Fizarana 31: Andro 4
Apokalypsy 8–11
Fampidirana
Nahita ny fisokafan’ny tombo-kase fahafito i Jaona Apôstôly ary nianatra momba ny asa nanirahana azy mba handray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany. Na dia eo aza ny loza maro, sy famongorana, ary fitsarana izay ho avy amin’ny mponin’ny tany, i Jaona kosa dia nahita fa ireo izay mendrika dia ho voatsimbina amin’ny maro amin’izy ireo.
Apokalypsy 8–9
Nahita ny fisokafan’ny tombo-kase fahafito i Jaona
Jereo ilay tabilao nampiarahina momba ny bokin’ny Apokalypsy. Mariho hoe firy ireo andininy izay milaza ny zava-mitranga ao amin’ireo tombo-kase enina voalohany raha oharina amin’ny isan’ny andininy izay miresaka momba ny zava-mitranga ao amin’ny tombo-kase fahafito .
I Jaona Apôstôly dia nanoratra bebe kokoa momba ireo zava-mitranga mifandray amin’ny vanim-potoan’ny arivo taona fahafito noho ny nataony momba ny zava-mitranga mifandray amin’ny vanim-potoan’ireo arivo taona hafa. Nanoratra manokana momba ny zavatra hitranga eo anelanelan’ny fisokafan’ny tombo-kase fahafito sy ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany izy.
Nahoana araka ny eritreritrao no nanoratra betsaka momba ny zava-mitranga ao amin’ny tombo-kase fahafito i Jaona?
Eo am-pandalinanao ny fahitan’i Jaona ao amin’ny Apokalypsy 8–11, dia saintsaino ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ny zavatra izay nosoratany momba ireo zava-mitranga ireo.
Ny Apokalypsy 8:1–6 dia mamariparitra ny Mpamonjy manokatra ny tombo-kase fahafito. Nahita anjely fito izay nomena trompetra fito i Jaona. “Nampiasaina fahiny ny trompetra ho fanambarana loza na famantarana [ny tafika] ho amin’ny ady, na hanambarana ny fahatongavan’ny fianakavian’ny mpanjaka. Ny feon’ny trompetra, noho izany, dia manakoako na manambara zavatra izay tena manan-danja” (Gerald N. Lund, “Seeing the Book of Revelation as a Book of Revelation,” Ensign, des. 1987, 50).
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:12 dia tadiavo ny dikan’ny feon’ireo trompetra fito.
Ao amin’ny Apokalypsy 8:1–6, ny fitsofana ny trompetra dia mampahafantatra ny fiavian’ny loza isan-karazany sy ny fandringanana ho fiomanana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany sy ny fanjakany mandritra ny Arivotaona.
Vakio ireto andinin-tsoratra masina tsirairay ireto, izay manazava ny trangan-javatra mifandray amin’ny feon’ireo trompetra enina voalohany. Eo am-pamakianao dia karohy ny valinteny mifanentana amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.
Voalohany—Apokalypsy 8:7. Inona no nitranga vokatry ny fianjeran’ny “havandra sy afo” tamin’ny tany rehefa nitsoka ny trompetra ny anjely voalohany?
Faharoa—Apokalypsy 8:8–9. Inona ireo zavatra telo izay voakasika, rehefa naneno ny trompetra faharoa?
Fahatelo—Apokalypsy 8:10–11. Inona no nitranga rehefa nianjera avy any an-danitra ny kintana? (Mariho fa ny zava-mahafaty dia zava-maitso iray; ampiasaina mba hampisehoana “loza na alahelo mangidy” izany [jereo ny Bible Dictionary , “Wormwood”
Fahefatra—Apokalypsy 8:12. Taorian’ny ny fanenon’ny trompetra fahefatra dia inona ireo zavatra telo izay lasa maizina ny ampahany?
Fahadimy—Apokalypsy 9:1–3. Inona no nivoaka avy tao amin’ny lavaka tsy hita noanoa rehefa nosokafan’ny anjely fahadimy izany?
Fahenina—Apokalypsy 9:13–16, 18. Firy ny miaramila nandray anjara tamin’ilay ady lehibe izay hitan’i Jaona rehefa naneno ny trompetra fahenina? Karazan’olona toa inona no hitany maty tamin’ity ady ity?
Vakio ny Apokalypsy 9:20–21 dia tadiavo ny zavatra hasetrin’ireo olon-dratsy sisa tavela amin’ireo loza ireo.
Apokalypsy 10
Nampianatra an’i Jaona momba ny asa hanirahana azy amin’ny andro farany ny anjely iray
Ny Apokalypsy 10 dia ahitana fiatoana eo amin’ny famariparitana ireo trompetra fito maneno sy ny loza mifandraika amin’izy ireo avy. Mamaky isika ao amin’ity toko ity fa i Jaona dia nampianarin’ny anjely iray hafa.
Inona ireo traikefa sasantsasany izay azo heverina ho sady mamy no mangidy?
Vakio ny Apokalypsy 10:1–3 dia tadiavo ny zavatra izay notazomin’ilay anjely.
Vakio ny Apokalypsy 10:8-11 dia tadiavo ny nasaina nataon’i Jaona tamin’ilay boky kely. Mariho ny tsiron’izany taminy.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:14 ka tadiavo ny dikan’ilay boky kely.
I Jaona Apôstôly dia notahian’i Jesoa Kristy mba ho velona mandra-pahatongan’ny Fiaviany Fanindroany ka hitondra ny olona ho any Aminy (jereo ny Jaona 21:20–24; F&F 7:1–4). Ny asa nanirahana an’i Jaona dia ny hanampy hanangona ny zanak’ Isiraely. Amin’ny fomba ahoana no mety maha-sady mamy no mangidy ny iraka toy izany?
-
Ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina, dia ampiasao ny Apokalypsy 10:8–11 mba hanoratana ny valin’ny iray amin’ireto olana manaraka ireto na izy roa:
-
Naheno aho fa tena mafy ny manao asa fitoriana. Tsy mahatanty ny fandavan’ny olona aho. Tsy azoko antoka hoe te hanompo aho.
-
Niezaka nanao ny marina aho. Mamaky soratra masina, mivavaka, ary miezaka ny mizara ny filazantsara aho, kanefa mbola misy ireo zavatra izay tsy tsara eo amin’ny fiainako—ary mbola tsy nisy olona izay naniry ny ho lasa mpikamban’ny Fiangonana noho ny amiko. Angamba hilavo lefona aho.
-
Apokalypsy 11
Nahita mpaminany anankiroa izay novonoina tao Jerosalema i Jaona, ary ny feon’ireo trompetra maneno fahafito
Ny Apokalypsy 11 dia miantomboka amin’ny famaritan’i Jaona Apôstôly momba ireo tranga izay hiseho eo anelanelan’ny feon’ilay trompetra fahafito sy ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Mandritra io fotoana io, ireo ratsy fanahy dia tsy hanana hery sy fahefana amin’ny tany intsony, ary hisy tafika iray izay hiezaka handresy an’i Jerosalema, izay ao anatin’ny ady lehibe faran’ny Hara-magedona.
Nofariparitan’i Jaona ny tanànan’i Jerosalema sy ny faharesen’ny Jentilisa izany (ireo izay tsy manao sy mitandrina fanekempihavanana amin’ny Tompo) mandritra ny 42 volana, izay telo taona sy tapany.
Vakio ny Apokalypsy 11:3–6 dia tadiavo ny zavatra izay ho ataon’ny roa amin’ireo vavolombelon’ny Mpamonjy any Jerosalema mialoha indrindra ny Fiaviany Fanindroany.
Ireo mpaminany anankiroa ireo dia ho toa an’i Elia sy i Mosesy, manana ny fahefana sy ny hery mba hamehy ny lanitra ary hamely ny tany amin’ny loza. Ny afo izay hivoaka avy amin’ny vavan’ireo vavolombelona roa ireo dia mety ho tandindon’ny ny herin’ny fijoroana ho vavolombelona izay hozarain’izy ireo (jereo ny Jeremia 5:14; 20:9).
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:15 dia tadiavo hoe ho iza ireo vavolombelona roa ireo.
Vakio ny Apokalypsy 11:7-12 dia tadiavo ny zavatra izay hitranga amin’ireo mpaminany roa ireo. Mariho ny fihetsika hasehon’ireo ratsy fanahy.
Vakio ny Apokalypsy 11:13–15 dia tadiavo ny zavatra hitranga rehefa avy mitsangana amin’ny maty sy miakatra any an-danitra ireo mpaminany roa ireo.
Aorian’ny fanenoan’ilay trompetra fahafito, dia iza no hanjaka amin’ireo“fanjakan’izao tontolo izao” (Apokalypsy 11:15)?
Mianatra isika ao amin’ny Apokalypsy 11:16–19 fa ireo loholona 24 izay nipetraka teo akaikin’ny sezan’ Andriamanitra dia nisaotra sy nidera an’ Andriamanitra tamin’ny namaliany soa ireo olo-marina ary nanasaziany ireo olon-dratsy.
-
Tsarovy avy tao amin’ny lesona teo aloha ity fitsipika manaraka ity izay hita ao amin’ny Apokalypsy 7: Raha miaritra fahoriana amim-pahatokiana sy manjary madio amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika, dia higoka ny voninahitra selestialy miaraka amin’ Andriamanitra. Saintsaino ireo zava-mitranga ao amin’ny tombo-kase fahafito izay nianaranao androany. Ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, soraty hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ireto fitsipika ireto mitondra fampiononana sy fiadanana ho an’ireo izay miaina ny sasany amin’ireo antambo mampatahotra izay hitranga mialoha ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany.
Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa na dia eo aza ireo antambo izay misy amin’izao androntsika izao, dia afaka miandrandra mialoha ny fiavian’ny Tompo amim-panajana sy amim-pientanentanana isika:
“Miaina amin’ny andro mialoha ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany isika, ry rahalahy sy anabavy, fotoana izay nandrandrain’ny mpino maro teo amin’ny tantara. Miaina ao anatin’ny vanim-potoan’ny ady sy tabataban’ady isika, ao anatin’ny vanim-potoan’ny loza voajanahary, ao anatin’ny vanim-potoana iainan’izao tontolo izao fikorontanana sy fihotakotahana.
“Miaina ao anatin’ilay vanim-potoana lehiben’ny Famerenana amin’ny Laoniny koa anefa isika, izay hitondrana ny filazantsara eran’izao tontolo izao–fotoana izay nampanantenain’ny Tompo fa Izy dia ‘hanangona … vahoaka madio’[F&F 100:16] ary hotafiany amin’ny ‘fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra’ izy ireo [1 Nefia 14:14].
“Miravoravo isika amin’izao andro izao ary mivavaka mba ho afaka miatrika amin-kerimpo ireo fahasahiranana sy ny fisalasalana iainantsika. Ny fahasarotana iainan’ny sasany dia mafimafy kokoa noho ny an’ny hafa, nefa tsy maintsy hiharan’izany avokoa ny rehetra. …
“Na dia manome toky antsika hatrany hatrany aza ny Tompo fa isika dia ‘tsy tokony hatahotra’ [F&F 10:55], dia matetika tsy mora ny fananana fomba fijery mazava tsara sy ny fijerena mihoatra an’ity fiainana an-tany ity, rehefa ao anatin’ny fitsapana isika. …
“Mitombo ny finoantsika rehefa miandrandra ilay andro be voninahitra hiverenan’ny Mpamonjy eto an-tany isika. Mampientanentana ny fanahiko ny mieritreritra ny fiverenany. Tena hampitolagaga mihitsy izany! Ny fielezan’izany sy ny mahafeno voninahitra an’izany ary ny halehiben’izany sy ny hatsaran’izany dia hihoatra lavitra noho ny zavatra rehetra izay hita na niainan’ny olombelona. …
“…Handohalika amim-panajana isika, ‘ary hiloa-bava ny Tompo ka handre izany avokoa ny faran’ny tany’ [F&F 45:49]. ‘Izany … dia ho toy ny feon’ny rano maro ary ho toy ny feon’ny kotrokorana lehibe’ [F&F 133:22]. ‘[Ary] ny Tompo, … ny Mpamonjy, dia hitsangana eo afovoan’ny vahoakany’ [F&F 133:25]” (“Ho Tonga anie ny Fanjakanao,” Ensign na Liahona, mey 2015, 119–120, 122).
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Apokalypsy 8–11 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: