga ny apôstazia.

Nandroso hevitra tao amin’ireo andininy ireo i Paoly fa ireo mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny androny dia tokony ho sahiran-tsaina kokoa amin’ny apôstazia izay efa nanomboka teo anivon’izy ireo noho ny amin’ny fotoana hitrangan’ny Fiavian’ny Tompo fanindroany. Izao fanazavana manaraka izao dia afaka manampy anao hahatakatra ny Apôstazia Lehibe, izay nitranga fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’i Paoly sy ireo Apôstôly hafa. Nahafantatra i Paoly fa hitranga alohan’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany io fihemorana io.

“Taorian’ny nahafatesan’i Jesoa Kristy dia nenjehin’ireo olona ratsy fanahy ireo Apôstôly sy ireo mpikamban’ny Fiangonana ary novonoiny ny maro tamin’izy ireo. Niaraka tamin’ny fahafatesan’ny Apôstôly, dia nesorina teto an-tany ireo fanalahidin’ny fisoronana sy ny fahefana miahy ao amin’ny fisoronana. Ireo Apôstôly dia nitazona ireo fotopampianaran’ny filazantsara ho madio tsy misy pentina ary nitandrina ny filaminana sy nametraka ny fitsipiky ny fahamendrehana ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana. Noho ny tsy fisian’ny Apôstôly dia niova ireo fotopampianarana rehefa nandeha ny fotoana, ary nisy ireo fanovana tsy nahazoana lalana natao teo amin’ny rafitry ny Fiangonana sy ireo ôrdônansin’ny fisoronana, toy ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina.

“Noho ny tsy fisian’ny fanambarana sy ny fahefan’ny fisoronana dia niantehitra tamin’ny fahaizan’olombelona ny olona nentina nanazavana ny soratra masina sy ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Hevi-diso no nampianarina ho fahamarinana. Very avokoa ny ankamaroan’ny fahalalana momba ny toe-tena sy ny toetoetra marin’ Andriamanitra Ray sy ny Zanany Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina. Ireo fotopampianarana momba ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny fibebahana, ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina dia novaina na nohadinoina. Ny fahefan’ny fisoronana izay nomena ireo Apôstôlin’i Kristy dia tsy teto an-tany intsony. Izany Apôstazia izany avy eo no nitondra tamin’ny fitsanganan’ny fiangonana maro” (Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny asa fanompoan’ny misiônera [2004], 35).

Raha avy amin’ny zavatra nianaranao mikasika ny Apôstazia dia diniho hoe nahoana no nilaina ny famerenana ny filazatsaran’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany tamin’ny laoniny mialohan’ny fahatongavan’ny Tompo.

Ilay “lehilahin’ny ota” voalaza ao amin’ny 2 Tesaloniana 2:3 dia milaza an’i Satana. Ny Famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny, anisan’izany ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna, dia mampiharihary ireo fitaka ataon’i Satana sy ireo mpanara-dia azy.

Ao amin’ny 2 Tesaloniana 2:4–17 dia mamaky isika fa i Paoly dia naminany fa hamela an’i Satana hamitaka ny mponin’ny tany mandrapahatongan’ny fotoan’ny Fiaviana fanindroany ny Tompo (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny 2 Tesaloniana 2:7–9 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina]). Namporisihin’i Paoly ireo Olomasina hoe “tomoera tsara” amin’ireo fahamarinana izay efa nampianarina azy ireo (2 Tesaloniana 2:15).

scripture mastery icon
Soratra masina fehezina—2 Tesaloniana 2:1–3

  1. journal iconTadiavo amin’ny alalan’ny fitaovana fandalinana soratra masina (toy ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy na ny Torolalana ho an’ny soratra masina) ny soratra masina iray hafa mampianatra momba ny Apôstazia. Azonao atao ny manoratra na manisy marika izany andinin-tsoratra masina izany ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny 2 Tesaloniana 2:1–3. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hampiasanao ireo andininy ireo mba hanazavana ireo fotopampianarana fototra momba ny Apôstazia sy ny Famerenana amin’ny laoniny amin’ny olona iray izay tsy mpikamban’ny Fiangonana.

2 Tesaloniana 3

Nampitandrina ireo izay tsy manaraka ny torohevitry ny Tompo i Paoly, ary mitory mikasika ny fizakan-tena izy

Tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly ny epistiliny faharoa ho an’ny Tesaloniana dia nidonanam-poana na kamo ny mpikamban’ny Fiangonana sasany, ary tsy mba niasa mba hizaka tena. Nanantena izy ireo fa ny asa ataon’ny sasany no hamelona azy ireo.

Inona no olana mety hitranga vokatr’izany toe-javatra izany?

Araka ny 2 Tesaloniana 3:1–9 dia nidoka ireo Olomasina Tesaloniana izay nahatoky i Paoly ary nampitandrina azy ireo amin’ny fiarahana amin’ireo izay “tsy mitoetra tsara” (andininy 6). Fomba iray azo andikana ny hoe tsy mitoetra tsara ny hoe tsy voafehy, ary ao amin’ny sahan-kevitry ny 2 Tesaloniana 3 dia hoentina milaza ny hoe kamo na midonanam-poana izany. Ireo mpikamban’ny Fiangonana izay tsy mitoetra tsara dia ireo izay afaka miasa mba hamelomana ny tenany nefa tsy mety hanao izany. Nanamarika i Paoly fa izy sy ny namany dia nametraka ohatra maneho fizakan-tena amin’ny fiasana mba hamelomana ny tenan’izy ireo.

Vakio ny 2 Tesaloniana 3:10–13 dia tadiavo izay mety nampianarin’i Paoly an’ireo Olomasina mba hataon’izy ireo manoloana ireo izay tsy mety hiasa.

Nanoro hevitra ireo Olomasina ihany koa i Paoly mba tsy ho “ketraka amin’ny fanaovan-tsoa” (2 Tesaloniana 3:13). Nampianatra azy ireo izy mba hivoatra amin’ny lafiny rehetra ary mba hanampy ny hafa (jereo ihany koa ny F&F 64:33).

Mianatra avy amin’ny torolalan’i Paoly isika fa nomena didy mba hizaka tena sy mba hanampy ny hafa isika.

Vakio ity teny nambara manaraka ity mba hitadiavana ny dikan’ny mizaka tena:

“Anisan’ny fitahiana azo avy amin’ny asa ny fahafahana mizaka tena kokoa. Rehefa mizaka tena ianao dia mampiasa ireo fitahiana sy fahafahana nomen’ Andriamanitra anao mba hikarakarana ny tenanao sy ny fianakavianao ary mba hahitana vahaolana amin’ireo olanao manokana. Ny fizakan-tena dia tsy midika hoe tsy maintsy manao ny zava-drehetra irery ianao. Mba hahafahana ho mizaka tena dia tsy maintsy mianatra ny fiarahana miasa amin’ny hafa ianao ary mitodika amin’ny Tompo mba hampiany sy homeny hery.

“Tsarovy fa manana asa lehibe ho anao Andriamanitra. Hitahy anao izy ao anatin’ny ezaka ataonao mba hanatanterahana izany asa izany” (Jeunes, soyez forts [kiboky, 2011], 41).

Eritrereto ny zavatra anankiray azonao atao mba ho lasa mizaka tena kokoa amin’izao fotoana ary amin’ny ho avy. Mametraha tanjona ary katsaho ny fanampian’ny Tompo eo am-panatanterahana izany tanjona izany.

Araka ny voarakitra ao amin’ny 2 Tesaloniana 3:14–18 dia namarana ny epistiliny i Paoly amin’ny famporisihana ireo Olomasina mba hanampy ireo izay nidonanam-poana mba ho lasa mizaka tena amin’ny alalan’ny “[tsy fikambanana]” amin’izy ireo, na amin’ny fialana amin’izy ireo (andininy 14). Namporisika ireo Olomasina kosa anefa izy mba tsy handray ireo mpidonanam-poana ho toy ny fahavalo fa handray azy ireo kosa ho toy ny rahalahy sy rahavavy ao amin’ny filazantsara.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 2 Tesaloniana ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: