Tahirim-pitaovana
Fizarana 2, Andro 4: Matio 5


Fizarana 2: Andro 4

Matio 5

Fampidirana

Ny Matio 5–7 dia mirakitra toriteny iray izay nataon’ny Mpamonjy tamin’ny fiandohan’ny asa fanompoany. Nanjary fantatra amin’ny hoe ny Toriteny teo An-tendrombohitra izany. Ity lesona ity dia mahafaoka ny Matio 5, izay ahitana ireo fitsipika izay nampianarin’ny Mpamonjy fa mitondra amin’ny fahasambarana. Nandidy ireo mpianany ihany koa Izy mba ho ohatra tsara ary nampianatra ny lalàna ambony kokoa.

Matio 5:1–12

Natomboky ny Mpamonjy tamin’ny fampianarana ireo Fahasambarana ny Toriteny teo An-tendrombohitra

Toriteny teo An-tendrombohitra

I Jesoa mampianatra ny Toriteny teo An-tendrombohitra

Ahoana no fomba mety hamalianao ireto fanontaniana manaraka ireto? Sambatra ve ianao? Nahoana, na raha tsia dia nahoana?

Mariho ny zavatra nolazain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany momba ny fahasambarana:

Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Matetika tokoa isika no voafandriky ny fiheverana diso hoe misy zavatra efa akaiky ho takatsika izay hitondra fahasambarana ho antsika: fiainam-pianakaviana tsaratsara kokoa, toe-bola tsaratsara kokoa, na ny fitsaharan’ny fizahan-toetra izay miendrika fanamby.

“… Ny toe-javatra ivelany dia tsy tena manan-danja ary tsy tena mamaritra ny fahasambarantsika.

Isika no manan-danja. Isika no mamaritra ny fahasambarantsika” (“Mikasika ny nenina sy ny fanapahan-kevitra,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 23).

Rehefa mandalina ny Matio 5 ianao dia tadiavo ireo fitsipika izay afaka manampy anao hahatakatra izay mitondra fahasambarana marina.

Topazo maso ny Matio 5:3–11, ka tadiavo ireo teny izay miverimberina ao amin’ny fiandohan’ny andininy tsirairay. Azonao atao ny manisy marika ny teny hoe sambatra izay hita ao amin’ny Matio 5:3, )

Satria ny teny hoe sambatra dia nadika avy tamin’ny teny Latina hoe beatus, izay midika hoe ambinina na sambatra, dia antsoina hoe ireo Fahasambarana ireo andinin-tsoratra masina ireo.

Nandritra ny fitsidihany ny Nefita dia nanao toriteny izay mitovy tamin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra hita ao amin’ny Matio 5 i Jesoa Kristy. Ho sasin-tenin’ny toriteniny tamin’ny Nefita dia nanazava ny fomba hanatonana Azy amin’ny alalan’ny batisa sy ny fandraisana ny Fanahy Masina ny Mpamonjy (jereo ny 3 Nefia 12:1–2). Ireo fahasambarana hita ao amin’ny Matio 5:1–12 sy ny 3 Nefia 12:1–12 dia manolotra lalana iray ahafantarantsika ny fomba hanatonana Azy.

Vakio ny 3 Nefia 12:3–6, ka tadiavo ny fomba hitondran’ny hafatry ny Tompo ao amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto fahatakarana lehibe kokoa momba ireo andalan-tsoratra masina ao amin’ny Matio 5:3–6.

  1. journal iconMisafidiana iray amin’ireo Fahasambarana ao amin’ny Matio 5:3–12. Manorata lahateny fohy momba izany fahasambarana izany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina: (Azonao atao ny mampiditra ireo hevi-baovao avy ao amin’ny 3 Nefia 12.) Ampidiro ho ampahany amin’ny lahateninao izao fampahalalana manaraka izao:

    1. Fantaro ny fitahiana ampanantenaina amintsika noho ny fiainana izany fahasambarana izany.

    2. Manolora soso-kevitra momba ireo fomba ahafahantsika miaina araka izany fahasambarana izany.

    3. Hazavao ny fomba hitondran’ny fiainana araka izany fahasambarana izany fahasambarana ho antsika. Azonao atao ihany koa ny mizara ny traikefa izay mampiseho fa nitondra fahasambarana ho anao izany fahasambarana izany.

Mety tsikaritrao fa mampianatra momba ireo toetran’i Jesoa Kristy ny tsirairay amin’ireo Fahasambarana ireo. Afaka ny ho tonga tahaka Azy bebe kokoa isika amin’ny alalan’ny fiainana ireo fitsipika ireo. Mianatra isika avy amin’ny Matio 5 fa hahita fahasambarana tsy mitsaha-mitombo isika rehefa mikolokolo ireo toetra araka an’i Kristy.

Misafidiana toetra iray avy amin’ny iray amin’ireo Fahasambarana, ary mametraha tanjona izay hanampy anao hikolokolo izany toetra izany.

Matio 5:13–16

Nampianatra ny mpianany hametraka ny ohatra tsara i Jesoa Kristy

Mieritrereta olona iray izay fantatrao, toy ny olona ao amin’ny fianakavianao na ny namana iray, izay hahazo fitahiana rehefa manatona akaiky kokoa ny Ray any An-danitra. Rehefa manohy mandalina ny Matio 5 ianao dia tadiavo ireo fitsipika izay afaka mitarika anao rehefa miezaka ny hanampy izany olona izany ianao.

sira sy fitoeran-tsira

Tanisao avokoa ireo fampiasana ny sira araka izay azonao eritreretina:

Ampio ny lisitra nataonao rehefa avy mamaky ny zavatra nolazain’ny Loholona Carlos E. Asay ao amin’ny Fitopololahy mikasika ny sira:

Loholona Carlos A. Asay

“Manan-danja amin’ny fahasalamana ny [sira]; tsy maintsy misy sira ireo sela ao amin’ny vatana mba ahafahany miaina sy miasa. Manana toetra manadio na mamono ireo bibikely izany. Fitahirizan-javatra ihany koa izany. Fangaro iray ao amin’ny sakafo sy vokatra maro izany. Ary voatombantombana fa misy fampiasana ny sira mihoatra ny efatra arivo sy iray alina. …

“… Ny [sira izay] manana tsiro … dia madio, tsy misy pentina, tsy voaloto ary azo ampiasaina. Amin’izany toetra izany dia hitazona, hanome tsiro, hanasitrana ary hanatanteraka ireo asany azo ampiasana azy ny sira” (“Salt of the Earth: Savor of Men and Saviors of Men,” Ensign, mey 1980, 42).

Vakio ny Matio 5:13, ka tadiavo izay nampitahain’ny Mpamonjy tamin’ny sira.

Eritrereto ny fomba ahafahan’ny mpianatr’i Jesoa Kristy mampiseho ireo toetra tahaka ny an’ny sira tsara.

Araka ny andininy 13, inona no mitranga rehetra very ny tsiron’ny sira?

Ny teny hoe tsiro dia tsy milaza ny tsiron’ny sira fotsiny ihany fa ireo toetrany miavaka izay mahatonga izany ho mpanasitrana sy mpitahiry ihany koa.

Inona araka ny eritreritrao no mahatonga ny sira hanary ny tsirony?

Manary ny tsirony ny sira rehefa ampiarahina amin’ny singa hafa (toy ny loto) ka manjary maloto.

Raha toa ka maneho ireo mpianatr’i Jesoa Kristy ny sira, mety haneho inona ny loto na ireo zavatra hafa izay mandoto?

Mianatra isika avy amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy fa misakana antsika tsy ho fitahiana ho an’ny hafa ny voaloton’ny fahotan’izao tontolo. Azonao atao ny manoratra io fitsipika io eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Matio 5:13.

Loholona Carlos A. Asay

Nanome torohevitra ihany koa ny Loholona Asay mba hanampy antsika tsy ho voaloton’ny fahotan’izao tontolo izao: “Te hanolotra ireto torolalana tsotra ireto aho … mba hitehirizana ny tsiron’ny zavatra iray: Raha toa ka tsy madio izany dia aza eritreretina; raha toa ka tsy marina izany dia aza resahina; raha toa ka tsy tsara izany dia aza atao” (“Salt of the Earth,” 42–43).

Saintsaino ny zavatra azonao atao anio mba tsy ho voaloton’ireo fahotan’izao tontolo izao. Tsarovy fa amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana dia afaka ny ho tonga madio amin’izay mety ho fahotana vitanao ianao.

Vakio ny Matio 5:14–16, ka mariho ny fomba nampitahan’ny Mpamonjy ny mpianany tamin’ny jiro. (Soratra masina fehezina ny Matio 5:14–16. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba ho mora aminao ny hahita ny misy izany amin’ny hoavy.)

scripture mastery icon
Soratra masina fehezina—Matio 5:14–16

labozia
  1. journal iconManaova sarina labozia tsotra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ary valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no dikan’ny hoe aoka hazava ny fahazavanareo?

    2. Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ny manaraka ny didin’ny Tompo ao amin’ny Matio 5:14–16 mba hanehoana ohatra tsara?

Mianatra isika araka ireo andinin-tsoratra masina ireo fa afaka mamporisika ny hafa hanakaiky bebe kokoa ny Ray any An-danitra ireo ohatra tsara asehontsika. Soraty ao anatin’ny soratra masinao izany fitsipika izany.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Oviana no nanampy anao hanakaiky bebe kokoa ny Ray any An-danitra ny olona iray izay nampiseho ohatra tsara?

Saintsaino ny zavatra azonao atao mba ho ohatra tsara kokoa ho an’ny fianakavianao sy ireo namanao.

Matio 5:17–48

Nampianatra ny mpianany ny fomba ahatongavana lavorary tahaka ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy

Raketin’ny Matio 5:17–20 fa i Jesoa Kristy dia nampianatra fa tsy tonga handrava Izy, na hanao mifanohitra amin’ireo fahamarinana mandrakizay ao amin’ny lalàn’i Mosesy. Fa tonga hamerina amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara izay very noho ny faharatsiana sy ny apôstazia kosa Izy, mba hanitsiana ireo fampianaran-diso, ary hanatanteraka ireo faminaniana nataon’ireo mpaminany tao amin’ny Testamenta Taloha.

Niresaka momba ireo lalàna samihafa sy ireo fombafomban’ny Jiosy izay niroborobo na niampy teo ambanin’ny lalàn’i Mosesy ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 5:21–48. Nampianatra ny lalàna ambonimbony kokoa eo amin’ny fiainana Izy rehefa nanazava ny tena hevitr’ireo lalàna. Tsy maintsy miaina ny lalàna ambonimbony kokoa ireo mpikambana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Mba hanampiana anao hamantatra ny zavatra nampianarin’i Jesoa Kristy ny mpianany momba ny lalàna ambonimbony kokoa dia fenoy izao asa fampitoviana manaraka izao:

Miaina ireo voasoratra ao amin’ny lalàna ihany

Ny fomba tokony hiainan’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy

  1. Tsy tokony mihaniana ianao; tokony ho ampy ny teninao.

  2. Tiavo ny fahavalonao.

  3. Aza misara-bady raha tsy noho ny fijangajangana.

  4. Aza tezitra.

  5. Omeo ny takolaka ilany.

  6. Aza mijangajanga ao am-ponareo amin’ny fikolokoloana eritreritra feno fitsiriritana.

  1. journal iconAvereno jerena ireo fahamarinana izay nianaranao nandritra ity lesona ity. Soraty eo amin’ny andalana mitokana ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo teny hoe: Atomboka, Hatsahatra ary Tohizana. Tombantombano ny fiainanao, ary misafidiana zavatra iray izay azonao atomboka ny fanaovana azy, zavatra iray izay azonao hatsahatra ny fanaovana azy, ary zavatra iray izay azonao tohizana ny fanaovana azy mba hampiharana ny zavatra nianaranao tato anatin’ity lesona ity. Soraty eo akaikin’ilay teny mifanaraka amin’izany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra nosafidianao mba hatomboka sy ny zavatra nosafidianao mba hotohizana. Asio marika iray eo akaikin’ny teny hoe Hatsahatra mba hampisehoana fa nisafidy zavatra iray izay azonao hatsahatra ianao.

  2. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Matio 5 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: